Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 24 MAR 2019

Ny Deoteronomia 28 no anisan’ny texte tokony ho fantatra, na fara-fahakeliny hoe fantatra ny fisiany ao amin’ny bokin’ny Deoteronomia satria ny toko 28 manontolo dia mizara roa : ny tapany voalohany, hatreo amin’ny and.14 milaza ny fitahiana tian’Andriamanitra arotsaka ho an’izay mpino mitandrina ny didiny, ary ny and. 15 hatramin’ny farany, ny lisitry ny ozona izay hahatratra izay tsy mitandrina ny tenin’Andriamanitra.

Deoteronomia 28:1-2 : « Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao; ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ».

Deotoronomia 28:12-13 : « Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra. Dia hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy ».

Ilay and.12 « Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa ».

HOVOHAN’I JEHOVAH HO ANAO NY LANITRA

Izany no teny fampanantenana, vaovao mahafaly ho antsika Fiangonana amin’izao maraina izao : JEHOVAH DIA TE HAMOHA NY LANITRA HO ANTSIKA, te hamoha ho antsika ny lanitra Izy, dia ampian’i Mosesy hoe : « tranony fitehirizan-tsoa ». Fantatsika ireny antsoina hoe banky ireny, fitehirizam-bola ; ny lanitra, tranon’Andriamanitra fitehirizany soa efa homaniny arotsaka amin’ny fiainantsika. Hoy Jesoa aminao hoe : HOVOHAN’I JEHOVAH HO ANAO NY LANITRA.

Misy fahamarinana 3 ry havana, hojerentsika fohy, hamohasantsika izany teny fikasana izany. Miteny amintsika ny Tompo hoe : HOVOHAN’I JEHOVAH HO ANAO NY LANITRA. Mamy izany. Ny fahamarinana voalohany dia hoe : FA IANAO TOA TSY MINO IZANY E ! Ny fahamarinana faharoa manaraka : FA IANAO TOA TSY AFA-PO AMIN’IZANY E ! Kanefa izao : rehefa vohain’i Jehovah ny lanitra, dia OMENY ANTSIKA FIAINANA BE DIA BE, mahazo fiainana be dia be isika. Izay ilay toriteny androany ry havana : HOVOHAN’I JEHOVAH HO ANAO NY LANITRA.

Fahamarinana 1 : IANAO OHATRANY TSY MINO HOE HOVOHAN’I JEHOVAH HO ANAO NY LANITRA

Izay no problemanao. Inona ny zavatra teneniny ry havana ? Hoe : and.3 : « Hotahina ianao ao an-tanàna », and. 8 : « Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah », and.9 : « Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah », and. 11 : «hataon'i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao », and. 12 : « Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra », and. 13 : « hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony ». Jehovah, Jehovah, Jehovah, Jehovah no mi contrôle ny zavatra rehetra, any an-danitra sy ety an-tany. Izany io Jehovah hoe hamoha ny lanitra io, fa ianao no tsy mino e, ianao no tsy mino an’izany, dia matimaty ny finoanao. Fa hovohan’ny lanitra ; vonona ho amin’izany Izy.

Ianao anie omeny taranaka e, mbola avy Aminy izany ; ary ny amin’io taranaka izay omeny anao io, Izy anie no mi-contrôle an’io taranakao io e. Omeny asa aman-draharaha ianao, avy Aminy izany ; fa ny ho avy sy fivoaran’io asa aman-draharaha anao io, Izy anie no mi-contrôle an’izany e, fa tsy ny tananao, tsy ny sandrinao e. Izany ange ry havana e. Manome ranon’orana Izy amin’ny fotoan’andro ho fitahiana ; fa Izy anie mi-contrôle an’izany e. Izy no mi-contrôle an’izany. Mino ve ianao fa vonona hanokatra ny lanitra ho anao Izy ? Izay ilay fanontaniana. Fa izany no ventesin’ny bokin’ny Deoteronomia : hitahy Izy, handidy fitahiana Izy, hanokatra ny lanitra Izy, hanandratra anao Izy ; mino an’izany ve ianao ? Karazana refrain izany, ary karazana refrain satria raha tsy atao refrain, raha tsy atao fiverenana izany, tsy hino an’izany ianao. Andriamanitra ry havana o, mi-contrôle ny zavatra rehetra, ary araka ny fiteny efa fahitantsika, hoe : ianao ange, ianao, afaka mividy fandriana ianao, fa Andriamanitra no afaka manome anao torimaso, Izy no mi-contrôle ny torimasonao ; ianao afaka mividy sakafo, fa Andriamanitra no manome fahazotoana homana e, fa tsy avy aminao izany ; ianao afaka mividy fanafody, fa Andriamanitra no manome fahasalamana ; ianao afaka mitady loisir ohatran’izao sy ohatran’izao, fa Andriamanitra no manome fahasambarana. Andriamanitra no mi-contrôle ny zavatra rehetra e. Mino an’izany ve ianao ? Mino an’izany ve ianao e ? Ary io Andriamanitra io ihany no afaka manome antsika ry havana, izay zavatra tsy azon’ny vola omena antsika, izay zavatra tsy azon’ny olona atolotra antsika ; io Andriamanitra io, raha manokatra ny lanitra ho anao Izy, dia ataony manana amby ampy izay mahasoa anao.

Ry havana o, ianao izay milaza fa mino an’i Jesoa Kristy, matoky Azy ve ianao amin’ny lafim-piainanao rehetra ? Matoky Azy ve ianao amin’ny lafim-piainanao rehetra, ka vonona ny hitandrina izay didy rehetra handidiany anao manomboka anio ? Izany ny lakle an’ny fahasambarana, izany ny lakle an’ny fahombiazana ry havana o. Ary jereo tsara, efa notenenina teto ombieny ombieny : and.2, hoe : « ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao hianao ». Ho tonga aminao ny fitahiana. Ilay teny hebreo manao hoe : hahatratra anao, hiazakazaka ka hahatratra anao ny fitahiana. Izao ianao, mihazakazaka tsy mahatratra fitahiana satria tsy narahanao ny tenin’Andriamanitra. Fa ho azonao izao fitahiana izao, hiazakazaka izy, hambabo anao ny fitahiana. Izany ny vaovao mahafaly raha mino ianao fa mi-contrôle ny zavatra rehetra Andriamanitra, ka mametraka ny fiainanao eo am-pelatanany ianao ary matoky Azy ianao, matoky izay ambaran’ny teniny ianao.

Hoy ilay fahamarinana voalohany hoe : mino izany ve ianao ? Ohatrany tsy mino ianao ry havana o.

Ny hamaranana izao fahamarinana voalohany izao dia hoe : mazotoa mivavaka hoe : « Eny ary Jesosy an, vonjeo amin’ny tsy finoako aho, vonjeo amin’ny tsy finoako aho ».

Fahamarinana 2 : ANDRIAMANITRA VONONA HAMOHA NY LANITRA HO ANAO, FA NY PROBLEMANAO FAHAROA DIA HOE IZAY APOITRANY EO, OHATRANY TSY AHAFA-PO ANAO  

Andriamanitra vonona hamoha ny lanitra ho anao, fa ny problemanao faharoa dia hoe izay apoitrany eo, ohatrany tsy ahafa-po anao. Satria maninona ? Manantena fitahiana ianao, ary manantena fitahiana ianao ary tsy afa-po ianao raha tsy arak’izay nanantenanao azy sy namaritanao azy izany fitahiana izany. Dia tsy afa-po amin’izay fitahiana arotsak’Andriamanitra avy any an-danitra ianao ry havana o. Ary izay ilay fon’ny olombelona, feno fitsiriritana, tsy afa-po ; tsy afa-po satria mijery an’ilay fitahiana narotsak’Andriamanitra amin’ny hafa. Hoy ilay mpitoriteny anankiray izay hoe ny fiainantsika kristiana dia ohatran’ilay fomban’ny olona sasany rehefa mankany amin’ny restaurant : antsasak’adiny izy mandinika an’ilay carte sy ilay menu eo, dia hoe ity, an an an, aoka ihany, aleo ty, an an an, ty ihany e ; tonga avy any ilay serveur, mahita ny nalain’ilay olona ery dia hoe : « fa inona ilay nalain’ilay olona ery io fa io no tena tiako ?». Tsy afa-po ianao amin’iay arotsak’Andriamanitra ho anao avy any an-danitra ry havana o.

Fa izao no tokony ho fantatsika mazava, izao no tokony ho fantatsika mazava : Andriamanitra tsy nampanantena anao hanatanteraka ny sitraponao. Fa Andriamanitra niteny hoe : Izaho eto hanatanteraka izay rehetra mahasoa anao. Henonao ve izany ry Fiangonana o ? Tano amin’ny teniny Izy ; eny, na ny zavatra hafahafa aza dia miara miasa hahasoa. Ary anjaranao ny mampifanaraka ny sitraponao amin’ny sitrapony ; fa tsy hoe « izao no sitrapoko Andriamanitra o, tahio io sitrapoko io, ary tanteraho io sitrapoko io ». Fa izany : tsy afa-po isika amin’ny fanambinan’Andriamanitra antsika. Ary tsy mino koa isika hoe ny vavaka ihany, ny fitandremana ny tenin’Andriamanitra ihany no lakle an’ny fahombiazana sy ny fahasambarana. Tsy minoa an’izany isika ; fa mieritreritra isika hoe « ity izao raha ataoko an’izao an, izaho mba nianatra ohatran’izao ihany an, izaho mba manana traikefa ohatran’izao ihany an, dia mety ho hety io ». Tsia ry havana o, tsia. Rehefa tsy hatoky an’Andriamanitra tanteraka ianao, ka miandrandra ny sitrapony ianao, tsy hahita fahasambarana, tsy hahita fahombiazana ianao.

Hoy ny mpitoriteny anankiray : ny fiainanao eto an-tany, ity tany izay noharian’Andriamanitra ity, dia efa ato anaty Baiboly ato ry havana o, ny mode d’emploi-ny ; ato anaty Baiboly ny mode d’emploi-ny fiainanao. Ary izany no maha-zava dehibe ry havana o, ny hoe mamaky Baiboly, mianatra Baiboly, mianatra tsianjery ao amin’ny Baiboly, misana ny Baiboly, mitandrina ny Baiboly, ary maty antoka isika izay mirehareha fa hoe manana Baiboly amin’ny teny malagasy kanefa any anaty étagère feno vovoka ilay Baiboly ry havana o. Hoy izay mpanompon’Andriamanitra izay : rehefa izany no ataonao, ary na inona na inona fanamarinan-tena ataonao, tsy misy base ahazoan’Andriamanitra mitahy anao. Fa raha ambinina ianao, dia fanambinana avy amin’izao tontolo izao ; ary raha ambinina ianao, dia fanambinana tsy maharitra ; ary raha ambinina ianao, dia fanambinana miaro ozona. Jereo anie ny Deoteronomia 28 :15 : « Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa hianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao ». Ianao kamo mamaky Baiboly io, ianao mba mianatra Baiboly ihany nefa tsy tandremanao, ry havana o, miantso ozona ianao.  Miantso ozona ianao hoy ny tenin’Andriamanitra ary izany no nanafaran’i Josoa, Josoa 1 : 8 : « Aoka tsy hiala amin’ ny vavanao ity bokin’ ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’ izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina ». Ny lakle an’ny fahalavorariana, ny lakle an’ny fahombiazana : ny fisainana tahaka an’Andriamanitra sy ny fitandremana izany.

