Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 23 JON 2019

Ny hafatra ho antsika, hafatra ho antsika Fiangonana izay raisintsika ao amin’ny bokin’i Mika sy ny filazantsara araka an’i Lioka ry havana amin’ity Alahady ity, hafatra ho an’ny Fiangonana, Fiangonana izay tsy iza fa ny mpaminany, ny mpaminanin’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao.

Mazana ry havana ny zavatra ao an-tsaintsika rehefa amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra dia hoe : isika mila an’Andriamanitra. Ary izay ilay efa nanentanana antsika hoe hanatona an’Andriamanitra isika, satria tena mila an’Andriamanitra ny fiainantsika. Amin’ity maraina ity ry havana, sarihiko ny sainao : mila an’Andriamanitra isika, ary manome antsika tokoa Andriamanitra ny harem-pahasoavana, ary teny firy firy no efa natefany teo an-tsofintsika ary efa napetrany ao am-pontsika ao.

Fa amin’ity anio ity ry havana, mba hilaza aminao Andriamanitra fa mila anao Izy. MILA ANAO ANDRIAMANITRA ry Fiangonana. Mila anao Andriamanitra.

Ary izany no hafatra voalohany amin’ity anio ity hoe : Ry Fiangonana o, inona moa no ilain’Andriamanitra aminao ? Mika 3 :8b : « Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony sy amin'Isiraely ny fahotany ». Inona no ilain’Andriamanitra aminao ry Fiangonana ? Ny valiny dia izao : hanambara ny fahamarinan’Andriamanitra. Ary eto amin’ny bokin’i Mika ry havana, izany sitrapon’Andriamanitra izany dia ny hoe hanambaran’ny mpaminany amin’ny olona ny helony sy ny fahotany, mba hialany amin’izany ary hiverenany amin’Andriamanitra. Hialany amin’ny ratsy fanaony ka hiverenany amin’Andriamanitra. Fa inona ny zavatra nitranga sy niseho ry havana tamin’ny andro izay naminanian’i Mika ? Izao, hoe : tao anaty fahalovana ny firenena Joda, ary Isiraely koa aza. Tao anatin’ny tsy fahamarinana, ny tsy rariny izay namparin’ireo mpitondra fanjakana, ireo lehibe teo amin’ny fiaraha-monina, izay nampahory ny vahoaka madinika tamin’izany fotoana izany. Ary teo anatrehan’izany dia izao : naniraka ny teniny Andriamanitra mba hampibebaka an’ireo olona ireo, fa tsy nanao an’izany ny mpaminany. Mpaminany maro no nirahin’Andriamanitra fa izao : tsy nanao an’izany izy. Ary efa hitantsika, ao amin’ny and.5 ao : « Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina » ; and.6 « Koa izany no hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro ». Vokatry ny tsy fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra marina, izay nanirahana ny mpaminany, dia azo lazaina hoe nakipin’Andriamanitra ny mason’ny mpaminany tsy hahita intsony ary tsy hahafantatra intsony ny fahamarinany. Ka na dia mpaminany ihany aza ny anarany, tsy tonga tao aminy intsony ny tenin’Andriamanitra.

Ry Fiangonana o, miantso antsika ny Tompo : inona no ilain’ny Tompo aminao ? Ny hijoroanao ho mpanambara ny fahamarinana eo amin’izay sehatra misy anao. Rehefa miresaka hoe Fiangonana ry havana, dia ny kristiana vita batisa rehetra, izay ny fampianaran’ny Fiangonantsika ; izay no atao hoe Fiangonana. Fa ny sehatra angamba no samihafa : fa misy ny natao hitory teny eny ambony pilopitra, misy ny natao hitory teny ao amin’izay sehatra farany kely izay misy azy ao. Noho izany ry havana, tsy misy na dia iray aza amintsika afaka hiteny hoe tsy manana anjara amin’izany. Fa samy manana ny manandrify azy isika rehetra ho fijoroana sy fanambarana amin’ny olona ny sitrapon’Andriamanitra.

Ry havako malala ao amin’ny Tompo, raha mikombom-bava isika Fiangonana, tsy hilaza ny fahamarinana eo anatrehan’ny fiaraha-monina, eo anatrehan’ny firenena, izay fantatsika fa anjakan’ny tsy marina, ny tsy fahamarinana, anjakan’ny tsy rariny. Fa jereo ny zavatra misy eto amin’ny firenentsika ry havana : fety be, dia fety be amin’izao fotoana izao, misy eto amintsika izany ; raha mandeha ianao dia gaga mihitsy amin’ny fitiavan’ny malagasy fety. Ary ny malagasy rehefa manao fety, tsy maintsy eo iza ? Ny toaka. Ianareo no namaly azy. Tsy maintsy eo ilay maha mamo izay vao fety amin’ny malagasy. Izany zavatra izany iniana atao. Fa raha manontany tena isika ry havana ny tompon’andraikitra izay mpikarakara an’ireny lanonana maro samihafa ireny ve, sy ny tompon’andraikitra izay manome vahana, manome fahafahana anaovana an’ireny zavatra ireny ; moa ve iza amin’izy ireny no tsy zanaky ny Fiangonana ? Iza amin’izy ireny no sahy hiteny fa tsy kristiana ? Noho izany ry Fiangonana, mampahery anao ny Tompo : eo amin’izay sehatra misy anao sy anirahan’ny Tompo anao, na dia sehatra kely aza, na dia eo anivon’ny tokantrano sy ankohonana misy antsika tsirairay avy ao aza, ahirato ny masonao dieny mbola omen’Andriamanitr teny ianao ho lazainao, napetrany eo am-bavanao ho lazainao, ambara amin’izany. Fandrao ho tonga aminao ny maizina, tahaka ny mpaminany izay ambaran’i Mika eto : fa izany no ahatongavan’ny alina aminareo ary dia tonga maizina ny mpaminany na dia mandoak’andro aza, na dia mazava be izao aza ; dia tsy mahita intsony ny lalan-kalehany.

Sambatra isika Fiangonana ry havana mbola vangian’ny Tompo amin’ny teniny isaky ny Alahady izao fara-fahakeliny , ary izany no iantsoan’ny Tompo antsika : ho faly mandray foana ve isika ? Ho faly mitahiry sy manangona ho antsika ? Fa hery omen’ny Tompo antsika izay mba hijoroantsika ho mpanambara ny sitrapon’Andriamanitra, hanala ny olona amin’ny ratsy fanaony mba hiverenany ho amin’Andriamanitra.

Fa mampieritreritra antsika koa, mampandinin-tena antsika koa izay andefasan’ny Tompo mpanompo hanarina sy  hanitsy. Izany mihitsy ny asan’ny Fiangonana ; ka raha ianao no voakitikitika, raha voatsindron’ny tenin’Andriamanitra izay ampitondrain’ny mpanompony ianao, sao ianao dia tezitra ? Sao ianao dia miteny hoe : izaho foana koa no tenitenenina ? Fa izany no asan’ny Fiangonana. Dia mampandinin-tena anao izany hoe : raha tsy mandray an’izany asan’Andriamanitra izany ianao, dia mpaminany handrotsirotsy anao, mpaminany hanambitamby anao amin’ny teny tsara lahatra, amin’ny teny mahafinaritra tokoa, izany sisa no ho henonao.

Ry Fiangonana o, ny ilain’ny Tompo aminao : hanambara ny fahamarinan’ny teniny, dia ny teniny izay ampandrenesiny anao matetika io, hijoroanao vavolombelona ny fahamarinan’Andriamanitra, ka hiantsoanao ny mpiara-belona aminao hiala amin’ny faharatsiana.

Ny faharoa ry havana ao anatin’izao bokin’i Mika izao ihany koa, ahoana no hahavitan’ny Fiangonana an’izany hoe fanambarana ny fahamarinan’Andriamanitra izany, ny fanambarana ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra izany ? Ahoana ? Inona no hery entina manatanteraka an’izany ? Ny tapany voalohany amin’ny Mika 3 :8 ihany ry havana no andeha hovakiantsiaka : « Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin'i Jehovah, mbamin'ny rariny sy ny faherezana  ». Izany ry havana ny hery izay omen’Andriamanitra ny Fiangonana : feno hery, dia ny Fanahy Masina, ny Fanahin’i Jehovah. Izany no nentin’i Mika nijoro teo anatrehan’ireo mpaminany ngeza lahy izay ataontsika hoe efa mpaminany teo amin’ny tontolo izay misy azy, efa nisy mpaminany teo an, mpaminany ngeza mihitsy, fa tsy nanambara ny tenin’Andriamanitra, fa nandefa teny mandrotsirotsy an’ireo mpitondra, ary isan’izany i Isaia, Isaia mpaminany, hitantsika tsara raha mandinika ny bokiny isika, tsy dia mamelively izy ny mpitondra, amin’ny ankapobeany rehefa miteny izy hoe firenena mavesatr’heloka, olona mpanao ratsy, olona mpanao meloka. Izany no ambaran’i Isaia, izany hoe amin’ny ankapobeany. Fa eto i Mika dia tonga mihitsy hiteny amin’ny mpitondra fanjakana ; i Mika izay morastita moa no ilazan’ny mpanoratra azy eto, avy any ambanivohitra kely, 40 kilometatra eo miala an’i Jerosalema no misy azy, ny fiaviany izany ; izany mpaminany kely izany no tonga eo Jerosalema hanambara amin’ny mpitondra sy ny mpanapaka ny tanànà ny fahadisoany sy ny fahotany. Ary hiteny amin’ny olona izay efa zatra teny malefaka, teny mamy, manome toky sy fanantenana : « ry Mika o, fa iza moa ianao no mba miana-kendry ? Mpaminany ngeza lahy ireo ka tsy sahy miteny ny fahotan’ny mpitondra. Fa iza ianao izay olona tsy fantampantatra ity hoe avy aiza na avy aiza ianao tonga eto hiseho tena hananatra ? ». Ry havako malala, raha ny herin’i Mika, raha ny maha-izy azy, tsy vitany izany. Ary tsy ho sahy izy. Fa noho ny herin’ny Fanahy Masina, ny Fanahin’i Jehovah no ambarany. Ka izany no nijoroany sy nahasahiany nanambara ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra. Ry Fiangonana o, moa ve tsy efa nomen’Andriamanitra an’izany isika ? Efa nomen’ny Tompo ny Fanahiny isika, ary izay tenenin’ny Apostoly Paoly hoe tsy Fanahy osa fa Fanahy mahery sy fitiavana. Izany no nataon’ny Tompo ao anatinao ry Fiangonana o, mba hitenenanao, hijoroanao, hampahasahy anao, hanaovanao an’io asa izay anirahan’ny Tompo anao, izay ilan’ny Tompo anao io, dia ny fanambarana ny sitrapony, ny fanambarana ny fahamarinany, hampiala ny olona amin’ny fahotany : omeny anao ny Fanahy Masina.Hiantehero ary hiankino tanteraka izany Fanahy omen’ny Tompo anao izany, fa Fanahy Masina mampiteny ary mahatonga anao afaka hihoatra ny toe-javatra izay mety mangeja anao, izay mety manakana anao tsy ahafahanao mitory ny fahamarinana io Fanahy io fa Fanahy mahery, ary ametraka eo am-bavanao ny teny.

Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo, ry Fiangonana malala, ny Fanahy Masina izay ao anatinao, tahaka ny fahafantarantsika, isika izay mahatsiaro kely hery indraindray tsy afaka mitsangana ; tahaka ny volana isika : ny volana dia tsy mazava. Fa inona no mahatonga azy ho hitantsika mazava ? Tarafin’ny masoandro. Rehefa mandray ny taratry ny masoandro izy dia manazava antsika, isika tany izay tsy manana fahazavana ihany. Tahak’izany isika ry havana, tahak’izany isika kristiana, mety kely hery isika, mety hanontany tena hoe iza moa aho no afaka hitsangana hanambara amin’ny fianakaviako, eny na ny fianakaviako aza, fa tsy mety io fombafomba fanaony io, mbola manaraka fomban-drazana io, izaho izay hoe tsy mahay miteny amin’izy ireo fa izy ireo mahay mikabary be dia hainy daholo ny mandahatra hoe : ka zao no anton’io, izao no mahatonga an’izao. Tahaka ny volana isika, tsy afaka hanazava ny tenantsika fa tarafin’ilay Fanahin’Andriamanitra izay efa namenoana antsika ry havako malala o. Raiso izany hery omen’ny Tompo anao izany, raiso izany fampaherezana omen’ny Tompo anao izany hahasahianao hijoro hitaratra ny ankohonanao, hitaratra ny fianakavianao, hitaratra ny mpiara-belona aminao handraisany ny fanazavan’ny tenin’Andriamanitra izay te hanazava antsika izay ao anatin’ny aizina. Isika ve tsy mandinika ry havana, amin’izao fotoana izao anie, ny olona anie izao efa samy maka ho azy e. Samy manao izay tsy haha-tapaka ny rambony fotsiny eo amin’ny fiaraha-monina, samy manao izay haha-tafavoaka ny lohany fotsiny e amin’ny zavatra rehetra iainana, dia na isika kristiana aza. Fa iza moa no mameno an’ireny trano fandihizana sy fialam-boly maro samihafa ireny ? Iza moa no mameno an’ireny toerana fimamoana isan-karazany ireny ? Raha mankany Analakely ianao izao rehefa harivariva eo, fa iza mpa no hitanao eny ? Ireo zanatsika mameno ny dabiliom-piangonana ihany. Tsy izany ve no hitantsika ? Sao dia tsy mbola nandray tsara ny fahazavana avy amintsika izy mba hahafahany manohitra izany aizina manarona ny tontolo manodidina azy izay ? Ry havako malala ao amin’ny Tompo, sahia ianao mijoro fa Fanahy mahery, dia ny Fanahin’Andriamanitra no efa nirahiny ho ao anatinao hampahery anao hahazoanao mitsangana hanao ny asan’Andriamanitra, dia ny fanambarana ny marina hampiala ny olona amin’ny fahotana.

Ny ao amin’ny Lioka ry havana ny hafatra farany ho antsika amin’ity anio ity, dia fampitandremana, ny zavatra tokony hitandremantsika Fiangonana, Lioka 1 :15 : « Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza ». Ny fikasan’Andriamanitra amintsika tsirairay avy ry havana dia ny hameno antsika ny Fanahy Masina. Eto dia i Jaona mpanao batisa ity zaza ho teraka ity, izay lazain’ny Tompo amin’i Zakaria rainy hoe hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny. Izany ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olona tsirairay avy : hameno antsika ny Fanahy Masina. Eto izany ry havana, ny zavatra tokony ho tandremantsika Fiangonana dia tsotra : Tandremo sao manakalo ny toeran’ny Fanahy Masina amin’ny zavatra hafa. Eto izay i Jaona mpanao batisa dia tenenina hoe : tsy hisotro divay na toaka. Inona aloa no voalohany e, ilay any an-kibo, sa ilay efa misotro ? Ny tiako tenenina hoe any an-kibo izy dia efa ho feno ny Fanahy Masina, fa rehefa teraka izy vao hoe tsy misotro divay sy toaka. Ny tiana hiaviana ry havana dia tsotra : efa feno ny Fanahy Masina isika, dia anjarantsika ny mitandro ny toeran’io Fanahy Masina io ao amintsika.

Izao ry Vokovoko Manga, Vokovoko Manga mantsy no tompon’ny Alahady izany amin’ity anio ity dia entintsika am-bavaka. Tsy hoe tsy misotro toaka ianao, tsy misotro divay ianao mba hofenoina ny Fanahy Masina ; fa satria ianao feno ny Fanahy Masina dia fitandrovanao an’io Fanahy Masina ao anatinao io noho ny maha-tempolin’ny Fanahy Masina anao, dia tsy misotro divay sy toaka ianao satria maninona ? Satria mamono an’ilay Fanahy Masina ao anatinao, maka ny toeran’ny Fanahy Masina ao anatinao ilay zavatra ampidirinao ao hibaiko ny fiainanao. Mampahery antsika ry havana izany. Efa nomena antsika ny Fanahy Masina, tsy misy fepetra afa-tsy ny hoe mino an’i Jesoa Kristy ianao dia mandray ny Fanahy Masina, mandray ny Fanahy Masina ianao.

Ary eto isika Fiangonana dia hanterina fa nomen’ Andriamanitra antsika ny Fanahiny ary izany Fanahy izany, izay mitoetra ao anatintsika, dia isika kosa no antsoin’ny Tompo ankehitriny sao isika dia manakalo, manome ny toeran’ny Fanahy Masina ho an’ny zavatra hafa ; fa tsy ny toaka sy ny divay ihany anie e, tsy ny zava-mahadomelina ihany anie no maka ny toeran’ny Fanahy Masina e. Fa ny vola koa anie maka ny toeran’ny Fanahy Masina e, rehefa ny volanao no mampiteny anao fa tsy ianao, tsy ny Fanahy Masina ; rehefa ny voninahitrao no hireharehavanao sy hitenenanao fa tsy ny Fanahy Masina nom mampiteny anao ; rehefa ny firazananao no mampiteny anao, hoe : izahay izao, izahay izao, izahay mankatsy, fa tsy ny Fanahy Masina. Efa voasolo koa izany ny toeran’ny Fanahy Masina. Dia mampahery antsika ry havana, mampahery antsika, ary ny hiantsoan’ny Tompo antsika dia izao, hoe : tandremo, tandremo ilay Fanahy Masina efa ao anatinao, tandremo mba tsy hisy zavatra hafa hisosoka ao anatinao, hisongona an’ilay Fanahy Masina ; fa io Fanahy Masina io efa nampitoerin’ny Tompo ao aminao – Tandremo sao misy zavatra ampidirinao ao hamono ny asan’ny Fanahy Masina, na hanala mihitsy ny Fanahy Masina ao anatinao.

Ry havako malala ao amin’ny Tompo, hafatra 3 no nomena antsika tamin’ity anio ity, hafatra ho antsika Fiangonana, isika Fiangonana izay fatratra amin’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra, isika Fiangonana izay fatratra amin’ny fitiavana ny tenin’Andriamanitra, isika Fiangonana izay fatratra amin’ny fifikirana amin’ny tenin’ Andriamanitra, fa io ihany no lalana hizorana ho any amin’ny fiainana mandrakizay, dia izao, hoe : ianao, meteza ho hirahin’ny Tompo hanambara izany tenin’Andriamanitra, dia ny teny fahamarinana, fa mbola marobe ireo milomano ao anatin’ny fahalovana, ao anatin’ny fahotana. Miandry antsika Fiangonana izany. Aza mikombom-bava eo anatrehan’izany : atomboy ao amin’ny ankohonanao izany, eo amin’ny sehatra misy anao rehetra. Mijoroa amin’ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra. Ary tsarovy fa ny Fanahy Mahery no efa nirahin’Andriamanitra ho ao anatintsika ho herintsika hahavitantsika an’izany, dia ny Fanahy Masina, ilay Fanahin’Andriamanitra, mahery, hametraka ny teny ao am-bavanao hahafahanao manambara ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra. Ary izao : tandremo, tandremo sao sodoka ny zavatry ny tany ka hampiditra ao anatin’ny fiainanao izay mety hamono ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao, fa efa nomen’Andriamanitra Fanahy ianao. Tandrovy izany mba tsy hiala aminao.

Ho Azy irery ny voninahitra, ho amintsika ny fiadanany. Amena

ALAHADY 16 JON 2019

Hebreo 2 :1 : « Ary amin'izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika ».

Ny tenin’Andriamanitra eto no miteny amintsika fa mila mitandrina mafimafy kokoa fandrao hindaosina hiala amin’ilay fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra. Misy sary anankiray tiako hisarihina ny sainao any anaty saiko any, dia zaraiko aminao. Ranobe anankiray, misy ranobe anankiray eo dia saino anie ny zavatra miseho, raha atao hoe renirano izany io rano io, dia misy andeha ataontsika hoe lakana fotsiny ihany aza aloa : misy lakana anankiray eo amin’io, fa adinon’ilay mpanjono ny namatotra an’ilay izy tery amin’ilay rive tery. Azonao an-tsaina ilay sary ao an-tsaiko ? Inona ary no hiseho rehefa mandeha ny fotoana, inona no miseho ? Lasan’ny rano moramora iny.

Andao koa mbola io rano io ihany no sary mbola tiako hisarihina ny sainao : andeha eritreretintsika hoe tena efa nifatotra ilay lakana, fa niakatra  be ny rano, niakatra ben y rano, asa, raha ranomasina angaha, dia hainao tsara ny atao hoe marée haute, miakatra  be ny rano. Fa mety tsy marée haute, fa tena cyclone mihitsy rangaha an. Fa raha vao tsy tsara fatotra, raha sambo izao no resahintsika, raha tsy misy an’ilay vato fantsika iny any ambany any, miakatra be ny rano, dia mety ho lasan’ny rano.

Izay ny sary ao anatin’ny saiko rehefa mandeha ao anatin’ity tenin’Andriamanitra ity hoe : « fandrao hindaosina hiala aminy isika ». Ao anatina fotoana manokana ny période misy antsika ankehitriny, ny fotoana misy antsika sy ianao. Hoy ny tenin’Andriamanitra, andao anie avadik’isika sy ianao any amin’ny 2 Timoty 3, fa ao anatin’ny antsoina hoe andro mahory isika. Ary raha ohatra ka raisintsika hoe eo ambonin’ny rano izany ny fiainantsiala, dia miakatra be ilay rano, hoy Jesoa Kristy any amin’y Jaona 16 :33 hoe eto amin’izao tontolo izao no ahitantsika sy ianao fahoriana ; dia tena mahita fahoriana. Raha ohatra ianao ao anatin’ity fiainana miaraka amin’ny Tompo ity manantena hoe hihatsara, dia miala tsiny aminao aho fa tsy hihatsara ny fiainana, ilay manodidina io lazaintsika sy ianao io ; fa efa voalazan’ny Tompo fa miharatsy ary ao anatin’ny andro mahory tsika sy ianao izao. Andeha anie vakiana ny 2 Timoty 3 manomboka eo amin’ny and.1 : « Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory ». Efa tamin’ny andron’ny Apostoly no voalaza fa andro farany ; maika moa fa izao andro misy antsika sy ianao izao : vao maika farany amin’ny farany. Fa ny olona hoy ilay tenin’Andriamanitra dia ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona… Misy liste be dia be eo. Fa hitantsika mihitsy fa io mihitsy no zavatra miseho amin’izao fiainantsika izao. Ary ny tena olana ary ao anatiny an, dia hitanao ilay olana amin’ilay hoe hindaosina hiala amin’ilay izy, tahaka ilay nolazaina tao amin’ny Hebreo 2 : tsy maheno akory, tsy heno akory rehefa miakatra izay ilay rano, dia tsy henonao akory hoe oay efa lasa moramora kay, efa lasa ery ampovoan’ny rano ianao vao mety ho tonga saina hoe fa inona no ataoko eto ; na tsy eny ampofoan’ny rano akory ary fa misy an’ilay chute be angamba ao ambany ao, ohatra hoe ilay chute be, chute de la Lily ohatra. Azonao an-tsaina ve izany ? Fa rehefa latsaka ao anatin’ilay chute be ianao, izay vao : « fa inona iray ity ataoko ity ? ». Tian’Andriamanitra tenenina anao amin’ity maraina ity hoe ao anatina andro mahory isika. Ny olona hoy Izy dia tia tena amin’izany andro izany.

Amin’izao fotoana izao dia ny zavatra tsy normal no antsoina hoe normal. Misy zavatra 3 tiako tenenina anao hoe fomba hamantarana fandrao dia mitady ho lasa ianao. Mitady ho lasa ahoana ? Izay no fomba filazako azy anao fa mitady ho lasan’ny rano ilay sambokelinao, mitady ho lasa, lasa miala amin’ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra. Dokotera moa aho dia maka ohatra aho hoe misy symptômes 3 ahafahana mi-diagnostiquer anao hoe mitady ho lasa ianao. Dia isika sy ianao mihitsy no miara-mijery ao anatin’io hoe sao dia izaho ary no mitady hoe lasa. Rehefa mieritreritra ny tenin’Andriamanitra anie ianao dia hainao hoe an an an, i Ra…anona angamba izany mitady ho lasa, mitady hiala izany ; fa mety tsy izaho. Andao anie jerentsika, misy zavatra 3 teneniko anao :

Ny zavatra voalohany izay marika fa mitady ho lasa ianao, mitady ho lasa ny sambon’ny fiainanao, mitady ho lasa mivarina any amin’ny tsy izy dia rehefa tsy mampaninona anao izay ny fahotana.

Andraso anie averiko aminao e : rehefa tonga ohatrany tsy dia maninona, ohatrany tsy tena olana ny fahotana. Ary rehefa mijery ny fiainan’ny mpino ankehitriny, ny fiainan’ny ankabeazan’ny mpino, fa fantatro fa tsy ny mpino eto Isotry Fitiavana akory ireo, fa teneniko anao fotsiny, ny nakabeazan’ny mpino an dia tsy dia taitra loatra amin’ny fahotana. Raha mijery an’ilay 2 Timoty 3 teo isika dia mahita isika karazan-javatra tanisaina ; amin’ny andro farany dia ireto, misy andro mahory fa ny olona ho tia tena. Izany fitiavan-tena izany no fototry ny faharatsiana rehetra rehetra ; feno ny tenan’ny olona ny lohany, ary io tena marika ngeza be ny amin’ny hoe toa lasa nandeha tsikelikely niala tamin’ilay tena izy. Jerentsika anie fa eo amin’ny fiaraha-monina izao, misy ny fotoana hitenenana hoe ohatra izany hoe resaka kolikoly fotsiny no raisintsika ohatra, misy zavatra efa fantatsika mihitsy hoe tsy mety, fa hoy isika hoe « an an an, tsisy azo atao fa tsy maintsy manao an’ilay izy ihany aho ; ka ny olona rehetra moa manao ko ! Fa maninona moa izaho raha mba manao ? » . Ohatrany tsy dia maninona intsony. Mety any anatin’ny saintsika ihany koa ny hoe : « an an an, ka izaho anie izao ao ambany fahasoavana e. Rehefa ao ambany fahasoavana dia tsy mabany lalànà intsony dia tsy maninona na mety manota ary, fa rehefa avy eo anie mifona e ». Tena fahadisoan-kevitra ngeza be mihitsy, ary efa voafitaky ny devoly. Mila azontsika sy ianao an-tsaina dia ity : ao amin’ny Efesiana 6 :11 an, ny tenin’Andriamanitra dia manambara amintsika hoe isika sy ianao dia mila miambina. Vakiako anie izany, izao no vakin’ny teny ao amin’ny anaran’i Jesoa, hoe : « Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ ny fanangolen’ ny devoly ». Ny tanjon’ny devoly aminao, fantatrao moa fa misy ny devoly, fantatrao tsara, ary ny devoly dia tena miketrika anao mihitsy : mbola tamin’ny ianao vao teraka no efa no-étudié-ny tsara ianao, ary te hampiatra ny Jaona 10 :10a aminao izy manao hoe : izy anie tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana ; dia izay mihitsy no tiany atao amin’ny fiainanao. Raisintsika ilay sary voalohany notenenintsika teo hoe tahaka ny sambokely izany isika eo ambonin’ny ranobe. Ny ranobe efa miakatra, ny tadiavin’ny devoly aminao dia hoe ho tapahiny moramora fotsiny ilay fikitra mahatonga anao tafajanona, tafatoetra tsara, dia lasa ianao ho entin’ny onjan’ny fiainana eny. Ianao ve tsy mahatsapa indraindray fa ho entin’ny onjan’ny fiainana fotsiny izany ianao ? Tandremo fa ny devoly io mitady hangalatra ny fiainantsika io. Ahoana no fomba fiasan’io devoly io ao amin’io Efesiana 6 io ? Manangoly ny devoly. Ny devoly anie tsy hiseho aminao amin’ny endrika mainty be, izany no sary tany anaty lohako taloha tamin’ny hoe devoly an, ohatrany hoe misy tandroka be izany dia mainty be dia mampahatahotra be dia monstre be ; an an an, tsy ohatran’izany anie ny devoly e ; fa ny devoly, fanahy eny amin’ny rivotra izy, ary izy tsy hiteny aminao hoe : « e, izaho hiditra amin’ny fiainanao hanimba anao fa mahazo ve ? ». Tsy manao an’izany izy, fa izy miditra tsikelikely. Jereonao ilay fomba fiasany : manangoly hoy ilay tenin’Andriamanitra. Mila azonao an-tsaina fa manangoly izy, mamitaka. Izany manangoly izany ho anay dokotera, ny image voalohany ao anaty saiko dia hoe : mi- anesthésié antsika sy ianao. Efa nasiana anesthésie ve ianao tamin’ny fiainana ? Mety rehefa nanala nify ianao dia nasiana anesthésie. Hainao moa ny zavatra atao ? Zavatra kely fotsiny no atsindrona anao an, amina toerana kely, point kely anie no anindromana amin’ny seringue e, point kely, fa rehefa voatsindrona iny dia hoy ny Dokotera hoe efa tsy maheno intsony ; raha ohatra izany hoe rachianesthésie dia ny lamosinao no tsindromina dia mahatsiaro tsara ny ambonin’ny vatanao, dia hoy ianao hoe tsy maheno intsony ; rafitra amin’izay ny dokotera mamoha ny kibonao, tsisy henonao intsony ; fa ohatran’izay mihitsy no ataon’i satana amin’ny fiainantsika sy ianao : manangoly antsika izy, manangoly antsika izy mba hahatonga antsika ho lasa tsikelikely. Tadidio fa isika sy ianao tsy ho voasintona any amin’ny tsara, fa ny ratsy no misintona moramora : voasintona hiala amin’ny tsara isika mankany amin’ny ratsy. Mila azonao an-tsaina fa mamitaka io devoly io, misitrika moramora izy mamitaka. Fantatrao moa ny dikan’izany hoe mamitaka ? Ny dikan’ny hoe mamitaka, dia misy part de vérité ao anatiny, misy zavatra marina kely amitahany anao ; manao piraten-javatra ny devoly e. Ohatra izany izao ny téléphone anao iny mety tena vrai ny téléphone-nao, angamba ohatra hoe Samsung ny marque-ny ; izany izao no antsoina hoe vrai marque. Fa ny mpanao contrefaçon rehetra indray koa dia mahay azy dia satria mila roboka ianao ao anatiny, dia anaovany téléphone hafa, mety Samsang ny anarany na tsy fantatro ; fa satria ilay izy mitovy be amin’ilay izy, ny atao ao anatiny mitovy ihany, dia hoy ianao hoe mety ity, fa sady mba moramora kokoa, roboka ianao : ohatran’izay mihitsy no anaovan’ny devoly antsika. Mila azonao an-tsaina, dia inona no ataony ? Ataony izay hampahatonga anao mahita hoe tsy dia maninona ny manota – Ataony izay ahatonga anao hi-justifié-na marina ny zavatra rehetra rehetra ataonao hoe sshhh. Misy fotoana izany ao amin’ny radio vaovao mahasoa ao misy fandaharana ho vaha-olana an-tariby izay ; dia manao an’io vaha-olana an-tariby io dia misy olona mandefa message ohatra dia miteny hoe : « izaho Tiana mangataka toro-hevitra, dia inona izany ny toro-hevitra : izaho dia manambady vadin’olona » ; izay mihitsy ilay phrae atao an ; vao manomboka fotsiny ilay izy anie dia tsy mila omena toro-hevitra izy e, fa efa azony tsara ilay izy, fa rehefa avy eo mbola misy lava be teneniny, fa misy justificatifs be dia be : « fa satria izahay efa niteraka 3 dia… fa satria… ». Na niteraka 15 aza, rehefa hoe vadin’olona, ny dikan’izay dia fahotana. Moa va tsy izay ? Fa lasa voan’ny anesthésie ny mpino maro ankehitriny hoe : « an an an, tsy dia maninona ».

Amin’ity anio ity, te hahatonga saina antsika, isika sy ianao mihitsy no miara mieritreritra hoe : sao dia izaho ary, sao dia efa misy symptôme-ny fiviliana moramora any amintsika any ? Fa fotoana izao hoe tena hijoroantsika.

Ny symptôme faharoa teneniko anao ilazana hoe sao dia efa lasa aza ianao izany, andeha tsy atao hoe ianao fa izaho, sao dia efa lasa ary izaho izany, lasa izany ilay sambo an, tsisy mitazona intsony, dia rehefa isika izay no mihaino tenin’Andriamanitra kanefa tsy miova ny fiainantsika. 

Raha vao izay ny zavatra mitranga dia mila mipetraka mihitsy aloa dia misaina. Mandre tenin’Andriamanitra foana isika. Jerenao anie raha hiverenantsika vetivety 2 Timoty 3 novakiantsika tery aloa tery, ao amin’ny and.5, mariky ny andro mahory fa sao dia lasan’ny rivotry ny andro mahory fotsiny aza ianao ity ; eo amin’ny and.5 sy and.7 no tenenintsika. Jereonao fa ny olona hoy izy an, dia « manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra nefa nandà ny heriny ». Any amin’ny and.7 no ijerevantsika ny hoe mianatra « mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina ». Ankehitriny amin’izao fotoanan’ny teknolojia sy ny sisa rehetra izao, be dia be ny zavatra ianarana, be dia be ny sehatra afaka ianarana, ary matetika, tia mianatra isika : tena tsara. Fa amin’ity anio ity dia te hametraka fanontaniana aminao manokana ny Tompo, hoe : sao dia mianatra fotsiny ary ianao io, fa tsy niova ny fiainanao ? Azonao an-tsaina moa, fa i Jesoa anie no antsoina hoe lalana sy fahamarinana ary fiainana. Miaraka tsara izay zavatra  3 izay. Tena fiainana io Andriamanitra io, fa tsy théorie an-javatra fotsiny. Ny dikany : tena mila hita eny amin’ny fiainanao. Rehefa andro Alahady ny andro tsy fijerena indrindra eo amin’ny fiainan’ny olona hoe masina izy sa tsy masina ; fa amin’iny dia ohatrany masina, sa ahoana ? Mifampiarahaba, dia : « Fahasoavan’ny Tompo ho aminao », mety tsara. Fa rehefa tonga ve ny Alatsinainy, rehefa tonga, na mety tsy Alatsinainy akory ary, fa rehefa vita ny eto ka handeha hody any an-trano ianao, tonga any an-trano ianao fa ilay zanakao noteneninao hoe mba hampirimo ny fandriana sns… vao miala ianareo, tsisy nataony : mipoaka tahaka ny inona ianao ; any ange ilay hoe fiainana e. Misy vokany tamin’ny fiainanao ve ny tenin’Andriamanitra noraisinao hatramin’izay ? Fa mila vokatra eo amintsika ny Tompo. Ny Jaona 17 :13 milaza hoe ny antsoina hoe fiainana mandrakizay anie, ny fahalalana an’Andriamanitra e. Na azontsika ataontsika tenenina mifamadika izany : ny dikan’ny hoe mahalala an’Andriamanitra ianao dia iainanao mihitsy izany ilay fiainana mandrakizay. Ny fiainana mandrakizay izany indraindray, rehefa no eritreretiko taloha dia hoy aho hoe mbola rehefa avy maty aho izany dia izay vao hita eo izany ; an an an, izao mihitsy : ny fanjakan’Andriamanitra anie ao anatintsika sy ianao e. Dia ampanjakaintsika sy ianao izany. Fa jereo fandrao dia somary lasa nandeha kely ianao, lasa moramora, sao dia efa tsy tafatoetra tsara ? Ny Jaona 8 :36, fantatrao tsara izay tenin’Andriamanitra izay : raha ny Zanaka no hanafaka anareo hoy ny tenin’Andriamanitra dia ho afaka tokoa ianareo. Raha ny marina, andraso aloa fa averiko vakiana tsara fandrao dia misy zavatra… Raha fantatareo ny marina, and. 32, dia ny marina no manafaka anareo tsy ho andevo. Firy firy ny mpino, ary ndrao dia isika sy ianao mbola ao anatiny, mbola misy zavatra mangeja azy amin’ny fiainany ? Tsy hitanao akory anie dia gejaina zavatra ianao, fa izany no tian’ny devoly atao amin’ny fiainanao e. Tsy hitanao akory dia gejain’ilay atao an’izao e…. Ianao izany efa tsy mifoka sigara mihitsy, deraina ny Tompo ; ianao efa tsy misotro toaka, andray, fahasoavana ; fa indraindray isika, zavatra hafa mihitsy no mangeja antsika : gejain’ity téléphone ity, vao tonga eo ianao tsy afaka eo raha tsy afaka adiny 2, adiny 3, jereo ihany. Fa mila iainantsika mihitsy ny tenin’Andriamanitra ; Tsy misy maharatsy azy mihitsy ny téléphone, sao hoy ianao hoe lazain’i Tiana fa ratsy ny téléphone, tsy izay an ! Fa jereo fa sao dia misy mangeja anao eo amin’ny fiainanao ka marika izany hoe miala, tafiala moramora ianao. Jakoba 1 :22 anie vakiantsika sy ianao e ; Jakoba 1 :22-25 : « Fa aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo » Izay no tadiavin’ny devoly.Mety amin’ny devoly anie raha mihaino tenin’Andriamanitra ianao, tsy mampaninona azy loatra ; fa mampihorohoro ny fanjakan’ny devoly raha vao ianao no manapa-kevitra hoe izaho handeha hankatoa ny tenin’Andriamanitra. Any no mila andehanantsika sy ianao. Fa manjary mamita-tena isika raha vao tsy izay. « Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ ny fitaratra izy; fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’ izay dia hadinony ny tarehiny ». Jerenao tsara anie ny and.25 e : Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ ny fahafahana, ka maharitra amin’ izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ ny asany izany olona izany ». Izany ny fikasan’Andriamanitra ho antsika sy ianao, ho sambatra amin’ny asany izany olona izany.

