Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 24 FEB 2019

1 Korintiana 15:10 : « Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko ».

RESAKA FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA
Ny fahasoavan’Andriamanitra, azo atao tsara ny manao séminaire, fisintonana, andro iray, week-end iray, herinandro iray andinihina hoe inona marina no atao hoe fahasoavan’Andriamanitra. Raha misy voambolana manankarena amin’ny voambolana teolojika dia io ry havana o.
Fa arak’izay namaritantsika azy hatrizay dia hoe : ny fahasoavan’Andriamanitra dia ny fitiavan’Andriamanitra manosika Azy hamonjy antsika.
Fahamarinana 1 : ATAOVY PRIORITÉ DES PRIORITÉS NY FAHOTANAO DIA HAHITA NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA IANAO
Hoy ilay tapany voalohany hoe : « Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy ». Ny olona ry havana, mahafantatra an’izany fahasoavan’Andriamanitra, ary tsy mahafantatra an’ilay fahasoavan’Andriamanitra ato amin’ny Baiboly fotsiny, fa mahalala ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’ny fiainany, ka afaka miteny toa ky Apostoly Paoly hoe : « Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy », dia mahafantatra ny votoantin’ny filazantsara, mahafantatra ny antony nahatongavan’i Jesoa tety an-tany, dia ny hoe hamonjy antsika amin’ny fahotantsika. Hoy ny Apostoly Paoly ery amin’ny and.3 : « Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina » : nataoko priorité tamin’ny toriteniko, nataoko priorité des priorités tamin’ny toriteniko ny milaza aminareo hoe maty Kristy noho ny fahotako, noho ny fahotantsika. Izay ilay fahamarinana 1 : ry Fiangonana o, manomboka anio Alahady 24 Février 2019, tapaho ny hevitra ary ataovy priorité des priorités ao amin’ny fiainanao io fahotanao io. Ataovy priorité des priorités ao amin’ny fiainanao io fahotanao io. Ary na tsy hihaino toriteny intsony aza ianao, raha tsy hahatadidy zavatra hafa amin’ity toriteny ity ianao, fa voarainao mazava hoe « eny Jesoa an, ataoko priorité des priorités ny fahotako manomboka anio », sambatra indrindra ianao. Fa izany ny olona mahalala ny fahasoavan’Andriamanitra, hoe ilay Fitiavany mahatonga Azy hamonjy antsika amin’ny problème numéro 1 antsika, dia ny fahotantsika ry havana o. Ny priorité des priorités an’Andriamanitra, tsy hoe io toe-batako tezain’ny aretina io ry havana, non, tsy priorité-ny izany ; ny priorité-ny dia ny fahotako Pasitera : izany ny priorité des priorités an’Andriamanitra. ATAOVY PRIORITÉ DES PRIORITÉS ANAO MANOMBOKA IZAO NY FAHOTANAO.
Asa, fifidianana diakona ato androany, misy olona ve ato hiteny hoe ny ahy aloa ny priorité des priorités-ko ry Pasitera dia ny ho lany diakona an : mampalahelo ianao. Misy olona ve ato hieritreritra hoe ny ahy izao i anona mba tiako ho diakona, asa raha ho tafiditra : mahantra ianao , mahantra ara-panahy ianao. Ataovy priorité des priorités ny fahotanao.
Ka rehefa ataonao priorité des priorités ny fahotanao, voalohany indrindra hoy Paoly, manao ohatran’i Paoly ianao, manao zavatra tsy hainao hatramin’izay ianao, zavatra tsy haiko koa, zavatra tsy hainao hatramin’izay. Dia miteny ohatran’i Paoly ianao eo amin’ny and.9 : «Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra aho ». Ny olona manao priorité des priorités ny fahotany dia mahatsiaro tsy mendrika ry havana o, mahatsiaro tsy mendrika ; mahatsiaro ho ambany indrindra. Raha isika re izao no manao concours ato Isotry Fitiavana ato e, andeha hanao concours isika hoe iza no mahatsiaro tsy mendrika indrindra amintsika ireto ? Iza no mahatsiaro ho ambany indrindra amintsika ireto ? An an an, maro no miady ho ambony indrindra ato ry havana o ; maro no miady ho mendrika indrindra ato. Izany isika rehetra, izany isika rehetra : tsy priorité amintsika izany fahotana izany. Fa Paoly mahalala tsara ny toetrany, ny toe-panahiny, ny toe-pony ary izany no hijoroana vavolombelona hoe tsy mendrika aho e. Raha samy Apostoly, raha samy Pasitera, raha samy Mpiandry, izaho no ambany indrindra. Hoy ny and.8 hoe : izaho ilay toy ny tsy tonga volana. Ny zaza tsy tonga volana izany, marefo izany, mety sampona izany. Maro ny olona sampona ara-panahy ato, fa tsy mahafantatra hoe sampona ara-panahy ry havana o satria tsy ataony priorité des priorités ilay fahotana. Ianao no tsy mahalala hoe sampona ianao ara-panahy, fa ny olona mahalala hoe sampon ara-panahy ianao : ianao no mampalahelo indrindra ry havana o. Sady tsy tiantsika io an, ny hoe mahatsiaro tsy mendrika, mahatsiaro ho ambany ; tsy tiantsika izany, tsy tian’ny nofontsika izany, nefa ry havana, izany no asoavin’Andriamanitra araka ilay tantara kely tamin’ny 5 minitra teo. Izany no asoavin’Andriamanitra. Tsaroantsika ve ny tantaran’i Mefiboseta, zafikelin’i Saoly mpanjaka ? Saoly nankahala an’i Davida, Saoly nanao izay rehetra azony atao hifofoana ny ain’i Davida ; tsy nahafaty azy. Nony maty i Saoly, nanontany tamin’ny mpiara-miasa taminy izy hoe : sao dia mbola misy taranak’i Saoly any, ho asiko soa araka ny fanaon’Andriamanitra ? Tadiavo kely any sao dia mbola misy taranak’i Saoly any asiko soa araka ny fanaon’Andriamanitra. Dia nentina teo aminy i Mefiboseta, kilemaina, mandringa ; asa moa izay fihetsem-pon’i Mefiboseta raha nandeha nankeo amin’i Davida, jereo tsara, 2 Samoela 9:8 : « Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao? ». Fa maninona aho no hamindranao fo ohatran’izao e ? Izaho anie taranak’i Saoly, zafikeliny e ? Inona no itiavanao ahy ? Ary tsy hoe hamindranao fo aho, fa ataonao hoe mpiray latabatra aminao isan’andro isan’andro. Mefiboseta manome lesona antsika androany eo anatrehan’Andriamanitra, eo anatrehan’i Davida izay tandindon’i Jesoa : mahatsiaro ho toy ny alika maty aho hoy Mefiboseta. Tsy notononiko tety izany raha tsy tao amin’ny 2 Samoela 9. Izany toe-po izany, izany toe-panahy izany ry havana o, izany no tian’ny Tompo anananao, raha tsy izany tsy ho fantatrao ny atao hoe fahasoavan’Andriamanitra , tsy ho fantatrao izany atao hoe famonjena, tsy fantatrao ianao hoe mila vonjena amin’inona, fa hoe Jesoa Mpamonjy fotsiny. Fa ataovy priorité des priorités ny fahotanao dia ahafantatra ny fahasoavan’Andriamanitra ianao ry havana o. Ary io fahasoavan’Andriamanitra io, rehefa manana an’izay toe-po izay ianao, hiasa hanapotika an’io fahotanao io. Ianao tsy hahapotika ny fahotanao e, tsy hahalevona ny fahotanao ianao e ; fa ny fahasoavan’Andriamanitra no hiasa hanapotika an’io fahotanao io, ary hanova anao.
Paoly Apostoly mijoro vavolombelona, fa tonga tety an-tany i Kristy hamonjy ny mpanota, ary amin’izany, izaho no lohany, izaho no voalohany, izaho no champion-ny mpanota ; fa io champion-ny mpanota io ry havana, novain’i Jesoa, nasoavin’i Jesoa, dia nataony champion-ny Apostoly ; io no Apostoly lehibe indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao. Mba hanantena ve ianao fahasoavan’Andriamanitra, mandondona eo am-baravaran’ny fonao Andriamanitra : sokafy Izy e, avelao Izy hiasa. Te hanova anao Izy, tahaka ny nanovany an’i Paoly, tahaka ny niasany tamin’i Mefiboseta, tahaka ny niasany tamin’i Matio ; Matio, mpamory hetra : raha misy asa ratsy sy ahitana fahafaham-baraka teo amin’ny fiaraha-monina tamin’izany fotoana izany, dia izany hoe famoriana hetra izany. Fa nasoavin’i Jesoa i Matio, nantsoiny, nanetry tena, nankatoa tsy nisalasala, lasa mpianatra ary lasa mpanoratra ny filazantsara araka an’i Matio.
Tsy ho Apostoly tahaka an’i Paoly ianao, hitovy lenta aminy ; tsy hanoratra filazantsara ianao, tahaka an’i Matio ; fa irahin’ny Tompo ianao, rehefa nataonao priorité des priorités ny ota, irahin’ny Tompo ianao hanambara ny fahasoavany, ary ny fiainanao dia filazantsara vakiana. Vonona amin’izany ve ianao ry havana ?
Izay ny fahamarinana 1 : tian’ny Tompo ianao hiteny amin’izao maraina izao hoe : « Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izao ahy ». Ary mba hahatanteraka an’izany, ny zavatra voalohany ataoko dia ataoko priorité des priorités ny fahotako.
Fahamarinana 2 : TSY FOANA NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA AO AMINAO
Mbola fahamarinana volamena ihany koa, ho an’izay manokatra varavarana amin’Andriamanitra sy amin’ny fahasoavany ; ny teny fikasana, promesse omeny anao dia eo amin’ny and.10 eo ihany, hoe : « Tsy foana ny fahasoavan’Andriamanitra ao aminao ». Tsy foana io e.
Ny olona manao ho priorité des priorités ny fahotany, dia satria miasa ao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra mampiaiky azy heloka, dia noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia mamaky teny, mamaky teny, te hitombo amin’ny fahalalana an’Andriamanitra, ny fahamasinany, hitomboany amin’ny fahalalany ny tsy fahatanterahiny sy ny fahalemeny sy ny fahotany ; ary iny teny iny anefa mbola hoe hananany promesse milaza hoe : io teny omeko anao io, io tenin’ny fahasoavana omeko anao io, tsy hiverina amiko io, raha tsy efa nahavita izay nanirahako azy, raha tsy efa nahavokatra, nitondra vokatra ao aminao ry havana o. Izany ny promesse-n’Andriamanitra : ny fahasoavako : tsy foana io fahasoavako io ao aminao.
Mampihetsi-po ry havana ny tantaran’i John Newton. John Newton, ny ahafantarana azy, dia nanoratra ilay hira hoe : « Amazing grace » : fahasoavana mahagaga, fahasoavana mahatalanjona. Ary tena mahatalanjona tokoa anie ny fahasoavan’Andriamanitra e. Ampatsiahiviko vetivety ry havana ny tantaram-piainan’i John Newton. Tamin’ny faha fito taonany dia maty ny mamany ; ny mamany no mba hoe nitaiza azy ara-panahy, nitaiza azy tao amin’ny Tompo. Ny dadany, olona marin ireny, olon’izao tontolo izao. Ary nony maty ny mamany dia lasa nikoroso fahana moramora John Newton ho amin’izany fiainan’izao tontolo izao izany. Mba lasa marin ihany koa izy ohatran’ny dadany ry havana o, ary izy lasa marin io, mba nanana sambo izy ary lasa izy mihitsy koa no hoe trafiquant d’esclaves. Izany izany ny fiainan’ity John Newton ity. Ary dia namindran’Andriamanitra fo izy, nahita ny fahasoavan’Andriamanitra izy ; fa nisy tempête goavam-be indray mandeha teny ambony ranomasina teny : izay no nanozongozonan’Andriamanitra an’ity John Newton ity ; eo amin’y faha 23 taonany , lazain’ny biographe, mpanoratra ny tantarany, John Newton izany, nanana fiainam-biby. Ary raha ny marina hoy izy, tsy nanana fiainam-biby izy fa nanana fiainana biby dia. Izany no namindran’Andriamanitra fo, izany no nanehoan’Andriamanitra fahasoavana ; ary izy natahotra, nihorohoro, torakovitra tao anatin’izany tempête izany , tao anatin’izany izy no nanolo-tena ho an’Andriamanitra, ary nandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy. Ary henoy ny fijoroan’i John Newton vavolombelona taorian’izay nandraisany an’Andriamanitra izay ; ary tsy hoe taorian’izay nandraisany an’Andriamanitra izay, fa taorian’izay izy dia nanolo tena dia lasa nanao Pasitera tany amin’ny anglikana ; fa ity tantara ity, 2 na 3 taona talohan’ny ahafatesan’i John Newton, ilazana hoe tsy foana tao amin’ny fiainan’i John Newton izany hoe fahasoavan’Andriamanitra nanova azy izany. Indray maraina, 2 nq 3 taona talohan’ny nahafatesan’i John Newton, révérend John Newton, satria efa lasa Pasitera izy izany, dia nisy mpiara-mivavaka taminy, niara nisakafo maraina taminy ; dia vita ilay sakafo maraina hoy izy dia nisy culte de famille teo dia nanatrika an’izany ilay mpiara-manompo aminy. Ary ny tenin’Andriamanitra izay hoe perikopa tamin’io andro io dia ity 1 Korintiana 15 :10 ity hoe : « Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy ». Nony nahavaky an’ilay 1 Korintiana 15 :10 i John Newton ry havana, dia nanomboka nanganohano ny masony, nanomboka nitomany John Newton, nanomboka nigogogogo John Newton ; dia izao no noteneniny : tsy tokony ho izao hoy izy ny toetrako, tsy tiako ho izao hoy izy ny toetrako, tena hoa halako ny ratsy ary tena maniry fatratra ny tsara aho, ary tsy izao mihitsy ny toetra iriko sy hantenaiko hananana hoy izy. Anaty ranomaso izy no niteny an’izany ary sarotra ny namantatra ny zavatra noteneniny. Fa soa ihany hoy izy, fa efa akaiky ny fahafatesana, ary rehefa tonga ny fahafatesana dia maty miaraka amin’izay koa ny fahotako sy ny tsy fahatanterahako. Fa izao hoy izy, izao no lazaiko aminareo : na dia hoe tsy tokony ho izao aza ny toetrako, na dia hoe tsy tiako ho izao aza ny toetrako, ary araka ny nolazaiko teo, tsy izao no toetra hantenaiko ho hananana, misy zavatra tokana ambarako aminareo mazava, ary tsy am-pisalasalana hoy izy : efa niova aho ary ts’ilay toetrako taloha intsony izao toetrako izao , fa taloha aho andevon’ny fahotana ary taloha aho andevon’ny devoly ; efa tsy izany intsony aho, fa izao : ny fahasoavan’Andriamanitra no maha toy izao ahy ary io fahasoavan’Andriamanitra io, tsy hamela ahy raha tsy efa tanteraka izay asany. Ry havana o, ry havana o, sambatra ianao raha ataonao priorité des priorités ny fahotanao manomboka anio, fa tsy ho foana ao aminao ny fahasoavan’Andriamanitra.
Fahamarinana 3 : MIARÀHA MIASA AMIN’NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA
Ilay fahasoavan’Andriamanitra izany te hiasa hamonjy, hanova, fa hoy izy eo amin’ny tapany fahatelo tamin’ity 1 Korintiana 15 : 10 ity hoe : miaraha miasa amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Ry havana, ny olona izay nanao ho priorité des priorités ny fahotany, ka mahita ny fahasoavan’Andriamanitra miasa ao aminy, dia manana fahavitrihana hiara-hiasa amin’Andriamanitra hahatanteraka ny fanovana, hahatanteraka ny fitomboana amin’ny fanahafana an’i Jesoa. Ary izany no mahatonga an’i Paoly hiteny, Filipiana 3:10 : « eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ». Io herin’ny fitsanganana tamin’ny maty io ry havana, io no hery miasa amin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra : io hery io manafaka anao, mandevona isan’andro isan’andro ny fahotanao, hanananao hery isan’andro isan’andro hijoroana vavolombelona ny amin’ny fahamarinana, ny amin’ny fahamasinana. Izany io hery io. Ary hery manova io.
Nahafinaritra ny teny-na mpanompon’Andriamanitra anankiray. Maninona hoy izy ny kristiana sasany ampahitan’Andriamanitra fa Andriamanitra velona Izy, ampahitan’Andriamanitra ny heriny sy ny fahefany izy, ampahitan’Andriamanitra toa ny azo tsapain-tanana ny fahasoavany, nefa mihemotra miha-matimaty ilay finoany ? Satria hoy izy tsy fantany fa mila miara miasa izy, tsy fantany fa mila miara miasa amin’ny fahasoavan’Andriamanitra izy. Hiara hiasa haninona ? Hiara hiasa hanova, hiara hiasa amin’ny fanovana. Misy olona hoy izy, nandre hoe Jesoa maty ary nitsangana tamin’ny maty kanefa tsy miteraka fiovana ao amin’ny fiainany izany. Alaivo sary an-tsaina, hoy ity mpanompon’Andriamanitra ity, raha hoe misy ankizy izao mba niezaka izy, nilofo tamin’ny fianarana izy, dia afaka baka izy ; tsy mitady fianarana eny ankatso izy na any an-kafa, fa manao réinscription ao amin’ny terminale. Hoy isika hoe mba adala koa ity zandry ity an. Be dia be ny kristiana ohatran’izany, tsy fantany hoe nisy fiovana teo amin’ny fiainany fa nanomboka niditra an-tsehatra teo ny fahasoavan’Andriamanitra. Alaivo sary an-tsaina hoy izy, misy tanora roa mifanambady, miala eto izy dia avy eto izy, dia mankany amin’ny espace manao fety, dia rariva izy, samy mody any amin’ny ray aman-dreniny. Hoy ianareo hoe misy fahavoazana ireto an. Be dia be ny kristiana manana fahavoazana satria tsy mahafantatra hoe efa nitsangana tamin’ny maty i Kristy, ary tsy mahafantatra ny herin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ry havana o. Maro isika ato Isotry Fitiavana no misy fahavoazana. Alaivo sary an-tsaina hoy izy, raha hoe nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia Petera lasa niverina nanarato fa tsy nitory filazantsara ; alaivo sary an-tsaina fa nitsangana tamin’ny maty i Kristy, nihaona tamin’i Paoly, kanefa i Paoly lasa nanao asa-na fanamboarana tente. Izany, izany isika mianakavy ry havana o, izany isika mianakavy.
Fa ianao, izay noho ny fahasoavan’Andriamanitra, nongontan’Andriamanitra, navotan’Andriamanitra avy ary amin’ny fanjakan’i Satana ary ho ao alin’y Fanjakany ; tsy hoe miala any fotsiny ianao, fa tsy maintsy mitodika ianao any amin’i Jesoa ; ary noho ny fitodihanao any amin’i Jesoa dia miteny ianao clairement anio hoe : ataoko priorité des priorités ao amin’ny fiainako ny fahotako.
Ry havana, ny olona tsy mandroso ohatran’izany, ny olona tsy mitombo amin’ny fahasoavana satria hoe tsy miara miasa amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, tsy hoe mitoetra eo fotsiny, hoe mi-stagne spirituellement, fa mihemotra. Ary ny dikan’ny hoe mihemotra amin’ny fiainana ara-panahy, ny olona mihemotra, hoy ilay mpanompon’Andriamanitra iray, mihemotra miverina any amin’ny devoly. Ianao mieritreritra hoe mihemotra aho, aleo aloa hiverina kely, aoka aloa izany fanaovana asa-na diakona izany, aoka aloa izany fankanesana any am-piangonana izany, mihemotra ianao, entin’ny devoly mihemotra ianao, entin’ny devoly hihemotra mihoatra izay niheveranao azy ianao, ary miverina manolo tena any an-tanan’ny devoly ianao ry havana.
Misaotra an’Andriamanitra isika ry havana ny amin’izany teny izany, ny amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, ny amin’ny votoantin’ny filazantsara dia Jesoa maty ary nitsangana tamin’ny maty, mba tsy hitoerantsika ao amin’ny fahotana intsony ary mba hahazoantsika fahamarinana. Ry havana o, tokana ny antom-bavaka ho antsika Fiangonana amin’izao maraina izao : aoka ny fahasoavan’Andriamanitra hahatonga anao hisaina ary hanapa-kevitra hoe ataoko priorité des priorités ny fahotako manomboka anio fa izany no nidinan’i Jesoa avy any an-danitra.
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.

ALAHADY 17 FEB 2019

1 Tantara 16:27a: « Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany ».

RESAKA FAMIRAPIRATANA
Izay no hafatra ho antsika anio maraina : RESAKA FAMIRAPIRATANA. Rehefa hitantara ianao ratoandro hoe inona ny toriteny tao Isotry Fitiavana dia lazao hoe RESAKA FAMIRAPIRATANA – RESAKA MPINO MAMIRAPIRATRA – RESAKA FIANGONANA MAMIRAPIRATRA – RESAKA FIRENENA MAMIRAPIRATRA. Izany no programan’Andriamanitra ho antsika ry havana o. Ary raha mety ianao, atorony anao ny lalana ho amin’izany, dia hamirapiratra ianao. Hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ianao, eny e ; fa hamirapiratra ary be voninahitra eo anatrehan’Andriamanitra Rainao ianao. RESAKA FAMIRAPIRATANA.

Fahamarinana 1 : NY OLONA TE HAMIRAPIRATRA, NY OLONA TE HO BE VONINAHITRA DIA MANKEO ANATREHAN’I JEHOVAH.
Fa nahoana ? Fa maninona Jehovah io ? Fa iza io Jehovah io ? Hoy ilay and. 25 hoe : « Fa lehibe Jehovah ». Inona moa no dikan’izany hoe lehibe izany Jehovah ry havana o ? Hahamora an’ilay fanazavana, ary hahatakarana an’ilay hoe lehibe Jehovah kanlehibe ny asany, raisintsika izany hoe lehibe izany Jehovah satria lehibe ny anarany. Izany ny fahalebiazan’i Jehovah : lehibe ny anarany.
Andeha ary isika hijery izany fahalebiazan’ny anaran’i Jehovah izany, satria izay manatona azy lehibe koa, ary be famirapiratana.
- Ny anarana singanina voalohany eto ry havana dia ao amin’ny Eksodosy 17:15 : « Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi ». Miresaka amina Fiangonana te hamirapiratra aho izao, dia ny zavatra ampatsiahivina antsika voalohany momba ny anaran’i Jehovah dia hoe : JEHOVAH NISI. Ery ambany ery dia hoe FANEVAKO. Fanevanao ve Jehovah ? Izany ve no ahafantarana anao ? Sa rehefa mifampijery isika ato am-piangonana ato dia hoe : ireny ny 13 e, ireny ny 25 e. An, an, an : Jehovah Nisi. Raha te hamiratra ianao, aza matoky ny 13, aza matoky ny 25, fa Jehovah Nisi : Jehovah no fanevako. Ary enga anie ka ho fanevan’ity firenena ity Jehovah Nisi ry havana, dia hamiratra ity firenena ity.
- Dia rehefa ataoko hoe Jehovah Nisi, Jehovah no fanevako, asandratro, inona ny zavatra ataony ry havana ? Jeremia 23:6 : « Amin'ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian'ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika ». JEHOVAH FAHAMARINANTSIKA. Izaho ry havana Pasitera, fantatry ny Tompo tsara ny tsy maha-marina ahy, fa ny ahazoako mijoro eto, satria Jehovah no fahamarinako. Ary izany no ilaintsika, olona marina ; tsy misy olona marina voajanahary fa hoe hamarinin’ny Tompo. Lehibe izany anarany izany. Afaka manamarina ny tsy marina indrindra Izy ry havana.
- Manarak’izay, rehefa hoe manamarina Izy, dia ao amin’ny Levitikosy 20:8 : « Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasina anareo ». JEHOVAH MANAMASINA. Izany ilay fahalebiazan’Andriamanitra, ary raha tsy mankeo Aminy ianao, tsy hohamarininy izany ianao ry havana o. Raha tsy manao Azy ho Nisi ianao, an an an, eo ianao. Ianao, araka ilay louange teo, nandray an’i Jesoa ao am-ponao, izay nge ny dingana voalohany e, fa eo Izy dia manomboka an’ilay asa tokony ataony, ilay asa nahatongavany : manamasina, manamasina, manamasina, manamasina, manamasina anao hatramin’ny fara-fofon’ainao. Dia rehefa tonga ny fara-fofon’aina ka tanteraka ilay fanamasinana, mandova an’ilay tanànà masina ianao. Fa raha tsy mankeo Aminy ianao e, raha tsy mankeo anatrehany ianao, tsy hamiratra ianao, ary tsy hohamasinina ianao ry havana o. Tapaho ny hevitra : aza mihaino toriteny fotsiny, miovà ianao.
- Ka rehefa hoe Jehovah Nisi, Jehovah no fahamarinako ; rehefa hoe Jehovah no manasina ahy, tsy tapitra eo ny fahalebiazan’ny anarany, tsy tapitra eo ny fahalebiazan’ny asany ry havana o : Genesisy 22:14 : « Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Abrahama hoe Jehovah-jire ».JEHOVAH JIRE. Hoy ilay naoty kely hoe : Jehovah-jire : Jehovah no hahita. Rehefa manatona azy aho ry havana o, dia fantatro ny fahalebiazan’ny anarany hoe : Jehovah Jire. Hitany ny momba ahy. Tsy mijery intsony ny tsy fahamarinako sy ny faharatsiako Izy, hitany izay banga ao amin’ny fiainako, hitany izay tsy ampy ao amin’ny fiainako dia miseho Izy ho Jehovah Jire ry havana o. Mahafinaritra ilay teny frantsay hoe : « Dieu pourvoit, Dieu pourvoira ». Mino an’izany ve ianao ry Fiangonana o ? Mino an’izany ve ianao ry diakona am-perin’asa o ? Mino an’izany ve ianao ry futur diakona ? Izany ilay izy hoe Jehovah Jire.
- Eksodosy 15:26 : « Ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao ». Io ilay hoe JEHOVAH RAPHA : Andriamanitra manasitrana. Manasitrana anao amin’ny aretina Izy ry havana o. Izany io fahalebiazan’Andriamanitra io, ny fahalebiazan’ny anarany izay maro karazany kanefa mitory an’izany fahalebiazany izany. N’inon’inona aretina mahazo anao amin’izao maraina izao, n’inon’inona aretina efa mitaiza anao, mankanesa ianao eo anatrehany ; aza miova Fiangonana, mankanesa ianao eo anatrehany ary tapaho ny hevitra hoe « hidera Anao aho Andriamanitra o, izany no ataoko voalohany ; tsy hangataka aho ho an’io aretiko io akory, fa hidera Anao aho, hankalaza Anao aho noho ny fahalebiazanao, noho ny famirapiratana eo Aminao, noho ny voninahitrao ; ho eo Aminao aho ary dia hanomboka hamirapiratra ny fiainako satria afak’ota aho, avy eo afaka aretina, afaka problème.
RESAKA FAMIRAPIRATANA. Ny fahamarinana 1 dia hoe : NY OLONA TE HAMIRAPIRATRA DIA MANKEO ANATREHAN’ANDRIAMANITRA

 

Marka 5:18-19 : « Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy. Nefa tsy navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin'ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao ».
Fahamarinana 2 : NY OLONA TE HAMIRATRA DIA MANIRY HANARAKA AN’I JESOA
Tsy hoe mankeo anatrehany fotsiny : iray izay ; fa maniry hanaraka Azy. Mahavariana ny tantaran’ity lehilahy demoniaka ity ry havana. Nisy mpitoriteny anankiray, ny filazany an’ity tantaran’ny demoniaka ity : milaza izy hoe : manana fiainana « en ruine ». Raha lazaina amin’ny teny gasy izany dia hoe rava ; fa amin’ny teny frantsay, hafa ny fanenon’ilay hoe « en ruine ». Kanefa izany fiainana « en ruine » izany ry havana o, no ataon’Andriamanitra fiainana mamiratra. Izany fiainana « en ruine » izany no tian’Andriamanitra atao hoe fiainana mamiratra. Ary ity firenena « en ruine » ity no tian’Andriamanitra atao mamiratra raha entintsika eo anoloany, ary raha manana mpitondra manaraka Azy isika, fa tsy varimbariana amin’izany laïcité de l’Etat izany.
Raha jerena ny tantara eto amin’ity Marka 5 ity ry havana dia hoe fiainana « en ruine » noho ny fanahy maloto. Tsy mandreraka ahy ry havana ny mamerina fa raha ato amin’ny filazantsara an’i Marka, ary any amin’ny hafa koa, dia ny fanasitranana mahagaga voalohany nataon’i Jesoa, tsy fanasitranana tamin’ny rofy, fa fanasitranana, fanafahana tamin’ny fanahy maloto. Fiangonana mino ny fisian’ny fanahy maloto ve isika ato ry havana o ? Io, « en ruine » ny fiainanao satria tsy fantatrao angamba fa hoe misy fanahy maloto mihazona sy mi-attaque anao. Lehilahy azom-panahy maloto, dia hoe, and.3 : olona mpitoetra eny amin’ny fasana. Ilay hoe mitoetra eny amin’ny fasana, tsy hoe mitoetra eny an-tokotanim-pasana fotsiny, tsy ilay hoe matory eny ambony fasana fotsiny, fa possible mihitsy hoe matory any anaty fasana. Mahita fasana mivoha, matory any anaty fasana. Ary inona ny vokatr’ilay afitsoky ny fanahy maloto ry havana ? Nanana hery tena mahatanjaka izy ; ary ireny demoniaka ireny moa araka ny ahafantarantsika azy, na rehefa mamangy any amin’ny toby ireny, dia hoe fatorana amin’ny chaîne vy ilay izy, mba tsy hitsoaka izy. Fa ity, na fatorana aza, fatorana ny tanany, fatorana ny tongony, noho ilay hery, dia tena tsy tana mihitsy ; dia mankeny am-pasana izy, mankeny an-tendrombohitra izy, dia maka vato izy dia tetitetehany, rasarasainy ny vatany : izay ilay hoe fiainana « en ruine » ry havana o. Ary alaivo sary an-tsaina : io lehilahy rehefa mankany an-tokantranony, mankany an-tranony, nasain’i Jesosy niverina any an-tranony io lehilahy io ; fa tsy lehilahy célibataire akory io ry havana ; alaivo sary an-tsaina ny dégâts ataon’izany lehilahy izany ao an-tranony. Anisan’ny telefaonina mampivaraontsana indrindra ny hoe : «allo Pasitera, ra-anona ity ; manao ny ataony indray ny vadiko :vakiany daholo ato, darofany daholo izahay mianakavy, inona no ataonay e ? ». Izany ilay fiainana « en ruine », izany ilay tokantrano « en ruine » ry havana o. Kanefa izany no tian’ny Tompo hamindrana fo ary ataony mamiratra ry havana o. Jereo anie ilay Salamo famakintsika : toetran’Andriamanitra anankiray izay tena mamenoban’ireny hoe Jehovah Nisi, Jehovah manamarina, Jehovah manamasina Jehovah mahita, Jehovah manasitrana, Salamo 103:8 : « Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po ». Mamindra fo Izy ary be fahari-po amiko Izy : izany no anehoany zava-dehibe ao amin’ny fiainako, ka na fiainana « en ruine » aza, mamindra fo ary be fahari-po Izy, hanao zava-mahagaga ry havana o. Hanao miracle Izy ary lasa mamiratra ny fiainan’ity lehilahy ity, dia hoy Jesoa : non, non, non, Izaho tsy mila anao hiaraka amiko, fa ny toerana anirahako anao dia ao amin’ny tokantranonao. Mandehana asehoy fa efa mamiratra ny fiainanao ankehitriny. Aza tantaraina hoe izao izany Jesosy izany, aza toriana hoe izao izany Jesosy izany, fa asehoy eo amin’ny fiainanao fa efa niova ianao ; asehoy eo amin’ny fiainanao amin’ny toetra tsara, amin’ny toetra milamina, amin’ny teny malefaka, asehoy, asehoy rejefa mody ianao ratoandro, asehoy fa mamiratra ianao. Aza mitantara toriteny hoe famirapiratana ; asehoy fa efa manomboka mitsimoka ao amin’ny fiainanao ilay famirapiratana.
Ary tsy manao soa tapany i Jesoa ka hoe ny an’ilay lehilahy io fotsiny no hoe nataony mamirapiratra ohatran’io : avy any amin’ny aizin’ny fahafatesana, avy amin’ny fanjakan’i satana ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ho ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra ry havana o ; tsy ny an’ity lehilahy ity fotsiny, no hoe nanaovany soa tahak’izany ; tsy manao soa tapany Izy ; fa ilay famindram-pon’Andriamanitra tamin’ity lehilahy demoniaka ity, dia tian’Andriamanitra mba hifindra ao amin’ny ankohonana izay misy azy ihany koa. Ny ahafantarana fa namindrana fo ianao ? Ny ahafantarana fa mamiratra ianao ? Te hijanona eo akaikin’i Jesoa ianao, te hanaraka Azy ianao, te ho mpianany ianao, te hankatoa Azy ianao. Raha izany ry havana ianao, miarahaba anao fa efa mamiratra ianao. Fa raha mbola ianao no misalasala eo anatrehan’ny tenin’Andriamanitra : « ka izao ange Pasitera e, ka izao, ka izao… », désolé miteny aminao, mbola tsy mamiratra ny fiainanao.
Izay ny fahamarinana 2 ry havana, hoe : Na dia fiainana « en ruine » aza, ianao mivatravatra lava amin’ny ray aman-dreninao, ianao mivatravatra lava amin’ny vadinao, ataonao ohatran’ny fako io vadinao io, io vadinao ferena sy ratraina io : mieritrereta ry havana o ; io tokantrano « en ruine » io no tian’ny Tompo ho tokantrano mamiratra. Anio Izy no te hanao an’izany. Dia izao : Ny olona izay hoe manana fiainana mamiratra dia te hanaraka an’i Jesoa.

 

Asan'ny Apostoly 13:36 : « Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin'ny razany izy ary tratry ny lò ».
Fahamarinana 3 : NY OLONA MAMIRATRA, REHEFA MIALA ETY, DIA MANKANY AMIN’ANDRIAMANITRA
Tsy misy olona tsy mamiratra hiditra any. Miaraka amin’izay fahamarinana izay ry havana, tantaran’i Davida, eo amin’ny and.36 lokoina amin’ny teny anankiray : Davida rehefa nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Ry havana o, ny olona mamiratra : zavatra tokana no tanjony ao amin’ny fiainany : mitady ny sitrapon’Andriamanitra dia manatanteraka izany sitrapon’Andriamanitra izany. Izany ny olona mamiratra izany : manana obéissance absolue amin’izany hoe sitrapon’Andriamanitra izany. Ny olona mamiratra, ny constitution-ny fiainany : ny sitrapon’Andriamanitra. Ny zavatra mibaiko ny fiainany : ny sitrapon’Andriamanitra. Ary miaraka amin’izay, tsy manao na inona na inona izy eo amin’ny fiainany ka hoe tsy sitrapon’Andriamanitra, ary tsy hankalazana an’Andriamanitra. Misy olona anie manao zavatra tsara e, fa fankalazana ny tenany, iantsoana télé, ankalazana ny tena hitomboan’ny voninahitra sy ny karazany e. Fa izy, tsy ny ankalazana ny tenany no nataon’i Davida, fa ankalazana an’Andriamanitra. Ary mahafinaritra ny mahare mpanompon’Andriamanitra mivavaka ho amin’ny asa, ho amin’ny asa fanompoana, ary ilay manao vavaka karazan’izao hoe : « Jesoa a, aza avela hanao na inona na inona izahay ka tsy hankalazana ny anaranao e, tsy hankalazana ny vononahitrao e. Na zavatra heverinay, rehefa tsy ankalazana ny voninahitrao, aza avela ». Aty moa tsy dia misy an’izay, fa rehefa mijery an’ireny hoe cimetière any an-dafy ireny isika ry havana, dia misy an’ireny fasana mitokana ireny, dia indraindray eo misy an’ilay antsoin-dry zareo hoe « épitaphe » : teny, asa nofidian’ny fianakaviana na nofidian’ilay maty fony fahavelony, lazaina fa mandoko ilay fiainany. Inona raha ianao, inona no mba « épitaphe » inona no mba tianao ho sorotana eo amin’ilay vaton’ny fasanao ; ary raha zavatra tsy tianao ary ny miresaka fahafatesana, inona no tianao mba hahatsiarovana anao ? Ohatran’i Davida ve, hoe : nanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ?
Ry havana, isika rehetra mpanao ny sitrapon’Andriamanitra rehefa Alahady tonga eto. Fa manao ny sitrapon’Andriamanitra ve ianao, Alatsinainy ka hatramin’ny Asabotsy, any amin’izay toerana anirahany anao ? Izany ny olona mamiratra e.
Rehefa manao ny sitrapon’Andriamanitra, raha ny eto amin’ny and. 36 eto, dia hoe : manasoa ny olona miara-belona. Tsotra be izany. Ny havanao ratoandro, rehefa hody ianao, ho faly ve izy mahita anao hiditra ny trano, izy ilay tsy niangona io ? Faly izy, sa ho kivy : iny indray ilay mpitabataba, iny indray ilay mpampioriory, iny indray ilay mpibedibedy, iny indray ilay mpikikiaka ? Sa faly izy hoe : iny ilay mpanisy soa, iny ilay mpanasoa ; ary ny fiainako, tsy ohatran’izao raha tsy nirahin’Andriamanitra teo akaikiko iny olona iny. Te hanova anao ny Tompo, te hanao anao ho mpino, ho zanaka mamirapiratra Izy. Aoka ho fehezin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fiainanao ary mitomboa manomboka anio amin’ny fanasoavana ny olona miara-belona aminao. Asio soa izay olona miara-belona aminao anio. Aza mieritreritra hoe, ie, raha izaho no tamin’ny andron’i Davida, Davida lazaina fa mpanisy soa ny mpiara-belona taminy ; dia hoe mba vitako koa ny nanisy soa ohatran’izao, mba vitako koa hoe niady tamin’ny liona ohatran’ny nataon’i Davida e. Eny e, izaho koa angamba mety nanisy soa ny miaramila namako satria hoe izaho mihitsy no nanolo tena hiady amin’i Goliata. Aza manofinofy ohatran’izany : asio soa ny olona miara-belona aminao amin’ity 2019 ity. Aza mieritreritra koa hoe : raha izaho izao no any Etats-Unis dia hanisy soa ny amerikana : asio soa ny gasy mpiara-belona aminao ; aza mieritreritra hoe raha izaho izao no Président de la République, dia asiako soa ny malagasy : asio soa ny mpiara-belona aminao eto amin’ity fitandremana ity déjà, dia hamiratra ianao. Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra iray : asio soa izay olona rehetra tratran’ny tananao ary raha misy olona tianao asiana soa ka tsy tratran’ny tananao, dia ento am-bavaka hoe ampanakekezo ahy io Tompo o, na ampanakekezo azy aho fa ho asiako soa ; ka na tsy ho tratranao izy rehefa mivavaka ianao, olon-kafa asianao soa. Izay ny hafatra ho antsika : tanteraho bebe kokoa noho ny tamin’izay lasa izay ny sitrapon’Andriamanitra ary asio soa bebe kokoa noho ny tamin’izay lasa izay ny mpiara-belona aminao. Fa miandry mpino ary miandrandra Fiangonana mamiratra ny Andriamanitra Rainao, ho fahasambarantsika. Fa izany, zavatra madinika, fa ho voninahitry ny Andriamanitra lehibe. Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.

ALAHADY 10 FEB 2019

Romana 10:17 : « Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy ».

RESAKA FINOANA

Manontany anao ny Tompo : avy aiza io finoanao io ? Dia misy mahare an’izany ry havana, dia mety hanao hoe : « fa avy aiza ahoana e ? Izaho anie mino e ». Manontany anao ny Tompo e : avy aiza ny finoanao ry havana o ? Ilay valinteny, valinteny tokana andrasan’ny Tompo aminao dia hoe : « Tompo o, fantatrao, fa ny finoako dia avy amin’ny toriteny ». Raha finoana marina fa tsy finoana sandoka, raha finoana marina hampiditra any an-danitra ry havana dia hoe finoana avy amin’ny toriteny na finoana avy amin’ny fihainoana ny toriteny.

Fahamarinana 1 : FINOANA MIORINA AMIN’NY TORITENY VE NY FINOANAO ? REHEFA TONGA ATY AM-PIANGONANA VE IANAO DIA MIHAINO TORITENY ?

Mampihomehy be ilay fanontaniana, fa apetraka aminareo ilay fanontaniana : rehefa tonga aty am-piangonana ve ianao dia mihaino toriteny ? Sa mipetraka eo amin’ny dabilio fotsiny ? Sa sanatria an’izany, izao moa ny antsika Fjkm dia mikatona ny Fiangonana, fa hoe rehefa miangona any amin’ny fiangonana hafa, dia mivoaka ianao fa tsy mahazaka an’ilay toriteny tahaka an’ilay andevo tsy tamana ao an-tranon’ny rainy, dia iny ianao mivoaka mangala-dia mifoka sigara ? Mihaino toriteny ve ianao rehefa tonga aty am-piangonana ?

Misy olona manko ry havana, rehefa tonga aty am-piangonana, dia rehefa fotoanan’ilay toriteny an, dia izao : varimbariana izy. Ianareo ihany anie no mitantara amiko e, hoe : ary i anona Pasitera toa matory foana mandritra ny toriteny ? Ianao no mitantara an’izany ; izaho angaha mahita an’izany. Izay : dia tsy mihaino toriteny izy : izay ilay zavatra. Tonga aty am-piangonana ve ianao e, hihaino toriteny ?

Misy indray miteny aminay hoe : Pasitera an, angaha tsy tohizana intsony ilay fandinihina ny fitondran-tena ao an-tranon’Andriamanitra satria miverina indray ilay olona milalao telefaonina, ilay mi-surfe, manao Facebook sy ny karazany ? Natoron-dry zareo diakona moa ny faritra fanaovana an’izay. Asa moa ireo diakona vaovao, ilay andiany vaovao raha hanana fahasahiana hiteny hoe : « e, mihainoa toriteny ». Misy olona izany tonga aty am-piangonana ry havana o, tsy maheno toriteny. Ary ny mahavariana ahy e : ato sy any an-kafa, variana mihitsy aho ry havana : rehefa amin’ny fotoanan’ny toriteny ohatran’izao, rehefa misy namany ohatran’izay repéré-ko eo akaikiny eo, tsisy toriteny vanona fa psss pssss pssss, asa izay resaka ataony eo mandritra ny toriteny fa tena matsiro sy matavy an ! Tonga eto izy, tsy mihaino toriteny ry havana. Izay ilay zavatra. Izay ilay fanontaniana : mihaino toriteny ve ianao rehefa aty ?

Manarak’izay hoe, mihaino toriteny ve ianao ka tena hoe manana intention hitady an’i Jesoa isaky ny mihaino toriteny ? Manana intention ve ianao hitady an’ilay vaovao mahafalin’ny famonjena rehefa mihaino toriteny ? Hoy ilay mpitoriteny anankiray izay : mahavariana anie, hoy izy e, misy olona, ary ny olombelona, izay no maha-olombelona azy, tena hitanao izao hoe mangetaheta ara-panahy dia azo oharina izy amin’ireo olona mifanena aminao eny amin’ny arabe, tena mangetaheta dia manontany anao hoe aiza anie no mety misy rano. Dia hoe soa ihany ho anao fa misy ny fatsakana, afaka misotro rano eo ianao. Dia mankany amin’ilay fantsakana izy, fa tsy manana intention hisotro izy. Dia ataontsika hoe : o, misy fahavoazana ihany ity olona ity an. Na ohatran’izay hoe noana, noana, ah, etsy ampita etsy misy mpivaro-mofo, misy boulanger : mankao izy nefa tsy mividy nefa manam-bola ividianana. Misy olona izany, tsy mi-prêté attention an’ilay toriteny, misy olona tsy manana intention mihitsy hitady ny famonjena, hitady an’i Jesoa eo am-pihainoana an’ilay toriteny ry havana.

Misy olona indray, tsy mihaino toriteny izy fa izao : ny ao an-tsainy, na iza na iza mpitoriteny eo, dia efa toe-tsaina hanakiana sy hanohitra : mampalahelo ; « angaha izany izy io Pasitera an, ny tenin’Andriamanitra koa angaha miteny an’izao » etc… Tsy ampy an’ilay fanekena sy ny fahatsoran’ny fon’ny zaza lazain’i Jesoa hoe an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra. Manafatra antsika ny Tompo ry havana anio : ianao rehefa mihaino toriteny, dia hoe : « Tompo o, mifona aho ny amin’izay hoe di-dohako rehetra, mifona aho ny amin’izay fisehoako hoe be saina aho, manan-tsaina nanao an’izao sy nanao an’izao, fa omeo ahy ny toe-pon’ny zaza eo am-pihainoana izay toriteny omenao avy any an-danitra ». Izay ilay izy.

Ary farany ry havana, indraindray ilay toriteny tsy mahasoa fa mba nihaino ihany ilay olona fa izao : vao tonga ilay Amena dia adinony ilay toriteny satria possiblement tsy manana an’ilay volonté hoe hisaina, kanefa ny tena lasin-tsaina hoe hisaina an’izay noteneniny teo. Dia hoy ny mpitoriteny iray namafy an’ity Romana 10 :17 ity : mihaino toriteny eo hoy izy ilay olona, fa izao : ny sasany ohatrany manana fihainoana, na finoan’ny lolo (papillon). Inona ilay finoan’ny lolo na papillon hoy izy ? Ilay papillon, mandeha izy, mitety voninkazo izy, mandeha izy dia maketsy dia maketsy ; maketsy amin’ilay rose tsara tarehy izy, maketsy amin’ilay tournesol izy, maketsy amin’ilay izao sy izao sy izao izy. Teteziny daholo ny voninkazo, fa tsy finoana na fihainoan’ny tantely hoy izy. Ilay tantely mandeha hoy izy, dia alainy eo izay tokony alainy dia gohany ilay izy dia emmagasiné-ny aho ry havana dia lasa tantely mitondra hamamiana. Finoan’ny lolo (papillon), fihainoan’ny lolo ve ny fihainoanao ny tenin’Andriamanitra ka liana tokoa ianao any amin’ireny étude biblique, mihaino conférence etsy sy eroa, manaraka ny fivorian’ny mpivavaka atsy sy aroa ry havana, fa izao :tsy manao hoe fihaino na finoan’ny tantely migoaka izay tokony ho gohana dia mitahiry azy ao aminao, misaina azy dia mamokatra hamamiana ho anao, mamokatra hamamiana ho an’ny namanao ? Mihaino toriteny ve ianao ka manana finoana miorina amin’izany toriteny izany, dia tena toriteny marina ?

Efa nolazaina teto matetika ry havana, ilay mpitory filazantsara kalaza lahy, DL Moody. Mijoro vavolombelona izy : misy fotoana aho, hoy izy, mivavaka dia mivavaka ho an’ny finoana ary izaho ilay mivavaka ho an’ny finoana io hoy izy, mba hanana finoana io, dia mba hoe nino sy nanantena aho fa mba indray andro any, dia hilatsaka avy any an-danitra ary hilatsaka aty amiko izany hoe finoana izany dia ahakasika ahy, hanazava ahy. Fa izao hoy izy : jamais, jamais nahazo valim-bavaka aho hoe tonga tao amiko ny finoana, hoy ity mpitory filazantsara kalaza lahy ity. Dia indray maka hpy izy, nampahitan’ny Tompo ahy ity Romana 10 :17 ity hoe ny finoana dia avy amin’ny fihainoana ny toriteny, ary ny toriteny dia avy amin’ny fihainoana ny tenin’i Kristy. Tsy nivavaka intsony aho hoy izy, ho an’ny finoana, fa hoe sokafako ny Baiboliko dia novakiako ny Baiboliko, nianarako ny Baiboliko, nankatoaviko ny Baiboliko dia nanana finoana aho ; ary nitombo, nitomba mandrak’izao amin’ny finoana aho. Ry fiangonana o, raha finoana tsy miorina amin’ny toriteny ny finoanao, dia finoana pokaty izany, ary finoana tsy hampiditra anao any an-danitra. Sao dia diso hevitra ianao fa sao dia hoe finoana miorina amin’izay fombam-pianakaviana : ny dadan’i dadanay Pasitera, ny aninay Evanjelista, dadatoa anay mpiandry, dia manantena ianao hanana finoana. Tsia ry havana : tsy miorina amin’izany ny finoana. Sao dia mieritreritra ianao : ny finoano aloa Pasitera, izaho mihaino antoko- mpihira ohatran’izao, izaho mihaino conférence, mihaino toriteny, mijery vcd évangélique, tena hoe manetsika ny foko : tsia ry havana o, tsy finoana miorina amin’ny émotion sy ny sentiment izany hoe finoana mampiditra any an-danitra izany. Tsy finoana ihany koa, miorina amin’ny hoe nofy sy fahitana, tsy fiainantsika ny fahasoavan’Andriamanitra ; fa raha finoana miorina amin’ny vision, miorina amin’ny finoana, ny rêve, tsy finoana mari-pototra izany. Ary hitantsika tamin’ny farany teo fa raha finoana miorina fotsiny amin’ny fahagagana dia ohatran’ny an’i Simona mpanao ody tamin’ny herinandro, finoana tsy misaraka amin’ny filan-javatra izany.

Izay ny fahamarinana 1, hoe : finoana miorina amin’ny toriteny ve ny finoanao ?

Fahamarinana 2 : TADIAVO AO AMIN’NY TORITENY I JESOA DIA HO MORA AMINAO NY FANEKENA NY FINOANA

Romana 1:5 : « Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra ». Nahazo fahasoavana sy fanendrena ho Apostoly ny Apostoly Paoly dia hoe hahatonga fanekena ny finoana. Ny Segond manao an’io hoe : « pour amener les païens à l’obéissance de la foi ». Mifanakalo, mifampizara, miady hevitra ny mpandinika sy ny mpitoriteny ry havana manao hoe : fa iza no taloha e, ny finoana sa ny fankatoavana e ? Ny Jaboka miteny hoe ny finoana tsy arahin’asa dia maty, izany hoe ny finoana no taloha, fa arahina asa. Ny an’i Petera indray, tsy hita ny finoany fa nandalo teny amoron’ny ranomasin’i Galilia teny i Jesoa dia niteny Izy hoe andao ataoko mpanarato olona, tonga dia nankatoa avy hatrany. Ry havana o, isika tsy andany andro hoe finoana sa fankatoavana no taloha ; fa tsy misaraka ireo e. Raha mijery vola ianao : ambadika ny finoana, ambadika ny fankatoavana. Fa finoana tsy misy fankatoavana izany, malahelo aho milaza aminao, dia finoana sandoka, ary finoana tsy ampiditra anao any an-danitra. Fa izao no problema : sarotra be ilay mankatoa satria tsy fantatrao izay ankatoavina. Mba mihaino toriteny ihany ianao, fa araka ilay ohatra nolazaintsika teo : tsy mitady an’i Jesoa ianao, tsy mitady tari-dalana amin’ny famonjena sy ny fiainana ianao, dia malaky vizana ianao. Mitantara ilay Pasitera iray izay ry havana : indray maka hoy izy, izahay any ambanivohitra no mipetraka, io ilay alika kelinay hoy izy, ary nisy bitro nandalo, dia vao nandalo ilay bitro dia lasa izy nanenjika azy. Dia izy manenjika azy iny, mivoavoa, excité be, mivoavoa, mivoavoa, mivoavoa. Dia iny koa, ny alika kelin’ny voisin anay, nahita an’ilay alikanay nihazakazaka ohatran’izany, naheno azy nivoavoa, dia lasa koa, lasa nanenjika nanenjika nanenjika. Fa inona ny zavatra nitranga hoy izy ? Teny an-dalana, nijanona dia niverin-dalana daholo ny alikan’ny voisin anay. Fa ilay alikanay irery no nanenjika hatramin’ny farany an’ilay bitro hitany nandalo teo. Dia manontany ilay Pasitera : araka ny hevitrareo ary, nahoana no nijanona teny an-dalana ary niverin-dalana mihitsy aza ilay alikan’ny voisin ? Tsisy nahita an’ilay valin-teny ny Fiangonana. Izao no valin-teny hoy izy : ny alikako hoy izy no nahita an’ilay bitro ary fantany hoe inona no enjehiny ; fa ny alikan’ny voisin, tsy nahita an’ilay bitro fa nahita an’ilay alikanay nivoavoa fotsiny dia nanaraka nanaraka nanaraka. Ka tsy nahita an’ilay bitro, dia vizana. Maro ny mpino, miresaka mpino isika ry havana, ohatran’izany : faly be amin’i Pasitera izy dia miangona miangona miangona ; faly be amin’ny namany izy dia handeha hiangona handeha hiangona handeha hiangona ; mahita sipa vaovao izy dia miova Fiangonana manaraka ny sipany vaovao any fa tsy mahafantatra an’i Jesosy, tsy mahita an’i Jesosy izy, dia eny an-dalana, vizana, vizana, vizana satria tsy nahita an’i Jesoa tato amin’ny Baiboly. Ry havana o, tadiavo ao amin’ilay toriteny i Jesoa dia ho mora aminao izany hoe fanekena ny finoana izany dia azonao antoka izay lovanao mandrakizay any an-danitra ary hitondra fifaliana aminao izany, ary ho mpizara teny fifaliana ianao ; satria hita amin’ny fihetsikao, hita amin’ny fiainana, hita amin’ny teninao fa tena mihaino sy nahita an’i Mpamonjy ianao, milaza ny fifalian’ny famonjena.

Izay izany ilay hoe : « Fa ny finoana dia avy amin’ny toriteny ». Ny finoana dia avy amin’ny fihainoana toriteny. Dia hoy ny tapany faharoa amin’ilay Romana 10 :17 : « Ary ny toriteny kosa dia avy amin’ny tenin’i Kristy ». Ry havana o, mihaino ny toriteny ianao, kanefa izao no fanontaniana apetraky ny Tompo aminao eto amin’ny tapany faharoa : TOA INONA NO TOERAN’NY TENIN’I KRISTY AO AMIN’NY FIAINANAO ? Raha atao hoe mpihaino toriteny ianao ety, toa inona ny toeran’ny tenin’i Kristy ao amin’ny fiainanao ? Eo ianareo diakona am-perin’asa, eo ianareo futur diakona : ny fanekena voalohany dia hoe hazoto hivavaka, hamaky Soratra Masina, hianatra Soratra Masina ; ho antsika Fiangonana e, toa inona no toeran’ny tenin’i Kristy ao amin’ny fiainantsika ?

Rehefa manana an’ilay fanekena ny finoana ianao ry havana, ary izay ihany, rehefa manana an’ilay obéissance de la foi ianao, izao no vokatr’izany voalohany, ary izay no fahamarinana manaraka : lasa intime an’i Jesosy ianao.

Fahamarinana 3 : NY OLONA MANANA AN’ILAY OBEISSANCE DE LA FOI DIA LASA INTIME AN’I JESOA KA MANOME NY TOERANA SAHAZA NY TENIN’I KRISTY AO AMIN’NY FIAINANY

Lasa namana intime, lasa sakaiza akaiky, lasa sakaiza tsy fohy, lasa sakaiza tena tiany ohatran’izy 3 lahy teo anivon’izy 12 lahy.

Ary ny sakaiza intime-n’i Jesoa ihany no manome ny toerana sahaza ny tenin’i Kristy ao am-pony sy ao amin’ny fiainany. Manontany anao ary ny Tompo : noho ilay fanekena ny finoana izay nazavaina tamintsika teo, afaka miteny ve ianao hoe intime-n’i Jesoa ?

Ary raha izay fotsiny aza no tadidinao androany,enga anie, alohan’izay fotoana hikipihan’ny masonao, hanana toky ianao ary hiteraka fifaliana aminao ny fahafantaranao hoe raha ny amiko indray dia intime-n’i Jesoa aho ry havana o. Satria izany no programan’i Jesoa ho antsika ry havana, ary izany no hitondra fifaliana any Aminy sy maharitra ho antsika, izany hoe intime-n’i Jesoa izany.

Io ohatran’ny olona intime rehetra e : rehefa intime ilay fifandraisana, ohatran’izay koa amin’Andriamanitra : avelan’Andriamanitra hijery ka hanakatra ny ao an-dohany sy ao am-pony ianao, ahita ilay fiainana be, ahita ilay fitiavana be, ahita ilay fahasoavana be, ahita ilay fitahiana be tsy manam-pahataperana omaniny ho anao ; satria intime-ny ianao dia velariny eo anatrehanao ny fony ry havana o. Ary satria koa intime ianao, dia ianao mamela Azy mba hijery izay ao am-ponao. Ary raha faly ianao mijery izay ao am-pon’i Jesoa ry havana, mety ho menatra ianao. Fa izany ilay olona manana ny faneken’ny finoana, nanjary nifamato-pitia tamin’i Jesoa, lasa intime : tsy menatra izy mamelatra eo anatrehan’ny Tompo ny fony, ny fahalotoany, ny faharatsiany. Ary faly izy mamelatra an’izany eo anatrehan’i Jesoa mba hodiovin’i Jesoa ry havana o.

Fa izao : ny olona intime-n’i Jesoa ry havana dia hoe, vokatr’ilay fanekena ny finoana nolazaina teo, dia mila manokana fotoana ; io no tsy vitantsika. N’inon’inona emploi du temps antsika, tsy manam-potoana ho an’i Jesoa isika ; na ny olona ambony indrindra na ny olona atao hoe ambany indrindra eo amin’ny fiaraha-monina, fa tsy misy manam-potoana ho an’i Jesoa izany isika, na Minisitra, na tsy Minisitra, tsisy manam-potoana ho an’i Jesoa izany. Kanefa rehefa dinihinao ny fiainan’i Jesoa ry havana, tena hoe nanokana fotoana maharitra Izy hitokanana amin’ny Rainy ; nanamboatra fotoana Izy hitokanana amin’ny Rainy. Ary tahaka ny zavatra nitranga tamin’i Jesoa, ny tsy azontsika, rehefa manana an’izay relation d’intimité izay ka hoe manokana fotoana ho Azy, mahery ilay finoana ; ambolen’ny Tompo ao amintsika llay finoana vokatr’ilay fihainoana toriteny sy ny fankatoavana toriteny, fa ampitomboany, affermissiavany izany finoana izany ry havana. Mba hoe finoana hampaharitra antsika hatramin’ny farany izany finoana izany. Fa izao : iaraha-mahalala fa tototra isika, fa manampy trotraka koa ny devoly. Halan’ny devoly, ary zavatra kendreny aok’izany ny tsy hananantsika an’izany moment d’intimité amin’i Jesoa sy amin’ny Raintsika any an-danitra izany. Dia isika, rehefa tenenin’i Pasitera na tenenin’ny tompon’andraikitra hoe « ary ianao tokony mba hiara-hivavaka e, andao isika hianatra tenin’Andriamanitra », dia hoe : « ka izao, ka izao Pasitera, ka izao Pasitera ». Aza miteny intsony hoe « ka izao Pasitera », fa sao dia sanatria an’izany ny devoly no manome arguments anao ary mampiteny anao, satria izy no faly rehefa tsy manatrika an’ireny fotoam-bavaka ireny ianao satria tsy tanteraka ilay intimité anao amin’i Jesoa ry havana o.

Manokana fotoana ho an’i Jesoa , manokana fotoana bebe kokoa ho an’i Jesoa hikolokoloina izany intimité izany, hanamafisana orina ny finoanao. Ary izao : aoka tsy ho diso hevitra isika Fiangonana : tsara be ilay fombantsika hoe an an an, izaho izao efa tsy mihaino hiran’izao tontolo izao intsony, tsara be ilay fombantsika hoe an an an, izaho izao mihaino conférence, tsara be ilay fombantsika hoe an an an, izaho izao andeha hijery film évangélique na cd évangélique na hihaino toriteny amin’ny youtube. Tena tsara be izany. Fa izao : aza mieritreritra ianao fa vita hatreo ilay moment d’intimité anao amin’i Jesoa ry havana o ; aza mieritreritra ianao fa vita hatreo izany. Rehefa vita ny fijerenao film dia saino ilay film, saino ilay toriteny teo dia manontania tena hoe inona Tompo o, no hafatrao ho ahy manokana androany ? Ary ahafantaranao an’izany, ilay hafatry ny Rainao : mandehana ianao miditra ao amin’ny efitrano mangina dia mandehana ianao mitokana ao dia hahazo ny tenin’i Kristy ianao ry havana o. Hahazo ny tenin’i Kristy avy amina sakaiza tena tia, avy amina namana intime. Manana intimité amin’i Jesoa ve ianao ry havana o ?

Fahamarinana 4 : IANAO IZAY MANAO ZAVA-DEHIBE AN’IZANY INTIMITÉ AMIN’I JESOA IZANY, RAISO HO SAROBIDY TOA NY VOLAMENA  IO TENIN’I KRISTY IO

Rehefa miteny ny Soratra Masina : « Koa ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa dia avy amin’ny tenin’i Kristy », ity Baiboly ity no atao hoe LOGOS-n’Andriamanitra, tenin’Andriamanitra, parole de Dieu. Fa rehefa miteny eto ny Apostoly Paoly hoe : ny toriteny dia avy amin’ny tenin’i Kristy ; izy tsy miteny hoe avy amin’ny LOGOS-n’i Kristy, fa miteny izy hoe avy amin’ny RHEMA -n’i Kristy.

Efa nazavaina teto tamin’ny fotoan’andro fa hoe ilay LOGOS dia ny tenin’Andriamanitra amin’ny ankapobeany : tsara vakiana , tsara ianarana. Fa ilay RHEMA indray, ny maha-samihafa azy amin’ilay LOGOS, dia hoe ilay teny omen’i Jesoa amin’ny mpanompo manokana amin’ny vanim-potoana manokana ao amin’ny fiainany. Teny manokana sahaza amin’ny vanim-potoana manokana amin’ny mpanompony iray. Asa, misy 1600 isika eto izao angamba ; dia misy possiblement, 1600 RHEMA azontsika eto izany izao, satria samy mihaino an’ilay LOGOS fa samy hafa ilay RHEMA omen’ny Tompo na dia hoe Fiangonana iray , mpitoriteny iray, perikopa anankiray aza.

Ry havana o, ny basen’io rehetra rehetra io, rehefa miainga amin’ilay hoe « fa ny finoana dia avy amin’ny fihainoana toriteny ary ny toriteny kosa dia avy amin’ny RHEMA an’i Kristy ». Ataovy antom-bavaka manomboka anio ny mangataka ka mahazo RHEMA amin’i Jesoa. Dia azonao antoka fa tafahoana marina tamin’ilay sakaiza intime ianao tamin’ilay fotoam-bavaka izay nataonao iny. Io RHEMA io, rehefa miteny Jesoa hoe : « tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra », tsy miteny Izy hoe izay LOGOS rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra, fa izay RHEMA rehetra ampisakafoanana ny fanahintsika izany. Ary mila RHEMA isan’andro isika satria miovaova isan’andro ny circonstance-piainantsika, hain’nyTompo izany : manomana RHEMA Izy ry havana. Ary io RHEMA io, tsy tahaka an’ilay LOGOS ;io RHEMA io dia tsy dia mivantana loatra aty amin’ny saina akory, ka hoe fakafakaina ohatran’izao sy tahaka an’izao ; fa ilay RHEMA iny, mivantana any amin’ny fontsika sy any amin’ny fanahintsika any, mamelombelona an’ilay finoana, mamelombelona an’ilay fitiavana voalohany, manome toky antsika ny amin’izany hoe fifandraisana velona sy intime amin’Andriamanitra izany. Ary rehefa mahazo RHEMA ny mpino iray, dia eo no anambaran’Andriamanitra aminy mazava izay programam-piainany ho azy. Raha samy afaka baka, omen’Andriamanitra RHEMA izy momba ny orientation-ny ; raha samy mpitovo, omen’Andriamanitra RHEMA ny amin’izay ho vadiny ; raha samy mpino etc… omen’Andriamanitra RHEMA , toro-lalana ho amin’ny fiainany hanambarany izany fahasoavany, hanambarany izany fitiavany izany.

Ry havana o, ry havana o, manao ahoana ny intimité anao amin’ny Tompo ? Manao ahoana ny fotoana atokanao ho an’ny Tompo ? Manao ahoana ny lanjan’ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ?

Ao anatin’izao famaranana izao, tantara nampihetsi-po ahy momba hoe fitiavana mpanompon’Andriamanitra irayny teny. Tany Vietnam no nitranga ny tantara tamin’ireny guerre naharitra firy-polo taona ireny ry havana, dia nisy miaramila amerikana kristiana tany amin’ny camp des prisonniers any amin’ny nord Vietnam communiste. Inona ny zavatra nitranga ? Ilay prisonnier izany asaina manana an’ireny corvée ireny. Dia ny azy, ny corvée ratsy indrindra, miala tsiny ny amin’ny fitenenana an’izany fa izay moa ilay tantara, mamafa ny kabone an’ilay commandant an’ilay camp ilay prisonnier. Izy no voatendry ho amin’izany. Tena kivy, kivy tanteraka izy, satria ny kabone any ambanivohitra tena voretra be. Dia inona ny zavatra nitranga ? Tsy maintsy nankatoa izy, tsy maintsy nankatoa izy. Ny zavatra nitranga : manadio an’ilay kabone eo izy, manasa sy ny karazany dia nahita taratasy izy ao anatin’ilay kabone dia nojereny ilay taratasy dia hita fa ravina Baiboly no hitany ao, ampiasain’ilay commandant an’ilay camp famafana. Dia nalainy ilay ravin’ilay Baiboly, tsy niteniteny tamin’iza na tamin’iza izy : nalainy ilay ravina Baiboly dia nodioviny ilay ravin’ilay Baiboly. Dia isan’andro isan’andro, il s’est porté volontaire pour faire la corvée des toilettes an’i commandant. Satria isan’andro isan’andro izy dia nahita ravina Baiboly any amin’io firenena communiste athée io. Ary dia izay no nahazoany Rhema isan’andro isan’andro isan’andro. Ary izay no nahazoany Rhema tamin’ity Romana 10 ity hoe : izay mino Ahy dia tsy ho menatra, tsy hangaihay. Tsy hoe tsianjery-na Logos fotsiny izany hoe ao amin’ny Romana 10 no misy an’izany ; fa tena hoe tenin’ilay sakaizany intime, tenin’ilay ondry izay mahafantatra ny feon’ilay Mpiandry ondriny ary inoany tanteraka ny teniny hoe : ianao tsy ho menatra, tsy hangaihay,ianao mino Ahy io.

Ry havana o, ry havana o, tia anao ny Tompo, tia anao ny Tompo ary dia hoe tiany ianao hanana ny tena finoana amin’izay dia ilay finoana miorina amin’ny toriteny satria ny toriteny dia avy amin’ny RHEMA an’i Kristy.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

ALAHADY 03 FEB 2019

Asan'ny Apostoly 8:22 : « Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao ».

Teny nataon’ny Apostoly Petera tamin’i Simona mpanao ody : « Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao ». Votoantin’ny filazantsara izany antso ho amin’ny fibebahana izany ; ary isika rehetra ry havana, amin’izao maraina izao, dia samy manana izay haratsiana mahazatra, izay haratsiana heverin’ny fo tokony hibebahana : « mibebaha amin'izao haratsianao izao ».

Fahamarinana 1 : AOKA HO FANTATRAO FA NY ODY TSY MAHAVONJY

Eo ianao izay mbola mpandala an’izany, mpilalao an’izany, mpanketsy sy eroa ; misy ato ry havana o.

Ao ianao, mahita an’izany, teneno izy e : tsy mahavonjy io ody io e. Ary mibebaha amin’izany fahazaran-dratsy izany ianao. Izay ilay fahamarinana 1 ry havana o.

Eto, lehilahy anankiray, Simona, mpanao ody hoy ny and. 9, nahatalanjona ny rehetra tao Samaria tao. Ilay fahefana asehony amin’ny alalan’ilay ody tena miasa eto, hanehoany hery ka nahatalanjona ny rehetra ry havana. Hoy ny and. 9 hoe izy koa mahita an’ilay izy, manao an’ilay izy dia mandoka-tena ho zavatra. Ary ny olona koa talanjona amin’ny odiny dia manao azy, hoe amin’ny and.10 hoe : « Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe ». Tena fahadisoan-kevitra tanteraka ary fahadisoan-kevitra mampiditra any amin’ny helo izany e. Tsy hoe tsara izany, na ratsy izany ; fa tsy idirana any an-danitra izany. Misy hery ao an, tsy misy milaza mihitsy hoe tsy efficace ny ody, fa zareo tsara ny zavatra nitranga : talohan’ny nitantarana momba an’i Simona mpanao ody dia tantaraina fa hoe nentin’ny Fanahy Masina tany Samaria i Filipo ary dia nanao fahagagana maro izy. And.7 : « ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny ». Mba nanao fahagagana koa izy. Fa inona ny zavatra nitranga ? Samy nanao fahagagana izy roalahy, samy naneho hery izy roalahy, fa nanomboka niteny eo amin’ny and. 12-13a hoe : « Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy. Ary Simona koa mba nino ». Samy naneho hery Filipo sy Simona ry havana. Fa Simona mijery an’i Filipo eto : talanjona Simona ; fa izy mahita hoe oay, ity Filipo ity dia tena manana hery, ary ity Filipo ity manana hery mahavonjy.

Ry havana o, ho anao izay mpandala an’ireny dadarabe sy mpitaiza ireny : io misy dadarabe io, talanjona amin’ny fahefan’i Jesosy, amin’ny herin’i Jesosy ; fantaro izany.

Variana aho hoe, misy namantsika dokotera nanao dinika tao tamin’ireo candidat ho diakona. Dia mitantara ny fiainan’ny mararin’ny cancer eo izy ; dia ilay izy hoy izy médicalement, tsy avotra ; fa dia eo ilay olona, na dia mpino aza, lasa any amin’ny mpitaiza any. Dia nanonona anarana teo izy hoe izao indray ny anarana lamaody amin’izao. Ry havana o, aoka izay izany e : mibebaha amin’izany faharatsianao izany ianao. Dia araka ny and. 8, ahita fifaliana lehibe ianao ao amin’ny fiainanao. Ary dia ho mpitondra teny fifaliana ianao. Ahoana moa no itondranao fifaliana raha ny finoanao aza tsy mahita fifaliana ? Mibebaha amin’izany fahazaran-dratsy izany. Aoka izay ity hoe rehefa handevina dia misy ora ohatran’izao ; rehefa miandry faty sy ny karazany dia mbola misy fomba ohatran’izao : misy an’izany ato, mbola manatrika an’izany aho. Mibebaha amib’izany faharatsiana izany. Fa tsy idiranao any an-danitra izany ry havana o.

Ary izay ny fahamarinana 1 : ilay lehilahy anankiray antsoina hoe Simona, izay nahatalanjona ny maro, talanjona tamin’i Jesosy. Oviana ianao no mba ho talanjona amin’i Jesosy la hiteny hoe : aoka izay ireo fahadalana rehetra ireo.

Ny ody tsy mahavonjy. Izay ny fahamarinana 1.

Fahamarinana 2 : NY FINOANA MIORINA AMIN’NY FAHAGAGANA DIA FINOANA TSY MAMPIDITRA ANY AN-DANITRA

Hita eto amin’ny tantaran’i Simona izany. Mba talanjona koa i Simona tamin’ny fahagagana nataon’i Filipo ; talanjona izy, nino izy, natao batisa izy. Fa Simona azo heverina fa ohatr’ireo olona nanana finoana, nefa mety tsy tafiditra any an-danitra. Satria ny finoana vokatry ny fahagagana, dia finoana miaro haitraitra, tsy finoana manova ; fa finoana miaro émotion fotsiny. Ary ny Soratra Masina anie dia miresaka an’io finoana tsy mahavonjy io e. Jerentsika ny Marka 3:11 : « Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. » Mety talanjona i Simona teo anatrehan’i Filipo, dia mety hoe niankohaka izy raha nino sy natao batisa ; fa izao : fanahy maloto, ny devoly koa mba mino tahak’izany. Sao dia mba finoan’ny devoly ny finoanao satria miorina amin’ny fahagagana, miorina amin’ny miracle?

Tsy azo ivalamparana moa ny fotoana fa andeha jerentsika ny Lioka, misy ilay mpanankarena ratsy fanahy ; ratsy fanahy satria ny harenany no andriamaniny, ny harenany no tompoiny. Ary tsy mba nanana an’izany hoe fiantrana ny malahelo izany izy. Tantaran’ilay lehilahy mpanankarena sy Lazarosy ity, ary enga anie ka tsy hisy mpanankarena ohatran’izany atobry havana : manan-karena fa mahihitra ; mahihitra ho an’ny hafa, mahihitra ho an’ny asan’Andriamanitra. Tonga amin’ilay fitenenana hoe : « Ce ne sont pas les riches qui sont avares, ce sont les avares qui sont riches ». Enga anie ka tsisy an’izany ato. Fa jereo ity lehilahy mpanankarena ity : nony lasa any amin’ny elo izy, manenina tongotra aman-tanana izy lasa any amin’ny elo, dia mahatsiaro ny rahalahiny izay mbola velona ety ambonin’ny tany, dia mangataka fiantrana izy hoe aleo mba hampilazana izy. Dia ahoana hoy ny tenin’ny Soratra Masina ? Lioka 16:31 : « Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza ». Na misy fahagagana tahaka inona, mety ho taitra kely izy, fa tsy hino amin’ny finoana mampiditra any an-danitra. Manao miracle anie Filipo eto e ; fa mitory ny tenin’Andriamanitra mazava izy ; manao antso ho amin’ny fibebahana izy ; izany no tena hoe antson’ny filazantsara ry havana. Fa raha ianao no fiangonana hoe tsy mitory teny tsy misy porofo, tsy miantso ho amin’ny fibebahana ianao : fahagagana avy amin’ny devoly izany ; ohatran’ny an’i Simona izany. Ary io Simona io no tenenina eto hoe : « Mibebaha ianao amin’izany faharatsianao izany».

Izay ny fahamarinana 2 ry havana : Ny finoana izay miorina amin’ny fahagagana dia tsy hampiditra any an-danitra, fa mety finoana miaro haitraitra sy émotion fotsiny.

Fahamarinana 3 : NY OLONA MANANA FINOANA MAMPIDITRA ANY AN-DANITRA DIA MANANA FIAINAM-BAVAKA, ZATRA MIVAVAKA

Ity Simona ity dia olona intelligent. Ary tsapany tsara ilay hery niasa tao amin’i Filipo ; ary noho ilay intelligence-ny, dia mino izy. Fa ilay problema dia izao : hay izy ity rehefa tarafina ny tohin’ny tantara, ny finoan’i Simona tsy miteraka fanovàna tao aminy tao. Fa inona no tohin’ny tantara, izay tsy ao amin’ny perikopantsika ?Hay ny hitan’i Simona tao amin’i Filipo dia ilay hery mety ahazoan’i Simona fahefana, ilay hery izay mety ahazoan’i Simona vola bebe kokoa raha mba hazony izany hery izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Hay tsy niova ity Simona ity fa dia mpanao ody vita batisa, hoy ny mpitoriteny iray izay. Sao dia mpanao ody vita batisa ianao ry havana o ? Mibebaha ianao amin’izany faharatsianao izany.

Fa ny olona tena manana finoana mampiditra any an-danitra, ary izay ny fiasan’ny Fanahy, arala ny Fihirana Fanampiny faha-6 : mankatoa ny teny ianao voalohany indrindra. Tsy maninona anie rahha hoe fahagagana no niatombohan’ny finoanao e ; fa raha fahagagana tsy mitarika anao hankatoa ny teny, satria ny toriteny no fototry ny finoana, loharanon’ny finoana, iorenan’ny finoana, tsy ny fahagagana : tsy misy an’izany ao amin’ny Soratra Masina. Fa raha hoe finoana miorina amin’ny fahagagana, fa tst mitarika anao hankatoa ny tenin’Andriamanitra : tsy finoana mahavonjy izany ry havana o.

Ary rehefa hoe mankatoa ny tenin’Andriamanitra ianao, tsy misaraka amin’ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra ny vavaka sy ny fahazotoana hivavaka. Diso hevitra isika mieritreritra fa rehefa mivavaka izany dia misy teny tsy maintsy tononina, tsy maintsy misy teny alahatra tahak’izao : diso hevitra tanteraka ianao. Rehefa mitory fitiavana amin’ny vadinao, na ny olona tianao ianao, samy manana ny fomba fiteniny ny olona. Rehefa mitory fitiavana amin’ny zanakao ianao, na ny zanakao mitory fitiavana aminao, amin’ny rainy na ny reniny, samy manana an’izany fanehoana fitiavana izany. Samy manana ny fomba hivavahany. Ny essentiel dia hoe finoana mahatonga fiainam-bavaka ve ny finoanao ? Mieritrereta : fa raha tsy finoana ahitana fiainam-bavaka, tsy finoana hampiditra anao any an-danitra izany, fa finoana ato an-tsaina fa tsy finoana ato am-po. Ary tsy hampiditra anao any an-danitra izany.

Azo atao tsara ny manao ohatran’i Simona mitent amin’i Petera hoe : mangataha ho ahy, mivavaka ho ahy. Azo atao tsara ny mitent amin’ny olona hoe : mivavaha ho ahy. Fa ianao, raha tena raisinao sérieux, zava-dehibe izany vavaka izany, ary raha tena hoe tenin’ny olona manana finoana mampiditra any an-danitra, dia olona efa mivavaka no miteny hoe : « mivavaha ho ahy ».

Misaotra ny Tompo isika ry havana ny amin’ny hafany mahitsy sy mazava, fototry ny filazantsara, nasehony teo anatrehantsika ankehitriny : «Mibebaha amin’ny faharatsianao ianao ». Tenenonny mpilalao ody hoe ajanony amin’izay ; teneno ny mpilalao ody hoe niaraka teo tsika taloha fa izaho efa tsy amin’izany intsony fa efa te hibebaka amin’ny faharatsiako aho. Diniho ny finoanao, raha finoana miorina amin’ny fahagagana : finoana tsy ampiditra anao any an-danitra izany ; fa finoan’ny demony ihany koa izany : mety.matahotra an’Andriamanitra fa tsy mitondra fiovam-po, fiovam-piainana ; ary diniho ny finoanao raha miteraka fankatoavana ny tenin’Andriamanitra – Diniho ny finoanao raha miteraka fiainam-bavaka.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena