Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 09 SEPT 2018

Lioka 16:8-9:"Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak’ izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin’ ny karazany noho ny zanaky ny mazava.  Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ ireo ho any amin’ ny fonenana mandrakizay hianareo, rehefa lany izany".

Texte anisan’ny sarotra indrindra ao amin’ny Baiboly ity texte ity satria misy olona manao ny tsy marina kanefa derain’i Jesoa ary apetrany ho modely ho antsika. Olona tsy marina, mpitantana fananana tsy marina, nisoloky ny mpampiasa azy no raisin’i Jesoa ho modely. Inona no nahatonga an’i Jesoa nametraka an’ity mpitantana fananana tsy marina ity ho modely ho antsika ? Hoy ilay and. 8 hoe « satria nanan-tsaina izy ».

RESAKA KRISTIANA MANAN-TSAINA

Maro ny kristiana, fa vitsy ny kristiana manan-tsaina. Fa tian’ny Tompo isika ho kristiana manan-tsaina avokoa. Inona no mahatonga ny Tompo hiteny hoe manan-tsaina ny kristiana anankiray ? Hita eo amin’ny and.9 izany.

Fahamarinana 1 : NY KRISTIANA MANAN-TSAINA DIA KRISTIANA MISAINA IZAY HO FONENANY MANDRAKIZAY

Ity lehilahy ity dia mpiasa-na mpanankarena, io mpanankarena io, misy olona manana trosa aminy, dia namboarin’ity lehilahy ity ilay trosa. Dia hoe misaina izay ho fonenany mandrakizay izy hoy ny Tompo, satria hoe angamba izy hanana namana an’ireo olona izay navotsony ireo ilay trosa. Tsy vaovao amintsika Isotry Fitiavana izany hoe misaina ny fonenana mandrakizay, dia ilay fonenana mandrakizay misy an’Andriamanitra. Fa izao no momba antsika : tia an’Andriamanitra isika ; fa raha ity Lioka 16 izay miompana tanteraka amin’ny vola ity, sady tia an’Andriamanitra isika no tia vola ihany koa. Izay ilay problemantsika ; kanefa isika manana toe-po, manana toe-panahy mararin’ny fahotana, dia na tiantsika tahaka inona aza Andriamanitra, tiantsika kokoa ny vola. Ary izay no mahatonga ny mpandinika hilaza hoe 80% des corrupteurs sont des chrétiens ; ary ao anatin’ireo misy fifohazana, misy pasitera, misy biraom-piangonana, misy diakona.

Olona handova ny fiainana mandrakizay isika, saino izay ho fonenanao mandrakizay, kolokoloy izay fihavananao amin’Andriamanitra, saino izay hahafaly an’Andriamanitra aminao. Jereo izay ho fonenanao mandrakizay raha vao miala eto ianao. Hetahetan’olombelona, ary tsy misy maharatsy an’izany, izany hoe mba hanana trano izany raha azo atao, hanana trano ho an’ny tena, hanana trano mba hampanofaina. Fa izao : zava-dehibe lavitra noho izany ny fananana fonenana mandrakizayany an-danitra. Ary ny teny grika amin’ilay hoe hanana fonenana mandrakizay dia hoe hanana tabernakely mandrakizay. Ny tabernakely dia fitoeran’Andriamanitra.

Ry havana, tsy ho tafiditra any amin’ilay fonenana mandrakizay ianao, tsy ho tafiditra any amin’ilay tabernakely mandrakizay ianao raha tsy dieny izao ianao dia misaina izany hoe fifandraisanao amin’Andriamanitra, mihevitra izay hahatsara ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, tahaka ny olona izay manao ho zava-dehibe izany hoe fonenany mandrakizay izany.

Fahamarinana 2 : NY KRISTIANA MANAN-TSAINA DIA MAHAFANTATRA HOE MPITANTANA VOLA IZY FA TSY TOMPONY

Tahaka an’ilay mpitantana fananana teto ianao, mpitantana fotsiny ianao fa tsy tompony ; ary fampianaran-dison’ny secte izany hoe misy olona manankarena izany. Fa raha manankarena ianao dia manankarena ho an’Andriamanitra, dia anontanio Azy hoe ahoana no ampiasaiko an’ity milliard izay nomenao ahy ity ? Tsy anao io volanao io fa an’Andriamanitra. Ary ny olona mahafantatra an’izany, tsy lany andro intsony hoe « nyfahafolon-kanefa anie ka fampianaran’nyTestamenta Taloha, fampianaran’ny secte ; ao amin’ny fiangonana ao resa-bola foana ». Fantaro manomboka anio fa io volanaoio, tsy tompony ianao fa mpampiasa ianao. Ary raha tahiany ka hoe misaina ny any an-danitra ianao, raha tahiany ka hoe kristiana manan-tsaina ianao, fantatrao fa tsy anao io volanao io.