Zavatra marika fahatelo tiako tenenina anao, symptôme fahatelo ahafahantsika mahita hoe sao dia efa lasa ary ianao ity, sao dia efa lasa ary izaho izany ; voalohany hitantsika teo izao dia hoe lasa tsy mampaninona anao ny fahotana ; faharoa, tsisy miova ny fiainanao fa ohatrany ny teo ihany no teo, mandinin-tena mafy dia mafy malaky ; ny zavatra fahatelo farany teneniko anao ao anatin’io symptôme antsika io dia ity : rehefa adino hoe ny fiafarana anie ka manan-danja bebe kokoa, ny fiafarana tsara manan-danja bebe kokoa noho ny fanombohana tsara. Andraso anie teneniko anao, averiko tsara izay e : rehefa adinontsika fa zava-dehibe kokoa anie ny famaranana tsara noho ny fiantombohona tsara e : mitady ho lasa isika izay.

Hitanao, ny devoly an, tsy mampaninona azy raha hanomboka ianao ; fa ataony izay fomba rehetra tsy hamarananao an’io, ataony izay fomba rehetra tsy hahatafita an’io sambokelinao io. Jerenao anie ny ohatry ny Apostoly Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20 :24, izao no voalaza ny amin’i Paoly manokana, dia ho alaintsika sy ianao tahaka : « Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ». Izany ny ohatra nomen’ny Apostoly Paoly fa zava-dehibe mihitsy ny hoe mahavita tsara, mifarana tsara, fa tsy ny manomboka fotsiny. Ny tadiavin’ny devoly amin’ny fiainantsika : nanomboka tsara ianao, mety tao anatina fianakaviana tsara ianao, fa fianakaviana natahotra an’Andriamanitra io ; fa aiza ho aiza no misy anao izao ? Fa izay maharitra hatramin’ny farany anie no hovonjena rahavako e. Raha jerentsika ny zavatra miseho eo amin’ny fiainantsika dia ity : tsy ampy fahatahorana an’Andriamanitra ny mpino maro amin’izao fotoana izao. Ohatrany hoe ny androany e, ny androany e, izay androany ihany dia izay ; izay anomezana fahafaham-po an’izay ilaiko izao. Fa tsy izay no antsoina hoe fiainana. Mila mijery lavitra isika. Variana mihitsy aho, rehefa mahita olona mifoka sigara aho dia tena variana. Taloha aho nitsaratsara an’ireny olona ireny fa taty aoriana aho tsy nitsara azy intsony satria mampalahelo izy satria tena jamba mihitsy ny masony. Ilay fitoeran’ilay sigara efa misy soratra mihitsy hoe : tandremo fa poizina mahafaty ; novakiako mihitsy, oadray, hay ve ity misy soratra ohatran’ity mihitsy, tandremo poizina mahafaty. Fa tsy any an-tsainy ny hieritreritra ny ho avy ela be fa ny ankehitriny, ny izao ihany aloa : ny misintona kely amin’iny aloa no mety. Tsy misy olona misotro zava-pisotro misy alikaola anie dia miteny hoe, andeha tsy ataoko hoe misotro zava-pisotro misy alikaola fotsiny fa hoe, tsy misy olona mpimamo toaka anie dia miteny hoe mety aminy toaka e ; fantany tsara fa ratsy, fa ohatrany hoe tsy tafiala ao anatin’ilay izy, jamba ny masony ; tsy mahita afa-tsy ny ankehitriny : efa lasa, efa lasa lavitra izy ; Anjarantsika sy ianao mihitsy ny mamerina azy ao anatin’izany.

Hamarana an’izao fizarana tenin’Andriamanitra izao isika dia : inona ary ny vaha-olana hahatonga antsika sy ianao ho tafatoetra tsara, tsy ho entin’ny zavatra be dia be ho entin’ny ranobe ?

Fa io rano misy antsika io aloa dia miha-miakatra, miha-miakatra, miha-miakatra foana, dia miha-tondraka ny ranon’ny fiainana manodidina ; na tianao na tsy tianao dia izay no izy. Fa ny dikany : tsy maintsy ianao no mifaka tsara. Hoy ny any amin’ny Efesiana 6 :13, izao no tenin’ny tenin’Andriamanitra any hoe : « Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo ».  Mila tonga saina ianao hoe ao anatina ady anie ianao ity ; tsy ny adim-piainana an. Indraindray ianao miteny hoe : « ie, tena ao anatina ady mihitsy ao, adim-piainana », tsy io no ady ; fa any anatina ady ara-panahy isika, izay hifandrohitan’ny fanahy, any amin’ny rivotra any, mifandrirotra te hitondra anao : ny fanahy ratsy te hisarika anao, ny Fanahin’Andriamanitra koa te hiasa eo amin’ny fiainanao hiaro anao sy hitondra anao amin’ilay fiainana be dia be. Fa ianao tsy maintsy manapa-kevitra handray ny fiadian’Andriamanitra.

Ao amin’ny Hebreo 4 :16 dia hoy ilay tenin’Andriamanitra hoe : manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavany : « Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana amin’ ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ izay andro mahory ». Tena mila an’Andriamanitra izaho sy ianao, fa tsy vitantsika amin’izao fotsiny hoe : andeha hiezaka ary aho tsy ho lasa e, raha izay ilay fomba fitenintsika azy, andeha hiezaka aho tsy ho entin’ny rivotry ny fiainana fotsiny ; tsy vitan’ny ezakao, fa mila ny Fanahin’Andriamanitra ianao. Tena mila ny Fanahy Masina isika sy ianao.

Dia izay mihitsy ilay lohahevitry ny Fjkm amin’ity volana ity, dia raisintsika amin’ity anio ity hoe : E, meteza ho fenoina ny Fanahy Masina ianao. Hitanao, ao amin’ny bokin’ny Romana 8 ao an, amin’ny and. 5-8 dia milaza manao hoe : « Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, (sy fiadanana) satria fandrafiana an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn’ Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany. Ary izay ao amin’ ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’ Andriamanitra ». Tiako averina aminao tsara amin’ity anio ity fa ianao io, ianao io mandra-pahafatintsika sy ianao, dia misy nofo ao anatintsika dia misy Fanahy. Isika sy ianao, zavatra 3 no mamaritra antsika : io vatanao io, io kitikitihanao io : asianao maquillage kely, iny : iny ny carrosserie-ny ; fa tsy iny no tena maha-ianao anao fa any anatinao any misy ny antsoina hoe aina ; avahan’ny 1 Tesaloniana 5 :23 mazava izay : misy ny tena, le corps ; ny aina, l’âme, ary misy ny antsoina hoe fanahy. Ny tenanao sy ny ainao no mamaritra ny nofonao : tena + aina = nofo ; dia ny fanahinao ilay esprit. Tenenin’ny tenin’Andriamanitra anao fa raha vao mbola io tenanao sy ny ainao io no mibaiko ny fiainanao, dia tsy mahay manao ny sitrapon’Andriamanitra ianao ; n’inon’inona ataonao eo dia hoe lasan’ny rano ny sambonao dia ho latsaka ary anatin’ny chute de la Lily, any dia ao. Izay mihitsy no tadiavin’i satana amin’ny fiainanao, fa isika sy ianao angaha hanaiky. Andeha amin’ny Fanahy isika.

Hoy ny Galatiana 5 :16 hoe : « Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ ny nofo hianareo ». Ny nofonao dia tsy mahay manao ny sitrapon’Andriamanitra fa mitondra ano amin’ny fahafatesana lalandava. Tsy ilay fahafatesana hiandrasam-paty ny tiako lazaina anao io an, tsy izay ilay tenenin’ny tenin’Andriamanitra rehefa miteny fahafatesana izy, fa fahafatesana mira tsy fisian’Andriamanitra, tsisy présence, fa absence an’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ny dikan’ny hoe fahafatesana. Azonao an-tsaina moa izany : misy olona be dia be anie maty mandehandeha e, mbola tsy nivoaka akory ny faire-part-ny, fa maty mandehandeha izy : fandrao dia ianao ary izany ? Tsisy feeling mihitsy ny fiainany mandritra ny tontolo andro, zara fa miaina : « mifoha indray androany dia inona indray ? tsy maintsy hamoha tsena dia tsy maintsy handeha hivavaka fa mba Alahady ny andro ». An an an, ny nofonao izay no mitarika anao. Tadidio fa ny nofo no par défaut aty anatintsika. Azonao ve izany teneniko anao hoe par défaut ? Rehefa tsy miketrika, rehefa tsy miomana ianao an, dia mandeha izay mandeha ho azy any anatinao, ny nofonao no madeha ho azy. Ataoy hitsahan’ny olona anie ny tongotrao e ; nefa ilay kiraronao izany vao nosorana crème, ilay olona avy nanitsaka fotaka, feno fotaka. Mandeha ny par défaut any anatinao rehefa izany, nofo : « fa ahoana no manitsaka… » : mandeha daholo, avy eo ianao vao : « oay ». Ny tadiavin’Andriamanitra amintsika sy ianao : mandeha amin’ny Fanahy. Tsy haintsika amin’izao fotsiny izany ; tena mila an’Andriamanitra isika, mila ny safidinao Andriamanitra fa rehefa nandray an’i Jesoa ianao dia ao anatin’ny fanahinao ange ny Fanahin’Andriamanitra e. Efa ao Izy, efa ao Izy. Azonao ao an-tsaina ny sary any anaty saiko, farany sisa dia tapitra : misy jiron’ny Jirama : hitanao izany misy trano anankiray tafiditra ny jiron’ny Jirama izy ; ankehitriny moa efa manahirana be mihitsy rehefa manana trano vaovao ianao dia mampiditra jiro, enjana be mihitsy vao tafiditra ilay jiro. Fa ouf, tafiditra soa aman-tsara ny jiron’ny Jirama. Efa ela izany ianao no misahirana be mi-charge téléphone, tsy mahita télé, Etc… mandefa labozia amin’ny alina fa eee, tsisy jiro e. Fa tafiditra ny jiro : fa possible tsara hoe tafiditra ny jiro fa mbola niaina tao anatin’ny maizina ihany ianareo mianakavy kely, rehefa tsy ampiasainao ilay jiro. Fa ny jiro anie tsy hoe rehefa tafiditra dia mety e. Fa tsy maintsy arehitra ny interrupteur ry havako. Azonao an-tsaina ve ? Zavatre kely fotsiny anie e : interrupteur no pihina. Azonao an-tsaina moa fa rehefa nandray an’i Jesoa ianao dia misy an’ilay Fanahy Masina, ilay Andriamanitra mihitsy no ao anatinao, ilay fahazavana lehibe, ilay tena afaka mampijoro anao ; fa tsy an’Andriamanitra ny mandrehitra ny interrupteur fa anao. Ary izao no mila tadidianao : ny devoly an dia mi-rodé autour de l’interrupteur. Azonao ve ny dikany ? Manodidina ilay interrupteur ny devoly mihaodihaody. Tamin’ny maraina ianao izao nivavaka tsara : « Jesoa an, andeha hanompo anao, handeha amin’ny fahamasinana aho », inona daholo no noteneninao ? Mirehitra ny jiro. Fa nandeha ny fiomanana, nandeha ny fiomanana tao an-trano, dia inona, Tsy hita ny ba kiraronao, loza ! Ianao efa tara fa manao service ianao aty am-piangonana, nandeha daholo, nivoaka daholo ny teny, voatonona ny karazam-biby velona sy ny maty… Azonao an-tsaina ? Avy eo ianao vao mieritreritra hoe : « oadray, fa ahoana ary ? ». Tsy tonga saina ianao fa efa nopihin’ny devoly, vao mandeha kely anie ianao e, mandeha amin’ny routine-ny fiainana, efa nopihiny ny interrupteur-nao : ataony izay andehananao amin’ny nofo. E, isika sy ianao mila misafidy amin’ny fotoana rehetra.

Ny Efes iana 5 :18 no amaranako azy tanteraka. Izao ilay tenin’Andriamanitra ao : « Ary aza ho mamon-divay hianareo, fa amin’ izany dia misy fanaranam-po amin’ ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy ». Ho anareo lehilahy rehetra : ten amila lehilahy mijoro isika, mila lehilahy feno ny Fanahy Masina, tsy mamon-divay. Fa maninona ary no ampitoerin’ny tenin’Andriamanitra, ampitoerin’ny Apostoly Paoly : aza ho mamon-divay hianareo, fa aoka hofenoina ny Fanahy Masina ? Fantatrao moa ny fandehany rehefa mamo divay ? Rehefa mamo toaka ? Samy efa nahita mamo toaka : voalaza daholo izay zavatra tsy tokony holazaina. Moa tsy izany ? Misy zavatra efa any an-tsainy any, hoe ity tsy azo tenenina an-dramatoa mihitsy, ramatoa vadiny ; tsy azo tenenina mihitsy hoe ratsy tarehy be ianao ramatoa ; fa rehefa tonga ilay mamo an, tsy vao contrôle ny eritreriny fa controlé-ny alcool. Fa maninona no ampifanoherin’ny Apostoly Paoly eo ? Fa ohatran’izay mihitsy anie ny asan’ny Fanahy tian’ny Fanahy Masina atao ao anatintsika sy ianao e : hi-contrôle ny eritreritrao, ahatonga ny hoe : feno ny Fanahy.

Ry havana, baiko, baikon’Andriamanitra izany hoe : aoka ho feno ny Fanahy. Indraindray isika mieritreritra hoe : bon, tsy dia maninona… rehefa eto am-piangonana, feno ny Fanahy ; rehefa avy eo, an an an, izay tiako ihany io ka. An an an, fa maninona no fantatrao tsara fa ratsy ny mijangajanga, dia ratsy ny mamo toaka, dia ratsy… Tena mitovy tantana amin’izany anie io baikon’Andriamanitra io : fantatrao moa hoe fahotana kay rehefa tsy feno ny Fanahy izaho sy ianao ? Amin’izao fotoana izao, tena betsaka ny mpino mandeha manana ny Fanahy fotsiny, fa tsy tonga sain aizy hoe mila feno ny Fanahy.

Isika androany naheno ny tenin’Andriamanitra, dia tsy mety isika : aza manaiky ianao raha tsy velona foana ny interrupteur-nao ; fa raha vao tsy izay an, dia mitady ho lasa ianao izay ; mitandrema, fa ny dikan’ny hoe mitady ho lasa ange ry havako o, dia lasan’i satana ; ny iafaran’izay dia fahafatesana foana, fiainana tsisy fifaliana, fiainana feno aizina. Fa Andriamanitra te hanome anao fiainana be dia be, dia ao amin’io Jesoa Kristy io izany.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra, dia ho antsika rehetra kosa ny Fiadanany.

Amena

 

ALAHADY 09 JON 2019

Misaotra an’Andriamanitra isika ny amin’ny perikopa izay omeny antsika, satria mampieritreritra antsika ny amin’ny fifandraisantsika amin’ny Tompo e. Mampieritreritra antsika ny amin’ny fifandraisantsika amin’ny Tompo ny perikopa androany. Ilay fanontaniana apetraky ny perikopa androany dia hoe, farak’izay tsotra : IANAO IO VE RY HAVANA RAHALAHIN’I JESOA ? IANAO IO VE ANABAVIN’I JESOA ? IANAO IO VE RENIN’I JESOA ? Izany ny fanontaniana tsotra, izany ny fanontaniana mahitsy asain’ny Tompo valian’ny tsirairay. Fa izay rahalahiny, izay anabaviny, izay reniny, izay ihany ry havana o, izay ihany no handova ny lanitra. Izay ihany, ary tian’ny Tompo isika handova ny lanitra ; izany no mbola anomezany antsika izany teny izany. Araka ilay nolazaina teo, ilay toriteny dia ho an’ny olona izay olona te handova ny lanitra e, te ho any an-danitra e, satria misy lalana tokony hizorana eo. Ary satria misy lalana tokony hizorana eo, dia misy karazana panneaux de signalisation. Raha ohatra izao isika ho any Tamatave, dia rehefa hidina an’i Mandraka iny dia hoe mila mitandrina sady sady miolakolaka ilay lalana, no midina be ilay lalana , dia mila mitandrina be, misy panneaux mampandre hoe mandritra ny firy kilometatra ohatran’izao. Tsy tadidiko intsony na aiza na aiza ilay izy fa ery an’anona ery misy tetezana anankiroa, tsy tokony ho diso tetezana ianao , misy sens interdit hoe ity tetezana ity tsy azo aleha. Ohatran’izany ny amin’ny fiainana ara-panahy. Fa rehefa mankany Tamatave isika na mankany an-kafa, ekentsika tsara ny panneux de signalisation ; fa rehefa hoe amin’ny lalana mankany an-danitra ihany isika no hoe : izay indray ilay tery saina, izay indray ilay masiaka, izay indray ilay ohatran’izao. Tian’ny Tompo ho any an-danitra ianao ry havana, tian’ny Tompo ho any an-danitra. Izany ny anton’ny teny isan’Alahady, isan’Alahady, isan’andro, isan’andro. Ary ny Fanahy Masina, amin’izao andro ivelomantsika izao, no nomeny hitari-dalana antsika. Jesoa ry havana raha niala tety an-tany, nanao veloma ny mpianatra dia niteny hoe : mahasoa anareo ny fialako, fa raha tsy hiala Aho, hoy Izy, tsy ho avy ny Mpananatra, fa rehefa tonga any an-danitra Aho, dia hirahiko ny Mpananatra hitari-dalana anareo. Porofo fa tonga any an-danitra Jesoa, dia nirahiny ny Mpananatra hitari-dalana antsika ety an-tany ry havana o, ary miandry antsika any amin’izany lanitra izany Jesoa. Tadidio izany e, izany no votoantin’ny finoantsika kristiana : lehilahy, vehivavy, rahalahy, anabavin’i Jesoa, renin’i Jesoa, izay hoe mikendry ny lanitra, ary tian’i Jesoa handova ny lanitra.

Andeha ary jerentsika ny Marka 3 :20-21 : «Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy. Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy ». Mitsambikina eny amin’ny and.31-35 isika : « Ary avy ny reniny mbamin'ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy. Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao. Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko? Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko ». Ry havana malala o, manontany anao ny Tompo amin’izao maraina izao, hoe : RAHALAHY, ANABAVY, RENIN’I JESO VE IANAO ? Fa te hanana fifandraisana akaiky, te hanana fifandraisana manokana aminao Izy, mihoatra noho izay tamin’ny lasa izay.

Andao ary jerentsika ny toetran’izany hoe rahalahy sy anabavin’i Jesoa izany. Raha jerena ny and.21, Jesoa dia nataon’ny havany hoe very saina, satria manao vy very ny ainy. Izay no toetran’ny rahalahin’i Jesoa : ataon’izao tontolo izao hoe very saina satria manao vy very ny ainy. Ahoana ny toetran’izany rahalahin’i Jesoa izany ? Ataon’izao tontolo izao hoe : very saina, satria maninona ? Manao vy very ny ainy.

Faharoa, eo amin’ny and.31 : « Ary avy ny reniny mbamin’ ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy ». Ireto havan’i Jesoa ireto izany an, nijanona tary ala-trano. Jesoa ato anatiny ohatran’io, mifandinika, mampianatra, fa ny havany nijanona any ala-trano. Ny rahalahy, ny tena rahalahin’i Jesoa ry havana, sy ny tena havany an, tsy mijanona anya la-trano. Ny rahalahiny, ny tena rahalahiny, ny tena anabaviny, dia tsy mijanona any ala-trano tahaka an’ireto reniny sy havany ara-nofo ireto.

Ary fahatelo farany, and.35 : « Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko ». Ny rahalahin’i Jesoa, ny anabavin’i Jesoa, ny renin’i Jesoa, dia izay manao ny sitrapon’Andriamanitra.

Izay izany ireo fahamarinana telo ho vohasana fohy ry havana, ho an’ny olona te ho any an-danitra : voalohany indrindra : ataon’ny olona very sain aizy satria manao vy very ny ainy ho an’i Jesoa ; tsy manao tahaka ny rahalahin’i Jesoa ara-nofo izy, mijanona any ala-trano ; ary fahatelo, hoe manao ny sitrapon’Andriamanitra.

Andeha ary jerentsika ilay fahamarinana 1 hoe fa maninona ireto havany ireto no niteny momba an’i Jesoa hoe : efa very saina ? Raha jerena ry havana io andro io, na ny alina nialoha an’ity tantara ity, dia hoe avy niari-tory tamin’ny vavaka i Jesoa. Sady niari-tory Izy an, no nifady hanina. Reraka Izy, tena reraka Izy. Dia maraina ny andro, mikenokenona Izy ny amin’ny fanokanana azy 12 lahy, asa be izany. Dia Izy avy nanokana azy 12 lahy, mitokana amin’ny trano dia narahin’ny olona be dia be, fia hoy ny and. 21 hoe nisy vahoaka niangona teo ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy. Hoy ilay and.21 hoe : « Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy ». Ohatran’ny miteny izany ilay reniny, izay angamba ilay fon-dreny, hoe tena tsy fantatr’ity Jesoa ity mihitsy izay haha-reraka Azy, na izay hahafaty Azy. Izay ilay izy, izay ilay anona eto. Ny alina manontolo efa niari-tory. Fa izao ry havana o : tsy nanaiky Jesoa fa hoe tsy maintsy nikarakara an’ireo olona nila famonjena Izy, tsy maintsy nitory ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra Izy. Ianao ve ry havana, vonona hanao vy very ny ainao koa, tahaka ny zandrikelin’i Jesoa ? Sa ianao manaraka, sa ianao mino, fa mino amin’ny fisalasalana, sa ianao manaraka, fa manaraka ohatran’i Petera, manaraka eny amin’ny lavidavitra ? Sa ianao mahafoy, fa mahafoy ambin’ambin-javatra, ambin’ambim-bola ? Izay ry havana ilay fanontaniana. Misy fomba fiteny ry havana mampieritreritra rehefa mijery ny fihetsik’isika eto amin’izao tontolo izao : rehefa mijery olona tia, tia mpanakanto na artiste, dia lazaina hoe : i anona iny tena hoe « fan » Madonna, na « fan » tsy fantatro. « Fan » : fa fantatrareo ve ny fanalavana ny « fan » ? Ny fanalavana ny « fan » dia hoe « fanatique » : tarika iray ihany ireo. Ary mahagaga, rehefa hoe fan’i Madonna, tsy lazaina mihitsy hoe fanatique ; fa rehefa tia an’i Jesoa, tahaka ny hoe manolo-tena ho an’i Jesoa, manao vy very aina, dia hoe : aza fanatique ohatran’izany pasitera an, aza fanatique ohatran’izany. Misy olona ve ato mieritreritra hoe : « fanatique ery Pasiteran’Isotry fitiavana io an ! ». Fanatique an’i Jesoa aho ry havana.

Tsy aritro ny hiteny an’ity résultat-na enquête tany Etats-Unis ity ry havana : nisy étude hono nataon-dry zareo amerikana, zareo moa tia manao an’itony enquête itony ; nanao enquête izy, ny échantillon 20.000 fans de football, 20.000isa. Nahavarianna ry havana ny vokatr’ilay enquête : 51% an’ireo fans 20.000 ireo, izany hoe any amin’ny 10.000 mahery any izany, dia hoe vonona ny hifady hanina izy mandritra ny herinandro an, raha izany no mampandresy ny ekipany amin’ny coupe du monde. Olona tsy mifady hanina mandrakizay izany hoe vonona hifady hanina ; izany ilay izy, izay ilay fan, fanatique e. Dia amin’ireo 20.000 ireo an, ny célibataire nanontaniana, 40% an’ireo célibataire niteny hoe mandritra ny herintaona aho, vonona aho ny tsy hanana sipa, na sipa lahy na sipa vavy, raha izany no hampandresy ny ekipa-na football-ny fireneny. Inona moa no idiran’ny sipa amin’izany e ? Izay ilay izy. Fa izay ilay finiavana, izay ilay fitiavana hoe hampandresy ry havana o. Dia hoe 7% an’ireo 20.000 ireo dia hoe vonona hitsahatra amin’ny asany dia hiova asa avy eo, raha hoe izay no azony anampiana ilay equipe de football-y fireneny. Ianao anie mieritreritra hoe hanajanona ny asa hanampiana an’ i Jesoa e, sao dia hoe very saina izany ; fa izany ry havana ny olona, rehefa tena tia, rehefa tena tia. Ary ny tena mampieritreritra, 4% amin’ireo 20.000 enquêté-ka ireo, hoe vonona hanome taova, hanome organe, raha izany no hoe hampandresy ny equipe de football-ny. Ry havana o, izany no olona tena very saina, izany no olona tena very saina. Fa aiza ho aiza amin’izany ny fitiavako sy ny fitiavanao an’i Jesoa e ? Ny fitiavako sy ny fitiavanao ny asan’Andriamanitra e ?

Ity eo amin’ny and.21 : « Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy » : mety mieritreritra isika hoe fitiavana an’i Jesoa izany, mba fitsimbinana Azy : tsia ry havana o. Rehefa miteny ny Soratra Masina hoe tonga nivoaka ireo havany, hihazona Azy, ny verbe grika hoe : « pour l’arrêter » : olona ho samborina, olona ho gadraina, ho entina any am-ponja. Asa na inona na inona ny antony, fa tsy fantany ny amin’i Jesoa dia hoe andao sakanana e, andao sakanana. Sao dia ianao ry havan o, sao dia ianao ilay tsy tia an’i Jesoa, tsy te hanolo tena tanteraka ho an’i Jesoa dia hoe manakana ny hafa ihany koa hanatona an’i Jesoa.

Mahavaky fo indraindray ry havana, rehefa mandinika an’ireny tanora ireny ; misy olona tonga moa mitantara ny fahoriany, Ary maninona hoy aho ianao no tsy miditra katekomena ? Dia hoy izy : ka izaho, ilay olona hiasako, mpiasa an-trano ilay izy, ilay olona hiasako, hoy izy, tsy maintsy mahavita raharaha hono aho ny Alahady maraina, izay vao mahazo manao katekomena, dia efa atoandro be ilay izy, ka na ny Fiangonana aza tsy tratrako. « Fa ry zareo manao inona ? » « An an an, ry zareo ao an-trano ao ihany, dia avy eo izy mandeha pique-nique rehefa atoandro ». Ianao no te handeha pique-nique, maninona ny olona no tsy avelanao hanao katekomena ry havana o ? Sao dia ianao no very saina, fa tsy ilay mpanampy kelinao no ataonao hoe very saina ? Izay ilay izy ry havana o. Ary manao ahoana ny fahafoizanao, ny fahafoizanao vola ? Fantatro loatra fa misy olona menatra miangona, menatra miangona, satria : « Pasitera an, sady tsy manana frais aho ; ary na manana frais aza, tsy misy vola atao rakitra akory », dia menatra. Fa tsy izany daholo ny cas antsika ry havana, tsy izany daholo ny cas antsika. Fa raha tenenin’ny Tompo ianao, hitan’ny Tompo anie io vola ataonao rakitra io e ; raha miteny aminao ve ny Tompo, miteny aminao ny Fanahy Masina hoe : doublé-o io manomboka anio ; ary ho anareo izay afaka mi-doublé, ary misy ato : hiteny ve ianao hoe : « very sain ave Pasitera ty e ka hatramin’ny poketranay dia efa arahiny, sy ny paosinay e? ». Ry havana o, mitoriteny aho amin’ny olona tian’ny Tompo handova ny lanitra e, izay ilay izy, mitoriteny aho amin’ny olona te handova ny lanitra ; ary tsy zakan’izao tontolo izao izany hoe olona manao vy very ny ainy ho an’i Jesoa, ho an’ny asan’i Jesoa.

Izay izany ny fahamarinana voalohany, hoe : ny zandry kelin’i Jesoa, ny tena rahalahiny, ny tena anabaviny, dia hoe manao vy very ny ainy ho Azy, ka rehefa mijery azy ny ankohonany, rehefa mijery azy ny fianakaviany, dia ohatrany hoe adala, very saina.

Ny fahamarinana faharoa ry havana dia izao, ery amin’ny and.31 ery : « Ary avy ny reniny  mbamin’ ny rahalahiny (reniny ara-nofo io izany, Maria izany, ny rahalahiny ara-nofo io izany, satria Maria niteraka taorian’i Jesoa) ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy. Ilay rahalahin’i Jesoa ara-nofo an, nijanona tany an-trano. Ry havana o, sao dia mba ianao izany mpijanona any ala-trano izany ? Mahavariana ilay toe-tsain’i Maria sy ny rahalahin’i Jesoa eto : miantso an’i Jesoa izy, maniraka olona izy miantso an’i Jesoa ; ohatrany hoe Jesoa izany mampianatra eto, dia maniraka diakona any Izy hoe, ao ala-trano ao, ny reninao sy ny rahalahinao. Maniraka olona izy hiantso an’i Jesoa ; fa satria izy jamba ny amin’ny maha-Jesoa an’i Jesoa ry havana, dia tsy mamaly ny antson’i Jesoa : midira ianareo aty, fa Jesoa no asaina mivoaka any ala-trano. Ity Maria ity nefa, ho anareo izay manana Baiboly, jereo anie ny Lioka 1 e : olona mba nisehoan’ny anjely ihany ange ity Maria ity e, ary nanambarany momba an’i Jesoa ry havana. Andeha anie hiarahantsika mamaky ny Lioka 1 :30-32 : « Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’ Andriamanitra hianao. Ary, indro, hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’ i Davida rainy ». Mba mahita fahagagana ohatran’izany ihany i Maria ry havana o, momba an’i Jesoa, nefa tsy mino Azy izy. Ary ireto rahalahiny ara-nofo ireto koa, tsy nino an’i Jesoa ; any amin’ny Jaona 7 :35 milaza an’izany mazava : ireo rahalahiny dia tsy nino Azy nefa mba nahare an’izany fahagagana izany ihany.

Fa misaotra an’Andriamanitra ry havana, ny amin’ny fahasoavany, fa rehefa jerena ny tantaran’i Maria, rehefa jerena ny tantaran’i Maria, dia izy ilay teo am-pototry ny hazo fijaliana, raha nohombohona teo amin’ny hazo fijaliana Jesoa ry havana ; ary taorian’izay, nony maty Jesoa, dia izy mb anaisan’ny niaraka tamin’ireo mpianatra 120 nandeha niara-nivavaka taminy tao amin’ilay efitra avo ry havana o : nivavaka tamin’i Jesoa i Maria, niova tamin’ilay tsy finoany izy ry havana o. Ary anisan’ny rahalahin’i Jesoa ry havana, anisan’ny rahalahin’i Jesoa i Jakoba, izay mba lazaina fa tsy nino Azy koa tamin’ny fahavelon’i Jesoa ; fa taty aoriana izy, lasa lohan’ny Fiangonana, mpitondra ny Fiangonana tao Jerosalema. Ary Jaboka no nanoratra an’ilay hoe Epistily ho an’i Jakoba, izay ao amin’ny Baiboly ry havana o. Ry havana o, sao dia ianao io kristiana any ala-trano io ? Ny mahavariana ahy ry havana, rehefa le mandeha mitoriteny any ivelany ireny, dia amin’ilay fotoanan’ny toriteny, ilay diakona dia ao an-tokotany ao, tena marina ara-bakiteny ilay hoe : ao ala-trano. Dia gaga ny olona rehefa mivavaka ato Isotry Fitiavana : fa maninona hoy izy ny diakona no hanokanana toerana manokana ohatran’izao ? Tsotra hoy aho ny antony tompoko : satria ilay diakona, eo izy vao mba mandre tenin’Andriamanitra, eo izy vao mba miangona, amin’ilay volana maha- service azy, dia eo izy no mba mandre tenin’Andriamanitra. Fa raha mijanona any ala-trano izy, tsisy toriteny vanona ; raha mijanona any ala-trano izy, tsisy fampieritreretana, nefa olona hiara-hitaiza ny Fiangonana amin’ny Mpitandrina. Jesoa eto mampianatra ry havana, ny havany any ala-trano : sao dia ianao ry havana no malaina amin’ireny hoe cellule de prière, étude biblique any amin’ny Fiangonana misy anao ireny ? Miresaka aminareo vahiny satria fantatro fa be vahiny. Fa rehefa vita ny toriteny, rehefa vita ny cellule de prière, rehefa vita ny EB dia miditra ianao, miditra avy any ala-trano. Mety tahaka an’i Maria ianao, mahalala zavatra mahagaga ao amin’ny Baiboly ry havana o, mety tahaka an-dry Jakoba ianao, tena akaiky an’i Jesoa ara-nofo, fa lavitra Azy ara-panahy, satria any ala-trano ianao. Tahaka ny nanovan’ny fahasoavan’Andriamanitra an’i Maria sy ireo rahalahin’i Jesoa ry havana o, izany no ahatongavanao eto amin’izao maraina izao, fa te hanova anao Jesoa, te hanova anao Izy : tsy tiany hitoetra any ala-trano intsony ianao, tsy tiany hitoetra any ala-trano intsony ianao, fa tiany ianao ho mpiditra ao am-piangonana, ho mpihaino Azy, mpipetraka eo an-tongony ry havana.

Ny fahamarinana fahatelo farany an, eo amin’ny and.34 sy 35 « Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko! Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko ». Ny rahalahin’i Jesoa, ny anabavin’i Jesoa : mpanao ny sitrapon’Andriamanitra ry havana o. Alaivo sary ny an-tsaina ny hahatairan’ilay olona nirahin’i Jesoa : izy izany mba ohatrany hoe seriserina sy faly ery hiakatra ety amin’ny pilopitra, hiteny amin’i Jesoa : « ao ala-trano ao ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao ». Mamaly azy Jesoa, mamaly azy tampoka Jesoa : « fa iza no rahalahiko ? Iza no anabaviko ? Iza no reniko ? ». Mety ho gina ihany ilay namana teo an. En plus, hoe Jesoa jiosy ; tena hoe ho an’ny rehetra izany reny sy ankohonana izany, tena hoe sarobidy, fa ho an’ny jiosy izany reny izany tena tokony hajaina fatratra ry havana o ; an an an, reniko ara-nofo ireo, rahalahiko ara-nofo ireo, fa ny tena reniko, ny tena rahalahiko, ny tena anabaviko, dia izay manao ny sitrpon’ny Raiko any an-danitra. Ny olona tena akaiky Ahy indrindra, ny olona tena akaiky Ahy indrindra dia ny olona manao ny sitrapon’ny Raiko any an-danitra. Akaiky Ahy izy ety an-tany, akaiky Ahy izy any an-danitra, satria araka ilay teny efa haintsika tsara hoe : « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra ». Toriteny atao ho an’ny olona te handova ny lanitra izao toriteny izao ry havana o. Ary rehefa mijery Jesoa, ireo hoy Izy, ny rahalahiko sy anabaviko ary reniko : manao ny sitrapon’Andriamanitra. Ireo, ireo, satria ireo no nahafoy ny zavatra rehetra hanarahina Ahy, nahafoy ny zavatra rehetra hanarahana Ahy. Ianao ve efa mba nahatsiaro nahafoy ry havana ? Ankoatra an’ilay fanomezana rakitra mahazatra, efa nahatsiaro nahafoy, nanome fanomezana ianao ka manana endrika sacrifice ho anao iny fanomezana ho an’i Jesoa iny? Izany ny olona hiasan’ny Fanahy Masina ry havana o, izany ny zandry kelin’i Jesoa. Ary iny zavatra hikifiranao iny nefa tsy foinao satria sacrifice, tsy iny anie no hampiditra anao any an-danitra e, tsy iny anie no hampiditra anao any an-danitra e. Izay ilay izy ry havana ; fa ny olona manao ny sitrapon’Andriamanitra, ny rahalahin’i Jesoa, zandrikelin’i Jesoa : faran’izay tsotra : manokatra Baiboly izy, dia izay zavatra vakiany ao an, ka tenenin’i Jesoa, dia ataony. Manokatra Baiboly izy : izay lalana anirahan’i Jesoa azy dia hizorany. Fa tsy be fanontaniana izy hoe : « ka zao ka, ka zao ka, ka zao ka… tsy mety amiko izany ka ». Tsy fomban’ny olona te handova ny lanitra izany ry Fiangonana malala o. Mianara, mianara mamaky Baiboly ry havana, bebe kokoa noho ny tamin’izay lasa izay, hahitanao ao ny projet personnel de vie ho anao. Fa ianao ry havana tsy ahita an’izany sitrapon’Andriamanitra izany ianao raha tsy manokatra Baiboly ; tsy hanambara an’izany Izy. Fa manana programa-na fahasambarana ho anao Andriamanitra ry havana, fa izao : sokafy ny Baiboly dia ankatoavy io Baiboly io. Niresaka an’i Jakoba isika teo, ilay rahalahin’i Jesoa, ilay tsy nino Azy : jereo anie ny zavatra soratany e : Jakoba 1 :22-25 : « Fa aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ ny fitaratra izy; fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’ izay dia hadinony ny tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ ny fahafahana, ka maharitra amin’ izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ ny asany izany olona izany ». Tsy fahateren-tsaina anie ry havana o, tsy fanakanana anao hiaina anie izany hoe : ankatoavy ny tenin’Andriamanitra e. Izany ny laklen’ny fahasambarana hoy Jakoba rahalahin’i Jesoa rehefa nino Azy izy ka nanoratra an’ity Epistily ho an’i Jakoba ity. Sokafy ny Baiboly, diniho ny Baiboly, karohy ao ny sitrapon’Andriamanitra ho anao.

Nahafinaritra ny tenin’ilay rangahy antsoina hoe Livingston, evanjelista nalaza tamin’ny faha-19 taona, anglisy izy io, ary ny saha tena nanirahan’ny Tompo azy an, tany Afrika, any amin’ilay tena hoe faritra maizina, hanjakan’ny aizina ara-panahy indrindra. Dia hoy Livingston rehefa notenenin’ny mpiray tanindrazana taminy, anglisy hoe : fa inona no ataonao aty ? Dia hoy Livingston ry havana: azonao ve, aleoko hoy izy, aty amin’ny fin fond de l’Afrique aty satria izay no sitrapon’Andriamanitra ho ahy, toy izay hoe roi d’Angleterre, nefa tsy sitrapon’Andriamanitra ho ahy izany hoe ho roi d’Angleterre izany. Izany ny olona mitady ny programan’Andriamanitra, programa mahasambatra azy ry havana o. Dia miteny aminao ny Tompo anio : karohy, karohy ao amin’ny Baiboly manomboka izao e, ny programan’Andriamanitra ho anao, ary miomana hankato an’izany programan’Andriamanitra ho anao izany. Ary Izy koa tsy hanambara aminao ilay programa raha fantany hoe manana fo sy toe-po tsy hankatoa akory ianao ry havana o. Fa miandry anao any an-danitra ny Tompo, ary manome anao ny Fanahy Masina Izy hitarika anao amin’ny marina rehetra. Misy an’ilay mpihira izay izao, nalaza be izy izay, efa 75 taona, ilay Julio Iglesias ; nalaza be izy io, dia naditra vehivavy be izy io. Dia nisy lehilahy izy efa nitory azy am-polo taonany maro hoe izaho hoy izy zanak’i Julio Iglesias, fa hoe tsy afaka ni-prouvé izy. Dia tamin’ny farany teo izy an, niverina notsaraina, satria naninona ? Afaka ni-prouvé izy hoe ny ADN-ny, ny ADN-ilay zanaka nitory io izany, mitovy amin’ny ADN zanak’i Julio Iglesias hafa ; hoe tena zanak’i Julio Iglesias izy izany. Ry havana, io Fanahy Masina io no toy ny mametraka ato amiko ato ny ADN-Jesoa Kristy, ary avelao Izy hiasa hampitombo anao isan’andro isan’andro amin’ny fankatoavana, hampitombo anao isan’andro isan’andro amin’ny fanahafana an’i Jesoa Kristy, ho fahasambaranao ety an-tany e, ary ho fahasambaranao mandrakizay amin’ilay segondra hialanao eto amin’ity tany ity.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena               

ALAHADY 02 JON 2019

« Tompo o, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana araka ny teninao ». Lioka 2 :29

Misaotra ny Tompo isika ry havana, fa amin’izao Alahady voalohany handidian’ny Tompo antsika FJKM izao hoe : Meteza fenoin’ny Fanahy Masina, dia ity tantaran’i Simeona, lehilahy tena feno ny Fanahy Masina no omena ho ohatra ho antsika.

Rehefa miteny ny and.25 hoe : « Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona », tsy tena marina ilay dikanteny protestanta ; ny nandikana an’io dia hoe : « nisy olona atao hoe Simeona ». Tsy hoe lehilahy ny any amin’ny teny grika fa hoe anthropos, hoe olombelona. Izany hoe, Simeona eto dia izaho sy ianao, izaho lehilahy, ianao vehivavy koa izany. Ho antsika mianakavy ity hafatra ity fa tsy hoe ho an’ny lehilahy ihany. Simeona eto dia fitaratra ry havana o. Rehefa handre isika ny zavatra rehetra lazaina momba an’i Simeona, ary tsy misy afa-tsy ohatra tsara, dia afaka manontany tena isika mianakavy hoe : ary izaho kosa, izaho kosa, mba manao ahoana ? Izay ilay izy ry havana o.

Fanamarihina voalohany mialohan’ny hidirana amin’ny tena votoatin-kafatra : « Tompo o, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana » : Ilay mpanompo ry havana, natahotra ny misionera nandika ny Baiboly protestanta ; fa raha ny teny grika adika ara-bakiteny : « Tompo o, ankehitriny ny andevonao dia alefanao amin'ny fiadanana ». Ity Lioka 2 :29 ity izany ry havana dia azo lazaina hoe tenin’ny andevo. Ilay toriteny androany, dia hoe : TENIN’NY ANDEVO. Ry Fiangonana o, ry Fiangonana o : MIANARA IANAO TENIN’NY ANDEVO, MIANARA IANAO FITENIN’NY ANDEVO, DIA NY ANDEVON’I JESOA, TAHAKA AN’I SIMEONA ry havana o. Raha te handova ny lanitra ianao, izay ilay ohatra omen’i Simeona hoe : mianara e, mianara fitenin’ny andevo. Fa ny andevo no miteny hoe : « Tompo o, ankehitriny izaho mpanomponao, izaho andevonao, dia alefanao amin'ny fiadananao ». Ry havana o, tsy rehefa maty ilay olona, tsy rehefa mitsitra eto ilay olona vao hivavabavaka ianao hoe : «  mandria am-piadanana ». Izaho ianao, raha te ho any an-danitra ianao, hiditra amin’izany fiadanan’Andriamanitra izany, no mianatra izany fitenin’ny andevo izany. Ary Simeona afaka nanao fitenin’andevo satria manana toe-panahin’ny andevo, manana toe-pon’ny andevo, ary dia afaka miteny hoe : « ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao ». Izany no ahafantarana hoe lehilahy feno ny Fanahy Masina. Mety ho azonao anie io e, hoe hay ve izany no dikan’io hoe resaka andevo io hoe : « ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana » e. Fa jamais ianao hiaina an’izany toe-po sy toe-panahin’ny andevo handova ny lanitra izany raha tsy fenoina ny Fanahy Masina ry havana o.

Izay no hafatra ho antsika : METEZA HO FENOIN’NY FANAHY MASINA ARY ASEHOY IZANY AMIN’NY FAHAIZANAO MITENY FITENIN’NY ANDEVO. RESAKA FITENIN’ANDEVO.

Inona ary ny toetra voalohany asongadin’ny Fanahy Masina amin’ity Simeona ity ry havana ? And. 25 : « Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy ». Lehilahy feno ny Fanahy Masina i Simeona ka lazaina hoe marina, mpivavaka tsara, ary niandry ny fampiononana ny Isiraely, izany hoe niandry an’i Jesoa Kristy. Lehilahy marina : ilay marina eto ry havana dia tsy dia azo voasana satria tsy azo ivalamparana ny fotoana, fa ilay hoe marina ry havana dia faran’izay tsotra : lehilahy tsy mba manao zavatra hafahafa. Lehilahy mahatoky, ka tsy mba manao zavatra hafahafa. Izany i Simeona ary asan’ny Fanahy Masina ao aminy izany. Dia eo isika mandinin-tena : izaho ve eo amin’ny ankohonako, eo amin’ny fiaraha-monina, izaho ve ao amin’ny fitondrana firenena ry havana o, ary izany no ilain’ity firenena ity, izany koa no ilain’ny Fiangonana, lehilahy marina, olona marina, olona mahatoky, tsy manao zavatra hafahafa ? Dia tohizan’ny Soratra Masina ilay filazana momba an’i Simeona hoe mpivavaka tsara. Ilay hoe mpivavaka tsara, tsy ilay olona ohatran’ny sasany hoe fatra-panaraka fombam-pivavahana, non. Fa ilay mpivavaka tsara dia olona tena hoe fatra-pitandrina tsara tsy ho diso eo anatrehan’Andriamanitra. Izany ny olona feno ny Fanahy Masina, ohatran’i Simeona ry havana o. Ary izany ny olona handova ny lanitra. Izay anie ny resaka eto e :  olona manana fitenin’andevo, feno ny Fanahy Masina ka handova ny lanitra. Ary dia hoe, amin’izay atao, hatramin’ny zavatra madinika indrindra, mba tsy ho diso eo anatrehan’Andriamanitra. Marina, tsy manao zavatra hafahafa ; mpivavaka tsara ; mikendry ny tsy hahadiso eo anatrehan’Andriamanitra ; ary farany : miandry ny fampiononana ny Isiraely. Miandry ny fampiononana : ny fampiononana, dia araka izany teny izany dia hoe olona mila ampaherezina, mila ampihononina fa anaty fahoriana. Ny fiainantsika ety ambonin’ny tany dia fiainana tsy ilaozam-pahoriana ry havana o. Ary adalan’izay olona hoe te handeha irery, tsy mila mpampionona, dia Jesoa Kristy izany. Fa maninona no tsindrin’ny Soratra Masina ry havana ity toetran’i Simeona hoe niandry, naharitra niandry, nahavatra niandry ny fampiononana ny Isiraely ? Raha eto amin’ny tantaran’i Simeona eto di efa hoe nambaran’ny mpaminany ombieny ombieny fa ho avy ny Mesia, ho avy Kristy, ho avy ilay fampiononana ny Isiraely, eo Simeona, mandinika ny tantaran’Isiraely izy, 400 taona Andriamanitra nangina, nahakivy an-draolombelona. Nahakivy : aiza ity Andriamanitra ity e ? Aiza izay fanatanterahana ny teny fampanantenana nomeny e ? Fa Simeona ry havana o, naharitra niandry.

Nahafinaritra ilay fanamarihana nataon’ny mpandinika hoe Jesoa io tsy nipoitra poitra fotsiny tamin’izao, fa fanatanterahana faminaniana momba Azy io fahatongavan’i Jesoa io ry havana. Dia hoy ilay mpandinika hoe izany bouddah izany, 500 taona à peu près talohan’i Jesoa Kristy, nipoitra teny izy, raha izay no fitenenana. Izany mahomet izany, raha hoe ny fitenenana 500 taona taorian’i Jesoa Kristy, nipoitra teny izany ; fa Jesoa Kristy nialohavan’ny faminaniana tsy latsaky ny 300 isa fa tsy hoe nipoipoitra teny tahaka an’i bouddah na mahomet ry havana o. Ary dia hoe Simeona nahavatra niandry, nahavatra niandry. Ary rehefa hitany Jesoa tao amin’ny tempoly dia noraisiny.

Izay ry havana ny fahamarinana voalohany, ho an’ny olona hoe feno ny Fanahy Masina : tarihin’ny Fanahy Masina izy ho amin’ny toe-po, toe-panahy marina, mivavaka tsara, ary hoe miandrandra an’i Jesoa amin’ny lafim-piainany rehetra, miandrandra famonjena, miandrandra fampiononana.

Misy olona ato mila an’izany fampiononana izany, niala tany an-trano problema, hiverina any an-trano problema. Ho anao no hitenenan’ny Tompo hoe : Izaho eto hampionona, Izaho eto hampahery.

Ny fahamarinana faharoa momba an’i Simeona ry havana dia izao : and.26 : « Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo ». Tao amin’i Simeona, nitoetra tao aminy. Adino, fa  araka ilay perikopa teo, io Fanahy Masina tao amin’i Simeona io anie ry havana, lazain’i Paoly mazava tsara any amin’ny 1 Korintiana 6 : 19 hoe : « Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo ». Izaho sy ianao, tempolin’ny Fanahy Masina ry havana o. Fa misy olona tsy mahafantatra an’izany. Misy olona tsy mahafantatra hoe araka ny fampianarana tao amin’ny batisa dia hoe efa nasiana tombokase tamin’ny Fanahy Masina : mameno anao izany Fanahy Masina izany, mitarika anao ho amin’izany toetra marina sy ny karazany nolazaina teo izany. Mirakitra hery io ; ary rehefa tsy manana an’izany hery izany ianao tsy hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, na ohatran’iny aza ry havana o. Nahafinaritra ny tenin’ny mpitoriteny anankiray izay milaza ny herin’ny Fanahy Masina, mino aho fa maro amintsika mba tsy ilazana hoe isika rehetra mahafantatra ny tantaran’i Astérix sy Obélix. Obélix mitomany rehefa handeha hiady ry zareo : « za koa mba anona » ; «  an an an, ianao efa latsaka tao, efa mahery ianao », izay ilay izy. Fa ny herin’i Obélix iny, tsy misy dikany eo akaikin’ny herin’ny Fanahy Masina, ary ao aminao, ao amintsika ry havana o, izany herin’ny Fanahy Masina izany mba handehanantsika amin’ny fahamarinana, mba ho mpivavaka tsara, ary dia hoe manantena hanana hery haharetana amin’ny fampiononana.

Ny fahamarinana faharoa, and.26 : ny Fanahy Masina ao amintsika io, ankoatra ilay hoe mampahery, ny zavatra lazaina eto dia hoe miteny Izy ary manambara ny sitrapon’Andriamanitra. Ary tsy manambara ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny ankapobeany, rehefa miteny hoe ny Fanahy Masina miteny, ny Fanahy Masina manambara : manambara ilay sitrapon’Andriamanitra feno fitiavana sy feno fahasoavana amiko manokana ary aminao. Izany ny ohatr’i Simeona eto ry havana o. Ambarany amin’i Simeona ny programan’Andriamanitra manokana ho an’i Simeona. Firy amintsika mpino, firy amintsika kristiana no afaka milaza hoe izao zavatra ataoko izao dia vokatry ny tari-dalana sy ny fanambarana nomen’Andriamanitra ahy, nomen’i Jesoa ahy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ? Firy amintsika ry havana ? Firy amintsika ? Andao anie jerentsika ny Salamo 25 :14 : « Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy ». Rehefa matahotra Azy ianao, rehefa mitady Azy ohatran’i Simeona ianao ry havana, ambarany aminao ny fisainany. Mahafinaritra ilay dikanteny frantsay Segond amin’io, hoe : « la pensée secrète de l’Eternel est pour  ceux qui le craignent ». Fa maninona ry havana no mihazakazaka mijery gazety isika isan’andro ? Liana te hahalala vaovao, bien sûr. Fa inona ilay article hoe imasoan’ny olona indrindra ? Rehefa eo amin’ny titre an’ilay gazety misy hoe ny zava-miafina ao ambadik’izao, ny secret an’io zavatra io. Iny isika liana ahafantatra secret ry havana. « La pensée secrète de l’Eternel est pour  ceux qui le craignent ». Te hiteny aminao anie ny Fanahy Masina isan’andro e, ianao izay efa nasiana tombokase tamin’ny Fanahy Masina e. Fa tsy raharahanao Izy e, ary dia tsy henoinao ny feony. Fa jereo ny nihainoan’i Simeona ny feony ary nanambaran’Andriamanitra tamin’i Simeona programa manokana dia hoe : ianao indray dia tsy hahita fahafatesana raha tsy mahita an’i Kristy. Jereo kely ilay kilalaon-teny eo : ianao indray dia tsy ahita fahafatesana, izay no voalohany, ianao Simeona tsy ahita fahafatesana raha tsy efa mahita an’i Kristy ianao. Ny firariana ho antsika rehefa mba hoe tonga ny fotoana hahafatesantsika, dia ho marina amintsika tsirairay izany : io mpanompon’Andriamanitra maty io indray, maty izy, nahita fahafatesana izy, fa izaho vavolombelona fa efa nahita an’i Kristy io talohan’ny nahafatesany, ary Kristy no vantaniny any an-danitra. Izany ny fanambarana, izany ny fanambarana ry havana, nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina tamin’i Simeona, hoe satria noho ny toe-po sy ny toe-panahinao, dia izao : ampahitako anao Kristy alohan’ny hahafatesanao. Ry Fiangonana o, ataovy vaindohan-draharaha izany hoe hahita an’i Kristy alohan’ny hahafatesanao izany. Tsy miantoka na inona na inona ny maha-diakona, tsy miantoka na inona na inona ny akanjo maha-Pasitera, maha-mpandray, maha-izao sy izao sy izao. Ataovy izay hahitana an’i Kristy ry havana o. Ary tezao ny zanakao e, aza tezaina amin’ny fombam-pivavahana Fjkm, katolika, sy ny karazany : tezao izy hahita an’i Kristy, dia rehefa misaraka ety, azo antoka, any mihaona. Ary ianao io, amin’ny andro ivahiniananao eto amin’ity tany ity, manana message ho anao, manana message ho anao isan’andro isan’andro ny Fanahy Masina ry havana o.

Ny fahamarinana hitantsika teo izany, hoe ny Fanahy Masina mameno, and.25 ; and.26, hoe : ny Fanahy Masina miteny, ny Fanahy Masina manambara. Jerentsika farany ny and.27-29 ry havana. « Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesoa zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny zaza, dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: Tompo o, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao ». Andriamanitra ry havana tsy tahaka ny olombelona ka handainga ; fa izay zavatra teneniny dia efainy, ny zavatra ambarany dia tanterahiny. Ary jereo tsara : raisiny an-tanana ilay fiainan’ny mpanompo hitenenany mba hahazoana manatanteraka ilay teny fikasana. And.27 : nentin’ny Fanahy Masina niditra tao amin’ny tempoly i Simeona satria Maria sy Josefa nitondra an’i Jesosy tao ; dia iny koa ny Fanahy Masina niteny tamin’i Simeona : andao ianao, amin’izao ora izao, amin’izao minitra izao, ho any amin’ny tempoly hahazahoan’ny Tompo manatanteraka ny teny fikasana nomeny anao hoe : ianao indray dia tsy hahita fahafatesana raha tsy mahita an’i Kristy. Izay ilay fitondran’Andriamanitra mahagaga, ary mahantra mihitsy isika kristiana izay hoe mivelona, mino, manompo tsy miaraka amin’ny fomban’ny Fanahy Masina ry havana o, nefa efa mba ao anatinao ihany ange e, araka ny tenin’ny Apostoly Paoly teo e, ny  Fanahy Masina e, manatanteraka ny programany Andriamanitra, dia tarihiny any amin’ny toerana hanatanterahiny an’izany Simeona ry havana o. Ary dia voalaza teo : ny Fanahy Masina rehefa mitarika anao, dia mitarika ho any am-piangonana. Ny Fanahy Masina no nitarika anao ato am-piangonana androany ry havana o, ny Fanahy Masina. Ary ny Fanahy Masina koa no mbola te hitarika anao aty am-piangonana amin’ny heriny anio, amin’ny tapa-bolana, amin’ny roa tokom-bolana. Ary milaza aminareo aho, eo anatrehan’ny Tompo, ianareo izay tsy mpiditra am-piangonana, fa izay toerana alehanareo, na aiza na aiza ka tsy aty am-piangonana rehefa Alahady maraina, tsy fitarihin’ny Fanahy Masina izany, tsy ny Fanahy Masina no mitondra anareo any amin’izany toerana izany ; ary mieritrereta ry havana o, fa tsy morale izany, na hoe faneriterena anao izany, fa teny atao amin’ny olona mianatra ny fitenin’ny andevo hoe: « Fanahy Masina o, tariho aho fa izaho rehefa tarihinao dia tiako hotarihinao any an-danitra » ry havana o. Meteza, meteza, meteza ho tarihin’ny Fanahy Masina.

Ary Simeona ry havana, feno ny Fanahy Masina, hitenenan’ny Fanahy Masina, tantanan’ny Fanahy Masina, dia lehilahy, olon’ny vavaka.  Olon’ny vavaka. Vavaky ny andevo, tenin’ny andevo ity Lioka 2 :29 ity. Mianara ny vavaky ny andevo, ary mianara vavaka tsotra izao fotsiny ry havana. Mampieritreritra, misy Université tany Etats-Unis tany, dia nanao expérience, lazaina, fa scientifique moa ilay izy. Hoy izy hoe : any amin-dry zareo Amerikana moa izany, fa mety tsy mifankaiza amin’izany isika malagasy izany, hoy izy hoe à peu près hoy izy an, na ny lahy na ny vavy, 16.000mots isan’andro no avoakan’io vavantsika io. Dia tsy lavina hoy izy fa ny an’ny vehivavy bebe kely kokoa noho izay, fa ny an’ny lehilahy eo amin’ny 16.000 eo. Ok, fa tsy izay no zava-dehibe. Fa ilay fanontaniana ry havana rehefa mamaky zavatra ohatran’izany ianao, dia afaka manontany tena ianao hoe : amin’ireo 16.000mots avoakan’ny vavanao ireo, firy mots no manana endrika vavaka ? Firy mots no manana endrika vavaka ry havana o ? Ary meloka isika mianakavy, manomboka amin’i Pasitera voalohany indrindra. Ny Fanahy Masina anie hitarika antsika e, hanome antsika an’izany hoe fanahin’ny vavaka izany. Ka ho marina amintsika ny tenin’ny Apostoly Paoly any amin’ny Filipiana 4 :6, teny mamy loatra ; atoro antsika ilay fiainana kristiana, omena fitaovana isika, ny Fanahy Masina, fa tsy raharahantsika izany e. Filipiana 4 :6 : « Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra ». Aoka ny fivavahana, aoka ny fifonana, aoka ny fisaorana no entinareo mangataka amin’Andriaman itra ry havana o. Miandry Andriamanitra, miandry Andriamanitra. Manongilan-tsofina Andriamanitra, miandry anao feno ny Fanahy Masina Izy hoe hanandratra vavaka, hanandratra fifonana noho ny fahalainana mivavaka, hanandratra fisaorana noho ny valim-bavaka. Miandy anao Izy, miandry anao Izy ; capable miteny 16.000mots par jour ianao, fa ny ankamaroantsika, mba tsy hitenenana hoe isika mianakavy, dia moana vavaka ry havana o. Tian’ny Tompo ovaina izany ; tian’ny Tompo ovaina izany.

Faranana ry havana izao hafatra izao : mahavariana ry havana ity tenin’i Simeona ity, « Tompo o, ankehitriny » ; ankehitriny satria izaho efa nahita an’i Kristy, ary tsy vitan’ny hoe nahita an’i Kristy tao am-piangonana fotsiny, fa nihazona Azy. Izay manko ny ankamaroan’ny olona : tonga miangona izy, mety mahita an’i Kristy izy, fa tsy mandray Azy ao am-pony ry havana o. Tsy mandray Azy izy amin’ny alalan’ny batisa, mangatak’andro izy hanaovana katekomena sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo sy ny tahaka an’izany. Fa hoe : ankehitriny aho, hoy Simeona, efa nahita ny fahatanterahan’ny teninao, dia ny nahitako an’i Kristy mpamonjy, ankehitriny izaho mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana ; ary ilay « alefa » eto, mahavariana ilay teny grika, ilay « alefa » hoe : « délier ». Délier izany, ohatrany hoe mi-délié fatorana kiraro,  mamaha fatotra. Fa nofatorana tamin’inona ry havana ? Tamin’izay namatopatotra antsika tety an-tany, ny zava-mahafinaritra, ny harena be antsika io, ny harena kelintsika io, ny trano be antsika io, ny trano bongontsika io : mamatotra ny fontsika amin’ity tany ity izany e. Fa izao hoe Simeona : misaotra anao aho Ray o, nampahitana an’i Kristy, novahanao aho ankehitriny amin’izany fatorana izany ; tsy misy na inona na inona mamatotra ahy intsony eto amin’ity tany ity, foiko ny zavatra rehetra eto amin’ity tany ity, miandrandra ny tsara lavitra aho, miandrandra izay hahazoako tombony aho, ary efa vonona ho amin’izany aho.

Tsindrina ry havana, satria malagasy fatra-patahotra fahafatesana no hitoriana teny : mianara ry havana o, ny vavaky ny andevo ohatran’i Simeona, ny vavaky ny andevo izay mandova ny lanitra, dia aoka izay ity fitondran-tena adala nenti-paharazana : aoka izay ity hoe mandeha misasasasa ity, aoka izay ity mandika afo ity rehefa avy mandevina, aoka izay ity hoe ny fasanay tsy azo sokafana alohan’ny amin’ny 03 ; fitondran-tena nenti-paharazana ary tsy fomban’ny andevo manantena ny lanitra. Ary tian’ny Tompo ianao matoa teneniny mafy ohatran’izany androany ry havana o. Te hanafaka anao amin’izany ny Tompo, te hanafaka anao amin’izany ; ary dia enga anie isika mianakavy hahita ny Tompo amin’izao maraina izao ary ho tafahoana marina Aminy, dia Izy ilay miteny hoe : « Ny programako ho anao rehefa miala ety ianao, dia ny ho anilako mandrakizay ao an-tranoko » ; fa efa nanamboaran’i Jesoa fitoerana ho amin’izany ianao. Enga anie ka ho izany isika rehetra ary dia ataontsika vaindohan-draharaha manomboka anio ry havana, izany hoe ho fenoin’ny Fanahy Masina izany. Angataho e, angataho e : « Ray o, mifoha maraina aho izao, dia mangataka Aminao, zavatra tsy nataoko hatramin’izany : fenoy aho e, fenoy aho e, fenoy aho e, fenoy ny Fanahy Masina aho e ; ampaherezo aho isan’andro, fantatrao ny programme-ny journée-ko, ao ny fantatro, ao ny fantatrao izay hitarihinao ahy ; omeo tari-dalana aho, omeo fanambarana aho tahaka ny nanomezanao fanambarana an’i Simeona, ary dia aoka ahafantatra mazava aho hoe eo amin’ny fanatrehanao ao anatin’ny andro manontolo, ka rehefa tonga, tahaka ny an’i Simeona, ny andro hialako ety, dia ho eo amin’ny fanatrehanao mandrakizay aho ».

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena