ALAHADY 28 MARS 2021
Zakaria 9. Raha fintinina ry havana ny hafatra ho antsika anio, dia hoe : MIANARA MIJERY NY ANKEHITRININAO, NY ANIO IZANY ; SADY MIJERY NY MANDRAKIZAY-NAO. Misy fijery anankiroa atambatra eo izany. Ny zavatra jerena anankiroa atambatra, hoe : MIANARA MIJERY NY ANKEHITRININAO, NY ANIO-NAO SADY MIJERY IHANY KOA NY MANDRAKIZAY-NAO.
Raha mijery an’ireny hoe, ohatra hoe fampiasana écran-na ordinateur ireny, raha mampiasa hoe word izao, dia misy fotoana hoe partagé-na ilay écran fa misy documents anankiroa tianao iarahana mijery, comparer-na. Ohatran’izay : sady mijery ny ankavia no mijery ny ankavanana ; sady mijery ny anio-nao no mijery ny mandrakizay-nao. Indraindray ny mpampianatra mibedy ankizy ao an-dakilasy fa eo ny vataben’ilay ankizy, fa hitany ilay sainy lasa am-binany any an’anona any. Sady eo izy no lasa any an’anona any. Izay ilay hoe sady mijery ny ankehitrininao, ny anio-nao no sady mijery ny mandrakizay-nao. Izany no ampianarin’i Zakaria antsika ry havana. Andeha ange iarahantsika mamaky ny Zakaria 9 :9 : « Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy ; manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy ; indro ny Mpanjakanao avy ho anao ; marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky dia zana-boriky tanora ». Io, eo izany Zakaria misaina ny ankehitrinin’ny Zanak’Isiraely izay vao avy nampodiana avy amin’ny sesi-tany tany Babylona. Izay ilay ankehitriny. Fa eto amin’ny and.9 izy, tsy mivalapatra amin’ny ankehitriny fa mijery ny ho avy sahady izy, dia ny fiavian’i Jesoa Kristy, Ilay Mesia mitaingina zana-boriky. Eo izy, nefa tonga dia miteny amin’ireto Zanak’Isiraely vao novonjena ireto, hoe : jereo, banjino ny Mesia. And.10 : « Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, na soavaly any Jerosalema, hofoanana koa ny tsipika fiadiana, ary hiteny fiadanana amin’ny jentilisa Izy ; ny fanapahany dia hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany ». Eo indray izy dia milaza ny mandrakizay, ilay fiverenan’i Jesoa faharoa amin-kery sy amim-boninahitra. Eo izy misaina ilay présent, mijery ny ho avy dia ny fiavian’ny Mesia ary mijery sahady koa ilay fiverenan’i Jesoa faharoa. Izay ity zavatra ity ry havana ô. Ary izay no mapianarin’ny Tompo antsika Fiangonana amin’izao fotoana izao, ary rehefa dinihina, dia hatramin’i Pasitera ary tsy mbola zatra an’izany hoe : sady saino ny ankehitrinonao, no saino ny ho avinao. Ny maha-samy hafa antsika amin’i Jeremia ; izy misaina ny ankehitriny, hita izany eo amin’ilay texte, dia milaza ny fiavian’ny Mesia, ary milaza ny fiverenany indray. Isika efa mahita ny fiavian’ny Mesia. Donc isika tsy misaina ny fiavian’ny Mesia intsony an, fa misaina ilay fiverenany faharoa. Izay ilay toriteny androany : MIANARA MISAINA NY ANKEHITRININAO ARY MISAINA EO NOHO EO KOA IZANY MANDRAKIZAY-NAO IZANY.
Andao isika hivadika any amin’ny Matio ary. Matio mantsy fanatanterahana ny Zakaria. Matio 21 :5 : « Lazao amin’i Ziona zanakavavy : Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zanaky ny boriky miasa ». Raha mahare an’ilay hoe boriky, zana-boriky isika, iny ao anaty faminanian’i Zakaria. Dia tanteraka 2000taona lasa ny faminanian’i Zakaria. Zakaria en 500avant Jésus Christ no maminany ; dia tanteraka izany tamin’ny taona nahaterahan’i Jesoa, tamin’ny nahatongavan’i Jesoa voalohany 2000taona lasa izay. Izay izany io : faminanian’i Zakaria no tanteraka eto ity.
Fa rehefa nandinika ry havana, dia misy zavatra ohatran’izao mahavariana ny amin’ity faminaniana momba ny fahatongavan’i Jesoa ity: sokafy anie ny Baibloninareo ao amin’ny Daniela 9 :25-26 milaza koa ny fiavian’i Jesoa, ary milaza ihany koa ny fahafatesany. Daniela 9 :25-26 : tena mampieritreritra, mampitolagaga ny fahefan’Andriamanitra mihazona ny zavatra rehetra eo am-pelatanany ; tsy anio ihany fa hatramin’izay ka rahatrizay. Daniela 9 :25-26 : « Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ ny hivoahan’ ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’ i Jerosalema ka hatramin’ i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin’ izay andro mampahory. Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana ». Faminaniana momba ny Mesia io ry havana. Ary misy précision hoe rehefa afaka ilay herinandro fito ampiana herinandro roa amby enim-polo ; herinandro sivy amby enim-polo izany, ny tena mahavariana dia izao : entre ny fotoana, ny didy ivoahan’ny hoe anamboarana an’i Jerosalema sy ny fotoana hamonoana ny Mesia, hoy Daniela, dia misy sivy amby enim-polo herinandro. Io sivy amby enim-polo herinandro io dia hoe sivy amby enim-polo herinandro natao 69*7ans = 483ans. Dia nandinika ilay mpandinika anankiray izay, 483ans, dia hoe : ça fait 173.880 jours. Dia ny tena mahavariana, hoy ilay mpandinika : entre ilay fotoana 05 Mars 544 namoahana ny didy anorenana andray an’i Jerosalema sy ny 03 Avril 33 namonoana an’i Mesia, ilay novinanian’i Daniela izany, il se passe exactement 173.880 jours. Somary compliqué kely ilay izy, fa azonareo angamba ilay précision an’ilay calcul, ilay faminanina’ilay prophète Daniel hoe entre ilay fotoana namoahana ny didy anorenana indray an’i Jerosalema sy ny fotoana amonoana ny Mesia dia misy 173.880 jours.
Inona moa no tena tiana iaviana ry havana ? Ry havana ô, ry Zakaria miteny amin’ny Zanak’Isiraely hoe ho avy ny Mesia. Isika nahita ny fahatanterahany, isika nahita ny précision an’ilay fahatanterahana. Ny fanontaniana apetraky ny Tompo aminao e : dia hanao ohatran’ireo vahoaka tao Jerosalema ireo ve ianao ankehitriny ry havana ô : tsy handray au sérieux ny Mesia ? Hanao ohatran’ireo ve ianao ? Ireo ange mbola nanana fisalasalana e. Tonga Jesoa hiakatra ho any Jerosalema amin’ny intronisation-ny e, fa nisalasala hoe : « iza moa izao e ? ». Isika efa mahita hoe tanteraka ilay faminaniana, tsy anganoangano io ; dia ahoana ? Hanao ohatran’ireo vahoaka tao Jerosalema ve ianao hiteny hoe : Hosana, Hosana nefa hoe andro vitsivitsy avy eo : Homboy ? Tonga amintsika izany teny izany satria tsy tian’ny Tompo ho very isika e. Ary ohatran’ny vahoaka tao Jerosalema ve isika, ry havana, hanao hoe : vonjeo ; izany mantsy ny dikan’ny hoe Hosana ; Vonjeo, vonjeo anaty fizahan-toetra sy fahasahiranana ; hitady vonjy any an-kafa ; ka tapi-dalan-kaleha vao hoe Pasitera, ento am-bavaka fa manana problema. Fantatrao ve ny rigueur-n’ilay prophétie sy ilay accomplissement-ny ? Capable ve ianao tena hanaisotra ny akanjonao ohatran’ilay vahoaka tao Jerosalema, fa hanaisotra azy amin’ny fonao, hoe : hanafoana ny maha-izy anao. Ny akanjo anie no ahafantarana e, sy anehoana ny maha-izy anao e ! Tena vonona hanafoana ny tenanao ve ianao sa vao voadona kely dia hoe : « io indray ilay tsy fitiavana », « ataoko mahalala ny anarako iny fa izaho no mba ataony an’izany ». Ny sasany ratsan-kazo no nahahany teny an-dalana, napetrany teny amin’ny tany, satria araka ilay fomba jiosy tamin’izany, amin’ny fetin’ny tabernakely, ireny ratsan-kazo ireny no alaina dia hoe matory any anaty tente na tente-na ratsan-kazo, ahitana ny lanitra, ahatsiarovana hoe ny lanitra no tena fitodiana farany, fa fandalovana ety an-tany. Hainao Tsianjery ry Isotry Fitiavana ô, izany hoe destination finale izany ; fa tena hoe sady misaina ny anio-nao ve ianao, no misaina ny mandrakizay-nao ka tsy hanao hoe : « Homboy, homboy » rehefa avy nanao hoe « Hosana, Hosana » ?
Izay ny Fahamarinana 1 ampianarin’i Zakaria antsika. Eo ary fa tonga ilay Mesia, nampanantenain’i Zakaria : raisinao au sérieux ve io, sa mbola hoe hoderainao sy hankalazainao ara-pombam-pivavahana ?
Hoy isika hoe : misaina ny anio ery misaina ny mandrakizay. Eto izany dia tena marina rehefa dinihina izany. Satria araka ny tenin’i Zakaria, io Mesia izay tonga 2000 taona lasa io, dia mbola hiverina indray. Jerentsika ange ny Apokalypsy e. Zakaria 9 :10 milaza fa hoe ho avy fanindroany Izy. Apokalypsy 3 miteny Jesoa eo amin’ny and.11 : « Ho avy faingana Aho ». Izay ilay hoe sady misaina ny ankehitrininao, misaina ilay mandrakizay-nao, ka manao hoe : « ah, manana problema aho androany an, izao ny asako an, izao ny devoir-ko an, izao ny baccalauréat omaniko an ; fa attention : misaina ny mandrakizay-ko aho hoe : Jesoa miteny hoe : « Ho avy faingana Aho ». Ity tsisy calcul ohatran’ilay natao teo intsony. Fa inona no dikan’izany hoe : « Ho avy faingana Aho » ? Ho avy à tout moment Aho, ary aoka ianao ho vonona mandrakariva ry havana ô. Sao ianao mieritreritra hoe : io mbola afaka 173.000 jours indray e, io mbola afaka 2000 taona indray e. Ry havana ô, miteny aminao ny Tompo hoe : « Ho avy Aho, ary ho avy faingana Aho ». Izay ny hafatra ho antsika : Saino ny ankehitrininao ary ataovy ao an-tsainao koa hoe ho avy faingana Jesoa, dia hiova ny finoanao ry havana ô. Tsy possible ny tsy hiova ny finoanao. Fa raha finoana misaina ny ankehitriny ihany, an an an : mahantra indrindra isika.
Dia ahoana ary ny hafatra ho antsika izay hoe misaina izany mandrakizay izany, ho sahala amin’ny hoe réalité efa tena iainana sy sainina izany ? Mahafinaritra be ilay teny lazain’i Jesoa ao amin’ny Apokalypsy 3. Andao iarahantsika mamaky, Apokalypsy 3 :12 : « Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitro. Io tempolin’Andriamanitro io, ao amin’ny Apokalypsy 3 tsy ny tempolin’Andriamanitra ao Jerosalema intsony, fa milaza ilay Jerosalema Vaovao. Jerosalema Vaovao io antsoina hoe tempolin’Andriamanitra io. Izany hoe miresaka an’i Jerosalema Vaovao. Izany hoe izaho izany anio tenenina hoe : sady misaina ianao Solofo ny fiainanao androany 28 Mars, fa saino en même temps Jerosalema Vaovao. Jerentsika ny Galatiana 4 :26. Ny Apostoly Paoly no mampianatra ny Jerosalema any ambony: « Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika ». Io no tiana aseho ny Fiangonana. Jerosalema Vaovao eto dia antsoin’ny Apostoly Paoly hoe « renintsika ».
Miverina any amin’ny Apokalypsy 3 :12-13 : « Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran’ Andriamanitro sy ny anaran’ ny tanànan’ Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’ Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao ». Rehefa any izany Jesoa hanambara amintsika ny anarany vaovao. « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana ». Ho an’ny olona izay sady misaina ny ankehitriny, misaina ny mandrakizay : misaina isan’andro isan’andro izy an’i Jerosalema Vaovao. Ary ao Jerosalema Vaovao dia hoe, misy anarana 3 ho soratana eo aminy. Misy anarana 3 ho soratana eo aminy :
- Ny anarana voalohany dia ny anaran’ny Andriamanitro : Andriamanitra Raintsika izany.
- Ary ny anarana faharoa dia ny anaran’ny tanànan’Andriamanitra, dia Jerosalema Vaovao. Dia araka ny Galatiana 4 :26, iza ilay Jerosalema Vaovao ? Renintsika.
- Soratana ao ny anaran’ny Raintsika, soratana ao ny anaran’ny renintsika ; ary soratana ao ny anaran’i Jesoa vaovao, ilay rahalahintsika ?
Saino izany dieny izao. Saino izany dieny izao ry havana ô. Saino izany dieny izao.
Mandinika ny fiainanareo tanora aho, dia ianareo manao an’itony tennis tony izany. Dia malaza be ilay marque, hitako mbola maro ny manao ny « Adidas ». Dia amin’ilay « Adidas », ilay marque 3 bandes moa izany. Izay ilay « Adidas » ; misy an’ireny Stan Smith ireny. Dia izao rehefa manao Stan Smith : rehefa mahita an’ilay « Adidas » avec 3 bandes ; dia hoe : « izaho tsy manana Adidas, izaho tsy manana Stan Smith ; fa izaho miomana ho soratana ao amiko ny anarana anankitelo, dia :
- Ny anaran’Andriamanitra Raiko
- Ny anaran’ny Reniko
- Ny anaran’i Jesoa rahalahiko
Saino ny ankehitrininao e ary saino ny mandrakizay-nao any Jerosalema Vaovao dia hiova, na iza na iza ianao, hiova ny finoanao. Iza no mampanantena an’izany ? Apokalypsy 3 :7 : « Izao no lazain’ izay masina, Izay marina ». Ilay masina, no Tomponao sy Mpamonjinao ; Izy hanamasina anao dia ho masina ianao ry havana ô hiditra any amin’izany tanàna masina izany. Izy marina, Izy marina hanamarina anao ary dia tsy slogan fotsiny ilay 3 bandes, tsy slogan fotsiny ilay anarana anankitelo ; fa tena hoe réalité hanananao satria Andriamanitra tsy mba manao fampanantenana pôkaty, fa tena hisy izany. Tena hisy.
Ary izao : tsy fantatro marina hoe aiza no ho soratany ; fa ho soratany. Tsy tena miteny Izy hoe : ho soratako eo amin’ny andriny, fa hoe : ho soratako eo aminy ireo anarana anankitelo ireo. Izaho milaza aminao, fa raha feno tatouage io hoditra io, tsisy hanoratana ny anarana anankitelo eo an. Sahirana eo ianao, sahirana eo.
Mamarana isika, Zakaria 9 ; miverina kely any amin’ny Zakaria isika. Bon, izay natao tamin’ny tsy fahalalana : hifony. Fa ampy izay e, ampy izay. Izay ilay izy. Fa sao dia manahaka izao adala sy hendry mipoitra amin’ny télé izao : fomban’adala izany.
Mamarana ilay faminaniana Zakaria. Hoy isika hoe misaina ny ankehitriny izy, misaina ny ho avy izy, ary misaina ny mandrakizay izy. Raha ny marina, mamarana ilay prophétie izy eto amin’ny and.11 : misaina ny ankehitrinin’i Joda izany. Zakaria 9 :11 : « Ny aminao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao no efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano ». Io izy vao miresaka an’i Joda, hoe ianao ange ka vita fanekena tamin’ny rà e. Izany no nahatonga Ahy hamoaka anao avy any an-tsesi-tany tany Babylona : vita fanekena ianao. Ary satria vita fanekena ianao, nivadika tamin’ny fanekena ianao ; dia Izaho efa niteny hoe alefako 70 taona ianao hanompo an’i Babylona ; avy eo ho vangiako ianao afaka 70 taona dia ampodiako indray, satria ianao veita fanekena Amiko. Izay ilay izy. Dia ahoana ny filzan’i Zakaria an’ilay fiainana tany Babylona ? Hoy izy eo amin’ny and.11 hoe : « Ny aminao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao no efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano ». Ny fiainan’i Joda, ny fiainan’ny Zanak’Isiraely tany Babylona, dia toy ny tany an-davaka. Toy ny tany an-davaka. Efa milaza ny haratsian’ny fiainana izany. Fa mbola ataony hoe : any an-davaka tsy misy rano.
Eo isika mieritreritra ry havana ô, isika izay mieritreritra ny ankehitrinintsika sady misaina ny mandrakizay : mampandinin-tena anao ny Tompo : jereo ihany, jereo ihany fa sao dia ianao io manana fiainana any an-davaka anio 28 Mars 2021, any an-davaka tsy misy rano.
Jeremia naminany ny sesi-tany, Jeremia nilaza hoe 70 taona io ; dia inona no tenenin’i Jeremia ? Andao ange jerentsika ny Jeremia 2 e ; sao dia marina aminao izao tenin’i Jeremia izao ry havana, tamin’ny taranak’Isiraely, Jeremia 2 :13 : « Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ny oloko : efa nahafoy Ahy loharanon’aina izy, ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano ». Nahafoy an’Andriamanitra izy, iray izay ; nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany izy, nefa famorian-drano tsy mahatana rano. Maty antoka ianao : any anaty lavaka tsy misy rano ny fiainanao satria mpandala fombam-pivavahana ianao, izay no ataonao eto ; tsy miaina tahaka ny lehilahy na vehivavy vita fanekena tamin’ny ràn’i Jesosy marina ianao ry havana ô, dia any anaty lavaka tsy misy rano ny fiainanao.
Farany, Hagay 1. Hagay niara-naminany tamin’ny 520 tamin’i Zakaria. Tena mitovy mihitsy izany ilay contexte haminaniany. Izany no hakana ny Hagay ry havana. Ahoana hoy Hagay eo amin’ny and.6 milaza an’ilay fiainan’ilay olona any an-davaka tsy misy rano ry havana ô? «Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina : mihinana ianareo, nefa tsy voky ; misotro ianareo, nefa tsy afa-po ; mitafy ianareo, nefa tsy mafana ; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka ». Tia anao ny Tompo, tia anao ny Tompo. Ary izany no anaovany aminao teny mahitsy, teny hentitra ohatran’izany. Ny zanaka tiana no anarina sy faizina. Mbola fitiavany anao no ampandalovany anao any anaty lavaka tsy misy rano izany ry havana ô. Fa miteny aminao Izy : vangiako ny fonao amin’izao maraina izao, ary tahaka ny nampodiako ny Zanak’Isiraely avy any Babylona, no tiako hampodiana anao eo an-tanako amin’izao maraina izao. Ary hanamarina Izaho sy ianao fa vita fanekena tamin’ny ràn’ny fanekena vaovao ianao. Ary ny programako ho anao dia fiainana be dia be, fa efa hoe homaniko ho anao sahady ny anarana anankitelo any Jerosalema Vaovao.
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena
ALAHADY 21 MARS 2021 – FIDIRANA FAHA2
Sokafantsika ny Baibolintsika ao amin’ny Lioka 8 ry havana ; ilay fanoharana momba ny voa nafafy. Ilay voa tsara nafafy : ny tenin’Andriamanitra io izany e. Ny Apostoly Paoly dia miteny hoe : « Fa ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana ». Supposé-n’ny Tompo ry havana isika voriany eto amin’izao maraina izao fa manana finoana, manana fanantenana, manana fitiavana. Fa ny hafatra amin’izao maraina izao, ny fanontaniana amin’izao maraina izao dia izao : JEREO IHANY SAO DIA MARARY NY FINOANAO – JEREO IHANY SAO DIA MARARY NY FANANTENANAO – JEREO IHANY SAO DIA MARARY NY FITIAVANAO. Ka finoana, fanantenana, fitiavana tsy hidirana any an-danitra. Maty antoka mandrakizay ianao ary alohan’ny hoe fahafatesan’antoka mandrakizay : pôkaty ny fiainanao ety an-tany.
Manontany anao ny Tompo hoe : manam-pinoana ianao, fa sao dia finoana marary izany ? Jerentsika ny and.11-12 : « Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin’ Andriamanitra. Ireo teny amoron-dàlana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena ». Eo aloa izany ilay resaka finoana.
Ny finoana ry havana, ny finoana, dia avy amin’ny toriteny, hoy ilay tsianjery efa nianarantsika tamin’ny fotoan’andro. Ary ny toriteny kosa dia avy amin’ny tenin’i Kristy. Ohatra izao izany Pasitera, mpitondra fivavahana, dia mitondra ny tenin’i Kristy rehefa Alahady. Ary iny teny iny dia hoe apetraky ny Tompo ao am-pon’ilay mpihaino, raha mety izy. Raha mety izy. Fa rehefa tsy mety izy ry havana, rehefa tsy mety izy, dia io ilay ety am-boalohany, hoe : misy teny voafafy eny amoron-dalana. Maninona no eny amoron-dalana fa tsy eo afovoan’ny lalana ? Satria izaho mandray azy, dia tsy tiako eo afovoan’ny lalako ilay teny. Tsy tiako eo afovoan’ny fiainako ilay teny. Fa tsy mampaninona ahy izy eo amin’ny lalako, fa eny amoron-dalana. Dia inona ny zavatra mitranga ? Ny zavatra mitranga dia: avy ny voron-kely, io moa ilay hoe devoly, satria izay ilay sary ; avy ilay voron-kely an, dia tsaingohin’ilay voron-kely ilay izy, en fait, ampiasain’ny devoly ilay voron-kely hitsaingoka an’ilay izy. Ahoana hoy Jesoa ? « manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena ». Izay ny anton’ilay finoana ry havana ô : finoana miteraka famonjena. Finoana miteraka famonjena. Satria manao ny asany ilay tenin’Andriamanitra ao am-ponao. Ny tenin’Andriamanitra ry havana afaka miasa, fa tsy ohatran’ny teny hafa vakiana amin’ny boky ireny. Satria maninona ? Ny tenin’Andriamanitra velona, manana hery, herin’ny fiainana. Indraindray isika mankany amin’ny dokotera dia teneniny hoe : « ity no tandremo an. Ity ny hariva no hohanina ity fanafody ity an ; fa io raha vao mihinana an’io ianao, avy hatrany dia te hatory be mihitsy. Tandremo raha mitondra tômôbile mihinankinana an’io ». Misy hery ao amin’ilay fanafody. Misy hery ao amin’ilay tenin’Andriamanitra miteraka anao indray ho zanak’Andriamanitra, miteraka anao ho olona voavonjy. Ary miteraka anao hanana fifandraisana velona amin’ilay Andriamanitra velona. Izany ny olona manana finoana marina ry havana ô.
Ianao no mahalala sao dia marary ny finoanao. Ka rehefa marary ilay finoana, dia tsy tena finoana mamonjy mampiditra any an-danitra ilay izy, fa finoana manana endrika fombam-pivavahana. Possible ianao tsy voavonjy an, nefa tsy mi-rate any am-piangonana isan’Alahady an, manana ny place réservée-nao, sy ny karazany! Izay ilay finoana maratra izay ry havana. Satria maninona ? Maratra ilay finoana : tsy nataonao au centre-ny fiainanao ilay tenin’Andriamanitra, fa nataonao tery amoron-dalana. Safidinao izany.
Nahafinaritra ahy ilay teny-na mpanompon’Andriamanitra anankiray izay. Hoy izy : « Si le Christ n’est pas le centre de tout, Il n’est pas centre du tout ». Raha miteny ianao hoe : an an an, izaho Pasitera mihaino ny teninao, dia izaho afaka mijoro vavolombelona an : centre-ny fiainako Izy an. Fa izao kosa aloa : ny amin’ny volako izany, tsy centre-ny volako Izy. Ny amin’ny fomba fiakanjoko, tsy centre-ny fomba fiakanjoko Izy an. « Si le Christ n’est pas le centre de tout, Il n’est pas centre du tout. Si le Christ n’est pas le Seigneur de tout, Il n’est pas Seigneur du tout ». JEREO RY HAVANA O, JEREO SAO DIA MARARY NY FINOANAO. Fa ny finoana salama, ny finoana velona ihany no mampiditra antsika any an-danitra ka hanantenantsika fihaonana amin’Ilay Andriamanitra velona, fihaonana sy fiaraha-monina mandrakizay.
Izay ary ny Fahamarinana 1, hoe : JEREO NY FINOANAO SAO DIA FINOANA MARARY.
Ny Fahamarinana 2 dia izao : JEREO INDRAY KOA NY FANANTENANAO SAO DIA FANANTENANA MARARY, UNE ESPERANCE MALADE OU UNE ESPERANCE BLESSEE.
Fanantenana tsy ahafantaranao fa manana ho avy ianao, fanantenana tsy ahafantaranao fa manana ho avy mandrakizay ianao, raha marary ny fanantenanao ry havana. Ahoana indray ilay olona hoe manana fanantenana marary ? Eo amin’ny and.13 amin’ity perikopantsika ity : misy teny izany nafafy ambonin’ny vatolampy.
Ilay voalohany : nafafy teny amoron-dalana ; ilay karazany faharoa : nafafy teny ambonin’ny vatolampy. « Ireo teny ambonin’ ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin’ ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin’ izay andro isehoan’ ny fakam-panahy (na fizahan-toetra) dia mihemotra izy ». Amin’ny andro izay isehoan’ny fizahan-toetra, na ny fakam-panahy dia mihemotra izy. Satria maninona ? Tsy manantena Mpamonjy izy ry havana ô. Tsy manantena Mpamonjy izy.
Mahavariana ity ohatra ity : teny ambony vatolampy. Io vatolampy io ry havana, io vato be io, dia ny foko io, sy ny fonao. Dia mandeha ohatran’izao, mitoriteny ohatran’izao ny Pasitera, y mpitondra fivavahana, dia ilay teny apetrany ao am-po, fa ilay fo : vatolampy. Ilay fo : vatolampy. Io tenin’Andriamanitra io, raha ny filazan’i Jeremia, dia toy ny kanota, marteau ngeza be, natao hanapotika vato ry havana ô. Fa maro amintsika, mihaino ny tenin’Andriamanitra : « henoy any izany ry hazon-damosina e », « tsy ianao no hampianatra an’izany fa efa haiko izany e», « izaho manana ny finoako e », « izaho manana ny fanantenako e ». Mandinia tena ihany, sao dia ianao io tenenin’i Jesoa io hoe : eny e, fantatro tsara ianao ; fa ianao ilay kristiana manana fo vatolampy. Dia ahoana ny ahafantarana hoe manana fo vatolampy ? ianao anie no maty antoka e. Ianao no maty antoka ry havana ô, amin’ilay fo vatolampy io. Satria ho avy ny « épreuves », ho avy ny « crise », dia mihemotra ianao, mihemotra ianao, manalavitra an’i Jesoa ianao, tsy hita any am-piangonana intsony ianao. Nisy fotoana ianao, faly be ianao fa nanao batisa ny zanakao, nanao tamin’ny fandresen-dahatra, nanao fety be ; tonga ny fizahan-toetra après : tsy nihaino ny toriteny ianao fa efa any amin’ilay sakafo rehefa avy eo no mahamay anao ; tonga ny fizahan-toetra : mihemotra ianao. Raisina katekomena ianao : tena faly ianao ; katekomena izany ry havana, à 95%, 98%, 99%, tsy ilazana hoe 100% : faly izany olona raisina mpandray izany. Statistiquement, 50%-ny katekomena ny Alahady manaraka ilay nandraisana azy ho mpandray ny fanasan’ny Tompo : tsy hita trace intsony. Mihemotra, mihemotra, mihemotra. Eo anoloan’ny fitsapana dia mihemotra.
Intéressant be ilay filazan’i Jesoa hoe fa maninona izy no mihemotra ? Satria teo amin’ilay vatolampy ilay teny no nafafin’ilay mpamafy an, dia nandray ny teny amin’ny hafaliana izy, nefa tsy manam-paka, tsy manam-paka ireo. Tsy mi-s’enraciner ireo. Intéressant io ry havana. Intéressant. Fa maninona no intéressant ? Tsy manam-paka izy, dia mihemotra ka. Ohatrany hoe ilay racine no tokony hanakana azy tsy hihemotra. Fa tsy manana racine izy, dia mihemotra. Inona moa ny lesona eto, ho an’ny olona izay hoe te hanana toky marina fa manana finoana sy fanantenana salama izy ary mampahery sy mampionona ? Aoka ianao ho kristiana hanam-paka ry havana ô. Jereo ny zavatra rehefa mihaino tenin’Andriamanitra ianao. Aza mandray an-tendrony intsony : « Apprends à regarder les choses à leur racine ». Izany no dikan’io. Jereo any amin’ny fakany mihitsy koa ilay teny, dia avelao ilay teny hamaka ao aminao. Aoka izay ny kapo-batana ny amin’ny Baiboly. Aoka izay ny amin’ny kapo-batana ny amin’ny finoana. Indraindray, ilay kapo-batana mahamenatra ireny. « Apprends à regarder les choses à leur racine ». Nahafinaritra be ilay teny-na mpanompon’Andriamanitra anankiray izay. Izany kristiana manana fanantenana salama izany, hoy izy, dia olona « qui apprend à regarder les choses à la racine ». La racine, hoe : io fizahan-toetra ampandalovan’i Jesoa io, araka ny lohahevitra FJKM, hoe : ampiorenana ny finoako io. Io fizahan-toetra ampandalovina ahy io, araka ny tenin’i Petera ato amin’ny perikopa io : afo mandoro, tahaka ny hanadiovana volamena, no hanadiovana ny finoako sy ny fanantenako ; ary isaorako Azy izany, fa tsy vao maika mampihemotra ahy izany. Manomboka anio aho izany, fantatro hoe rehefa sedraina aho, dia fitiavan’Andriamanitra ahy no hisedrana ahy. Sambatra ianao raha sedraina. Mampalahelo ianao raha tsy mahare sedra, satria manam-bola, manana an’izao sy izao sy izao, dia tsy renao ilay sedra izay tian’Andriamanitra hanadiovana ny finoanao. Fa dioviny ianao, tahaka ny fanadio volamena sy volafotsy. Fa izany no fitiavany antsika zanaka e. « Apprends à regarder les choses à la racine ». Dia hoy ilay mpanompon’Andriamanitra anankiray izay : amin’ny teny latina hoy izy, ilay « racine » dia lazaina hoe « radix ». Ary io teny hoe « radix » io, io no nanome hoe « radical ». Izany kristiana manana fanantenana mifaka ao amin’ny teny izany ry havana : olona radical izany. Dia eo indray ny marivo salosana dia hoe : an an an, io indray Pasitera fa extrémiste, io indray Pasitera fa fanatique. Manazava ny teny aho ry havana ô. Satria tiako ianareo. Izany no anirahan’ny Tompo ahy eto : hanana fijery radical, miorina tsara, mifaka tsara amin’ny tenin’Andrimaanitra, mba rehefa hiatrika ny épreuves ianareo, rehefa mirava eto, rahampitso, amin’ny herinandro, amin’ny reste an’ity 2021 ity : tsy ho naman’izay mihemotra fa mamaka tsara ao amin’ny Tompo, tahaka ny olona manana fanantenana velona. Velona, satria fantany hoe velona ny Mpamonjiny ary n’inon’inona sedra ampandaloviny azy, dia eo anilany Izy. Tahaka ny naman’i Daniel telo lahy tany Babylona : ny zanak’olona teo ry havana ô. Ary ianao, raha tsy manaiky ampandalovina afo, tahaka an-dry Daniela sy ny namany, hoy ilay mpanompon’Andriamanitra : « c’est le prix à payer pour purifier ta foi ». Afo eo amin’ny fiaraha-monina, afo any am-piasana, afo any am-pianarana, afo ao amin’ny couple, ao amin’ny fianakaviana, ianao izay miteny hoe : « Pasitera ô, tahaka ny any anaty lafaoro ny fiainako ; Pasitera ô, tahaka ny any anaty afo ny fiainako » : miasa ny Tompo manadio ny finoanao ho finoana volamena, hanananao finoana salama, hanananao fanantenana salama satria miandry anao any an-danitra ny Rainao.
Diniho ihany ry havana, sanatria, sao dia marary ny finoanao ; sanatria sao dia marary ny fanantenanao.
Ny Fahamarinana 3 farany eto am-pamaranana, dia izao : JEREO NY FITIAVANAO SAO DIA MARARY
And. 14 : « Ireo teny amin’ny tsilo » : izay izany ireo toerana telo, ilay ohatra telo, ila profil telo, ilay catégorie telo : amoron-dalana, ambony vatolampy ; izao indray : amin’ny tsilo. « Ireo teny amin’ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan’ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa ». Ireo teny amin’ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan’ny fiahiahiana : voagejan’ny « soucis », voagejan’ny harena, « les richesses » ary voagejan’ny fahafinaretan’izao fiainana izao, « les plaisirs de la vie ». Mandre teny ianao, mba mamonjy Etude Biblique sy ny karazany ianao, ary tena mahita fahafinaretana amin’izany ianao, fa eee : tsy mahavanom-boa ao amin’ny fiainanao ilay teny satria voageja. Tsy mahavanom-boa mendrika fibebahana, tsy mahavanom-boa mendrika fitiavana, tsy mahavanom-boa mendrika fifaliana, tsy mahavanom-boa mendrika fiadanana izay mihoatra noho ny lojika rehetra satria voageja. Mihaino tsara ianao nefa voageja. Voagejan’ilay fanahiana mameno ny sainao, voagejan’ilay harena sy ny fitiavanao harena sy ny fitokisanao harena, fitokisanao vola, voagejan’ilay fahafinaretana.
Fa maninona moa no lazaina hoe marary ilay fitiavana ? Maraty ilay fitiavana satria izany fitiavana izany anie diso fiantefa e. Izany fitiavana izany tokony fitiavana an’i Jesoa sy izay momba Azy. Fa marary ilay fitiavana dia tsy tianao Jesoa ; na tianao eo imolotra Izy ; fa ny harenao no tianao, ny plaisir-nao no tianao. Izany no tenenin’i Jesoa amintsika Fiangonana amin’izao maraina izao. JEREO E, SAO DIA MARARY E NY FITIAVANAO. Ary ny Apostoly Petera manome antsika solution na manome antsika tari-dalana. Ho anareo izay manana Baiboly misokatra ange, jereo ange 1 Petera 1 e. 1 Petera : mazana be io. 1 Petera 1 :8-9 : « Jesoa Kristy, Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, mandray ny anton’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy ». Rehefa salama ilay fitiavana, dia tsy misaraka amin’io fifaliana tsy hay tononina io. « Une joie indicible » hoy Petera. Ilay fitiavana miteraka an’io fifaliana tsy hay tononina io, ilay fitiavana an’i Jesoa.
Mahafinaritra ilay izy, averiko vakiana : « Jesoa Kristy, Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo ». Tsy mbola hitanao Izy fa tianao. Satria manana finoana salama ianao, manana finoana velona ianao, naterak’ilay teny velona. Dia naterak’ilay teny velona ianao dia manana fifandraisana amin’ilay Andriamanitra velona, dia fantatrao fa velona Jesoa, dia tianao Jesoa na dia tsy mbola hitanao aza e. Ary na dia tsy hita ary Izy, satria inoanao, dia iravoravoanao amin’ny fifaliana tsy azo tononina.
Nieritreritra aho teo am-panomanana ry havana, hoe ahoana moa izany no hanazavana amin’ny Fiangonana an’ity, ilay hoe : Jesoa Kristy na dia mboa tsy hita aza dia tianareo. Maromaro ihany ny tanora vavy ato amin’ity Fiangonana ity, dia rehefa mijery sary ireny matetika dia mahita an’ilay ankizivavy mipetraka eo am-baravarankely eo matetika, mipetraka eo ; mipetraka eo am-baravarankely eo, asa mijery lanitra izy, sa mijery ery lavitra ery. Miandry inona izy ? Miandry an’ilay « Prince charmant ». Ary mbola tsy hitany akory ilay « Prince charmant », tsy mbola hitany akory aza, dia efa tiany. Izay ilay izy. Ary vao mifankahita aminy, dia eo izy rava, tsisy ho raisina intsony. Izay. Izay ity Jesoa ity ry havana ô. Raha salama ny finoanao, raha salama ny fanantenanao, raha salama ny fitiavanao, dia miteraka firavoravoana tsy hay tononina izany, na tsy mbola hitanao aza Jesoa ry havana ô.
Faranana izao teny izao. Ao amin’ny Jeremia ry havana dia tena mahavariana mihitsy. Hoy Jeremia 20 :12 perikopa androany : « Fa Ianao, Jehovah, Tompon’ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo, ho hitako ny famaliana azy (dia ny fahavaloko), fa aminao no efa nanankinako ny adiko ». Hitanao, ny tsy mahasalama ny finoanao, tsy mahasalama ny fanantenanao, tsy mahasalama ny fitiavanao, ka fitiavana tsy miteraka fifaliana : ilay fonao. Ary nahavariana ahy mihitsy raha namaky an’ity Jeremia ity, hoe inona ary no idiran’izany hoe : « Fa Ianao, Jehovah, Tompon’ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo ». Jehovah Tompon’ny maro, Ilay Andriamanitra Tsitoha, amin’ny teny frantsay izy, hoe : « L’Eternel des armées ». Raha maka ny fiainana ety an-tany, dia hoe : io izany no Semgam mibaiko ny tafika rehetra. Semgam Izy. Eny e, Semgam Izy, Jehovah Tompon’ny maro ; fa inona no idiran’izany amin’ny foko ? Hoe mahafantatra ny voa sy ny fo ? Ny problemantsika, ny problemako : io fo io, araka ilay notenenina teo. Ny herin’io Andriamanitra Tsitoha io, tsisy dikany Aminy manakana an’izay sedra, manapotika ny fahavalo, manakana an’izay mpanenjika ; fa problème numéro un-ny ny foko ry havana ô, sy ny fonao. Anio Izy an, te hanadio an’izany fonao izany ; izany foko sy izany fonao izany. Ary tahaka ny hoe niresahany volamena teo, tao amin’i Petera : tiany isika mianakavy samy hanana fo volamena. Izany no ilain’nv vadintsika, izany no ilain’ny ankohonantsika : lehilahy, vehivavy manana fo volamena, dia hanana finoana volamena, hanana fanantenana volamena, hanana fitiavana volamena miterak fifaliana tsy hay tononina. Ka na rahoviana na rahoviana no hiala eto amin’ity tany ity, dia hamantana any amin’i Jesoa Kristy Tompon’ny finoantsika izany sy mpanefa azy izany.
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.