Ry havana o, io fahamarinana faharoa io dia manao hoe : tsy afa-po amin’ny fitahian’Andriamanitra anao ianao, mifonà, dia izao no antom-bavaka, aorian’izao fahamarinana faharoa izao, hoe: « Tompo an, Tompo ô, ampio aho hiteny hoe : aoka tsy ny sitrapoko no atao fa ny sitraponao ».

Fahamarinana 3 : JEHOVAH HAMOHA NY LANITRA, HANOMEZANY NY TENA FIAINANA

Andriamanitra, Jehovah hamoha ny lanitra. Jehovah hamoha ny lanitra.

Rehefa mamoha ny lanitra Andriamanitra ry havana, rehefa mamoha ny lanitra Izy, dia omeny an’ilay olona efa nosafidiany ilay fiainana be dia be amin’ny alalan’i Jesoa Kristy : omeny ilay fiainana be dia be, omeny ilay tena fiainana. Izany ny dikan’ny hoe Andriamanitra mamoha ny lanitra ; mamoha ny lanitra Izy raha mitandrina ny didiny isika. Jereo tsara ny fipetrak’ity perikopa ity : and. 1, sy and 13, hoe : « Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao; Dia hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy ». Ny miandoha ilay perikopantsika sy ny mamarana ilay perikopantsika : fitandremana ; fihainoana ny feon’Andriamanitra sy fitandremana ny didiny ry havana o. Ianao izay mitady fatratra an’izany fiainana be dia be, izany fanambinana sy fahasambarana izany, ny lakle an’izany : ao amin’ny fihainoana ny feon’i Jehovah sy ny fitandremana ny teniny.

Mijery an’ity firenentsika ity ry havana, mijery an’ity firenentsika ity dia tena hoe  mivarahontsana ianao, satria ity firenentsika ity ry havana o, azo antoka nanomboka tamin’ny 1860 hoe efa natolotra an’i Jesoa ary Azy ity firenena ity ; nefa jereo, jereo manomboka eo amin’ny and. 12 sy and.13 : « Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra. ». Ry havana o, tsy dia mahay toe-karena izahay fa raha ny zavatra fantatray, dia bokan’ny trosa ity firenena ity. Rehefa miresaka ny crise any Grèce ianao, rehefa miaina ao France ianao, dia ny zavatra resahina foana, « le poids de la dette », ny trosan’ny firenena. Aty tsy mba resahina izany, mahavariana. Fa dia faly fotsiny hoe nanome vola indray ny bailleur, nampindrana vola. Fa ahoana moa izany no amerenantsika an’ireny e ? Ahoana ny amerenan’ny taranantsika an’ireny ? Fa tsy izany akory no problema : tsy mampisambotra isika fa misambotra ; satria manana mpitondra nifanesy tsy mitandrina ny didin’Andriamanitra ry havana o. « Hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra.Dia hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony ». Isika malagasy, désolé aho miteny amintsika, fa miady rambony, miady gisitra; asa raha firenena mahantra fahafiry ary amin’ny rambony ary isika ry havana, nefa ny promesse-n’i Jesosy hoe : Madagascar, ataoko lohany ianao, satria efa natokana ho Ahy. Fa tsy mandeha araka ilay fiantsoana, mandeha mendrika ilay fiantsoana niantsoana antsika hoe firenena efa nanononana ny anaran’i Jehovah isika ry havana o. Io : « ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany » : ambany isika e, ambany isika ; ary ny tena mampalahelo, misambotra isika, rambony isika, ambany isika, nefa firenena nanononana ny anaran’i Jehovah ry havana o. Ary mijery antsika ny firenena hafa, dia afa-baraka i Jehovah. Tonga ny fotoana anovàna an’izany. Ary jereo ilay and.9 teo ry havana : « Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mandeha amin’ ny làlany ». Hanandratra anao ho firenena masina. Andriamanitra te hanandratra an’ity firenena ity firenena ity ry havana o, ho firenena masina ; ary tena hoe fahagagana eo imason’ny firenena jentilisa izany Madagasikara izany manomboka izao. Ary tsy resaka politika izany, tsy resaka toe-karena izany, fa resaka fitandremana, fihainoana an’Andriamanitra sy fitandremana ny didiny.

Miresaka an’ilay hoe fiainana be dia be, lasa kely tany amin’ny firenena ; fa ho ahy sy ho anao io. Izany no teny fampanantenana omen’Andriamanitra antsika raha miteny Izy hoe : « Hovohako ho anao ny lanitra, tranoko fitehirizan-tsoa ». Fiainana be dia be, ho anao ety an-tany ary fiainana mandrakizay rhaa miala ety an-tany ianao. Izany no dikan’ny hoe hovohan’Andriamanitra ny lanitra : hovohainy ampidinany fitahiana ety an-tany, ary rahatrizay miala ety, vohainy ny lanitra hidirako ao amin’ny fitsaharana mandrakizay.

Hoy ny mpanompon’Andriamanitra anankiray izay ry havana : ny finoana marina hoy izy,  ny finoana marina no mampiditra any an-danitra ; fa ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra no mampidina an’izany lanitra izany dieny izao ao am-ponao. Ny finoana marina hoy izy no hampiditra anao any an-danitra rahatrizay, fa ny fankatoavana an’Andriamanitra, ny fihainoana ny feony, ny fankatoavana ny didiny, no mampiditra dieny anio, 24 Mars izany lanitra izany, ao am-ponao.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

Alahady 17 Mar 2019

« Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra ». Matio 5 :16

« Fa tahaka ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona, fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay ». 1 Tesaloniana 2 :4

Mijoro vavolombelona ny Apostoly Paoly ; raha ny aminy : mila sitraka amin’Andriamanitra izy. Izay no fombany. Raha lazaina amin’ny teny hafa izany : Paoly Apostoly dia azo kilasiana hoe mpila sitraka amin’Andriamanitra.

RESAKA MPILA SITRAKA

Amintsika izany hoe mpila sitraka izany, raha kilasiana hoe : « iny mpila sitraka », somary ratsiratsy, hafahafa izany, hoe : « iny mpaka 19 amin’i Pasitera e », hafahafa izany. Fa METEZA IANAO HO MPILA SITRAKA AMIN’ANDRIAMANITRA. Na iza na iza ianao, meteza, meteza ry havana o, ho mpila sitraka amin’Andriamanitra. Izany no hafatra ho antsika fiangonana amin’izao maraina izao : Fiangonana, mpino mpila sitraka amin’Andriamanitra.

Andao hiverina any amin’i Matio. Ny Matio 5 hatramin’ny Matio 7 dia efa fantatsika hoe ilay toriteny nanombohan’i Jesoa ny asa nanirahan’Andriamanitra Azy tety an-tany. Ary dia, isika moa rehefa manana filoham-pirenena vaovao, hatraiza hatraiza, dia rehefa apetraka izy amin’ny maha-filoha azy, dia manao kabary voalohany izy ; ity no kabary voalohany nataon’i Jesoa ry havana ô. Ary rehefa jerena ilay and.3, ny teniny voalohany amin’izany kabary izany dia hoe :   « Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra » : tonga Aho ety an-tany hiresaka aminareo momba ny fanjakan’ny lanitra, izany no nanirahana Ahy. Misy fanjakana iray any, izay tsy eto an-tany, fa any an-danitra ; any amin’ny toerana anankiray antsoina hoe lanitra. Ary ao amin’ilay perikopantsika, eo amin’ny and. 16, ilay ligne farany indrindra hoe : « ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra ». Misy Mpanjaka any amin’io fanjakana io, ary io Mpanjaka any amin’ny fanjakan’ny lanitra io, manaiky antsoiko, manaiky antsoinao hoe Dada, Ray. Ka izao ry havana, ny olona mpila sitraka amin’io Andriamanitra io, dia satria efa natsangana ho zanaka ary isaina ho mpandova an’izany fanjakana  any an-danitra izany, ka ny antom-pisiany, ny zavatra ataony ety an-tany, dia mpila sitraka amin’ny Rainy, ho setrin’izany fitiavana izany. Tsy ho empila sitraka amin’ny Raiko aho satria te hiditra any, non ; efa voasoratra any ny anarako, dia midera Azy aho, mankalaza Azy aho ; n’inon’inona eritreritro, n’inon’inona kasaiko, n’inon’inona tanterahiko ao amin’ny vie privée-ko, ao amin’ny vie am-piangonana, eo amin’ny fiaraha-monina, dia tena hoe ilako sitraka amin’izany Raiko any an-danitra. Ary maninona aho no mila sitraka Aminy ? Efa nosoratany ao amin’ny bokin’ny fiainana any an-danitra ny anarako, ary manantena aho fa sy ho kosehiny mandrakizay izany anarako izany, ka te ho mpila sitraka aho. Meteza ry havana o, meteza, meteza ho mpila sitraka amin’Andriamanitra. Tsy manontany anao ny Tompo amin’izao maraina izao hoe inona no andraikitrao ato amin’ity Isotry Fitiavana ity ? Tsy manontany anao ny Tompo ho avy aiza ny Fiangonanao, inona ny andraikitrao any sy ny karazany ? Manontany anao ny Tompo amin’izao maraina izao hoe: mpila sitraka amin’Andriamanitra ve ianao sa tsia?

Andeha ary jerentsika ny toetran’izany olona ho empila sitraka amin’Andriamanitra izany. « Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo »

Fahamarinana 1 : NY OLONA MPILA SITRAKA AMIN’ANDRIAMANITRA DIA OLONA MAZAVA : MAZAVA TOE-PO, MAZAVA TOE-PANAHY

Izany olona mpila sitraka amin’Andriamanitra izany, voalohany dia voalohany indrindra, olona mazava. Raha amin’ny fifampiresahantsika amin’ny fiainana andavan’andro, raha hoe sendra miresaka olona, dia indraindray tonga ao am-bavantsika ilay fitenenana hoe : « ohatrany tsy mazava ihany ra-anona iny an ! », izay ilay izy : « ohatrany tsy mazava ihany ilay resaka nentiny teo an ». Ny olona mpila sitraka amin’Andriamanitra ry havana o, dia mazava. Izay no fahamarinana voalohany.

