Romana 8 :14 : « Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra ».
Ny hafatry ny Tompo ho antsika anio dia faran’izay tsotra , faran’izay tsotra am-pitenenana, fa asa na firy amintsika no efa mampiatra azy. Ny hafatry ny Tompo anio maraina dia hoe : METEZA TARIHIN’NY FANAHY MASINA AMIN’IZAY.
Marina ihany, fa marina tapany ny filazan’ny secte antsika Fjkm sy Flm hoe tsy manana ny Fanahy Masina. Tsia ry havana : manana ny Fanahy Masina isika, nasiana tombon-kase an’ny Fanahy Masina isika, fa saingy tsy mety, tsy manaiky tarihin’ny Fanahy Masina isika. Izay ny probleme-tsika. Dia izay no anaovany hoe Fiangonana tsy manana ny Fanahy Masina ireo. Ry zareo koa manana ny Fanahy Masina ohatrantsika, saingy izao : tsy ampy fahalalana izy, dia misy fanahy misosoka, mampiteny amin’ny teny hafahafa ; tsy hoe akory rehefa manana ny Fanahy Masina, feno ny Fanahy Masina dia tsy maintsy miteny amin’ny teny tsy fantatra : fampianaran’ny devoly izany. Ary koa dia misy fahagagana isan-karazany hoe vokatry ny asan’ny fanahh, indrindra amin’ireny fiangonana antsoina hoe karismatika ireny : tena endriky ny famitahana ataon’ny devoly amin’izao andro farany izao ireny.
Fa ny hafatra ho antsika dia hoe : ianao zanak’Andriamanitra, nasiana tombo-kase amin’ny Fanahy Masina, METEZA AMIN’IZAY MBA HO TARIHIN’NY FANAHY MASINA.
Ahoana ary izany hoe tarihin’ny Fanahy Masina izany ?
Fahamarinana 1 : NY OLONA MANAIKY TARIHIN’NY FANAHY MASINA DIA OLONA MPANOKATRA BAIBOLY SY OLON’NY VAVAKA
Indray mandeha izahay nandeha tany Isalo, dia eo amin’ilay mpivarotra ticket fidirana ao amin’ilay parc, dia rehefa maka ticket dia hoe tsy maintsy maka ihany koa guide hitarika anao. Dia izay ilay asan’ny Fanahy Masina : rehefa tonga ao amin’ny parc Isalo ianao na any amin’ny parc hafa, tsy ho tonga ao an-tsainao mihitsy ny hoe tsy haka guide fa aleo handeha amin’izao. Dia alaivo sary an-tsaina hoe misy olona nandoa ilay billet hiditra ao amin’ny parc Isalo, dia hoe handoa an’ilay guide, dia teneniny ilay guide hoe « mipetraha ianao ». Izay no ataontsika amin’ny fiainantsika kristiana : zanak’Andriamanitra isika, fa ny Fanahy Masina apetrantsika eo, hany ka tsy misy fiainana kristiana vanona satria Andriamanitra Ray izay namorona, nahary an’izao tontolo izao, ary rehefa simban’ny fahotan’izao tontolo izao izay rehetra eo aminy, dia nandefasany an’i Jesoa Kristy hanavotra, amin’izao fotoana izao, noraisin’ny zanany izay any an-danitra, nandefa aty amintsika ny Fanahy Masina mba handehanantsika mendrika ny fiantsoana hoe zanaka. Ary rehefa tsy manana ny Fanahy Masina ianao, anarana fotsiny ny maha-zanaka anao, fa ny fiainanao, fiainana jentilisa, ary toa ny mandeha irery ianao, tsy manan-dray. METEZA HO TARIHIN’NY FANAHY MASINA.
Ary rehefa miteny isika hoe METEZA HO TARIHIN’NY FANAHY MASINA, ahoana ny fanatanterahana an’izany ? Zavatra roa efa fantatsika : ny olona tarihin’ny Fanahy Masina, satria ny Fanahy Masina no mampatsiahy izay efa notenenin’i Jesoa antsika, ny olona tarihin’ny Fanahy Masina dia olona mpanokatra Baiboly. Aza manantena ianao, aza mihevitra ianao hoe « izaho tsy mamaky Baiboly fa tena henoko be mihitsy ny Fanahy Masina tao anatiko tao nitarika ahy tamin’izao ». Sokafy ny Baiboly, vakio ny Baiboly, saino ny Baiboly, tandremo ny tenin’Andriamanitra.
Faharoa manarakaraka izany, ny olona tarihin’ny Fanahy Masina dia olon’ny vavaka. Ao izy roa : olon’ny Baiboly sy olon’ny vavaka. Amin’ny alalan’ny vavaka ny Fanahy Masina no mitari-dalana anao : iry ny lalanao na iry ny lalanao, na izao atao.
Izay ny fahamarinana 1 : METEZA HO TARIHIN’NY FANAHY MASINA AMIN’IZAY : VAKIO NY BAIBOLY, AMPITOMBOY NY FIAINAM-BAVAKA DIA HIASA AO AMINAO NY FANAHY MASINA HITARIKA ANAO, ARY REHEFA MITARIKA ANAO IZY, NY HITARIHANY ANAO VOALOHANY DIA HOE IANAO ANIE TSY KAMBOTY FA MANANA RAY TENA TIA, MANANA RAY MAHERY. Reharehantsika tamin’ny mbola kely, na reharehan’ny zanatsika hoe « dadanay ohatran’izao, na dadanay ohatran’izao, j’ai le meilleur papa du monde, j’ai le plus beau papa du monde, j’ai le papa le plus fort du monde ». Nous avons un héros comme Papa. Fa izany, Zefania izany, fa tsy fiainanao izany, satria tsy tarihin’ny Fanahy Masina ianao. Meteza ary ho tarihin’ny Fanahy Masina amin’izay, sokafy ny Baiboly ary ampitomboy ny fiainam-bavaka, dia hanana Ray tena mi-guidé anao eo amin’ny fiainanao ianao, tsy ho diso lalana ianao, fa ny lalanao mizotra mivantana ho any an-danitra, ary any an-dalana ianao hifaly amin’ity fiainana ity, hifaly amin’ny paysage izay asehony anao eo amin’ny andavan’androm-piainanao.
Fahamarinana 2 : NY OLONA MANAIKY HO TARIHIN’NY FANAHY MASINA DIA MAMELA AN’ANDRIAMANITRA HI-CONTROLER NY FIAINANY
Zavatra tsy tiantsika izany hoe Andriamanitra avelantsika hi contrôler ny fiainantsika izany. Nahafinaritra ny toriteny iray nanao hoe, raha ohatra ianao tena manaiky hoe tarihin’ny Fanahy Masina, « il faut que tu apprennes à lâcher prise », fa avelao Andriamanitra hi-contrôler ny fiainanao. Raha lazaina amin’ny teny hafa ilay « lâcher prise » dia hoe : eo izany ny Fanahy Masina hitarika anao, manoro lalana hoe andao, mandray anao amin’ny tanany ; dia hoe raha mbola hoharina amina tômôbile en panne ianao, dia tonga avy any ilay remorque, fatorana ilay izy dia remorqué-na ianao, ilay olona tsy mi-lâché prise, ilay olona tsy mamela an’Andriamanitra hi-contrôler ny fiainany, io ilay remorque sy ilay chauffeur mi-dépanné anao, mitarika anao, ianao mbola manitsaka frein ihany. Sady tsy fantatrao hoe avelao tarihin’ny Fanahy Masina ianao, mbola manitsaka frein ianao. Izay ilay izy : manitsaka frein ianao. Ary maro ny kristiana sady tsy tarihin’ny Fanahy Masina, na efa mba tarihin’ny Fanahy Masina no manitsaka frein. Ahoana moa izany hoe manitsaka frein izany ry havana ? Manana an’izay eritreritrao ianao amin’ny fiainanao : « izaho izao mba te ho mpampianatra, izaho izao mba te ho paramed, izaho izao mba te ho mécanicien, sy ny karazany ; izaho mba te hanana trano ohatran’izao, izaho mba te hanana tômôbile ohatran’izao, izaho mba te ho diakona, izaho mba te ho président-na Sampana, izaho izao sy izao sy izao… » Manana projet ianao ao amin’ny fiainanao, dia inona ny zavatra mitranga ? Ianao mieritreritra hoe izay ilay projet-anao eo amin’ny fiainanao, dia ny herinao rehetra atontonao, ny fotoananao rehetra, ny maha-izy anao rehetra atontonao hanatanterahana izany projet-nao izany ; nefa ianao mba mivavaka ihany hoe « Ray ô, tsy ny sitrapoko fa ny sitraponao » ; vavaka izany, fa rehefa mba te hiditra an-tsehatra ao amin’ny fiainanao Andriamanitra, satria mamindra fo aminao Izy, tanany amin’ny teninao ianao hoe : « aoka ny sitraponao Andriamanitra fa tsy ny sitrapoko », mi-freine ianao.
Fifidianana izao isika atsy ho atsy, misy olona ry havana, ao aminy ny hanompo an’Andriamanitra, ary cas tena nisy tany Frantsa tany : te hanompo an’Andriamanitra izy, dia miresaka amin’ny namany eo, hoe izaho mba handeha hirotsaka amin’izay amin’ny fifidianana manaraka eo. Dia miteny amin’ilay namany eo izy hoe fa izao kosa aloa, izaho raha vao tsy président eo dia tsy mahavita. Hitanareo, izay ilay hoe rehefa te hanompo ianao, dia Andriamanitra no manondro anao izay sokajim-panompoana efa nomaniny ho anao. Fahasoavana no namonjena antsika mba handehanantsika amin’ny asa izay omanin’Andriamanitra mba ho alehantsika. Izaho voavonjy dia efa misy asa apetrany ho ahy eo ; ary ny anjarako dia mangataka amin’ny Tompo hoe : « Ray ô, atoroy ahy ary izay sokajim-panompoana tianao hanompoako ». Ry havana ô, hainao tsianjery ny hoe Andriamanitra manana hevitra hieverana anao dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, fa eee, eee, any amin’ny Jeremia no misy an’izany fa tsy eo amin’ny fiainako no misy an’izany. Fa rehefa mba manoro lalana Andriamanitra dia mi-freine aho, mi-freine aho. Mi-freine aho ka tsy tarihin’Andriamanitra.
Fa izao no hafatry ny Tompo amintsika ry havana : aza mi-freine intsony ; ary avelao Izy hi-contrôle ny fiainanao, fa manana hevitra hiheverana anao Izy. Io Ray izay hoe mahery io, manana ny fahefana rehetra ety ambonin’ny tany, ary manana programa Izy hanatanterahana izany fahefana izany. Jereo ny Mpitoriteny 3 : 11 : « Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin’ ny fotoany avy ». Maninona no tsy avelako hi-contôle ny fiainako Andriamanitra ? Satria tsy mifanaraka amin’izay eritreritra momba ny fiainako izany ; izay ilay izy ry havana. Ary tsy avelako mi-contrôle ny fiainako Izy satria matahotra ny ampitso aho ry havana. Matahotra ihany koa sao tsy tanteraka ny programako. Fa izao : Andriamanitra mahery, Andriamanitra héros io anankinanao ny fiainanao io, ary rehefa ankininao Aminy ny fiainanao, n’inon’inona mitranga eo amin’ny fiainanao, hoy ny Mpitoriteny 3 : 11 : « Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin’ ny fotoany avy » : ny zavatra rehetra mitranga amin’ny fiainanao dia ataony mendrika amin’ny fotoany avy. Ny andro nahaterahanao, tsy ianao no nisafidy azy ; ny andro ahafatesanao, tsy ianao no misafidy azy. Ataony mendrika izany amin’ny fotoany. Ianao mihomehy io anio, ataony amin’ny fotoany izany ; ianao mitomany io anio, ataony amin’ny fotoany izany ; ianao mandihy anio, ataony amin’ny fotoany izany ; ianao misaona anio, ataony amin’ny fotoany izany. Avelao Izy hi-contrôle ny fiainanao, aoka izay ity manitsaka frein ity, kanefa ianao mba nivavaka sy namaky teny ihany, mba nangataka fitarihin’ny Fanahy Masina.
Fahamarinana 3 : NY SAKANA TSY HITARIHIN’NY FANAHY MASINA ANTSIKA DIA NY FAHOTANTSIKA
Raha ny marina, mety tarihin’ny Fanahy Masina ianao satria hoe manaiky mamaky Baiboly sy mivavaka ; manaiky tarihin’ny Fanahy Masina ianao ka tsy manitsaka frein intsony, fa manaiky tarihin’Andriamanitra amin’izay hitiavany azy ; fa fahatelo, ny tena hoe sakana tsy hitarihin’ny Fanahy Masina antsika dia ny fahotantsika.
Indray mandeha hono nisy mpivady iray tia sambo dia nividy an’ireny karazana hors-bord somary lehibe ireny. Dia novidiana, ohatra hoe taty Antananarivo ilay hors-bord, dia nentina tany Tamatave. Dia eo izany ilay tômôbile dia eo ambonin’ny remorque eo ilay hors-bord. Dia tonga tany amin’ny ranomasina, nampidirina anaty rano ilay hors-bord, novelomina ny moteur, naneno tsara ny moteur, tsy mandroso anefa ilay hors-bord. Vaka izy mivady, nojerena ny manuel d’utilisation sy ny karazany, ohatrany hoe narahina tsara daholo mihitsy ilay izy, nefa tsy miainga mihitsy ilay sambokely. Nanontany ny mpivarotra ilay rangahy dia tonga tany ny mécanicien dia nojereny ny moteur maneno tsara mihitsy, nojereny ny coque-n’ilay hors-bord tsy misy maninona mihitsy. Farany dia nijery ilay mécanicien, nojereny tao ambanin’ilay hors-bord : hay ny tsy nampandeha azy, ilay remorque tsy notsoahin-dry zareo, dia ilay remorque no nanakana an’ilay sambo tsy handeha. Ry havana, io remorque io ilay fontsika ao anatintsika tsy hita maso ao, izay manakana an’ilay hors-bord-ny fiainantsika handeha. Raitra daholo isika ireto rehefa jerena aty ivelany, fa rehefa jerena tsara, hay tsy notsoahina ny remorque, hay tsy nodiovina ilay fo maloton’ny fahotana, maloton’ny avonavona, maloton’ny tsy fahatokisana an’Andriamanitra. Ry havana, hoy ny Tompo amin’izao maraina izao hoe : henoy ny teniny miteny aminao amin’izao maraina izao hoe : « mba omeo Ahy amin’izay io fonao io ho dioviko ». Izay no atao hoe krismasy ry havana, tsy hoe manantena cadeau avy amin’olona, tsy hoe manantena cadeau manokana avy amin’Andriamanitra ; fa ny cadeau tokony omeny antsika dia efa tanterany 2.000taona lasa izay. Fa ianao, atolory an’io zaza io ny fonao ho dioviny amin’izay mety ho avonavom-po rehetra, ho dioviny amin’izay tsy fahatokisana an’Andriamanitra, ho dioviny amin’izay mety hoe eritreritra diso momba an’izany hoe finoana, momba an’izany hoe fiainam-panahy izany.
Ary ity, tsaroako tampoka, meteza amin’izay tarihin’ny Fanahy Masina, aoka izay ity hoe mandevina dia mandeha misasa avy eo. Tamin’ny herinandro aho tratran’izany : nisy olona tonga tao aminay tamin’ny herinandro dia miteny : « azafady Pasitera fa izao vao tonga aty aminao fa mbola nisasa mantsy izahay tamin’ilay fotoana nomenao ahy iny ». Aoka izay, aoka izay izany misasasasa izany !
Indray mandeha indray aho nandeha nandevina, dia hoy ilay olona hoe aleo mba amin’ny 1ora30 Pasitera tonga aty. Azafady hoy aho fa izaho handevina ary tsy maintsy tafaverina aloa, ka raha amin’ny 1ora30 aho tsy tafaverina intsony fa aleo amin’ny 12ora30 isika miditra. Dia hoy ilay olona : « tsy mety ve amin’ny 1ora ? ». Amin’ny 12ora30 hoy aho. Inona ny zavatra nitranga ? Mandeha izahay, tonga eny amin’ny by pass, niandry, manao rassemblement ; dia niala ny by pass niditra amin’ilay secondaire, dia mbola rassemblement indray. Dia eny an-tenan-tenan-dalana eny, tena tsy azoko mihitsy, ataoko fa panne ilay corbillard, fa kay nandany lera fotsiny. Tonga teo an-tokontanim-pasana, nanatona ahy ilay zafikelin’ilay maty niteny : « Pasitera, miala tsiny fa mbola be kenona ry zareo ». Hay, izay ilay karazana fasana tsy azo vohaina alohan’ny amin’ny 3ora.
Ry havana, meteza tarihin’ny Fanahy Masina. Lâcher-o prise, avelao izany finoanoam-poana izany ary enga anie ka tsy misy amintsika intsony hoe hisasasasa izany, hoe hiandry izany na izay fomba sy fitondran-tena adala nentim-paharazana fa meteza ho tarihin’ny Fanahy Masina dia hamantana any an-danitra ianao.
Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo.
Amena