Misy mpanompon’Andriamanitra iray, John Wesley, niteny hoe misy mason-tsivana 4 amin’ny fandaniana vola raha kristiana manan-tsaina ianao, raha kristiana te handova ny lanitra ianao :

  1. Fantatrao ve fa mpitantana ianao fa tsy tompony ?
  2. Izay Ariary rehetra lanianao ve dia azonao amarinina ara-tsoratra Masina ?
  3. Toa ny manao sacrifice ho an’Andriamanitra ve ianao ? Fa ny fanomezana ho an’Andriamanitra dia miteraka sacrifice. Fa rehefa tsy miteraka sacrifice eo aminao ilay fanomezana ho an’Andriamanitra dia ny ambinambiny amin’ny fanananao izay no nomenao.
  4. Anantenanao valim-pitia any an-danitrave ? Satria hoy ny Matio 6 : 20: «Fa miharia harena ho anareo any an-danitra ». Any no misy mpanankarena, fa ety tsy misy manan-karena ho an’nytenanyizany.

Dia hoy ihany i John Wesley : « Manangona vola araka izay azo atao, tsitsio araka izay azo atao io vola io, manomeza araka izay azo ato» ; « gagne autant que possible, économise autant que possible, donne autant que possible ». Ny manangona dia haintsika, ny mitsitsy dia plus ou moins haintsika, fa ilay manome ho an’ny Tompo tsy haintsika. Fa ianarantsika izany satria te handova ny lanitra isika.

Fahamarinana 3 : NY KRISTIANA MANAN-TSAINA DIA MAMPIASA NY VOLA HANISIANA SOA NY HAFA

Hita eto amin’ity perikopa ity fa ilay vola tsy an’ilay mpitantana fananana, dia nararaotiny nanisiana soa ny hafa. Manisia soa, ary mitadiava namana amin’izany fanisiana soa izany. Ary atomboy ao amin’ny ankohonanao izany.

Maninona no derain’ny Tompo ilay mpitantana eto ? Araka ny and.9, mamôna tsy marina no resahina, fa ampiasao io volanao io, na marina io na tsy marina, ahazoanao sakaiza mba horaisin’ireo ho any amin’ny fonenana mandrakizay ianao. Misalasala, tsy dia tena mitovy hevitra ny mpandinika eo, iza ireo sakaiza izay ho hitanao any amin’ny fonenana mandrakizay ireo ? Averina fa mikendry ilay fonenana mandrakizay izy, dia hoe ireo olona nasiany soa tety an-tany no anisan’ny hitsena azy, anisan’ny iarahaba azy eny an-dalambean’i Jerosalema Vaovao.

Ary izany no anafarana antsika : mitadiava namana, ary angamba hoe iny fanisianao soa azy iny, tsy fanisiana soa amin’ny maha-olombelona azy fotsiny, fa fanisiana soa ny fanahiny dia mba hitsena anao izy. Zava- dehibe amintsika ny namana ary nampieritreritra ity blague iray : raha nanontaniana ny lehilahy iray hoe rahatrizay miala ety an-tany ianao, inona no tena ho tianao ? Dia namaly izy hoe raha ny hatsaran’ny toerana sy ny climat, dia aleoko any am-paradisa ; fa raha hoe ny toerana hisy ny namako rehetra, dia any amin’ny helo.

Fa eto ianao manisy soa olona antenainao ho hita any an-danitra. Ary ny namanao hitsena anao voalohany any an-danitra any dia Jesoa. Kolokoloy ny fifandraisanao Aminy, ataovy azonao antoka isan’andro hoe tena mivelona ianao tahaka ny sakaizan’Andriamanitra Rainao, tena mivelona ianao tahaka an’i Jesoa zokinao, dia azonao antoka izany fandovàna ny lanitra izany.

Maro ny mpandinika milaza hoe very hevitra, ary izany no ideran’ny Tompo ity mpitantana tsy marina ity : nanao preuve d’imagination izy anisiana soa ny hafa ; izany no nahatonga azy nanisy soa ny mamôna tsy marina. Mba manaova preuve d’imagination koa, mba hanehoanao hoe manan-tsaina ianao amin’ny fanisiana soa, hanehoanao hoe handova ny lanitra ianao. Hoy ny mpandinika iray hoe ny mampalahelo amin’ny kristiana rehefa mieritreritra an’ity dia ohatrany hoe ilay sainy sy ilay ati-dohany, navelany ao amin’ny parking miaraka amin’ny tomobile rehefa hiditra ao am-piangonana izy. Fa hoy ny Tompo hoe «  tiako ianao mba ho kristiana manan-tsaina ».

Misaotra ny Tompo isika fa ampatsiahiviny antsika ny programany ho antsika, dia ny handova ny lanitra. Andeha isika manomboka anio, hanana «  Vie motivée par le ciel ». Hiova ny fiainanao, hiova ny fonao, hiova ny fankatoavanao rehefa hanana an’izany hoe « Vie motivée par le ciel » izany ianao.

ALAHADY 26 AOG 2018

Asan'ny Apostoly 16:17: "Izy nanaraka an’ i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena".

RESAKA FANDINIHAN-TENA

  • Tadidio fa fantatry ny devoly isika mpanompon'Andriamanitra
  • Jesoa tokoa ve no manjaka ao amin'ny fonao?
  • Raha Jesoa no Mpanjakan'ny fonao dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao

ALAHADY 19 AOG 2018

Matio 5:38-42:"Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon’ ny maso, ary nify solon’ ny nify.  Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.  Ary izay te-hiady aminao ka ta-haka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao. Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa. Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao".

Ny tena mpianatra dia:

  1. Miaritra fa tsy mamaly faty
  2. Mandefitra fa tsy mila ady
  3. Manampy fa tsy mamihina

ALAHADY 12 AOG 2018

2 Samoela 3:17-29:"Ary Abnera efa niteny tamin’ ny loholon’ ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an’ i Davida ho mpanjakanareo;
koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an’ i Davida hoe: Amin’ ny tànan’ i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin’ ny tànan’ ny Filistina sy amin’ ny tànan’ ny fahavalony rehetra.
Ary Abnera efa niteny tamin’ ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin’ i Davida ao Hebrona koa izay rehetra tian’ ny Isiraely sy ny taranak’ i Benjamina rehetra hatao.
Dia tonga tany amin’ i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an’ i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida.
Ary hoy Abnera tamin’ i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin’ izay rehetra irin’ ny fonao. Ary Davida nampandeha an’ i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy.
Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an’ i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin’ i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin’ i Joaba hoe: Tonga tao amin’ ny mpanjaka Abnera, zanak’ i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
Ary Joaba nankao amin’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy?
Fantatrao anefa ny amin’ i Abnera, zanak’ i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao.
Dia nivoaka Joaba avy tao amin’ i Davida ka naniraka olona hanaraka an’ i Abnera, ary nitondra azy niverina avy any amin’ ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy fantatr’ i Davida izany.
Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin’ i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ ny kibony ka matiny ho todin’ ny ran’ i Asahela rahalahiny.
Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan’ i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin’ ny ran’ i Abnera, zanak’ i Nera.
Hitsingerina amin’ ny lohan’ i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin’ izany; ary tsy ho tapaka amin’ ny taranak’ i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin’ ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina".

RESAKA POLITIKAN'ANDRIAMANITRA

1. AZA MANAO TAHAKA AN'I ABNERA - MITANDREMA NY AMIN'NY FITADIAVANA TOMBONTSOA MANOKANA
2. MITANDREMA IANAO IZAY EFA MPANONTANY NY TOMPO HATRAMIN'IZAY, TANDREMO NY MANDEHA AMIN'NY HERIN'NY TENANAO KA TSY MANONTANY AN'ANDRIAMANITRA INTSONY
3. TANDREMO NY RESAKA TOMBONTSOA ATY AM-PIANGONANA FA TSY ANKASITRAHAN'NY TOMPO IZANY

Pasteur ANDRIAMIHAJA Lanto - Stagiaire