Olona mazava ; izao anefa : tsy misy olona mazava ho azy, tsy misy olona mazava amin’ny tenany ; fa ny fahazavana raisiko dia ny fahazavan’i Jesoa Kristy ry havana o. Izany ilay hoe zandrikelin’i Jesoa, satria araka ilay hira teo, hoe hazavainy izao tontolo izao. Rehefa mba mamaky boky ireny dia mandinika hoe hay moa io volana io, dia lazain’ny mpahay azy hoe, io, tsy mazava amin’ny tenany ; tsy misy fahazavana ilay volana. Fa iza no manazava azy ? Ny masoandro. Tahaka ny volana isika amin’izay lafiny izay : rehefa tsy tarafin’i Jesoa, Ilay masoandron’ny fahamarinana : anaty aizina ianao. Raha tarafin’i Bouddah ianao, raha tarafin’i Mahomet ianao, raha tarafin’i Allah ianao : anatin’ny aizina ianao ry havana ô ; désolé miteny an’izany. Ny zandrikelin’i Jesoa, ny mpila sitraka amin’Andriamanitra dia olona mazava, satria tarafin’Ilay mazava. Iza moai o fahazavana io ? Jesoa io fahazavana io, nohiraintsika teo izany. Izao anefa ry havana : misy olona,mpivavaka izy ; misy olona, mpiangona izy ; misy olona, diakona firy mandat izy nefa tsy azavain’i Jesoa. Tsy mampino izany : tsy azavain’i Jesoa. Satria maninona ? Satria tsy nandray marina an’i Jesoa izy tao amin’ny fiainany dia tsy nandray ny fahazavana. Omena ohatra isika mianakavy : hitantsika daholo ny ataon’ireny hoe avion ireny ; indraindray isika ety dia mahatazana hoe iny misy avion, iny izao avion mankany an’anona. Rehefa mba manatitra olona eny Ivato isika dia mahita hoe oay iry avion an’ny Air Mad, iry avion-ny Ethiopian Airlines sy ny karazany. Hitantsika ilay avion dia fantatsika fa ireo avion ireo misy mankany Chine, misy mankany Canada, any France sy ny karazany. Fantatsika tsara izany ary fantatsika tsara fa ireo avion ireo, ny sasany tsy direct fa ny sasany mbola manao escale ary sy ny karazany. Fantatsika izany ; fantatsika koa hoe ny anona lafo kokoa, ny anona azo antoka kokoa ; fa izao ry havana o : raha tsy miditra ao anaty avion ianao, jamais ianao ho tonga any Canada, na any Chine, na any Afrique du Sud. Ary maro ny olona mino an’i Jesoa, fa tsy nandray an’i Jesoa ao amin’ny fiainany e ! Manana place réservée izy aty am-piangonana, ato sy any an-kafa, fa tsy nandray an’i Jesoa izy. Hany dia ao anatin’ny aizina izy ry havana o, anatin’ny aizina. Manontany anao ny Tompo ankehitriny : EFA NANDRAY MARINA AN’I JESOA VE IANAO ? KA NANDRAY NY FAHAZAVANA E ? Sa mahafantatra Azy fotsiny ianao, hainao ny tantarany, hainao ny zavatra natao tao amin’ny fiainany, fa ato an-tsainao fotsiny izany, katekisma ato an-tsainao fotsiny izany, fa mbola tsy nanolotra Azy ny fiainanao, mbola tsy nanolotra Azy ny fonao  io : « inty ary Jesoa ny fiainako, atolotro Anao, hanjakao, fehezo ary controlé-o, ka na inona na inona tendrenao ho ahy, na aiza na aiza lalana hitarihinao ahy, dia ekeko satria ianao Mpanjakan’ny mpanjaka, Ianao Tompon’ny tompo » ? Rehefa izay dia mazava aho ry havana o, mandray an’i Jesoa aho, mandray ny famirapiratany aho, ilay fitiavana mamirapiratra teo Aminy, manjary mamirapiratra amiko, ilay fahadiovam-po tao Aminy sy ilay fahadiovam-piainana tao Aminy, namirapiratra tao Aminy, mamirapiratra ato amiko. Ilay toe-po sy toe-tsaina tena manompo amin’ny fitiavana, izay namirapiratra tao Aminy, manjary mamirapiratra eo amin’ny fiainako. Ary dia mandeha aho, ary tsy tena fotsiny izany, mandeha tahaka ny zanaky ny mazava aho. Ary tena faly aho satria amin’izay fotoana izay, ankasitrahan’ilay Raiko any an-danitra ny fiainako. Meteza e, ho mpila sitraka amin’Andriamanitra, meteza e, ho zanaky ny mazava.

Raha hiverenana ny and.16, dia hoy ny Tompo hoe : « Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo », hitantsika izay.  Faharoa, « mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra ». « Ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra ». Ny fahamarinana voalohany dia hoe, mazava aho amin’ny alalan’ny toetrako.

Fahamarinana 2 : NY OLONA MPILA SITRAKA AMIN’ANDRIAMANITRA DIA MPANAO ASA SOA   

Ary tsy misy zandrikelin’i Jesoa, ka tsy manao asa soa ; ary tsy misy zandrikelin’i Jesoa, manao asa soa, ka manao an’izany ho ambin’-javatra. Inona no anton’ilay asa soa ry havana o ? Ery amin’ilay tapany farany amin’ilay and. 16 ; hoe : « mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra ». Tsy ilay teny fotsiny, fa ilay asa ataoko, mampiseho hoe mazava aho ; ary ny asa ataoko no ankalazan’ny olona mahita ahy ny Raiko izay any an-danitra ry havana o. Ny asa soa ataoko, ny teny soa ataoko, ary ilain’ izao tontolo izao ny mihaino ahy, ilain’izao tontolo izao ny mandinika ahy, ahitany hoe : velona Andriamanitra, fitiavana Andriamanitra, miahy antsika avy any an-danitra Andriamanitra, mitsinjo fahamarinana eto amin’ity firenena ity Andriamanitra, miahy ny mahantra anaty fahasahiranana Andriamanitra, rehefa mahita ny asa soa ataoko. Aza mamihina soa intsony ry havana o ; manomboka anio : aza mamihina soa azonao atao intsony manomboka anio.

Samy manao asa soa isika ry havana, fa ahoana moa no ahafantarako hoe tena asa soa ankalazana an’Andriamanitra izany ataoko izany ? Ahoana no ahafantarana marina fa hoe asa soa ankalazana an’Andriamanitra izany ataoko izany ?

  • Voalohany indrindra ry havana, asa ataon’ny olona manam-pinoana, araka ilay notenenina teo hoe mino izy fa misy izany lanitra izany, ary efa miandry azy any ny Rainy, efa dodona ny Rainy miandry ny fiverenany ; izay ilay finoana. Ny olona manana an’izany finoana izany, rehefa manao asa izy, raha manolotra ranom mangatsiaka amin’ny mahantra aza izy, nanao asa lehibe ankasitrahana any an-danitra ry havana o, satria asa nateraky ny finoana.
  • Ny asa soa koa, kilasiana hoe soa eo anatrahen’Andriamanitra, satria toy ny asa atao ho an’Andriamanitra ary anehoana ny fitiavana Azy. Raha atolotro ho dorana aza ny tenako, raha omeko ny mahantra aza ny fananako rehetra, nefa tsy tia an’Andriamanitra aho, zava-poana izany. Ahazo voninahitra ianao ; indrindra ianao ilay mila télé ianao vao manolotra gonim-bary kely iny, faly ianao, faly ianao hahazo voninahitra eo amin’ny fiaraha-monina, fa tsy ankasitrahana any an-danitra izany., tsy ankasitrahana any an-danitra, tsy fomban’ny mpila sitraka amin’Andriamanitra izany. Raha ohatra ianao manam-pinoana, ka hitanao ilay rahalahy, ilay anabavy eo anoloanao hoe ity nampifanenan’Andriamanitra tamiko fa solon-tenany anaty fahoriana mila ahy, manome aho. Na ohatrinona na ohatrinona foiko ho azy, dia asa soa izay, asa soa manana valeur éternelle, ary tsarovana izay any an-danitra.
  • Ary farany, ny ahafantarana hoe asa soa, dia araka ilay teny teo, hoe : ho fankalazana an’Andriamanitra, ho voninahitr’Andriamanitra. Izay ilay antsika protestante hoe Soli Deo Gloria : ho voninahitr’Andriamanitra irery. Anisan’ny ahafantaranao hoe voninahitr’Andriamanitra no anaovanao io asa io, ny ahafantarana azy ry havana, rehefa tonga ny Président, rehefa tonga ny Pasitera misaotra ny olona rehetra nandray anjara, misaotra ny olona rehetra nanohana ny asa ara-bola, ka sendra latsaka ny anaranao, manao ahoana ny réaction-nao ? Ianao ve ilay tafintohina ? Iana ove ilay tezitra ? Iana ove ilay hiova Fiangonana ? Tsy izany ny fomban’ny olona hoe manao zavatra ho voninahitr’Andriamanitra. N’inon’inona eritreritry ny olona, n’inon’inona fahatsiarovan’ny olona, n’inon’inona fahatsapan’ny olona izay nataoko teo, tsy rototra aho, tsy tezitra aho, tsy miontsona aho satria fantatro ny nataoko, ary fantatro mazava hoe ho an’Andriamanitra ry havana o.

Izay izany : ataon’ny olona manam-pinoana, ataon’ny olona tia an’Andriamanitra, ary ho voninahitr’Andriamanitra.

Ity ry havana misy hevitra tokony amafisina kely, hoe : ho hitan’ny olona ny asa soa izay ataonareo. Izany hoe ilay asa izany, misy fotoana tokony ho hita. Dia avadio anie ny Baibolinareo e, ato amin’ity toriteny eny an-tendrombohitra ity, haintsika tsara ilay izy, Matio 6 :3 : « Fa hianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon’ ny tananao ankavanana ». Izay ilay izy. Dia ahoana ary e, mifanipaka ve ny tenin’Andriamanitra, inona koa izany logique-n’i Jesoa izany e ? Eto izy miteny hoe mba ho hitan’ny olona ny asa soa ataonao ; etsy indray Izy miteny hoe rehefa manao fiantrana ianao, aoka izay ataon’ny tananao ankavanana tsy ho fantatry ny tananao ankavia. Ahoana ihany izy ity e ? Ry havana, rehefa ataonao amin’ny finoana io, rehefa ataonao amin’ny fitiavana io, rehefa ataonao ho voninahitr’Andriamanitra io, fantatrao ny fotoana izay tokony hitenenana sy ampahafantarina an’izay nataonao, ary fantatrao ny fotoana izay ahatsapanao hoe ahy sy Andriamanitra izany. Miala tsiny milaza tena ry havana. 2010 tamin’izany, dia niantso anay Pasteur Emilien dia hoy izy hoe Solofo an, any amin’ny Toby Kristy voahombo, misy tovolahy kely roalahy nandray an’i Jesoa tamin’ny fotoanan’ny Tafika Masina, noroahin’ny ray aman-dreniny tao an-trano izy ary nantsoiny teo anatrehan’ny fivoriam-pokontany izy, nasainy nisafidy teo imason’ny fokontany hoe raha mbola mijanona miaraka amin’i Jesosy ianareo, dia roahinay eto amin’ity tanànà ety, tsy ao an-trano ihany, fa eto an-tanànà mihitsy ; raha mandà an’i Jesoa ianareo, dia mijanona ho zanakay ary dia mbola mitoetra ao an-tranonay. Noroahin’ireo ray aman-dreny, fa nijoro hatramin’ny farany, roalahy izy. Dia hoy Pasteur Emilien tamin’izany hoe sao dia misy zavatra azon’ise atao ? Dia nifandinika izahay mivady an, dia hoe no entohinay hatramin’ny Baccalauréat izy mirahalahy. Tsy nisy nahafantatra, olom-bitsy nonahafantatra an’izany tato Isotry Fitiavana, fa asa soa na adidinay teo anatrehan’ny Tompo, fa notazominay karazana secret miaraka amin’olom-bitsy izany. Maintenant, ato Isotry Fitiavana isika, manao fahafolon-karena : important ho anay izay mampianatra fahafolon-karena, Pasteur Ammi no niteny hoe fantatry ny olona fa manao fahafolon-karena izahay ; tsy fantatry ny olona izay montant, fa fantatry ny olona fa manao izahay. Izay ry havana o, ilay lazain’ny Tompo hoe misy fotoana ianao ianao no mahafantatra azy hoe tarihin’ny Fanahy Masina ianao, fantatrao hoe eto tokony ampahafantarina, eto zavatra tsiambaratelo miaraka amin’ny Tompo izany ; fa ny essentiel dia hoe : ny olona mazava, tsy mazava toetra ihany, mazava ara-panahy ihany, fa mazava koa amin’ny alalan’ny fanaovana asa soa.

Miverina any amin’ny 1 Tesaloniana 2 isika. Hoy ilay and.4 : « Fa tahaka ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona, fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay ».

Ny fahamarinana voalohany hitantsika teo, dia hoe : Ny olona mpila sitraka amin’Andriamanitra dia mazava ara-toetra : toe-po, toe-panahy. Faharoa, ny olona mpila sitraka amin’Andriamanitra dia mpanao asa soa. Ary eo ianao afaka manontany tena, afaka mandinika : jereo kely io talon-na chéquier-nao io, dia jereo hoe firy marina moa izany ny asa soa nataoko ho an’Andriamanitra ary firy marina ny vola laniko ho an’ny fahafinaretako, sy ho an’ny tenako ? Fahatelo, 1 Tes2 :4 : Aza mila sitraka amin’ny olona

Fahamarinana 3 : AZA MILA SITRAKA AMIN’NY OLONA 

Ohatrany normal be izany, dia nefa manafatra antsika ihany ny Tompo satria hoe ohatrany toetrantsika naturel ny hoe mila sitraka amin’ny olona ry havana. Mahafinaritra ny fitenin’ilay mpitoriteny anankiray izay : « aza mila sitraka amin’ny olona ianao e ; de toute façon, tsy possible izany, tsy possible ny hahazo sitraka amin’ny olona rehetra. Exemple tsara indrindra i Jesoa Kristy. Aza mila sitraka ny amin’olona anankiray akory ary, tsy possible izany ; anio 2019 izy tena ankasitraka anao, faran’ny taon aizy mety hanangana anao ho fahavalo ; dia amin’ny roa taona, ianao indray no ataony andrianiny sy ohatran’izany ». Izay ilay zavatra : impossible ny mila sitraka amin’ny olona ry havana o, impossible. Ary izany no itenenan’ny Soratra Masina hoe aza mila sitraka amin’ny olona fa aleo mila sitraka amin’Andriamanitra ; fa mora kokoa ny mila sitraka amin’Andriamanitra.

Misy misionera anankiray izay, misionera katolika ilay izy, nalefan »ilay congrégation-ny tany Chine tany ; dia tany Chine tany ingaha rainy an, aman-taonany, tsisy vokatra, tsisy vokatra, tsisy vokatra. Mandeha ny taona, tsisy vokatra ; évangélisation io nataony io izany an ; dia nanalan’ilay sinoa izy : izaho hoy ity sinoa ity, vao avy tany Afrika, ary any Afrika any, misy olona an-tapitrisany mbola hoe mandohalika sy miankohoka eo anatrehan’ny sampy hazo sy vato ; tsy aleonao ve mankany Afrika dia mahazo vokatra be dia be ianao e, inona no ataonao aty ? Dia hoy ilay misionera ry havana : ny nankanesako aty Chine, tsy hoe hi-convertir sinoa hoy izy aloa, ny nankanesako aty Chine, dia hoe ankalazana ny Tompoko aloa, izay naniraka ahy tamin’ny alalan’ny congrégation-ko hoe ianao, ianao mankany Chine. Izany ry havana o, ny hoe olona mila sitraka amin’Andriamanitra, fa tsy mila sitraka amin’ny olona mpiara-miasa, mpiara-belona aminy ; tsy mila sitraka amin’ny tenany koa, hoe an an an, marina ihany izany analyse izany an, andeha hody aho dia andeha ho any Afrika indray. Mianara ry havana o, mianara mila sitraka ; ary io moa fakam-panahy be ho anay Pasitera, satria ianareo no mameno ny vilaninay amin’ny faran’ny volana dia miezaka mila sitraka aminareo izahay : erreur fondamentale. Izay ilay zavatra. Fa hoe : andao hiara-hianatra hila sitraka amin’Andriamanitra.

Ary fa maninona no hoe andao hianatra hila sitraka amin’Andriamanitra ? Satria sady possible ny mila sitraka amin’Andriamanitra, no azo atao ny mila sitraka amin’Andriamanitra, satria atorony antsika ny lalana amin’izany hoe fahazoana sitraka  amin’Andriamanitra izany. Efa natoro antsika teo, tamin’ny toriteny androany, ohatra. Izay no hoe maha mora ilay filana sitraka amin’Andriamanitra : atorony antsika ny lalana, fa ny problema fotsiny : resy lahatra, resy lahatra amin’izany ve ianao ry havana o ? Resy lahatra amin’izany ve ianao ? Ka rehefa hoe mikasa zavatra ianao, rehefa hoe hanao zavatra ianao, dia ao an-tsainao, efa lasin-tsaina mihitsy, efa reflexe ao hoe izany projet-ko izany ve nahazo approbation avy amin’Andriamanitra e ? Izay ilay izy ry havana : nahazo approbation avy amin’Andriamanitra ve ? Mety tsara eo imasonao, mety tsara eo imason’ny ekipanao : nahazo appropation avy amin’Andriamanitra ve io e ? Izany ny olona mila sitraka avy amin’Andriamanitra. Efa noresahina teo ilay izy : hamoaka vola ianao, eo amin’ny vie privée anao, eo amin’ny vie familiale-nao : io dépense i ove ry havana o, efa no approuvé-n’Andriamanitra ?  Efa no approuvé-n’Andriamanitra ve io ? Sa ianao ilay olona miteny hoe tsy misy idiran’Andriamanitra ny poketrako Pasitera an ! Tsy tenin’ny mpila sitraka amin’Andriamanitra izany.

Fa ity, araraotiko ilay perikopa, alohan’ny hamaranana ry havana, ary mahatsiaro amin’ilay 5minitra teo aho : misy an’ilay hoe filana sitraka amin’ny hafa dia mahatonga an’ilay efa notenenina teto hoe : « solidarité négative ». Inona ity ? Raha ohatra izao misy olona hoe henontsika na hitantsika hoe endahina mpanendaka, dia ahoana ny réaction antsika ? Hiteny ve isika hoe rariny izany ? Tsy rariny izany. Raha manana fahasahiana isika, raha eo ambanin’ny masontsika ilay fanendahana no mitranga, mety hiezaka hanampy an’ilay olona endahina isika, na hanampy azy hiaro tena amin’ilay mpanendaka, raha manana fahasahiana. Normal be izany. Ary izay ilay solidarité izay. Fa inona ilay « solidarité négative » ry havana ? Indray mandeha tetsy Ambatonakanga tetsy, mpampianatra tao no nitantara an’izany, nisy vazaha anankiray, touriste ireny, nendahina mpanendaka, mpanendaka gasy évidemment. Dia inona ny zavatra nitranga ? Somary lehibe be ilay vazaha, dia nanomboka niaro tena izy, dia non seulement tsy azon’ilay mpanendaka ilay kitapo keliny, fa nony hoe tsy voaendaka izy, dia hoe nodarohiny amin’izay ilay mpanendaka. Dia inona no nataon’ireo olona nanodidina teo ? Nanomboka niaro an’ilay mpanendaka izy. Fa maninona izy no niaro an’ilay mpanendaka ? Satria gasy ohatr’azy. Tsy niaro ny fahamarinana izy, fa niaro ny maha-malagasy. Izay ilay « solidarité négative ». Ary tsy fomban’ny olona mpila sitraka amin’Andriamanitra izany ry havana o. Ary eo isika mandinin-tena : any amin’ny fikambanana misy antsika, amin’ny sampana misy antsika, any amin’izay ankolafy misy antsika, tena ho empila sitraka amin’Andriamanitra ve isika, ka isika manomboka anio tsy ho tratran’izany hoe « solidarité négative » izany intsony satria tsy mankalaza ny voninahitry ny Raintsika any an-danitra izany ?

Faranana izao teny izao ry havana o : METEZA E, HO MPILA SITRAKA AMIN’ANDRIAMANITRA - METEZA HO MPILA SITRAKA AMIN’ANDRIAMANITRA DIA HAZAVA IANAO, hazava amin’ny fahazavan’ny Rainao ianao ry havana o. ary rehefa hiteny zavatra ianao, hanao zavatra ianao, ho talanjona ny manodidina anao, tsy talanjona aminao, fa talanjona amin’ny teninao : « O, izany ny tenin’ny mpila sitraka amin’Andriamanitra ».  Hanao zavatra tsara ianao, tsy talanjona aminao izy, tsy ianao no omeny voninahitra, fa ilay asa soa ankalazana ny Rainao izy any an-danitra. Ary ahita izy hoe ao amin’ity ranamana ity tokoa ny fahasoavan’Andriamanitra miasa ao aminy, ka tonga amin’ny tenin’ny Apostoly Paoly hoe : ny fahasoavan’Andriamanitra no nahantoy izao azy, mampiteny azy tahak’izao, mampanao azy zavatra tahak’izao. Enga anie ka ho izany ianao ry havana o, ho fanehoana an’ilay fahazavana, ho fanehoana an’i Jesoa, ho fanehoana ny Rainao, ary ianao, ianao manokana dia ho takona ; ary io fahazavana io, raha dinihina tsara ny Matio 5 dia hoe fahazavana manomboka ao amin’ny ankohonana, fahazavana manomboka ao amin’ny ankohonana. Ry dada o, ry neny o, aoka ianao hazava eo anatrehan’ny zanakao ; aza variana amin’ny zavatra hafa, variana hazava any ivelany nefa sanatria an’izany, aizina ho an’ny zanakao. Aoka ianao hazava ao amin’ny ankohonanao, ary araka ilay fitenintsika ato Isotry Fitiavana, hoe : Parents, soyez des parents transmetteurs de la foi, mpampita finoana ; tsy mpampita anarana fotsiny, sy mpampita harena fotsiny, mpampita finoana e, tahaka ny mpila sitraka amin’Andriamanitra. Ary tezao io zanakareo ireo, ary ataovy masaka ao an-tsaina, hoe isika dia zanak’ilay Raintsika any an-danitra, ary ny anarantsika ireto, voasoratra amin’ny bokim-piankohonana iray ety an-tany, dia efa voasoratra koa any amin’ny bokim-piankohonan’ny Raintsika izay any an-danitra.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

                       

ALAHADY 10 MAR 2019

Ny filazantsara araka an’i Lioka 9 :57-62 no hakantsika hafatra. Misaotra ny Tompo fa mazava be ny hafatra, ary misaotra ny Tompo fa mahitsy ny hafatra. Ary azo antoka fa hampieritreritra antsika fiangonana monontolo izany hafatra izany ry havana.

Raha fintinina ny hafatra amin’ity toriteny ity, izay efa manohy ny nataontsika hatrany amin’ny louange, 5mn ny Sekoly Alahady, dia hoe : MANAO AHOANA NY FANARAHANAO NY TOMPO ?

Misy 3 lahy manaraka ny Tompo eo, dia ny tantaran’izy 3 lahy no itarafantsika ky fanarahantsika ny Tompo. Ary efa nazava ne hatreto, nazava be tamin’ny toriteny rehetra hafa, fa hoe antsoin’ny Tompo isika hanaraka azy amin’ny fontsika rehetra. Antsoin’ny Tompo isika hanaraka Azy amin’ny fontsika manontolo. Ny fanontaniana ry havana dia izao, hoe : marina aminao ve izany ?

Efa lazainay matetika fa boky vakianay hanomananna toriteny dia misy an’ireny heviteny, toriteny nataon’ny misionera tamin’ny 1900, 1915 ireny ; tena mamy ilay izy satria teny mahitsy sy mivantana. Dia hoy ilay misionera izay, ary izay no indramintsika eto, hoe : SAO DIA IANAO ILAY KRISTIANA « ILA FO »? Izany hoe kristiana tsy manaraka an’i Jesoa amin’ny fony rehetra fa amin’ny ilan’ny fony ihany. SAO DIA KRISTIANA « ILA FO » IANAO ? SAO DIA MPANOMPON’ANDRIAMANITRA « ILA FO » IANAO ? Izy 3 lahy ry havana dia hoe olona, mpino « ila fo ». SAO DIA IANAO IZANY « ILA FO » IZANY, FA TSY TIA, TSY MANOMPO AMIN’NY FO REHETRA, AMIN’NY FO MANONTOLO ?

Lioka 9 : 57-58 : « Ary nony nandroso teny an-dàlana izy, dia nisy anankiray nanao tamin'i Jesoa hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao. Fa hoy Jesoa taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany ».

Hoy ity lehilahy voalohany ity : « Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao ». Tena hoe fatratra ry havana ny tenin’ity lehilahy ity tamin’i Jesoa. Raha olombelona, dia tena hoe, eo am-pihainoana azy, teny tena fatratra izany fahazotoana izany ; tena fatratra izany hafanam-po izany. Asa moa raha misy firy amintsika no mba efa niteny tamin’i Jesoa hoe : « Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao ». Ary voambolana tian’i Jesoa manokana ry havana io hoe hanaraka io. Tsy ny mpino mantsy no manaraka, fa ny mpianatra, ny disciple no manaraka. Ary teny-,na mpianatra io ry havana o. Ary tena hoe tokony ho mamy teo an-tsofin’i Jesoa. Nefa ahoana ny tohin’ilay texte ? « Fa hoy Jesoa taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany ». Raha fatratra tsisy kianina amin’y maha-olombelona ny teny re teo, Jesoa mahafantatra ny toetrantsika ; Jesoa mahafantatra ny ao am-poko lalina ao, ary fantany ny tao am-pon’ity lehilahy ity raha niteny an’izany izy hoe : andeha hanaraka anao aho. Rehefa niteny an’izany anie ity lehilahy, tsy voatery hoe nihatsaravelatsihy, fa mety nahare an’i Jesoa nitory teny izy, naheno ny fahefany izy, nahita ny fahefany izy dia tsapany hoe ity Jesoa ity mitondra fiainana be dia be, fiainana mandrakizay, dia te hanaraka izy, kanefa mpino «  ila fo » izy. Satria maninona ry havana ? Ny tena hoe hanomezan’i Jesoa tsiny azy aloa, dia hoe teny atao tsy am-piheverana ; teny atao anaty haitraitra ; io anie araka ny notenenina teo e : nafana fo izy e, tena nazoto izy e ; fa ahoana hoy Jesoa ? Jereo, milaza aminao aho : « Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany ». Tsy mora, lazaiko aminao fa tsy mora izany hoe anaraka Ahy izany, araka ilay teny tamin’ny louange teo hoe Jesoa tsy nanana na inona na inona, araka ilay tena teo hoe tranon’omby no nahaterahany, tranon’omby nindramina ; ny fasana nilevenany, fasana nindramina. Izany io Jesoa tsy nanana n’inon’inona io : « ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany ». Ny dikan’izany dia hoe tsy fantatr’ity lehilahy ity, na tsy voavinavinany tsara ny hoe fahoriana tsy maintsy iaretana amin’ny fanarahana an’i Jesoa. Ny Tompo ry havana o, izay nanendry anareo Diakona, nanendry anareo amin’ny sampana isan-karazany any, no ampaharitra anareo amin’ny 4 taona, tsy hisy latsaka an-dalana, tsy hisy reraka an-dalana, tsy hisy hiverin-dalana anatin’izay 4 taona izay ; fa hiaritra fahoriana ianareo. Izy tsy nanana n’inon’inona, tsy nanana an’izay hoe azy, tsy nanana an’izay hoe any amiko, tsy nanana n’inon’inona ; ary maika koa hoe tsy niaina tao anaty luxe ry havana o. Tsy mety amintsika kristiana izany hoe miaina anaty luxe izany. Saino kely izany manomboka anio ry havana o. Fa ny tena hoe nanakianan’i Jesoa an’ity lehilahy ity ry havana, dia izao : Izy ilay mahafantatra ny fo ary ny itenenana hoe « ila fo », Matio milaza fa mpanora-dalàna ity, ary amin’ny maha mpanora-dalàna azy, dia fantany tsara ny lanjan’ny tenin’i Jesoa, fa izao : tamin’izany fotoana izany, ny mpanora-dalàna no olona nianatra ka nanam-pahaizana indrindra ; ary ilay fahalalany iny, lasa hananany position sociale, hananany voninahitra, ary izay no ananaran’i Jesosy azy eto hoe : sao dia miaraka Amiko ianao, ka hanantena hitombo voninahitra : tsy natao hitomboana voninahitra izany asan’Andriamanitra izany ry havana o. Kristiana « ila fo » izany hoe manompo, manompo, manompo, ahazoana voninahitra, hitomboana amin’ny fahefana. Sao dia kristiana « ila fo » ianao ry havana o, tsy mahazaka fahoriana ? Sao dia kristiana « ila fo » ianao, mbola tsy mahafoy ny luxe misy anao, maniry luxe ? Sao dia kristiana « ila fo » ianao ka mitady voninahitra amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra ? Izay izany ilay voalohany ry havana.

Lioka 9 :59-60 : « Ary hoy Izy tamin'ny anankiray koa: Manaraha Ahy.Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.Fa hoy Jesoa taminy: 
Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra ».

Mbola lehilahy ila fo ihany ry havana o, ity lehilahy ity. Mahare ny tenin’i Jesoa izy, maheno izany teny-na privilège hoe ho mpianatra ; averina indray : ilay manaraka, tsy hoe minoa Ahy, fa hoe : avia, meteza ho mpianatro. Izany ilay antson’i Jesoa ry havana o : manaraha Ahy. Dia hoe antony faran’izay logique no avaly an’i Jesoa : eny e, fa aoka aho aloa handevina ny raiko. Teo amin’ny jiosy ry havana, ary ho antsika koa dia zava-dehibe izany mandevina ray aman-dreny izany ; tsy milaza mihitsy Jesoa hoe aza mandevina ray aman-dreny ; fa teo amin’ny jiosy, izany hoe fandevenana ray aman-dreny izany dia tena zava-dehibe, ary satria zava-dehibe izany hoe fandevenana ray aman-dreny izany, dia hoe ny adidy rehetra any am-piangonana, dia avela, ny adidy any amin’ny synagoga dia avela. Avela ny hoe fandehanana mianatra Soratra Masina, avela ny hoe fanompoana any amin’ny tempoly, azo tsy atao ary ilay hoe sorona, ilay fanatitra tokony atao amin’ny andron’ny Paska etc… Ampandeferina daholo izany zavatra rehetra izany satria zava-dehibe izany hoe mandevina ray aman-dreny izany. Eo anatrehan’izany dia manitsy antsika i Jesoa : raha hanaraka Azy isika, dia efa mampilaza izy hoe : raha hanaraka Ahy ianao, Izaho tsy mila disciple ila fo. Inona moa no dikan’izany ? Fantatro hoy Izy fa zava-dehibe izany hoe maty ray, maty reny izany, fa raha toa hoy izy ka mifanindry amin’ny fitoriana ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra, raha mifanindry amin’ny adidy fitoriana ny fiainana mandrakizay, raha rmifanindry amin’ny adidy fitoriana fiainana be dia be, avelao any izany fandevenana ray izany. Raha hoe mifanontona amin’ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra izany hoe fandevenana ray izany, ampandefero. Fa ny mpino ila fo no antsoina hoe maty ara-panahy ry havana o : maty eo amin’ny fahotana, maty eo amin’ny fahadisoana ary tsy manana fahazavan-tsaina, tsy manana discernement spirituel mikasika ny sitrapon’i Jesoa amin’ny fanarahana Azy. Miantso anao, miantso anao ny Tompo ry havana o, miantso anao ny Tompo hoe : araho Izy ary asehoy fa raisinao marina ho Tomponao Izy ary ekena tsy misy fepetra Izy n’inon’inona sehon-javatra. Ary hoy ilay mpitoriteny iray izay hoe : ny olona mampandefitra ny fandevenana ny ray aman-dreniny noho ny fitoriana ny filazantsara, raha mifanontona ireo adidy roa ireo, dia mahafantatra hoe fitoriana fiainana manana priorité amin’ny fombafomba manodidina ny fahafatesana ; ny fitoriana ny fiainana ao amin’i Jesoa sy ny fanjakany, manana priorité amin’izay adidy eo amin’ny fiaraha-monina amin’ny fahafatesana. Mampandinin-tena anao ary ny Tompo ry havana o : sao dia kristiana ila fo ianao e ? Raha ianao ve, raha ianao no antsoina ho amina tafika masina, antsoina ho amina asa fitoriana filazantsara manombok’izao ka hoe maty ny rainao ; asa fitoriana filazantsara : hanaraka ny tenin’i Jesoa ve ianao ary hiteny amin’ny rahalahinao, hiteny amin’ny havanao hoe izaho ry ireto an, mba tsofy rano, fa misy tafika masina miandry ahy any, tsy afaka ny handevina aho. Izany, izany io, izany ny finoan’ny disciple takiana amintsika ; izany ny finoan’ny disciple mampiditra any an-danitra ; sy finoan’ny mpino, na ny disciple ila fo ry havana o.

Lioka 9 :61-62 : « Ary hoy ny anankiray koa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko. Fa hoy Jesoa taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ».

« Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika» : ilay hoe miherika dia hoe mitodika any aoriana. Izany hoe mpino ila fo izany, dia mpino tsy mendrika izany ry havana : tsy mendrika an’i Jesoa ary tsy mendrika hiditra any an-danitra.

Ny fialan-tsinin’ity lehilahy anankiray ity koa, ohatran’ilay lehilahy faharoa teo, dia hoe faran’izay logique. Mandre an’ilay antso volamena izy hoe manaraha Ahy dia miteny hoe hanaraka anao aho ; fa manao valin-teny na mpino ila fo ry havana ilay manao hoe : « aoka aho aloa handeha hanao veloma ny ao an-tranoko ».

Ny an’ilay lehilahy voalohany, tsy fahatakarana an’ilay fahoriana sy filam-boninahitra ; izay no maha-kristiana ila fo azy. Ny an’ilay lehilahy faharoa, ilay hoe tsy fahafoizana ny adidy amin’ny ankohonana no maha-lehilahy ila fo azy. Ity indray, ilay tsy fahafoizana tsotra izao na hoe fampandeferana an’i Jesoa no maha-lehilahy ila fo azy. Fa maninonq Jesoa no milaza hoe an an an, rehefa hanaraka Ahy dia andao fa aza miherikerika izany, aza miverin-dalana izany ? Ilay hoe mandeha manao veloma ny ao an-tranonao dia hoe miherika miverin-dalana izany ; rehefa manao veloma ny ao an-tranonao fa hoe handeha ho any an-dafy, handeha hanao tafika masina, handeha hanao an’izao, dia hoe : miverin-dalana izany ? Eny ry havana, ny kristiana ila fo no manao ohatran’ity lehilahy ity, fa nahoana ? Hoe nanolo-tena izy, saingy ao am-pony ao, mbola misy fisalasalana miafina ; nanolo-tena izy, fa ao am-pony ao mbola misy fandavana tavela. Ka rehefa tontaliana ilay fisalasalana sy ilay fandavana, dia io no fisehony : hanaraka anao aho, fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko. Fa maninona izy no mampandefitra ? Jesoa efa dodona. Fa maninona izy no atao hoe mampandefitra ? Jesoa efa maika. Raha ohatra ianao hanao veloma any an-trano any, izaho efa miainga hoy Jesoa ; tsy hiara-dia isika, tsy hiara-dalana isika, ary mety tsy ho tratranao intsony aho raha mbola hoe hanao veloma any an-trano ianao. Fa ny tena hoe tian’i Jesoa ialana ry havana, amin’ilay hoe fanaovana veloma ao an-trano dia hoe : ny fon’olombelona fon’olombelona ihany ka sao dia hoe hihetsika be loatra eo ny fihetsem-ponao dia tsy ahafoy indray ny havanao ianao e. Izany no dikan’io hoe an an an, kristiana ila fo ianao raha miherika hoe mbola hanao veloma ry havana o. Mitaratra tsy fahavononana izany rehefa tena zohina. Ary hoe tsy tian’i Jesoa aho hoe eny am-pandehanana ity olona ity, ity mpianatra manaraka azy ity, satria hoe eo ilay asa, tanterahina ilay asa, fa ny saina sy ny fo malahelo ny any an-trano, ny saina sy ny fo malahelo ny havana nilaozana ry havana o. Ary hoy ilay mpitoriteny anankiray hoe tena hoe zava-doza koa hoy izy, amin’ilay hoe mandao ny ao an-trano, ary tena réalité izany, dia ilay hoe : rehefa mifandinika amin’ilay havanao io ianao, dia hoe : « inona marina moa no tena andehananao any e ? Sûr ve ianao fa voaantso e ? Azo atao ange ny manompo ny Tompo na tsy manaraka Azy ohatran’izany, na tsy disciple aza e ! Ianao ve tsy efa mino e ! ». Izay ilay tian’i Jesoa ialana ry havana o.

Miresaka ny Ecole des Disciples, misaotra ny Tompo ny amin’ny fisian’io, hifonana ny tsy fahatanterahana, fa herintaona tao anatin’ny fikarohana izahay telo lahy, izao vao tena hita hita hoe izao no hitondrana azy. Ary isaorana ny Tompo ry havana izany, sekoly volamena io. Fa misy olona ry havana, misy vehivavy vitsivitsy ni-abandonne. Satria naninona ? Vehivavy, tsy iray, tsy roa an, vehivavy vitsivitsy ni-abandonne satria tsy avelan’ilay lehilahy vadiny, tsy avelan’ilay vadiny mankao. Satria tsy zakanay lehilahy izany hoe vehivavy vadinay izany ka zokinay ara-panahy e ; tsy mety aminay izany, tsy zakan’ny ambom-ponay izany. Ary dia izay ity hoe manao veloma ny ao an-trano. Hoy Jesoa hoe : sao dia sakanan’ny ao an-tranonao ianao, sao dia io no ibahana ao am-ponao ka tena hoe mpianatra mpanaraka Ahy, fa mpanaraka ahy ila fo ianao ?

Ry havana o, isika rehetra, ary izaho ny efa nandinin-tena voalohany tamin’izao teny izao : sao dia Fiangonana ila fo isika mianakavy ? Tia antsika ny Tompo ary manao teny mahitsy ohatran’izany , teny mivantana ry havana o. Ary sambatra isika raha voadona, sambatra isika raha voatsindrona tam-po ; fa ny tian’ny Tompo amin’izao andron’ny karemy izao, dia handinin-tena isika ny amin’ny fanarahantsika Azy. Ny 40 andron’ny karemy ry havana, dia hoe andro, fotoana handinihantsika tena, handinihantsika aloa ny amin’izay hoe niaretan’i Jesoa ho antsika ry havana o.Izany io karemy io ary hanampy amin’ilay fandinihan-tena dia misy Fiangonana, tsy hita izay maharatsy an’izany, ary tokony atao izany, ny hoe mampiaraka an’izany amin’ny fotoam-bavaka sy fifadian-kanina.

Izao no hafatra ho antsika Fiangonana ry havana, ary nahafinaritra ilay hira « Tel que je suis » teo ; hoy ilay hira « Tel que je suis » teo : « Ton cœur est prêt à prendre mon cœur tel qu’il est ». Io Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana io, ny fon’io Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana io dia efa natolony manontolo ho anao izay antsoiny hanaraka Azy. Ary hitany aho, hitany ianao ila fo e : Il est prêt à prendre ton cœur tel qu’il est. Fa ianao no mamita-tena, ianao no mandainga amin’ny Tompo raha miteny hoe tsy izaho izany ila fo izany fa izaho izao, izaho izao, izaho izao. Mamita-tena ianao ry havana o, ary tsy idiranao any an-danitra izany. Fa te handray ny fonao Izy , te handinika sy hizaha ny fonao Izy ary te hanongotra ao izay hoe firaiketam-po tsy tokony iraketan’ny fonao mba ho tena hoe ambony indrindra, manana ny toerana voalohany ary tsy ampandeferanao intsony Jesoa.

Ho aminareo ny fahasoavany. Amena

ALAHADY 03 MAR 2019

« Ianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko. Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra ». Eksodosy 19 :4-5

« RAKITRA SOA HO AHY ». Io mihitsy izany ry havana no hafatra manokana omen’ny Tompo antsika amin’izao maraina izao : isika dia ataony rakitra soa ho Azy. Amin’ny teny hebreo, ilay rakitra soa, resaka trésor, trésor précieux : SEGOULAH. Ary io trésor précieux io dia hoe an’Andriamanitra io. Izaho izany, ilay trésor précieux, ilay rakitra sarobidy ho an’Andriamanitra, eo anatrehan’Andriamanitra, fananan’Andriamanitra. Na ilay dikan-teny Segond, na ilay dikan-teny protestanta tsy tena mahalaza an’io SEGOULAH io. Fa ny DIEM no manakaikikaiky an’ilay tian’ny Fanahy Masina ambara : ianareo dia ho harena, fananana sarobidy manokana ho an’Andriamanitra. Fananana sarobidy manokana ho an’Andriamanitra, izay no dikan’io Segoulah io. Aseho antsika io satria isika Fiangonana mianatra, mba mahay ireny teny grika Agape, Eros, Filia sy ny karazany ireny : io mba hianarantsika, hoe : ianao, Segoulah an’Andriamanitra ianao ry havana o. Tadidio izay, tadidio mandrakariva izay : Segoulah an’Andriamanitra ianao, fananana sarobidy manokana ho Azy ianao.
Andao ary jerentsika ny maha-Segoulah an’Andriamanitra anao ry havana, satria izay no endrik’ilay lohahevitra volamena omen’Andriamanitra antsika indray, hoe : Manamasìna fiainana ho an’ny Tompo na ao amin’ny Tompo. Atokany ny fiainanao ho an’ny Tompo, ary raha fintinina dia hoe : ATOKANY NY FIAINANAO HO AN’NY TOMPO DIA HO SEGOULAH IANAO. Fa raha tsy manokana ny fiainanao ho an’ny Tompo ianao, tsy ho Segoulah ianao, fa ho velovelom-poana ianao.
Hoy ny and.4 : « Ianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko ». Andriamanitra nampanakaiky ireto zanak’Isiraely ireto taminy.

Fahamarinana 1 : MANKANESA EO AMIN’NY TOMPO – MANAKAIKEZA NY TOMPO
Ny vahoaka no ilazana an’izany, ny Fiangonana no ilazana an’izany ; eto amin’ny 1er banc eto ianao, tsy midika izany fa akaikin’Andriamanitra : Manakaikeza an’Andriamanitra, mankanesa amin’Andriamanitra. Dia ny fanontaniana apetraka ao an-tsainao sy ao am-ponao mandritra izao toriteny izao, mandritra izao fanompoam-pivavahana izao, dia hoe : fa amin’inona moa no analavirako an’Andriamanitra no teneniny aho hoa mankanesa ianao, manakaikeza ianao Ahy e ? Mampatsiahy ny zavatra nataon’Andriamanitra eto amin’ity Eksodosy 19 :4 ity hoe « Ianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana ». Telo volana taorian’ny nitana ny ranomasina mena no nitranga ity Eksodosy 19 ity, dia hoy Andriamanitra : « hitanareo izay nataoko tamin'ny Egyptiana nanomboka tany amin’ny loza 10 an, hatramin’ireny hoe nanenjehan’i Farao sy ny kalesiny sy ny miaramila ireo tany an’efitra ireny an, hitanareo ky nataoko. Hitanareo ny nataoko raha nanampy anareo Aho hita tamin’ny fomba mahagaga ny ranomasina mena. Hitanareo izany ». Ary rehefa miteny Aho hoe hitanareo hoy ny Tompo, fantatrareo tsara ny fampijaliana feno habibiana nampahorian’ny Egyptiana anareo tany Egypta nandritra ny 400 taona. Ary ny amin’izany fampijaliana feno habibiana izany, raha ianareo, tsy afaka nanavo-tena tamin’izany. Raha ianareo nenjehin’i Farao tany an’efitra, raha ianareo tonga teo amin’io ranomasina mena izay sakana io, tsy afaka nanavo-tena ianareo. Hitanareo izay nataoko tamin’ny Egyptiana ; adikao hoe : hitanareo ireny, Izaho no ni-contrôle an’ireny. Fantatrao ve fa te hi-contrôle ny fiainanao Andriamanitra ? Fa tsy mi-contrôle ny fiainanao Izy satria ianao manalavitra Azy ; ny olona eo ambany masony ihany no contrôlé-ny ny fiainany.
Dia mbola manazava Andriamanitra, ary mahagaga ity fanazavana, ity sary ampiasainy ity : « Ianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ». Avy any Egypta izany izy, tonga eto an-tendrombohitra eto, dia hoe nafahan’Andriamanitra, novonjeny tamin’ny ranomasina mena, novonjeny tamin’ny tsy fisiana sakafo, tsy fisiana rano an, novonjeny tamin’ny amalekita ; fa tsy misy ao amin’ny Eksodosy ao ry havana, fitantarana hoe nanomboka teto ka hatreto Andriamanitra dia hoe nitondra azy tamin’ny elatry ny voromahery. Fa inona ilay sary tian’Andriamanitra ampiasaina ry havana o, raha hoe mitondra ahy, mitondra anao amin’ny elatry ny voromahery Izy ? Mahafinaritra ilay sary ry havana o. Ilay voromahery hono, rehefa handeha hampianatra ilay zanaka voromahery hanidina, dia alainy ilay zanaka voromahery ary miainga izy aloa eo ambonin’ilay tranom-boromahery kely, dia miainga ilay reniny dia manidina mikopakopaka elatra, asehony amin’ilay zanaka voromahery ilay fomba fanidinana. Aorian’izay dia alain’ilay renim-boromahery ilay zanany dia tereny hiala ao anatin’ilay tranom-boromahery. Ilay tranom-boronkely moa izany ery ambony ery, dia milatsaka ilay zanaka voromahery. Ary izy millatsaka iny, dia voatery mikopakopaka elatra koa izy, teren’ilay reniny hikopakopaka. Dia misy fotoana, mbola zaza moa izy, dia mikopakopaka, dia vizana, dia tsenain’ilay reniny. Izay ilay fomban’Andriamanitra tamin’ny Zanak’Isiraely : nisy fotoana ireo nahatsiaro reraka, nahatsiaro lavitra, nahatsiaro solafaka, fa eo, namonjy azy Andriamanitra. Ary ry zareo mpandinika ny fiainan’ny biby ireny, dia nisy étude tany momban’ireny voromahery ireny : tsy mbola nisy hono accident-na voromahery ka renim-boromahery tsy mahatratra ilay zanany.
Ry havana o, mi-contrôle ny fiainanao Andriamanitra ary te hi-contrôle ny fiainanao Izy ; fa mankanesa eo akaikiny , manatona Azy : aoka izay ny mankaty am-piangonana amin’ny fahazarana, mankanesa eo Aminy, manakaikeza Azy. Izany no antso ho anao amin’izao maraina izao. Jereo tsara ilay and.4, hoy Izy hoe : « Ianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko ». Ry havana o, andevo 400 taona ny zanak’Isiraely tany Egypta ary ny tanjon’Andriamanitra ho azy voalohany, tsy hoe hanafaka azy amin’izany fanandevozana izany ; ny tanjon’Andriamanitra voalohany dia hampanakaiky ny Zanak’Isiraely Azy. Efa akaiky an’Andriamanitra ve ianao ? Izany no tanjony, hoe : Mankanesa aty amiko ianao. Vaovao mahafaly izany ry havana o. Ary raha mijery ny fiainanao ianao, ianao anie no tahaka an’io zanak’Isiraely io, any an’efitra amin’izao fotoana izao. Fa izao, izao no tombontsoantsika amin’ny zanak’Isiraely tany an’efitra ry havana o : ilay tenin’i Jesoa Kristy ao amin’ny filazantsaran’i Matio, « na dia ny volon-dohanao aza, dia voaisany ». Ny dikan’izany : fantany ny momba anao ; fanisana mahagaga izany fanisana isan’ny volo eo an-tampon-dohan’ny olona anankiray izany ; fa tsy dia izany loatra no zava-dehibe, fa hoe fantany ny totalité momba anao, hatramin’ny madinika indrindra momba ny fiainanao ; fantany izany, fa ianao no tsy te hankeo Aminy mba ho raisiny an-tanana, mba ho contrôlé-ny ny fiainanao ry havana o. Fa ianao anatin’ny tsy fisiana, anatin’ny tsy fahampiana sakafo, tsy fahampiana rano ; ianao ao anatin’ny hain’andro mingaingaina – izany no nahazo an’ireto zanak’Isiraely ireto – mangatsiaka be nony alina, maamy be ny atoandro ; ny amalekita tonga koa. Ianao voadidina amalekita ry havana o, ary matetika ao amin’ny ankohonanao io amalekita manenjika anao io : te hi-contrôle ny fiainanao Andriamanitra, fa miteny aminao Izy hoe : « Mankanesa eo Amiko fa na ny volon-dohanao aza anie voaisako e, ary Izaho, omaly sy anio ary mandrakizay, te hitondra anao araka ny fanaoko, amin’ny elatry ny voromahery, te hitondra anao amin’ny elatry ny voromahery.
Izay no fahamarinana 1 ry havana, miteny aminao Izy hoe : Aoka izay ny fombafomba, aoka izay ny fiatsaraham-belatsihy, mankanesa eo Aminy mba tsy ho maty antoka ianao sy ny taranakao.

« Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra ». Eksodosy 19 :5
Fahamarinana 2 : NY FANKATOAVANA AN’ANDRIAMANITRA NO AHAFANTARANAO, NO ANEHOANAO FA TENA SEGOULAH IANAO
Ilay condition ry havana, mba ho Segoulah ianao, dia ny fanekena, ny fankatoavana. « Ahy ny tany rehetra, Ahy ny firenena rehetra, Ahy ny olona rehetra hoy Andriamanitra. Andriamanitra dia fitiavana : tia ny tany rehetra Izy, tia ny firenena rehetra Izy ; fa tsy ny firenena rehetra no Segoulah. Tia ny malagasy rehetra Izy, tia ny kristiana rehetra Izy ; fa tsy ny kristiana rehetra, tahaka ny Zanak’Isiraely eto no Segoulah. Izay mankatoa ihany, izay no ataon’Andriamanitra Segoulah-ny ry havana o : fananana sarobidy manokana ho Azy. Mitomboa amin’ny fankatoavana ry havana o. Fankatoavana an’inona ? Fankatoavana an’Andriamanitra – Fankatoavana ny teniny – Fankatoavana ny fandaminam-piangonana. Atolory Azy ny manontolonao, avelao Izy no hi-contrôlé azy. Manana programa ianao eo amin’ny fiainanao ? Avelao Izy hi-contrôle ny programam-piainanao manomboka anio. Manana ny sitraponao ianao ? Avelao Izy hi-contrôle ny sitraponao e. Izany io ry havana : avelao Izy hi-contrôle anao, ary ianao, mankatoa.
Voaresaka teo ny tantaran’i Levy. I Levy nanan-karena tsy toko tsy forohana, nilomano tao anatin’ny fahafinaretana sy ny confort isan-karazany ; fa vao nandalo Jesoa hoe : Manaraha Ahy, dia nitsangana i Levy ; nitsangana i Levy satria mety efa reny ny momba an’io Jesoa io, niantefa taminy mazava ilay baiko hoe Manaraha Ahy, dia nitsangana izy ry havana o. Nitsangana Izy satria fantany fa izany fanakaikezana an’i Jesoa izany, izany no tena fiainana, izany no tena fahasambarana. Nitsangana izy satria tsy azo vidiana vola sy harena izany hoe maha-Segoulah an’Andriamanitra izany. Jiolahy izany Levy izany tamin’ny niantsoan’i Jesoa azy ; fa nankatoa izy, dia novan’i Jesoa izy, dia nanoratra ny filazantsara araka an’i Matio izy : izany ny momba ny filazantsara araka an’i Matio, satria tena nanaiky izy. Ary izay anie ilay manamasìna e : ao anaty tontolo ohatran’ny an’i Matio ianao, famorian-ketra, izay tena tsy hay intsony ny filaza ny faharatsiany ; ilay manamasìna, miongotra amin’izany, dia hoe manokan-tena ho an’Andriamanitra. Tsy mbola hoe madio ianao, tsy mbola hoe tanteraka ianao, fa miongotra ao ianao, misaraka amin’izany dia manokan-tena ho an’Andriamanitra, manakaiky Azy. Izay ilay fanamasinana.
Tantaraina mpitoriteny anankiray, ilay President- ny Etats-Unis anankiray antsoina hoe Abraham Lincoln ry havana : nisy ady tao Etats-Unis, guerre civile, dia izy filoham-pirenena. Dia hoe miara misakafo maraina amina Pasitera vitsivitsy izy, dia hoy ilay Pasitera iray : « Président o, andao isika mba hivavaka mba hoe hiandany amintsika Andriamanitra » - Ny dikan’izany hoe miandany amintsika iizany, ohatrany hoe ho amin’ny côté antsika Andriamanitra – « Non, non, non » hoy Abrahama Lincoln, « Andao isika hivavaka mba isika no hiandany amin’Andriamanitra, mba ho isika no ho any amin’ny côté an’Andriamanitra ». Izay ry havana ilay olona manaiky ho contrôlé- n’Andriamanitra, manaiky ny fitantanany, manaiky ny programany, manaiky ny fombany, ny programam-piainany ho azy, ny programam-piangonana ho azy, manaiky tanteraka hoe izay sitraponao Andriamanitra o, dia sitrapoko.
Io fankatoavana an’Andriamanitra io ry havana ankoatry ny hoe anehoana fa Segoulah an’Andriamanitra aho, io fankatoavana io no lakle an’ny fitomboana ara-panahy. Manolo-tena ho an’Andriamanitra ianao, toa ireny nateraka indray ara-panahy ianao ry havana. Fa izao : rehefa tsy mankatoa ianao dia tsy mitombo. Ny zazakely rehetra araka ilay fiteny eto, ny zazakely rehetra na lahy na vavy, na zanak’iza, na zanak’iza, mahafatifaty kely daholo ; fa rehefa mamangy an’iny zazakely iny ianao afaka enim-bolana, afaka herintaona ka tsy nitombo ilay izy, tsy misy zazakely mahafatifaty kely intsony eo. Mivoaka ny trano avy mamangy ilay zazakely ianao dia mifampiresaka hoe ohatrany sampona ihany ilay zaza iny an, iny ve tsy efa herintaona izao, jereo fa efa maniry nify. Ie, ohatran’izany ianao ara-panahy : efa maniry nify ianao fa sampona ianao satria tsy ampy fankatoavana. Sampona ara-panahy ianao satria tsy ampy fankatoavana. Ary izany no mbola hoe nankasitrahan’Andriamanitra tao amin’i Jesoa ry havana : raha natao batisa Izy ka nilazany hoe : « Inty ny zanako malalako izay sitrako », satria ny fiainan’i Jesoa iray manontolo dia fiainam-pankatoavana. Miteny aminao ny Tompo anio, miteny aminao ny Tompo amin’izao maraina izao, mandidy anao izy, Deoteronomia 30 :19-20 : « Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy ». Asainy misafidy ianao, ary raha misafidy ianao ny ho rakitra soa, dia hoy Izy hoe : tiavo Jehovah, henoy ny teniny, tandremo ny teniny. Ary araka ny tenin’i Pasitera Rabemanahaka, averintsika foana iny : ao amin’ny fandaminam-piangonana manan-kery, ao koa Andriamanitra no manambara ny sitrapony ; dia ho velona, ho voatahy ianao sy ny taranakao, fa tsy ho maty ary voaozona ianao sy ny taranakao. Ho ao am-bavantsika mandrakariva anie ity tenin’i Jesoa ao amin’ny Lioka 22 :42 : « Raiko o, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao ». Ilay tapany faharoa : « nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao ». Ho teny ao am-bavantsika mandrakariva anie izany.

Fahamarinana 3 : NA VELONA, NA MATY ISIKA, DIA AN’ANDRIAMANITRA IHANY
Ilay Segoulah mantsy dia hoe fananana sarobidy manokana ho an’Andriamanitra. Ny Darby, ny Segond dia miteny hoe : « Vous m’appartiendrez en propre ». Hoe an’Andriamanitra isika.
Romana 14 :8 : « Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany ».

Ilay hoe : « An’ny Tompo ihany ». Ry havana o, raha manakaiky Azy ianao amin’izao fahavelomanao izao, raha manana fiainam-pankatoavana Azy ianao, na maty aza ianao, dia mbola Azy ihany. Izany hoe Segoulah izany, izany hoe fananana sarobidy manokana izany, Andriamanitra amin’izay lafiny izay dia ohatrantsika : tiana tazomina eo akaiky eo. Ny zavatra sarobidy amintsika, tiana ho eo akaikintsika eo : izay ilay fananana sarobidy. Ary dia izao : eo akaikiny isika araka ny toriteny rehetra teo ; fa eo akaikiny manokana isika rahatrizay modimandry ao Aminy, mifanatri-tava Aminy, ary mahita hoe Azy tokoa ary Azy mandrakizay isika. Fa izao no problème ry havana : tsy tsapantsika fa Segoulah isika, tsy tsapantsika fa Azy isika satria isika rehetra dia mitovy daholo : ny fahotantsika no efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra, dia lavitra isika, tsy mahafantatra hoe mi-contrôle ny fiainantsika Izy ary Azy isika. Io ota tsy nibebahana io, io ry havana o, io no tsy maha Segoulah antsika. Eo ny ota be ; fa isika rehetra ry havana o, dia samy manana ota madinidinika, manana esprit de rébellion madinidinika na lehibe, izay efa hoe mahazatra antsika, tsy mahataitra antsika, ary hoy ilay mpitoriteny iray hoe tsy raisintsika ho sérieux intsony, ary dia tsy Segoulah ianao. Tsy mahatsiaro akaiky an’Andriamanitra ianao ary dia matahotra, matahotra, matahotra ny fahafatesana ianao. Ary halan’ny devoly ry havana io olona mahatsiaro hoe Segoulah an’Andriamanitra io. Tiany ianao ho Segoulah-ny fa tsy tiany ianao ho Segoulah an’Andriamanitra ry havana o. Fa izay no antson’ny Tompo : mandinia tena anio, aoka izay ny fahazaram-pivavahana, aoka izay ny mody izao, mody izao. Anontanio ny Tompo hoe ampahafantaro ahy anio ary Tompo o, inona ireo ota efa tena mahazatra ahy ireo ary tsy mahataitra ahy intsony. Fa rehefa ho avy ny andro, rehefa akaiky ny fotoana ialako eto amin’ity fiainana ity, dia te ho any Aminao aho, tahaka ny fananana sarobidy manokana eo anatrehanao ka alainao amin’izay, hody eo amin’y fanatrehanao.

Tamin’ny Alarobia teo ry havana, nisy mpivavaka tato Isotry Fitiavana niantso anay : « Pasitera o, misy iray tampo aminay anatin’ny tsy fahasalamana, cancer izy io, ary efa elaela ihany izy io no notezain’ilay cancer ; fa nanao chimio farany izy tamin’ny herinandro teo, Asabotsy io chimio io, dia taorian’io chimio io, tena hoe vizana be izy. Dia izao izy, non seulement tsy tafidina any ambany rihana intsony ao an-trano ao, fa any ambony rihana ary tsy tafala ao am-pandriana. Dia mba afaka mamangy azy ve ianao Pasitera ? ». Dia hoy aho, Alarobia ilay resaka : izaho tena tototra be fa andao, mankany aminareo aho mamangy azy zoma maraina amin’ny 6h30. Ary aleo hoy aho maraina fa ny embouteillage mahatsiravina, lany andro any amin’ny embouteillage, marina fa maraina be izany amin’ny 6h30 izany. Dia namangy aho ry havana tamin’ny zoma maraina tamin’ny 6h30. Dia natao ny dinika hoe eto izany isika dia hivavaka ho azy, hivavaka ho an’ny fahasalamana. Izany no fanao amin’ny fotoana tahaka an’io. Fa izao hoy aho, teo ny vadiny, teo ny rafozam-baviny, teo ny zanany anaky telo ary mbola nisy havany anankiroa koa nanatrika tao amin’ilay efitrano tao. Fa izao hoy aho, cancer no mahazo azy, ary rehefa hoe miresaka cancer, tsy maintsy mananotanona ao an-tsaina ao foana ny eritreritry ny fahafatesana. Dia nanazava taminy aho ilay fombantsika Isotry Fitiavana . Izao hoy aho : ilay Salamo 31 :5 iny milaza hoe : « eo an-tananao no atolotro ny fanahiko » ; iny hoy aho vavaka fanaon’ny jiosy isan-kariva, na salama na tsy salama satria tsy fantatra raha hoe hisy hodimandry ao anatin’ny torimaso amin’ny alina eo dia hoe « atolotro ho eo an-tananao ny fanahiko » ; maika hoy aho fa olona ao anaty cancer ohatran’izao, anaty havizanana ohatran’izao. Miera aminareo aho, andao hanolotra ny fanahiny eo an-tanan’Andriamanitra isika. Fa raha tonga ny fahafatesana, ny fanahinao tsy mety maty, fa na iny lasa any an-danitra ny am-paradisa, any amin’ny Tompo, na lasa any amin’ny fahaverezana mandrakizay. In-5, in-6 na in-7 aho nanontany tsara tao anatin’ny antsasak’adiny hoe manaiky ve ianareo tompoko. Ataovy Pasitera an, ataovy Pasitera an, ataovy Pasitera an. Dia nandeha nipetraka teo akaikin’ilay rangahy marary aho ry havana, mipetraka eo amin’ny bord-ilay fandriana eo fa vizana izy ; dia izy misokatra ny masony, maheno anay miresaka eo. Dia nipetraka aho dia napetrako teo amin’ny sorony ny tanako dia hoy aho hoe hivavaka isika, dia rehefa miato izaho, rehefa miato Pasitera, averinao ilay vavaka ataoko. Eny hoy izy. Miantso aho, Jesoa o : tsy mahavoaka feo ny vavany ; avereno hoy aho hoe Jesoa o – efa nanomboka feno rehoka koa hono tao anatiny tao dia sahirana be izy miteny. Izao ary no anaovantsika azy hoy aho : rehefa miteny aho dia mihatokatoka ianao manaiky izay teneniko. Eny hoy izy. Mamerina indray aho : tsy nihatokatoka izy ry havana o. Dia hoy aho hoe rahaharaha ity. Dia izao no noteneniko : izao, rehefa miteny aho hoe Jesoa , ka miteny hoe manaiky ve ianao, dia mihatoka ianao . Dia izay no natao : Jesoa o, manaiky ianao ? Dia hoe misaotra Anao ny amin’ny fitiavanao ; dia izay moa izany ilay vavaka, manolotra ny fanahiko eo an-tananao : eny tompoko. Raha velona aho, dia velona ho Anao : manaiky ianao ? Eny tompoko ; raha maty aho dia maty ho anao : manaiky an’izany ve hoy aho ianao ? Ry havana o, maninona aho no mitantara an’izany zavatra izany ? Mitantara an’izany zavatra izany aho satria hoe vita ilay vavaka, dia nihiratra ny mason’ilay rangaha, nazava be ny tarehiny, dia possible mihitsy hoe faly be izy afaka nanolotra ny fanahiny ho an’Andriamanitra. Nefa izao koa no lazaiko aminareo : ilay vavaka teo, combat tamin’ny devoly hanongotana ny fanahin’iny rangaha iny avy amin’izany hoe vahoan’ny devoly izany. C’est un combat : an’Andriamanitra io, Segoulah an’Andriamanitra io ary tsy navela norambahin’ny devoly. Ny vaovao mahafaly : adiny 1 avy eo, niantso ahy ilay vadiny : maty izy Pasitera. Aiza izy ? Any amin’ilay Tompony : Segoulah.
Ry havana o, tia anao ny Tompo. Araka ilay hira 354 teo, manambitamby anao Izy e : mankanesa eo Aminy, mangataha ny fanahin’ny fankatoavanna ; hitombo amin’ny fankatoavana dia ho Segoulah-ny ianao, ho Segoulah mandrakizay.
Amena.