Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 11 JOL 2021

Miarahaba ny Fiangonana, miarahaba manokana anareo STK Zandriny ato amin’ny Fitandremana, izay entina am-bavaka amin’izao maraina izao. Ny hafatra ho anareo, ny hafatra ho an’ny Sampana, dia izao ry havana, sady fiarahabana no firarian-tsoa ho anareo : AOKA IANAREO HO TANORA ZANDRIKELIN’I JESOA – METEZA IANAREO HO TANORA ZANDRIKELIN’I JESOA. Izany no vavaka ho anareo, izany no firarian-tsoa ho anareo, izany no fiarahabana anareo : ny tanora tsirairay ato amin’ity Fitandremana ity, izay manatrika eto, ho zandrikelin’i Jesoa ; ary ny KTZ hitaiza ny tanora ao aminy ho zandrilelin’i Jesoa ry havana ô.

Ilay hoe « Zandrin’i Jesoa » an, milaza fiziana. Ny hoe fiziana dia avy amin’ny hoe « iza ianao » ; fiziana fa tsy hoe fisiana. Milaza ny identité-nao : iza ianao : zandrin’i Jesoa ianao. Ary ny hoe « Zandrikelin’i Jesoa » an, dia milaza ny fitiavan’i Jesoa anao zandrikeliny. Izay ilay hafatra androany ry havana ô : ho tanora zandrikelin’i Jesoa ianareo zandry, zanaka.

Andeha ary hoe ho jerentsika ny teny avy ao amin’ny perikopa ahazoanareo mandinin-tena ary ahazoanareo mampitoetra, mampiorina izany antso ho zandrikelin’i Jesoa izany. Raha fintinina ilay toriteny androany maraina dia misy fahamarinana 3, 3 fohy hoe :

  • Ny zandrikelin’i Jesoa dia miditra
  • Ny zandrikelin’i Jesoa dia mizara
  • Ny zandrikelin’i Jesoa dia tsy complexé

Misaotra ny Tompo : mazava be ilay hafatra. Andao ary hazavaina kely, hazavaina fohy ireo.

Jaona 10 :9 : « Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina ».

Ilay Fahamarinana 1 dia hoe : MIDITRA – MIDITRA AO AMIN’I JESOA

Izay izany ilay Fahamarinana 1 : miditra ao amin’i Jesoa, na miditra amin’ny vavahady ; mitovy ihany izany. MIDITRA AO AMIN’I JESOA

Mipasoka ny efa malama aho, nefa moa izay no asain’ny Fanahy Masina averina. Ahoana izany miditra ao amin’i Jesoa izany ry havana ? Ny miditra ao amin’i Jesoa dia hoe : manaiky an’i Jesoa ho lalam-pamonjena, ho hany lalam-pamonjena voatendrin’ny Ray. Dia ny olona miditra amin’izany vavahady izany an, manaiky an’i Jesoa ho lalam-pamonjena, dia zavatra 2 no ataony amin’izany lalam-pamonjena izany: mibebaka sy mino.

Mibebaka : mifona. Tsy mora izany tanora izany amin’izao 2021 izao. Betsaka ny fakam-panahy hiova lalana ; betsaka ny fakam-panahy eny an-dalana, dia mibebaka, mibebaka, mibebaka. Dia mino. Inona no atao hoe mino ? Matoky an’i Jesoa. Safidiko Izy ho lalam-pamonjena : matoky Azy aho eny an-dalana.

Izay izany ilay hoe miditra amin’ny vavahady, miditra ao amin’i Jesoa : misafidy Azy ho lalam-pamonjena voatendrin’ny Ray. Dia misy teny fampanantenana omen’i Jesoa, hoe : « dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina ». Hovonjena ; vonjena amin’inona ? Hovonjena amin’ny fahotana, hovonjena amin’ny vokatry ny fahotana, dia ny fahaverezana mandrakizay. Izany. Enga anie ka ho izany ianareo tanora ato e : zandrikelin’i Jesoa samy ho hita efa niditra tamin’ny vavahady antsoina hoe : Jesoa. Tsy samy ho hita hoe efa vita batisa fotsiny, na Mpandray ny fanasan’ny Tompo fotsiny, fa tena hoe niditra tamin’ny vavahady ary vonjena tamin’ny fahotana, ny vokatry ny fahotana, dia ny fahaverezana mandrakizay.

Dia inona ilay hoe « hiditra sy hivoaka » ? Io, ohatrany hoe : tanora ianareo, ny ankamaroanareo mbola ao an-tranon’ny ray aman-dreny, dia miditra sy mivoaka ao an-tranon’ny ray aman-dreny : tena faran’izay malalaka. Matetika mantsy ny tanora, ny zavatra tena tsy tian’ny tanora dia hoe izany teriterena izany. Teriterana : « tsy misy iainana ianareo ». Hoy Jesoa : midira amin’ny vavahadiko fa hiditra sy hivoaka, hihaona Amiko ianareo dia hivoaka malalaka ianareo, hitory ny hatsarako ianareo, araka ilay hira teo ry havana ô. Izany no aoka ho fizianareo zandrikelin’i Jesoa : mpiditra ao am-bala, mpiditra aty am-piangonana, dia rehefa mivoaka avy aty am-piangonana dia mandeha mitory ny lalam-pamonjena.

« Dia hahazo hanina ». Tsotra be ilay « hahazo hanina » : hanana fahavokisam-panahy. Izaho tamin’ny mbola tany ampitan-dranomosina tany, misy tanora faran’izay mahay ; mahavariana ny malagasy rehefa mianatra any ampita any dia tena mahay, anisan’ny mahay ; fa izao : maina ilay fiainany, tsy manana fahavokisam-panahy satria tsy niditra tamin’ilay vavahady antsoina hoe Jesoa.

Izay izany ilay Fahamarinana 1 ry havana, hoe : MIDITRA AO AMIN’I JESOA IZAY HANY LALAM-PAMONJENA.

Ny Fahamarinana 2 dia hoe : MIZARA

Jaona 10 :10 Andao, miala tsiny aho aloha, somary mananona kely, fa ny tanora ihany no mba miara-mamaky amiko e. Izay an. Fa izao : ny tanora miara-mamaky amiko satria STK androany, fa ianareo ray aman-dreny an, ho anareo ilay hafatra : tezao ny zanakareo mba ho zandrikelin’i Jesoa ; raha tsy izany maty antoka ianareo amin’izay sacrifice nataonareo rehetra itaizana ny zanakareo ireo ry havana ô. Jaona 10 :10 : « Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be ».

Dia ilay hoe « mizara » dia hoe : tanora mizara fiainana. Tanora mizara fiainana.

Ilay voalohany : MIDITRA AMIN’NY VAVAHADY NA MIDITRA AO AMIN’I JESOA. Ny faharoa : MIZARA FIAINANA.

Ka rehefa miditra ao am-bala izy, rehefa niditra tamin’ny vavahady izy, rehefa niditra izy tao amin’i Jesoa, dia nandray fiainana be dia be avy tamin’i Jesoa ry havana. Nandray fiainana be dia be. Ary ny olona mandray an’izany fiainana be dia be izany, dia automatiquement, automatiquement mizara fiainana. Hitanareo, ohatra ireny hoe, ahoana re izany e, atao hoe vera e ; vera feno. Rehefa feno ilay vera dia mi-déborde ho azy. Izay. Ary ilay fiainan’i Jesoa, ilay fiainana be dia be io : fiainana mora mi-déborde io, ohatran’ny ronono mandroatra, mandroatra ho azy io, raha ilay fiainana be dia be ry havana ô. Izany no ahafantarana fa niditra tamin’ny vavahady ilay tanora anankiray : mizara fiainana izy satria nandray fiainana be dia be.

Mampieritreritra ry havana ny tenin’i Jesoa rehefa vakiana tsara : Jaona 10 :10 : « Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be ». Ampifangarihan’i Jesoa ny fombany sy ny fomban’ny mpangalatra. Rehefa tsy mety hoe zandrikelin’i Jesoa ianao ry tanora, rehefa tsy mety ho zandrikelin’i Jesoa ianao, dia hanao ny fomban’ny mpangalatra, dia ho zandrin’ny mpangalatra ianao. Izany no lazain’io Jaona 10 :10 io. Ary izay ilay hoe ampioreno ny antsonao : antsoina ho amin’ilay fiainana be dia be ianao e. Raiso, midira amin’ilay vavahady e, dia zarao izany fiainana izany. Dia rehefa zandrikelin’i Jesoa ianao, dia manao ny fanaon’i Jesoa, mizara fiainana. Fa rehefa tsy zandrikelin’i Jesoa ianao, dia manao fomban’ny mpangalatra.

Inona no kendren’ny mpangalatra hoy Jesoa ? Inona no kendren’ny mpangalatra hoy Jesoa ? Ny hangalatra, ny hamono, ny handringana. Atomboka ao amin’ny ankohonana izany. Mampalahelo ange ny mahita ray aman-dreny e, mamono, mandringana ankohonana e. Misy izany e, misy izany e, misy izany e. Ao amin’ny Fiangonana : satria tsy zandrikelin’i Jesoa : amin’ny Fiangonana ankapobeany izany, misy izany hoe mpangalatra, mpamono, mpandringana izany e. Tsy raharahany izany hoe hizara fiainana izany ; fa ny mahamay azy, ny hizara fahafatesana, Jaona 10 :10. Eo amin’ny firenena : ny tenany ihany ; ny hafa vonoina, ny hafa hangalarana ; fa ny tenany ihany, ny tenany ihany. Ary normal ka, normal izy rhaa mangorona eo amin’ny fitondrana satria tsy manana ilay fiainana be dia be manome fahafaham-po ny rehetra. Izany ange ity fiainana ity ry havana e. Izay ialy izy. Fa miteny aminareo tanora aho : ianareo no ho avin’ity firenena ity : meteza ho zandrikelin’i Jesoa, nandray ilay fiainana be dia be, nandray an’ilay fiainam-panahy avy amin’i Jesoa, ary mpizara an’izany fiainana izany. Ny zavatra eto, dia hoe : Jesoa manome fiainana. Ary rehefa manome Jesoa ry havana ô, rehefa manome Jesoa dia tsy mitsitsy. Rehefa manome Jesoa : tsy mitsitsy Izy ; fa ianao no tsy mandray, dia matimaty ny finoanao tanora.

Izay izany : ny Fahamarinana 1 : MIDITRA AMIN’NY VAVAHADY NA MIDITRA AO AMIN’I JESOA LALAM-PAMONJENA ; ny Fahamarinana 2 dia hoe : MIZARA FIAINANA FA TSY MPANGALATRA, TSY MPAMONO, TSY MPANDRINGANA.

Ny Fahamarinana 3 farany : TSY COMPLEXE

Ny zandrikelin’i Jesoa ry havana ô, tsy complexé izany. Tsy complexé. Sady tsy manana complexe d’infériorité izy an, no tsy manana complexe de supériorité. Tsy complexé izy. Tsy complexé izy.

Andao jerentsika ao amin’ny tantaran’i Mosesy, ijerena an’izany hoe : zandrikelin’i Jesoa tsy complexé izany. Eksodosy 3 : 11 : « Fa hoy Mosesy tamin’ Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin’ i Farao sy hitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any Egypta? ». Iza moa aho ? Eo ilay lazaina hoe mety misy complexe. Nahoana moa ? Compexé izy miteny hoe : « iza moa aho ? » ; « fa iza aho, iza moa aho no ho any amin’i Farao ? ». Tsy mahatsiaro capable izy ho any amin’i Farao. Izay ilay hoe complexe : tsy mahatsiaro capable. Izay ny Eksodosy 3 :11.

Andao indray jerentsika ny Eksodosy 4 :13 : « Fa hoy izy : Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina ». An an an, aza izaho no irahina. Iraho izay tianao hirahina. Teo, hoe : tsy mahatsiaro capable izy. Eto izy an : tsy manana motivation amin’izany. Tsy manana motivation : iraho izay hirahinao. Izay ilay izy. Tsy manana motivation.

Eksodosy 5 :23 : « Fa hatrizay nankanesako tao amin’ i Farao mba hiteny amin’ ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin’ ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao ». Inona indray ny zavatra hita eto ? Hoe : mitodika amin’ny lasako aho, hoy Mosesy, tsisy mba hoe fahombiazana teo amin’ny fiainako, tsisy réussite tao amin’ny fiainako ; mba efa tany ihany anie aho e, efa tany ihany aho, hoy izy, vokatr’ilay iraka nampanaovinao ahy : nahatonga loza ho an’ny Zanak’Isiraely aho. Izay ilay izy. Izay Mosesy izany.

Jerentsika indray Eksodosy 4 :1 : « Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah ». Ohatrany hoe : eo anatrehan’i Farao aho tsy hanana fahefana, tsy hanana fahefana, tsy hanana fahefana.

Ary ny zaavtra jerentsika farany angamba, dia ao amin’ny Eksodosy 6 :12 : « Ary Mosesy niteny teo anatrehan’ i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak’ Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan’ i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra? ». Izaho tsy voafora molotra. Ohatrany hoe : izaho ange ka tsy mahay mandahatra Jehovah. Ahoana no hihainoan’i Farao ahy ? Ny Zanak’Isiraely aza tsy nihaino ahy : izaho tsy mahay mandahatra.

  • Tsy mahatsiaro izy manana capacité.
  • Tsy manana izy motivation.
  • Tsy manana fahombiazana tamin’ny lasa, ilazany hoe : hitanao ny tamin’ny lasa.
  • Milaza izy fa tsy manana fahefana.
  • Milaza izy fa tsy mahay mandahatra.

Dia jereonareo ny vokatr’izany fandaharan’i Mosesy izany, jereonareo tanora tsara : Eksodosy 4 :14. Hafa ny fijerein’i Jehovah anao tanora : aza complexé ianao : aza manana complexe de supériorité, aza manana complexe d’infériorité. Eksodosy 4 :14 : « Dia nirehitra tamin’ i Mosesy ny fahatezeran’ i Jehovah ». Fa naninona no nirehitra tamin’i Mosesy ny fahatezeran’i Jehovah ? Ohatrany hoe ireo zavatra rehetra nalahatr’i Mosesy ireo, na mety, mety, mety, mety ho marina aza, amin’ny fijerin’ny olombelona : tsy fantatr’i Mosesy, fa ireo indrindra, ireo lazainy fa fahalemeny sy kilemany ireo, ireo no niantsoany azy. Izay no maha-tezitra Azy eo ry havana. Ary tena hoe hafatra sahaza ho anareo tanora ity tantaran’i Mosesy ity e. Hafatra sahazo anareo zandrikelin’i Jesoa : aza complexé ianareo e. Ny zavatra hita eto : tsy nny diplaoma no zava-dehibe ; ilaina ny diplaoma an, ataovy izay ahafaham-panadinana an ; mandany vola aman-karena ny ray aman-dreny an : ataovy izay ahafaham-panadinana ; fa tsy ny diplaoma no zavatra, fa ilay antson’Andriamanitra. Ary ianao izay mba afaka nianatra, ianao izay manana diplaoma : aoka ianao tsy hanana complexe de supériorité ; ary ianao izay tsy nianatra : aoka ianao tsy hanana complexe d’infériorité. Fa ny zava-dehibe : ilay antson’i Jesoa ho anao e : « Atoroko anao, atoroko anao fa Izaho miantso anao ho zandrikeliko ». Ary raha ampiharina androany 11 Juillet 2021 ity toriteny ity : mila anao zandrikeliko Aho, hoy Jesoa, fa araka ilay noteneniny teo, jereo amin’ny masoko ny manodidina anao eto Madagascar, jereo ny fahorian’ny oloko, jereo ny alahelony, henoy ny alahelony, jereo izay mamesatra azy ary irahiko ianao, antsoiko ianao hiara-hanafaka an’ity firenena ity. Izaho no miantso anao, tsy antokom-politika no miantso anao : jereo ny fahorian’ny oloko eo amin’ny fiaraha-monina ary henoy ny fahorian’ny oloko rehefa miangona izy : olona vesaran’ny fahoriana isan-karazany no miangona ato. Ary izany no iantsoako anao sy hanefeko anao ary hanabeazako anao ho zandrikelin’i Jesoa ».

Ary enga anie ka ho izany ianareo ry tanora malala : zandrikelin’i Jesoa niditra tamin’ny vavahady, nandray fiainana be dia be ; zandrikelin’i Jesoa niara-natsangana tamin’ny maty taminy ka velona ao aminareo Jesoa, velona ao aminareo Jesoa nitsangana tamin’ny maty ; ka na iza na iza mifanena aminareo, n’inon’inona havesatry ny alahelony sy ny fahoriany, dia mizara fiainana ianareo satria mizara an’ilay Jesoa nitsangana tamin’ny maty.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amen.      

ALAHADY 04 JOL 2021

Ny tenin’Andriamanitra izay ho toriana amintsika dia ny filazantsara araka ny Lioka 5 :27-32, dia ibanjinantsika lohahevitra vaovao, araka izay voalazan’ny mpitarika teo : Miorena amin’ny antson’ny Tompo.

Ny ankamaroan’ny kristiana maneran-tany ry havana dia mahay tsianjery hoe iza avy ny filazantsara 4 voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao. Iza avy ireo izy ? Matio – Marka – Lioka – Jaona. Izany izany, tsy kristiana ianao raha izany avy dia tsy hainao an. Izany izany izao ny fitsapana tamin’ny andron’ny Kgb. Nisy fotoana nenjehina ny fivavahana kristiana tany Urss, dia nisy fotoana koa tany Corée avaratra. Dia milaza ry zareo hoe tamin’izany izany, mpitsikilom-panjakana mody manao mpitondra fivavahana ; dia anontaniana ilay mpitondra fivavahana hoe : inona kay ny filazantsara 4 voalohany ? Dia miahanahana. Dia fantatrao hoe mpitsikilo itony fa tsy mpitondra fivavahana. Matio – Marka – Lioka – Jaona. Fa ny fahadisoan-kevitry ny ankamaroan’ny olona, dia mieritreritra ny olona hoe Matio, Marka, Lioka, Jaona dia Apostoly daholo. Fa tsy Apostoly daholo izany ireo. I Lioka, izay nanoratra an’ity filazantsara ity ohatra, dia tsy Apostoly. Tsy Apostoly izy izany, izany hoe tsy ilay olona nanaraka an’i Jesoa nivantana tanatin’ny 12 lahy. Tsy vitan’ny hoe tsy Apostoly izy an, fa izy koa tsy jiosy : Syriana izy, jentilisa izy. Ary satria izy tsy jiosy an dia hafa koa ny fomba fijeriny. Fahatelo manaraka izay : Lioka koa tsy mpanarato ; fa Lioka dia dokotera. Izany olona avara-pianarana tamin’ny androny. Ary satria izy Syriana, jentilisa fa tsy jiosy ; satria izy avara-pianarana fa tsy mpanarato ohatran-dry Petera, dia hafa kokoa ny fomba fijery sy teolojia an’i Lioka raha oharina amin’ny teolojian’ny hafa. Ao anatin’izay ohatra izao an, dia i Lioka mijery kokoa ireo antsoin’ny fiaraha-monina hoe anjorom-bala.

Amin’ny fiaraha-monina jiosy izany, sy ny fiaraha-monina rehetra rehetra dia misy ny olona antsoina hoe anjorom-bala, marginal. Dia ireo an, anatin’izany ny vehivavy ohatra. Ny vehivavy izany izao, rehefa manisa ny olona dia hoe : « ary ny isan’ny olona nisakafo tao dia tsy omby olona 5000 lahy » ; fa ny vehivavy tsy misy manisa izany. Dia gaga be aho izao nijery tato anztin’ny Baiboly an : rehefa misy hoe vehivavy ho sitranina amin’ny aretina amin’ny ankapobe : tsy hitanao ao mihitsy ny anarany. Tsy hita mihitsy ny anaran’ilay vehivavy, ankoatra an’ilay hoe namoahana demonia sns… Fa rhaa vao lehilahy, dia apetaka ny anarany, hoe : « Ary Bartimeo jamba » ; fa ny vehivavy izany ahiliky ny fiaraha-monina. Ahiliky ny fiaraha-monina ihany koa ireny ilay olona mafy ady, misy aretina, boka. Ireny izany efa hoe : « boka e, boka e » : avy hatrany dia miala. Fa ahiliky ny fiaraha-monina ihany koa izay tsy mitovy hevitra politika aminy. Ny hevitry ny fiaraha-monina manontolo dia ity, ity, ity. Ny fiaraha-monina dia manao hoe : mila tia tanindrazana isika ; ny fiaraha-monina dia manao hoe : mijoro isika amin’ny maha-jiosy antsika ; dia izay heverina ho mpiara-miasa amin’ny mpanjanan-tany : voahilika any. Ary izany fomba fijery diso marobe manodidina ny fiaraha-monina jiosy izany ry havana no tian’i Lioka ahitsy amin’ny alalan’izao filazantsarany izao. Fa miorenà amin’ny antson’ny Tompo. Satria ny antson’ny Tompo dia ho an’ny olona rehetra. NY ANTSON’NY TOMPO DIA HO AN’NY OLONA REHETRA. Hitantsika izany ry havana eo amin’ny and.27-28. Izao indrindra mantsy no voalazan’ny Soratra Masina : « Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy (Matio), nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy ». Ny fanjakana romana no nitondra tamin’izany. Romana izany : any Italie an. Ary Europe ary lavitra be ary. Dia ny jiosy an : zanatany. Dia rehefa zanatany ny jiosy an, dia nozarazarain’ny Romana faritra : faritra anankiray an Galilia, faritra anankiray Samaria, faritra anankiray Jodia, faritra anankiray taty Egypte, faritra anankiray tany Frantsa, ohatra izany. Dia rehefa nozarain’ny mpanjanan-tany faritra be dia be an, ny tao anatin’ny empire romana, dia apetrany isaky ny faritra hoe : ianareo ato an : ity hetra alainareo, ohatran’io manao ny teti-bolam-panjakana amin’izao fotoana io ihany izany ; ity ny hetra alainareo amin’ity taona ity. Dia ohatra izany izao hoe ny fatra napetraka ho hetra alaina ho amin’ity taona ity dia 1tapitrisa denaria, ao amin’ny faritra iray ao Galilia ; dia miantso ny antsoina hoe mpamory hetra ry zareo an, dia ireo olona mpamory hetra ireo no manome toky, na karazana garant izany milaza hoe tsy maintsy tratranay ireo hetra ireo. Dia ny fanjakana romana tsy te hahafantatra, fa mila mandray 1tapitrisa isa-taona izy. Dia ireny indray no mizara ny hetra isan’olona, hoe ianao izany an, izao no aloanao ; ianao izany an, izao no aloanao ; ianao izany an, izao no aloanao. Dia satria ry zareo no mametraka an’ilay isa, dia tokona 1tapitrisa no alainy, dia taingenany 2tapitrisa. Izany izany ny fanaon’ny mpamory hetra tamin’izany an. Raha amin’izao fotoana izany, tsy hoe ratsy akory an, fa inspecteur des impôts ny asan’i Matio. Izany izany raha tena izy. Dia tsy ilay 1tapitrisa tokony alainy no alain’iretsy, fa 2tapitrisa. Ianao izay tsy mandoa hetra rahateo moa tonga dia azon’ny fanjakana gadraina. Dia sady efa halan’ny olona izany ry Matio, satria mpiara-miasa amin’ny mpanjanan-tany, ohatran’ny ny fitiavan’ny olona ny frantsay niara-niasa tamin’ny allemand tamin’ny ady lehibe faharoa, collaborateurs no filaza azy ; tahaka ny nakahalan’ny malagasy ny malagasy mpamadika tanindrazana tamin’ny frantsay nanafika antsika. Dia halan’ny olona ry Matio satria mpiara-miasa amin’ny mpanjanan-tany. Fa tsy vitan’ny hoe miara-miasa amin’ny mpanjanan-tany izy, fa mbola mambotry vahoaka, mangarona ny any am-paosin’ny olona ary maka izay tsy tokony alaina. Izay rahateo ry havana no nahitantsika an’ilay hoe rehefa nanatona an’i Jaona mpanao batisa ny mpamory hetra hoe : « inona no tokony ataonay ? », dia izy tsy miteny hoe : « mialà amin’ny asanareo, aza manao inspecteur des impôts intsony ». Tsy nanao an’izany izy, fa izao, hoe : « aza maka mihoatra noho izay tokony ho alainareo ».

Ary dia hitantsika araka izany tenin’Andriamanitra izany ry havana fa ireo olona izay noheverina ho nalohan’ny fiaraha-monina, olona izay noheverina ho anjorom-bala aza, dia ao anatin’ny olona antsoin’ny Tompo. MIANTSO NY OLONA REHETRA NY TOMPO : NA IZA IZY NA IZA DIA MANDRAY ANTSO. Ary izay ange ry havana no mahavariana e, amin’ny Abrahama ao amin’ny Genesisy 12 e : efa lehilahy lehiba 75taona ianao, efa mipetrapetraka tsara tany Harana ; Harana izany moa izany amin’ny faritra Iraka sns iny amin’izao fotoana ; dia olona efa mipetrapetraka ny fiainana, efa tsy nanantena intsony izy mivady hoe hiteraka, dia efa nanangan-jaza, efa nanangana an’i Lota zana-drahalahiny, nentin-dry zareo niaraka taminy ; efa mipetraka tsara ny fiainanao any amin’ny faha-75 taona no tonga ny antson’Andriamanitra hoe : « mandehana ianao, mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao ». Dia tonga tany amin’ny tany Kanana izy.

Ry havako malala ao amin’ny Tompo an, NY ANTSON’I JESOA KRISTY TOMPO DIA HO AN’NY OLONA REHETRA. Ho an’ny olona rehetra io. Araka izay voalaza teo moa, androany Alahady ho anareo sampana, sampan’asa, asa, fikambanana. Misy antso nataon’ny Tompo miantefa isan’olona isan’olona, dia ekeo izay antso niantsoan’ny Tompo anao. Tsy misy an’izany hoe : « izaho tsy nantsoin’ny Tompo ». Fa misy antson’ny Tompo ho anao : fa na ianao no mafy fo sy mafy loha, na ilay izy diso : diso fandray ianao fa tsy ny Tompo no diso fiantso. Raha nantsoina ho dorkasy ianao dia ataovy ny maha-dorkasy anao. Nantsoina ho fifohazana ianao : ataovy tsara ny maha-fifohazana anao. Raha nantsoina hoe Stk zandriny ianao an : mipetraha tsara amin’ny maha-Stk zandriny anao. Raha nantsoina ho diakona ianao an : ataovy tsara ny maha-diakona anao. Fa izay. Ary io raha vao ampifamadihanao dia miteraka loza an. Teo izao, mandeha ny hira : raha ireo feo voalohany no asaina manao feo faharoa, dia efa mamalana ; na ny basse no asaina manao feo fahatelo dia efa manahirana io. Fa napetrak’Andriamanitra amin’ny toerany avy ny tsirairay. Ary raha ho an’ilay demoniaka manokana ny amin’ny filazantsara araka an’i Marka 9, rehefa nositranin’i Jesoa izy dia nafana fo ; satria iny ilay namoahana devoly 6000 an, izay ny legiona mantsy : 6000 ; ny légion romaine 6000 ny isany. 6000 ny devoly navoaka taminy dia nanolo-tena izy. Raha amin’izao fotoana izao izany tonga dia hoe « midirà mpiandry, ianao ary efa sitrana ». Fa injay nanaraka ny Tompo dia hoy ny Tompo hoe : an an an, mandeha ianao mody fa tsy manaraka ahy. « Izaho Tompoko hanao Apostoly » - « Mandehana ianao mody, lasa ianao mitory teny any an-tanananao mankany Dekapolisy dia mitoriteny hoe izaho nositranin’i Jesoa ». Ary dia nisy antso.

Ary tsy aty am-piangonana ihany io an, fa any amin’ny asanao : misy nantsoin’ny Tompo ho mpitsara, misy nantsoin’ny Tompo ho dokotera, misy nantsoin’ny Tompo ho mpamafa lalana, misy nantsoin’ny Tompo ho mpampianatra eny amin’ny Oniversite… Misy ny nantsoin’ny Tompo… Any amin’izay sehatra misy anao no hamalio ny antson’ny Tompo.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, Pasitera mivady : efa natsoina ho amin’ny fisotroan-dronono ianao ; izay indray izany izao ny antson’ny Tompo ho anao. Teo ianao nantsoina ho mpitandrina, dia afaka 5 volana ianao izao dia antsoina ho mpitandrina misotro ronono. Dia tahaka an’i Mosesy, notenenin’ny Tompo hoe : Mosesy an, Mosesy an, mijanona amin’izay izy ity e ; asaivo miakatra i Josoa, dia miakatra indray Josoa. Tahaka an’i Elia : Elia an, Elia an, tapitra izy ity e : asaivo miakatra i Elisa, dia niakatra indray Elisa. Ifandimbiasana ny toerana. Ary dia antson’ny Tompo, antso masina izany.

Eto ry havana dia hisarika kely ny saintsika aho. Misy fahadisoan-kevitra be dia ben y antsoina ho « ny antson’Andriamanitra ». Ny antson’Andriamanitra dia heverin’ny olona hoe ao anaty fahoriana foana ; fa misy fotoana ny antson’Andriamanitra dia ao anatin’ny fahasoavana. Misy fotoana moa izahay tafaresaka amin’ireny mpitondra fivavahana hafa ireny, manana namana Pasteur sy Mompera sy Masera be dia be ; marihiko tsara fa isika Fjkm manana Masera ihany koa an. Dia ny ankamaroan’ny olona hoe Masera sy Mompera an, na ny Pasteur hafa, raha vao anontaniana, dia izao : fa naninona kay ianao ity no nanao Masera ? Angaha voadona tany amin’ny resaka fitiavana ? Izany daholo ny olona. Fa maninona kay no nanao Mompera ? Angaha nataon’ny vehivavy narary fo ? Tena izany. Fa maninona kay no nanao Pasitera ? Angaha lany session teny Ankatso ? Tsia. Raha ny tantaran’io Pasitera io : fantatrareo ? Cadre ambony be tany Frantsa io. Nandray firy francs français izy tamin’izany : fantatro. Mbola tsy Euro ny vola tamin’izany. Fa nafoiny izany, tahaka an’ity Matio ity, rehefa tonga ny antson’ny Tompo. Izaho moa fantatrareo fa nisy fotoana nandalo kely teto : fantatro tsara ny tetibolan’Isotry Fitiavana : fa raha ny karama noraisiny tamin’izany sy ny karama raisiny amin’izao an : mbola ambany. Mbola ambany no omenareo azy izao noho ny noraisiny tamin’izany. Fa izay ilay antson’ny Tompo miantso anao. Ao anatin’ny fara-tampon’ny heriny, insspecteur des impôts ao anatin’ny heriny manontolo i Matio no nantsoin’Andriamanitra ary dia novaliany ny antson’ny Tompo. Nahafahany niorina ny antson’ny Tompo.

Fa ny antson’ny Tompo ry havana, izay anorenana antsika mpino, tsy vitan’ny hoe ho an’ny olona rehetra ihany ; fa ny antson’ny Tompo ihany koa dia anaovana fety.                                       

ALAHADY 27 JON 2021

Ao amin’ny filazantsaran’i Matio ry havana, Matio 16, tenin’i Petera tamin’i Jesoa, teny izay fanta-daza ; Matio 16 :16 : « Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe : Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona ». « Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona ».

Tsy tena mahafa-po ry havana, rehefa tena dinihina ny dikan-teny protestanta, rehefa miteny izy hoe : « Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona ». Amin’ny teny frantsay izy, hoe : « Tu es le Christ, Tu es Christ, le fils du Dieu vivant ». Ilay hoe « du » moa izany, hoe « de le » Dieu vivant. Izay no mahatonga an’ilay « du ». Le Dieu vivant.

Naka toky tsara aho tamin’ny mpampianatra malagasy alohan’ny itenenako aminareo an’izao : raha tena adika ara-bakiteny ny hoe « Tu es le fils du Dieu vivant », dia tokony hoe, raha miteny hoe « le Dieu vivant » : « Ianao Ilay Andriamanitra velona ». Ilay Andriamanitra velona : tena hoe mampisongadina an’Andriamanitra ho hany Andriamanitra, ary hany Andriamanitra velona. Andao ange jerentsika ny Salamo 86 e ; Salamo 86. Maro ny andriamanitra ry havana. Salamo 86 :8, teny nataon’i Davida ity momba an’i Jehovah ; Salamo 86:8 : « Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ireo andriamanitra ». Tsy misy tahaka Anao Jehovah ô, amin’ireo andriamanitra, fa Ianao irery Ilay Andriamanitra velona, Ilay hany Andriamanitra velona. Ilay lohahevitra dinihantsika amin’ity volana ity dia hoe : ny finoana dia anorenana ny maha-kristiana. Ny fanontaniana apetraky ny Tompo aminao, hoe : FINOANA AN’IZA MOA NY FINOANAO ? Tsy ampy izany ry havana, raha hoe : Finoana an’Andriamanitra fotsiny. Io izy : be dia be ny andriamanitra. Fa mila faritana mazava tsara, hoe : FINOANA ILAY ANDRIAMANITRA VELONA. Izay ny hafatra androany : FINOANA ILAY ANDRIAMANITRA VELONA na FINOANA ILAY HANY ANDRIAMANITRA VELONA. Enga anie ka ho izany ny finoantsika mianakavy ry havana ô.

Amin’ny ampitson’ny nankalazana ny faha-61 taona niverenantsika tamin’ny fahaleovantena ; rariny raha misy fankalazana, n’inon’inona fitondrana politika eo ; fa rariny raha ankalazaina izany e. Ampitson’izany isika no mahazo an’ity perikopa ity ry havana ô. Dia tena hoe sady finoana anorenana ny maha-kristiana antsika izany finoana an’Ilay Andriamanitra velona izany, no finoana ihany koa anarenana e, ity tanintsika ity, izany finoana an’Ilay Andriamanitra velona izany. Ohatran’izao ity firenena ity nandritra ny 61 taona satria probablement isika malagasy tsy nino Ilay hany Andriamanitra velona. Izany io ry havana ô.

Andao ary jerentsika, tantaran’i Josia mpanjaka ; mpanjaka izany an. Resaka fitantanam-pirenena izany ry havana, ao amin’ny 2Mpanjaka 22 :13 ; i Josia izany maniraka an’izy 5 lahy : « Mandehana hianareo, ka manontania amin’i Jehovah ho ahy sy ho an’ny vahoaka mbamin’ny Joda rehetra ny amin’ny tenin’ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran’i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan’ny razantsika ny tenin’ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika ». Mampiavaka an’ity Josia mpanjakan’i Joda ity ry havana, dia tamin’ny faha-8 taonany izy, 8 taona mbola ankizy kely izany, dia nanjaka izany, nanjaka izy. Dia ny nampahalaza azy koa, dia hoe teo amin’ny faha-16 taona izy, teo amin’ny faha-16 taonany izy dia voalzan’ny Soratra Masina mazava hoe : tena hoe nitady an’Andriamanitra. Efa nanjaka izy izany. Ary ny tena nampalaza azy koa, tamin’ny faha-20 taonany, tamin’ny faha-20 taonany dia nandeha nitety an’i Joda iray manontolo izy, izy izay nitady an’Andriamanitra ka nahita an’Andriamanitra : noravany ny toeran-tsampy, ny foiben-tsampy rehetra. Alaivo sary an-tsaina hoe misy mpankaka eto, na inona na inona firehany politika ry havana, mandeha mitety an’i Madagasikara, dia hoe ravana daholo ireo doany sy ny karazany. Izany, izany, izany, izany no modely apetraka amintsika amin’izao maraina izao. Ary tao anatin’izany hoe fanatonany an’Andriamanitra izany an, dia namboariny koa ny tempoly tao Jerosalema. Ary tao anatin’izany asa fanamboarana ny tempoly tao Jerosalema izany, misy an’izay hoe Hilkia mpisorona izay, nahita tampoka tao amin’ny tempoly ny bokin’ny lalàna, izany hoe ilay Pentatioka izany. Dia nentiny tany amin’i Josia mpanjaka. Dia noraisin’i Josia mpanjaka ilay izy, dia nivarahontsana Josia mpanjaka. Tsy niteny izy hoe : « a, tsy manam-potoana amin’izany aho, tsy manam-potoana amin’izany bokin’ny lalàna izany aho ; tsy hitanareo angaha ity fahasahiranana mianjady amin’ny firenena ity, mitaraina daholo partout sy ny karazany », non. Vao nentin’i Hilkia mpisorona tao aminy ilay bokin’ny lalàna, dia hoe : fantatr’i Josia tsara fa tezitra aminy Andriamanitra, ary tezitra amin’ny vahoaka Andriamanitra ry havana ô. Izany no modely-na mpanjaka, modely-na mpanapaka omen’ny Tompo antsika amin’izao faha-61 taonantsika izao e : mpanjaka matahotra ny fahatezeran’Andriamanitra. Satria fantatr’i Josia fa Andriamanitra velona io, Andriamanitra velona io.

Fa maninona no fantany hoe tena faran’izay tezitra aminy sy ny vahoaka ao Joda Andriamanitra ? Satria na izy, na ny vahoaka, na ny razambeny : tsy nanaraka an’ilay hafatra, ilay hoe : hany fomba hahitana fahasambarana dia ny fanarahana ny lalàn’i Jehovah. Tsy nanao an’izany izy, fa nitonatonana tany amin’ny andriamani-kafa. Fantatr’i Josia fa miteraka fahatezeran’Ilay Andriamanitra velona izany. Ary fantatr’i Josia koa fa mbola nahatezitra an’io Andriamanitra velona io, dia hoe : tsy nijoro vavolombelona tamin’ny firenena manodidina azy ny zanak’Isiraely, hoe : « o ry ireto an : ny hany fomba hahombiazana sy hahitana fahasambarana ao amin’ity fiainana ity, dia fiainana baikon’Ilay Jehovah, Ilay Andriamanitra velona. Izany, izany, izany ry havana ô.

Ary ity firenena ity, nanao fankalazana makotroka isika tamin’ny faha-50 taona, mbola tadidiko tsara, fa jobily be moa izany ; mbola mitotongana mitotongana ihany ity, na iza na iza mifandimby eo. Tant que tsy mpanjaka ohatran’i Josia, matahotra an’Ilay Andriamanitra velona ; ary dieny tsaroako ry havana, raha Josia no nanontaniana, ary tsy manao politika aho amin’izany, fa Pasitera aho mitory ny tenin’Andriamanitra ; raha Josia no nanontaniana : « mety ve ry Josia izany hoe mpanjaka manao fianinana izany, manao investiture izany ka manala Baiboly ? ». Sûr aho fa niteny Josia hoe : « non non non, aza ahilika izany ny Pentatioka. Aza ahilika izany ny tenin’Andriamanitra. Aza ahilika izany ny Baiboly ». Io ny vokany, io mianjady amintsika mianakavy io ny vokany. Fa mandray au sérieux ny tenin’Ilay Andriamanitra velona i Josia. Fantany fa tezitra io Andriamanitra io : lasa izy mampihazakazaka ny mpiara-miasa aminy akaiky sy ny mpanolotsaina azy akaiky mandeha manontany any amin’ny mpaminany : « ahoana, ahoana, ahoana fa fantatro fa tezitra Andriamanitra ? Ahoana ny amiko ? Ahoana ny amin’ny vahoaka tantanako ? ». Satria tena nanana souci ho an’ny vahoaka mihitsy izy, tena tiany ny vahoakany ary tsy tiany ho very io vahoakany io ry havana ô. Dia tonga avy any ny tenin’i Holda mpaminany ny amin’i Josia ry havana, ery amin’ilay and.19 ery : « Satria nino anatra hianao ka nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin’izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana, ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako hianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah ». Izany ny ohatry ny mpanjaka avo lenta : rehefa nanao an’izay tsy mety teo anatrehan’Andriamanitra ry havana ô, dia manetry tena, mihaino ny anatra, mihaino ny anatr’Ilay Andriamanitra velona. Finoana an’Ilay Andriamanitra velona ny resaka amin’izao maraina izao ry havana ô. Finoana an’Ilay Andriamanitra velona : nanetry tena, nino anatra. Amin’ny dikanteny segond an, misy hoe, ilay « nino anatra » : « parce que ton cœur s’est attendri ». Izay. Fa tsy nanamafy fo hoe : « ka izaho izao, izaho izao ». An an an. Mino anatra, dia manetry tena. Ary nasehony tamin’ny fomba ivelany izany : tsy hoe nitomany fotsiny : tsy hoe nitomany fotsiny i Josia fa nandriatra ny fitafiany. Indraindray ilay akanjo-na mpanjaka ireny tsara tarehy, tsara tarehy ireny ; ary alaivo sary hoe mpanjaka manana akanjo tsara tarehy, mihaingo lava, modely amin’ny akanjo : triariny. Izany, izany no tian’i Jehovah izany ry havana ô. Ary izany no nataon’i Josia, satria hoe noraisiny au sérieux Ilay Andriamanitra velona, noraisiny au sérieux ny fahatezerany, noraisiny au sérieux ny teny nampitondrain’i Holda ho azy : io vahoaka io hoy izy, dia ho atolotro ho an’ny Asyriana noho ny hamafin’ny fony, noho ny niodinany tamiko sy ny nanalavirany ahy. Ny aminao kosa, satria nino anatra ianao, dia hoe : ianao angonina any amin’ny fasanao amin’ny fiadanana. Ianao Josia, ny promesse-ko aminao, dia rehefa ho faty ianao, dia ho faty amin’ny fiadanana ; izany hoe hodimandry ao amin’ny Tompo ianao. Izany no promesse-n’ilay Andriamanitra velona tamin’i Josia ry havana. Tanteraka ny tenin’Ilay Andriamanitra velona ; tanteraka satria Joda lasa sesi-tany tany Babylona vokatr’izao tenin’i Holda izao. Ary mpaminany maro no efa nifarimbona niteny an’izao ry havana ô. Izany Ilay Andriamanitra velona.

Josia kosa : maty izy an, nodimandry tao amin’ny Tompo izy an, nodimandry tam-piadanana izy an, vita fihavanana tamin’ny Tompo. Izay no zava-dehibe. Novonoin’ilay farao izay izy tao an’ady ; rehefa any an-danitra isika anontaniantsika Josia hoe : « fa inona no niadivanao tamin’ilay farao Neko e, fa izay no nahafaty anao ? ». Fa marina taminy ilay hoe : nodimandry tao amin’ny fiadanana izy, vita fihavanana tamin’ny Tompo.

Izay ry havana no ohatra voalohany : olona tena mampiseho hoe : matahotra Ilay hany Andriamanitra velona. Ary azontsika antoka ry havana fa raha izany no ataontsika ao an-tsaina amin’ny 2023 angamba izy izay ny fifidianana manaraka, na iza na iza milatsaka eo ka isika Fiangonana hiteny hoe : ny anay mazava be, fa manomboka izao dia mpanjaka manao ho zava-dehibe Ilay hany Andriamanitra velona sy ny teniny, ary matahotra Azy : hiova e, hiova ity firenena ity. Fa raha tsy manao an’izany isika : afaka 100 taona dia miady gisitra ity ; ary misaotra ny Tompo aho fa tsy hahita an’izany faha-100 taonan’ity izany aho.

Matio 16 ry havana, and.18, teny faran’izay malaza : « Ary Izaho milaza aminao koa : Hianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy ». Tenin’i Jesoa tamin’i Petera io ry havana ô. Ary PEtera indray eto izany no ohatra ho antsika.

Ilay Fahamarinana 1 : JOSIA : LEHILAHY MATAHOTRA AN’ILAY ANDRIAMANITRA VELONA. Eto indray : PETERA : MAHAFANTATRA AN’ILAY ANDRIAMANITRA VELONA. Hoe Jesoa Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. 10minitra aho izay nitoriteny teny, fahefan-kadiny : EFA MINO AN’ILAY ANDRIAMANITRA VELONA VE IANAO E, SA MBOLA MINO AN’ANDRIAMANITRA FOTSINY IANAO ?

Petera, anisan’ireo 3 lahy tena hoe intime ; izy 12 lahy akaiky an’i Jesoa an, fa 3 lahy izy no tena hoe intime, akaiky indrindra an’i Jesoa. Ary amin’izy 3 lahy ireo indray an, mbola i Petera foana no voalaza voalohany, tena nanana priorité mihitsy izy. Izany ity Petera ity ry havana. Izy no itenenan’i Jesoa hoe : « Hianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy ».

Inona no nahatonga an’io Jesoa hiteny an’i Petera an’izany ? Satria ny filazan’i Petera fa hoe : « Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona ». Voalaza tsara tamin’ny louange teo ny momba an’izany ry havana ô. Fantatr’i Petera tsara Andriamanitra fa Andriamanitra velona. Ary ny programan’io Andriamanitra velona io ry havana malala dia hoe : hanorina ny Fiangonany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Io Andriamanitra velona io, tahaka an’i Jesoa, dia mahafantatra tsara tahaka ahy sy ianao, fa hoe afaka mivavaka eny rehetra rehetra eny, afaka mivavaka isan’andro isan’andro ; fa teneniny aminao izay miteny an’izany, Ilay Andriamanitra velona, hoe : an an an, aoriko ny Fiangonako amin’ny alalan’i Jesoa ; ary ny Alahady ianareo mankany amin’io Fiangonana io. Atokany ho an’i Jesoa ny Alahady marainanao ry havana ô, raha mahafantatra an’Ilay Andriamanitra velona ianao. Atokany ho an’i Jesoa ny Alahady marainanao raha mahafantatra an’Ilay Andriamanitra velona ianao. Raha miasa moa ianao : akory atao. Fa ny ankoatran’izay.

Ilay Fiangonana io, manao théologie kely isika ; ilay Fiangonana aorina io, ilay Fiangonana manerana ny tany, ilay manambatra an’izay mino an’i Jesoa ho Kristy Zanak’Ilay Andriamanitra velona. Tsy hita maso izy io, tsy manana anarana izy io ; fa hoe Fiangonan’i Jesoa Kristy fotsiny ry havana, Eglise universelle, Eglise invisible ary Jesoa irery no mahalala ny mpikambana ao sy ny isan’ny mpikambana ao. Fa io Eglise universelle io, io Eglise maneran-tany io dia misy sampana local izany. Izay no mahatonga azy hoe : Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Eglise locale. Izay ilay zavatra. Dia io no hitantsika maso ; fa dia io no miteny amintsika hoe : e, rehefa Alahady ianao : ato ianao, any am-piangonana ianao, mihaona amin’Ilay Andriamanitra velona. Izay ilay izy ry havana ô. Izany ny fomban’ny olona mahafantatra an’Ilay Andriamanitra velona. Petera nahafantatra an’Ilay Andriamanitra velona.

Ilay fanontaniana apetraky ny Tompo amintsika anio maraina : Ianao ko ave mba mino Ilay Andriamanitra velona ninoan’i Petera ? Ianao ve mba mahalala an’Ilay Andriamanitra velona fantatr’i Petera ? Ahoana no ahafantaran’i Petera hoe Andriamanitra velona, Kristy dia Zanak’Ilay Andriamanitra velona ? Ny Rainy no nampahafantatry Azy tamin’i Petera, fa tsy ilay Petera ara-nofo, amin’ny maha-olombelona azy sy ny fahaizany sy ny fahendreny. Ary io Raintsika io ry havana ô, io izay nanangana antsika ho zanaka io, no mbola hoe mampianatra antsika momba Ilay Andriamanitra velona. Amin’ny alalan’ny inona ? Amin’ny alalan’ny teniny, amin’ny alalan’ny Baiboliny. Misaotra ny rahalahy nampahatsiahy hoe efa 186ans izay ny traduction de la Bible. Ia, misaotra ny Tompo isika. Fa inona ny lanja omenao io Baiboly io ry havana ? Omenao lanja ve io Baiboly io itomboanao amin’ny fahalalana an’Ilay Andriamanitra velona? Mino ve ianao fa ity Baiboly ity dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, inspiration de l’Esprit ? Izany ny fampianaran’ny réforme ry havana, hoe : inspiré avy amin’ny Fanahy Masina io. Mino an’izany hoe doctrine inerrance izany : mino ve ianao miaraka amin’ny réformateurs fa hoe tsy misy diso ity Baiboly ity e ? Izany ve ny finoanao ry havana ô, fa manambara an’Ilay Andriamanitra velona ity Baiboly ity ? Ary ny fahalalana fa inspiré ity Baiboly ity, ny fahalalana fa inerrant ilay écriture, tsy misy diso ilay écriture : mahatonga anao hoe ho liana hamaky azy ve satria tsisy diso io e ? Tenin’ny Ray io, nomen’ny tsindrimandrin’ny Fanahy Masina io e : mamporisika anao hamaky ve izany ? Mamporisika anao hamaky ve izany ny Baiboly, hianatra ny Baiboly ? Ary tsy vitan’izany, fa mi-transformé anao ve ny zavatra vakianao ato ? Sa faly fotsiny hoe : an, mazana be ilay passage novakiako androany, oaoaoa oaoaoa ? Mi-transformé ana ove izany ry havana ô ? MI-transformé anao ve ny zavatra vakianao satria itomboanao amin’ny fahalalana Ilay hany Andriamanitra velona ? Izany ny hafatra androany. Izany ny hafatra androany.

Ary io Andriamanitra velona manorina Fiangonana io : lazain’ny Soratra Masina hoe : Azy, Azy ny Fiangonana. Ny Fiangonana ? Dia Ilay Fiangonan’Andriamanitra velona. Hoy ny Apostoly Paoly any amin’ny 1 Tim 3 :14 : Fiangonan’Andriamanitra velona ity. « C’est l’Eglise du Dieu vivant ». Tena nampieritreritra ahy ry havana, nampieritreritra ahy, nampieritreritra ahy ilay teny-na mpanompon’Andriamanitra ; izany angamba no hoe evanjelistra azo antoka ao anatin’ny 10 ngeza lahy indrindra velona amin’izao fotoana izao. Nitory teny momba an’ity izy indray maka, ilay 1 Tim 3 :14 io. Ity toriteny ity hoy izy, dia nataon’Andriamanitra amin’ny alalako hampihorohoro anareo ; « cette prédication va vous terrifier, va vous terrifier ». Satria maninona ? Ho fantatrareo amin’izay fa ny Fiangonana dia Fiangonan’Andriamanitra velona fa tsy Fiangonan-drazanao ka hoe : iretsy mpiavy – izahay tompom-piangonana. Fiangonan’Andriamanitra velona ity. Tsy anaovana an’izay tianao ato e, tsy anaovana an’izay tian’i Pasitera ato e, tsy anaovana izay tian’ny antokon’olona ohatran’izao ato e. Izay ilay izy. Ary tsy tompoina araka izay itiavanao azy io. Ary hoy ilay mpanompon’Andriamanitra, ilay mpitoriteny izay, Pasitera no nanaovany toriteny tamin’izay, séminaire-na Pasitera : miteny aminareo Pasitera ireo aho, hoy izy, fa raha mbola kitoatoa ohatran’ny fandrenesako ny fanompoanareo sasany, izaho milaza aminareo fa mialà ianao amin’ny maha-Pasitera, manaova zavatra hafa ; mialà ianao amin’ny maha-Pasitera fa ny fanaovanao kitoatoa an’ity tempolin’Andriamanitra ity manimba ny tempolin’Andriamanitra, ary ho levonin’Andriamanitra ianao, parce que c’est l’Eglise du Dieu vivant. Nandray aho ry havana ô. Miteny aminareo mpiandry aho : ajanony ny maha-mpiandry ; ajanony ny maha-diakona raha mbola hanao kitoatoa ohatran’izany ihany ianareo, satria fantatrareo manomboka androany hoe Fiangonan’Ilay Andriamanitra velona ity Fiangonana ity.

Io Fiangonan’Andriamanitra velona io, antsoin’ny Soratra Masina koa, hoe : vadiny. Ary isika no namelany ny vadiny. Isika no hoe nametrahany andraikitra hikolokolo izany vadiny izany. Ary saro-piaro izy amin’ny vadiny. Saro-piaro izy amin’ny vadiny. Izaho ry havana mahalala lehilahy vitsivitsy maromaro, faran’izay saro-piaro amin’ny vadiny. Faran’izay saro-piaro : zavatra tsy ahoana tsy ahoana, zavatra tsy misy dikany dia mihetsika ilay hasarotam-piaro. Ny sasany moa dia midaroka vao mananona kely, ny sasany dia mamono mihitsy. Izaho mitenty amintsika ry havana : saro-piaro amin’ity Fiangonana ity Andriamanitra. Ary izay no mahatonga an’ilay mpanompon’Andriamanitra hoe : ho levoniny ianao raha manimba ny Fiangonany rehefa hiverina Izy hampakatra azy ; ho levoniny ianao. Ary izay ange no ilàna koa an’ilay discipline e, mba tsy ho baranahina ny Fiangonana e. Fa satria ny sasany tsy mahafantatra hoe Fiangonan’Ilay Andriamanitra velona ity, dia vao mba miresaka discipline kely ianao ao amin’ny Fiangonana, miresaka discipline kely ianao ao amin’ny Fiangonana dia hoe : « injay ilay jadona », « miainga any ilay dictateur », oaoaoa. Tenin’ny olona tsy mahafantatra an’ilay Andriamanitra velona izany ry havana ô.

Faranana ; 1 Korintiana 1 ry havana. Ny olona mahafantatra Ilay Andriamanitra velona, dia matahotra Azy, ohatran’i Josia. Ny olona mahafantatra Ilay Andriamanitra velona, dia tahaka an’i Petera sy Paoly miteny hoe : ny Fiangonana dia an’io Andriamanitra velona io. Ary ny Fahamarinana 3 ry havana : NY OLONA MAHAFANTATRA AN’ILAY ANDRIAMANITRA VELONA DIA MAHAFANTATRA FA MBOLA HIVERINA I JESOA. Izay ilay izy. And.8 sy 9 : « Izay hampiorina anareo koa hatrami’ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny hianareo amin’ny andron’i Jesosy Kristy Tompontsika. Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ny Zanany ». Ny olona ry havana, manana fiainam-piangonana régulier, ary insisté-na izay an, insisté-na izay ; ny olona manana fiainam-piangonana régulier, dia araka ilay teny efa hita teo ihany koa, tao amin’ny louange : miandry ny fisehoan’i Jesoa. Miandry. Miandry, efa dodona amin’izany hoe fisehoan’i Jesoa izany, izany fihaviany indray izany.

Inona no ho ataony rehefa ho avy Izy ? Zavatra 2 no ho ataony :

  • Ho avy Izy hitsara an’izao tontolo izao, iray izay
  • Faharoa, ho avy Izy handray ny olony any Aminy

Ary izany no maha-dodona ny mpino mahafantatra an’Ilay Andriamanitra velona, amin’izany hoe fisehoan’i Jesoa izany.

Fa misy fampaherezana izay ataon’ny Apostoly Paoly eto, amintsika ry havana. Hoy izy hoe : « miandry ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay hampiorina anareo koa hatramin’ny farany ». Izy no niantso antsika ry havana ô, niantso antsika izay manana fiainam-piangonana régulier ; izay ihany no antsoiny. Ianao ilay mpamonjy krismasy : aza manantena hoe antsoiny : tsy mahafantatra an’Ilay Andriamanitra velona ianao. Fa Izy no hampiorina, Izy no hiaraka aminao hatramin’ny farany. Ary ianao tsy hiorina izany e, ianao tsy hiorina raha tsy Izy no mampiorina ry havana ô. Ianao tsy hiorina raha tsy Izy no mampiorina. Fa ianao tahaka ny zandrikeliny : raisiny an-tanana ry havana ô, dia tantanany ianao hatramin’ny farany ; izay no lazain’ny teny : « Izay hampiorina anareo koa hatramin’ny farany ». Ary iny tanany iny, tsy ohatran’ny tanan’olombelona, mety hamotsitra anao ; iny tanana iny tsy ohatran’ny tanan’olombelona ka hoe mety ho vizana : an an an : mitana anao hatramin’ny farany Izy, hoy ny Apostoly Paoly, ka dia tsy hanan-tsiny ianao, tsy hanan-tahotra ianao, tsy hihorohoro ianao hiatrika ny fitsarana ary hiditra any an-danitra rehefa avy eo ry havana ô. Izany ny olona mahafantatra an’ilay Andriamanitra velona : mahatahotra io Andriamanitra velona io ; fa izao : an an an, Izy miteny hoe : Jesoa efa nomeko an, miantso anao ; Jesoa no hampiorina anao. Ary and.9 : mahatoky io Andriamanitra io. Mahatoky io Andriamanitra io. Mahatoky io Andriamanitra io. Alaivo ny olona mahatoky indrindra ato amin’ity Fiangonana ity, na ao amin’ny FJKM ; tsy izany no zava-dehibe, tsy iny no mahatoky, fa Andriamanitra irery, Ilay Andriamanitra velona irery no mahatoky. Tsy ny finoan’io olona mahatoky io indrindra, na ny fahendreny, na ny fahavononany sy ny finiavany no zava-dehibe ; fa hoe : ny zava-dehibe dia hoe : Andriamanitra mahatoky izay nahatonga an’ilay fiantsoana. Raha misy hazo eo ry havana, maniry tsara, mandravona tsara, mamoa voa tsara, mamelana tsara : ok. Tsy iny no inona an. Fa Andriamanitra Izay manome fahazavana, Andriamanitra Izay mampirotsaka ranon’orana, Andriamanitra Izy manome hafanana : izany no zava-dehibe. Ohatran’izany isika kristiana ry havana ô : tsy hoe ny maha-Pasitera ahy no zava-dehibe, fa Ilay Andriamanitra niantso ahy ; tsy ny toetrako ny zava-dehibe, tsy ny toetranao no zava-dehibe, fa Andriamanitra niantso antsika ry havana ô, no hampaharitra antsika hatramin’ny farany, hatramin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy. Fa ny hany fanontaniana apetrany amiko sy apetrany aminao mazava amin’izao maraina izao, dia ny hoe : FANTATRAO AMIN’IZAY VE ILAY HANY ANDRIAMANITRA VELONA, ARY HANOVA VE NY FINOANAO IZANY ?

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amen

ALAHADY 20 JON 2021

Ao amin’ny 1 Petera 4, 1 Petera 4 :2 ry havana no iaingantsika. 1 Petera 4 :2 : « Mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra ». Dia ny and.5 hoe : « nefa hampamoahin’ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty ».

Fanontaniana mazava ry havana, fanontaniana mahitsy apetraky ny Tompo amintsika Fiangonany amin’izao maraina izao, dia ny hoe : AHOANA MARINA NO ANDANIANAO NY ANDRONAO SISA ?

Eo izany, fanontaniana mivantana aminareo ankizy sy tanora, mivantana aminay ray aman-dreny, mivantana amintsika lehilahy raim-pianakaviana izay entina am-bavaka androany : AHOANA NO ANDANIANAO NY ANDRONAO SISA ?

Petera manomboka mamaly an’izany ery amin’ilay and.5 novakiana teo, hoe : ho lanianao ve ny andronao sisa tahaka ny olona mahafantatra mazava fa mba hampamoahina ianao ?  Mbola hampamoahina ianao. AHOANA, AHOANA NO ANDANIANAO NY ANDRONAO SISA RY HAVANA O ?

Ny tantaran’i Mosesy izay hitantsika tamin’ny farany teo, dia izany : ny fiainany : nokasihin’ny Fanahy Masina izy dia nanapa-kevitra ny hiala tao amin’i Farao ; fa naleony an nijery ilay valisoa omanin’Andriamanitra ho azy any an-danitra. Ampamoahina isika mianakavy, ary rehefa vita ny fampamoahina antsika : misy valisoa hatolotra antsika eo ry havana. Izay ilay fanontaniana : AHOANA MARINA E, NO ANDANIANAO NY ANDRONAO SISA : HO LANIANAO TAHAKA NY OLONA AMPAMOAHINA VE, HO LANIANAO TAHAKA NY ANDRON’NY OLONA MIJERY VALISOA IZAY MBOLA TSY HITA MASO ? Izay ry havana ô, izay ny hafatra, izay ny hafatra amin’izao maraina izao.

Ka ho an’ny olona ary izay tapa-kevitra hoe andany tokoa izany androny sisa izany, araka ilay notenenina teo, tahaka ny olona ampamoahina, ny Fahamarinana 1 dia hitantsika ao amin’ny Ohabolana 23 :26, izay efa nohenoina tamin’ny 5minitra teo : « Anaka, atolory Ahy ny fonao ». Mahafinaritra ry havana ilay teny frantsay fandre, tsindraindray matetika, hoe : « Aujourd’hui est le premier jour du reste de ta vie ». Amin’izao andro sisa ireo : androany no voalohany. Ary amin’izany andro voalohany izany, tapaho ry havana ny hevitra hoe : Atolory an’Andriamanitra ny fonao. Hainao tsianjery izany ; fa efa nanolotra marina ny fonao ho an’Andriamanitra ve ianao ? Ary raha efa nanolotra ianao an : misaora an’Andriamanitra ianao raha hoe mivelona tahaka ny olona ampamoahina ry havana ô. « ANAKA, ATOLORY AHY NY FONAO ».

Rehefa mihaino fiteny, fitenintsika amin’ny andavan’andro, asa moa raha fiteny ety amin’ny pilopitra izany, fa indraindray isika rehefa maheno olona miresaka, dia miteny ilay anankiray hoe : « ianao mampihomehy an ». Eto ry havana ô, ohatrany sanatria an’izany, resaka mampihomehy eto. Mampihomehy ilay situation hoe : mahita an’Andriamanitra miteny amiko, miteny aminao : « Anaka, atolory ahy ny fonao ». Maninona no mampihomehy ? Mampihomehy satria io fonao io ange efa an’Andriamanitra e, raha nahary anao Izy e. Izay ilay mampihomehy : efa Azy io, dia mbola miteny indray Izy hoe : « Anaka, atolory ahy ny fonao ». Io fonao io, efa noforoniny ho Azy, hitempo ho Azy. Fa maninona ary no mbola teneniny indray hoe : « Anaka, atolory ahy ny fonao » ? Ny Apostoly Paoly, any amin’ny Romana 7 :14, omeko anareo fotsiny ilay référence, dia hoe : en fait, io foko io, satria izaho, hoy Paoly, ny olombelona, hoy Paoly : « namidy ho andevon’ny ota » dia tsy an’Andriamanitra intsony. Satria, Romana 7 :14, namidy aho, namidy ny olombelona ho andevon’ny ota, dia tsy an’Andriamanitra intsony ilay fonao io. Ary izany no itenenany amintsika androany hoe : fantaro fa ianao izay efa namidy ho andevon’ny ota io no itenenako hoe : « Anaka, anaka, anaka : tsy mitsara anao Aho, fa atolory ahy, atolory ahy io fonao io. Manatonà ahy, dia atolory ahy io fonao io ». Raha te hanolotra ianao, tsy maintsy manatona hoe : « inty ny foko ary Tompo ô. « Manatonà ahy dia atolory io fonao io. Aoka izay io fombanao io, hoe : mba manatona ihany tsindraindray, tsindraindray. Fa isaky ny manatona ahy ianao, tsy misy iraharahianao an’izay hoe anolotra ny fonao ; fa filan-javatra no anatonanao ahy. Aoka izay izany anaka. Aza manatona intsony, hoe : hanala fanadinana aho, manana projet aho, tsy misy maharatsy an’izany, mba ho afaka tanteraka amin’ny covid aho, oaoaoa, eny e, tsy misy maharatsy an’izany ; anaka ô, atolory ahy, atolory ahy ny fonao ».

Namidy ho andevon’ny ota isika an, dia izay toetra-na andevo izay no ahazoantsika koa manatona rehefa dinihina ; koa andevo ianao ko, voafatotra ianao ; fa mahare tenim-pitiavana ianao, mahare tenim-pahasoavana ianao ary misy aina, misy hery ao amin’io teny io, hoe : « manatona ahy ianao, dia atolory ahy io fonao io ». Fa izao koa ry havana ilay problema, izao koa ilay problema : fantatro ihany fa hoe te hanatona aho nefa andevo e, andevon’ny fahotana izay namarotana ahy : Ok. Dia fantatro aho fa andevon’ny fahotana, dia fantatro loatra ny ao anatin’ny foko ao, fantatro ; ianao koa mahafantatra ny ao anatin’ny fonao ao ; nefa io fonao io no tian’Andriamanitra atolotrao ho Azy. Fantatrao ny ao anatin’ny fonao ao ry havana ô, ao ambadik’izao akanjo izao, fantatrao ny ao anatin’ny fonao ao, dia tsy omenao accès Andriamanitra hijery ny ao anatin’ny fonao lalina ao. Izaho no adala be, ianao no adala be an. Ny zavatra  tadiaviny anie dia ny ho tonga saina ianao e, hoe : miaiky ianao, manetry teny ; izay ange ilay fanentren-tena, hoe : « Tompo ô, mifona Aminao aho, fa izaho ity dia mbola ohatran’izao, mbola ohatran’izao, mbola ohatran’izao ». Izany no tsy tiako ho hitan’Andriamanitra dia sakanako ilay accès. Fa izany hoe manolotra ny fo ho an’Andriamanitra izany : mamoha azy midanadana koa. Azo hanazavana azy tsara izany. Tsy tiako ho hitan’Andriamanitra ilay foko mangatsiaka ho Azy. Izany isika ry havana ô. Tsy tiantsika ho hitan’Andriamanitra ilay fontsika mangatsiaka ho Azy nefa mafana ho amin’ny vola, mafana ho amin’ny fahafinaretana, mafana ho an’ny namana, mafana ho an’ny fianakaviana. Tsy tiantsika ho hitan’Andriamanitra izany. Fa hitany ange izany e ; nefa mbola miteny aminao Izy, manambitamby anao Izy : « Anaka, atolory ahy ny fonao. Atolory ahy io fonao, fa Izaho no tena mila an’io fonao io. Tsy ilay olombelona ho lasa vovoka aman-tany sy lavenina atsy ho atsy. Izaho no mila an’io fonao io. Atolory ahy io fonao io fa Izaho irery no hahasoa an’io fonao io sy hahafa-po ny hetahetan’io fonao io anaka ô. Atolory ahy, atolory ahy ny fonao ». Fa rehefa tsy atolotrao ho an’Andriamanitra io fonao io ry havana ô, dia mitsangana ho fahavalon’Andriamanitra ianao, miziriziry amin’ny maha-fahavalon’Andriamanitra anao ianao. Petera, nisy fotoana nitondra tena tahaka ny fahavalon’Andriamanitra, izy nandà an’i Jesoa ; tena fahavalon’Andriamanitra. Fa ny tantaran’i Petera : fahavalon’Andriamanitra novain’ny fahasoavan’Andriamanitra ho sakaizany, sakaizan’i Jesoa. Ary tao anatin’ireo anankitelo tena akaiky Azy indrindra tety ambonin’ny tany.

Miantso anao ny Tompo amin’izao maraina izao, manambitamby anao ny Tompo amin’izao maraina izao, hoe : « Anaka, anaka, anaka atolory ahy amin’izay ny fonao ; ary atolory ahy ny fonao fa ianao ange mbola hampamoahina e. Atolory ahy ny fonao, fa Izaho ange te hanolotra ho anao e, valisoa tsara be noho ny fianakavianao, noho ny vola anananao, noho ny namanao sy ny karazany ety an-tany. Te hanolotra ho anao valisoa tsara lavitra noho izany Aho ».                                 

Ka ny olona manapa-kevitra ry havana, hoe hanolotra ny fony ho an’Andriamanitra, dia mivavaka ihany koa, mivavaka ; io no tsy ampy amintsika Fjkm : mampianatra, fa tsy mampianatra hivavaka ; mivavaka hoe : « Jesoa an, afaho ary aho e, amin’ny fanandevozana izay namarotana ahy. Afaho aho amin’ny fanandevozana izay namarotana ahy ». Ary faharoa, hoe : « Avoty aho amin’ny fitondran-tena adala mahazatra ahy ».

Izay ny Fahamarinana 1, hoe : « ANAKA, ATOLORY AHY NY FONAO ». Ary angataho ry havana ny Fanahy Masina hanongotra ao am-ponao ihany koa izay rehetra hoe faka mangidy mihazona anao tsy hanolotra ny fonao ho an’Andriamanitra.

Mivadika ao amin’ny Matio 23 isika ry havana. Ny Fahamarinana 1 dia hoe : « ANAKA, ATOLORY AHY NY FONAO ». Izany ny fahendren’ny olona mandany ny androny sisa tahaka ny olona manantena valisoa. Ny Fahamarinana 2 ry havana dia izao, ny Fahamarinana 2 : REHEFA TSY ATOLOTRAO HO AN’ANDRIAMANITRA NY FONAO, DIA AUTOMATIQUEMENT MIHATSARAVELATSIHY SY TIA SEHOSEHO IANAO AO AMIN’NY FIAINANAO.

Izany ny modely ratsy asehon’ireto Fariseo ireto. Izany ny modely ratsy asehon’ireto Fariseo ireto. Matio 23 :2-3 : « Eo amin’ ny fipetrahan’ i Mosesy no ipetrahan’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; koa amin’ izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.»

Inona moa ilay fihatsarambelatsihy ry havana ? Ny fihatsarambelatsihy dia hoe : manana fampianarana raitra ianao, ary eken’i Jesoa hoe raitra ilay fampianarana, fa tsy ampiarinao ilay izy e. Ary tsy ampiarinao ilay izy satria ny fonao tsy natolotrao ho an’Andriamanitra. Rehefa miteny ry havana Andriamanitra hoe : « Anaka, atolory ahy ny fonao », tsy miteny Izy hoe : « Anaka, atolory ahy ny molotrao » ; tsy miteny Izy hoe : « Anaka, atolory ahy ny sainao » ; fa « Anaka, atolory ahy ny fonao ». Fa ilay molotra mahay manao fampianarana tsara be na ahoana na ahoana, ilay saina mahay manao fampianarana tsara be ; fa avy eo tsy hita ao amin’ny fiainanao izany fampianarana tsara be izany. Tsy hita ao amin’ny fiainanao. Ary eto Jesoa dia miteny hoe : « an an an, tsara be ny fampianarany, fa ilay fiainany tsy arak’izay ». Ary tena lalina ange ry havana izany hoe : mijery anao izany Jesoa, mijery antsika izany Jesoa dia itenenany hoe : « izay rehetra lazainy, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo ; fa aza mba manao araka ny asany ». Zava-doza ange izany e, zava-doza.

Tsy ny fahaizana tenin’Andrimanitra ato an-tsaina ry havana no andraisanao an’ilay valisoa an, tsy ny fahaizana ara-tsaina, fa ilay fo natolotra teo an-tanan’Andriamanitra. Ary amin’izao vanin’andro iainantsika izao ry havana, tena mahavariana mihitsy ny manao constat an’ity zavatra ity : misy olona manan-tsaina, misy olona tapi-pahalalana, misy olona manana position sociale, position professionnelle ohatran’izao sy ohatran’izao, azo atao hoe tsiriritina amin’ny maha-olombelona, fa izao : amin’izao 2021 izao, tsy ampy intsony izany, tsy ampy intsony izany. Diniho tsara : maro, maro ny olona te hatao hoe « ara-panahy », maro ny olona te hatao hoe « religieux », maro ny olona te hatao hoe « spirituel », fa tsy ampy azy ny zavatra ankoatran’izay. Izany ny zava-misy. Izy tsy nanolotra ; fa izany : tsy mety izy raha tsy atao hoe « tena ara-panahy be aho ». Izay. Dia inona ny zavatra mitranga ? Hoy isika hoe : rehefa tsy nanolotra ny fonao ho an’i Jesoa ianao : automatique ianao misehoseho ary mihatsaravelatsihy. Izay ange no lazain’i Jesoa eto e. Izay no lazain’i Jesoa eto. And.5 : « Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona ; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny ». Ataony lehibe ny fylakiterany. Io fylakitera io, amin’ilay fitaizam-pinoana sy fitaizana ara-panahy, tena zavatra tsara be io. Io, rehefa mijery, boîte kely izay, dia misy tenin’Andriamanitra ao ; boîte kely izay. Dia ho fitaizana ilay jiosy dia fatorana eo amin’ny andrina eo ilay izy ; mifatotra mihitsy ilay izy ; mba ho tsaroan’ilay jiosy mandrakariva ny tenin’Andriamanitra ry havana. Tsara be izany. Ary koa, hoe : hi-inspiré ny zavatra ataony. Izany ny anton’ilay fylakitera. Fa araka ilay notenenina teo, ilay Fariseo mpihatsaravelatsihy, ilay Fariseo tia sehoseho : tsy hita ao amin’ny fiainany izany. Dia ahoana no ataony ? Ilay fylakitera no ataony ngeza be ry havana ô. Izay ilay izy. Izay ilay hoe fihatsarambelatsihy, izay ilay hoe sehoseho. Fa izaho sy ianao, tsy mila fylakitera izany ; fa une fois isika ry havana nanolotra ny fontsika ho an’Andriamanitra : automatique folahan’izany tenin’Andriamanitra ary volavolain’izany tenin’Andriamanitra izany ny saina, ary dia hoe ampidinin’ny Fanahy ato am-po, dia hita ao amin’ny fiainantsika hoe ny fiainan’iny indray dia tena hoe baikon’ny tenin’Andriamanitra. Izay ilay izy.

Eo amin’ny and.5, hoe : « ataony vaventy ny somotraviaviny ». Ilay somotraviavy io amin’ny teny frantsay, hoe : « cordon » ; misy karazana tady izay, dia ataony mikirazorazo tsara ety amin’ny zoron’ilay akanjo ety ho hita tsara. Iny somotraviavy iny an, ny anton’iny dia hoe : hamamarihana hoe vahoakan’Andriamanitra izy, vahoakan’Andriamanitra izy. Inona no dikan’izany hoe vahoakan’Andriamanitra izany ? Vahoaka nalain’Andriamanitta teo anivon’ny firenena rehetra ary natokany ho azy. Ary satria hoe vahoakan’Andriamanitra, dia amin’izay rehetra atao, amin’izay rehetra aleha dia mpampatsiahy an’Andriamanitra. Izany ve izaho ? Izany ve ianao ? Izany izaho sy ianao raha nanolotra ho an’Andriamanitra ny fontsika ry havana ô. Ary androany no andrasany amiko sy aminao izany. Izay ilay izy. Fa raha tsy izany dia automatique e, izay ataonao rehetra ; aty am-piangonana ange izany resahina izany e : fihatsarambelatsihy daholo. Ary sehoseho daholo. Avy eo izy an, mankeny amin’ny toerana voalohany, mitady ho arahabain’ny olona, mitady félicitations avy amin’ny olona sy ny karazany. Izay rehetra atao dia hoe mba hahitana azy.

Ry havana ô, ampy izay, hoy Petera, raha nanao an’izany ianao. Ampy izay. Tsy manameloka anao Izy e. Fa ampy izay, fa lanio ny andronao sisa tahaka ny hoe andron’ny olona mahafantatra mazava fa hampamoahina ary rehefa vita ny fampamoahina : handray amin’ny fifaliana valisoa, ary valisoa mandrakizay.               

Ny Fahamarinana 1 dia hoe : ATOLORY AN’ANDRIAMANITRA NY FONAO. Ny Fahamarinana 2 dia hoe : TANDREMO FA REHEFA TSY ATOLOTRA AN’ANDRIAMANITRA NY FONAO : AUTOMATIQUEMENT MPIHATSARAVELATSIHY IANAO ARY TIA SEHOSEHO SY VONINAHITRA.

Ao amin’ny 1 Petera 4 ny Fahamarinana 3 farany. Averintsika vakiana ry havana ny and.1, 1 Petera 4 :1: « Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany ; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota ». Ilay Fahamarinana 3 dia izao ry havana : IATREHANAO NY ANDRO SISA-NAO TAHAKA NY OLONA AMPAMOAHINA, TAHAKA NY OLONA MANANTENA VALISOA ; IATREHANAO IZANY ANDRO SISA IZANY : RAISO NY FIADIANA. RAISO NY FIADIANA. RAISO NY FIADIANA.

Fiadiana anankiray eto amin’ny 1 Petera 4. Andao ary aveintsika vakiana ilay izy, satria sarotsarotra hoy aho ilay izy, nefa tsotra kely ihany rehefa tena dinihina. « Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany ; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota ».

Inona ilay fiadiana asaina raisintsika io ? Sombina tenin’Andriamanitra ry havana, sombina tenin’Andriamanitra. Dia inona ilay sombina tenin’Andriamanitra ? Manao hoe : « Izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota ».

Iza amintsika no tsy maniry lalina ao am-pony ao hoe : mba ho afaka amin’ny ota ? Mba ho afaka. Iza no tsy maniry an’izany ? Ary iza no tsy maniry an’izany ary mi-expérimenté défaite lalandava, faharesena lalandava. Fa eto ry havana, omena antsika ilay fiadiana : io sombin’andinin-tsoratra Masina io, hoe : « Izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota ». Hampahery anao io amin’ny adro sisa iainanao, saisi-siavo, ifikiro io promesse io, manao hoe : ny teninao Jesoa an, ny tenin’ny Soratra Masina Jesoa an, dia milaza mazava hoe : « Izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota ». « Izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota ».

Ahoana tsara moa izany ary e? Isika rehetra ry havana samy manana finoana. Ny olombelona rehetra samy manana finoana. Fa rehefa dinihina, dinihina tsara, dia misy karazany 2, raha samy antsoina hoe finoana an, misy karazany 2 ilay finoana.

  • Ilay finoana voalohany dia « finoana ny zavatra hita ». « Finoana ny zavatra hita ».
  • Fa ilay karazana finoana iantsoana antsika ry havana, mba hoe ananantsika dia « finoana ny zavatra tsy hita maso ». Izay.

Manao ahoana ny finoanao : finoana ny zavatra hita maso ve ka ifikiranao eo amin’ny fiainanao ; zavatra hita maso : fifaliana, fahafinaretana mandalo, na dia fahafinaretana araka ny lazain’ny Hebreo hoe fahafinaretana miaro fahotana aza : finoana mino ny zavatra hita maso ve ny finoanao sa finoana mino an’izany hoe fampamoahina mbola tsy hita maso sy ny valisoa tsy hita maso izany ? Ianao ve ilay rehefa tenenina, dia hoe : « mazava ny toriteny Pasitera an, misaotra anao, mazava ilay toriteny. Fa tsy vitan’izany ny fiainana : izaho mamelona vady aman-janaka, mbola kely ny zanako, mbola mianatra ny zanako : vola aloha, vola sy fahasalamana aloha ». Izany ve ny finoanao : finoana miantehitra, maniry en priorité zavatra hita maso nefa mandalo tahak’izany?

Ary izay no tian’Andriamanitra ovaina ry havana, izay finoana ny zavatra hita maso izay. Ary tiany ho soloina ilay finoana ny zavatra tsy hita maso. Izao manko ilay problema : rehefa mino ny zavatra hita maso ianao, tahaka ny ataon’ny kristiana maro ry havana, dia mbola hoe naman’izao tontolo izao ihany ianao, naman’izao tontolo izao ihany ianao.

Miteny eto Petera, 1 Petera 4 :4 : « ary amin’izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’izany ratsy izany ». Ny tena normal ry havana, dia io lazain’i Petera io : gaga izao tontolo izao hoe tsy miara-mirevy aminy intsony isika, tsy manao ny fanaony intsony isika. Tena gaga izy ; ilay gaga : sady tezitra an. Gaga izy tsy miara-mihazakazaka aminy. Fa ny zava-misy amin’izao fotoana izao ry havana : izao tontolo izao gaga satria miara-mihazakazaka aminy ianao. Izany no mahagaga azy. Gaga izy : « odry, inona no ataonao aty ? ». Izy izany any amin’izay toerana any an’anona any, dia mahita antsika mankany, mahita anao mankany : « odry ». Gaga izy. Miara-mihazakazaka aminy ho any amin’ny fahotana sy any amin’ny fifaliana maloto ianao. Gaga izy mahita anao manao ny fanaon’ny jentilisa, hoy Petera ry havana ô. Gaga izy e. Gaga izy satria ireto olona nitoriana teny ireto mba mahafantatra hoe ianao ange ka mbola ampamoahina e, ianao ange ka misy valisoa miandry anao e. Gaga izy : fa ahoana ary no izao no ataonao e ? Izany ange ilay izy ry havana e. Izy gaga, ary ianao tsy mahafantatra fa hoe io finoanao faible io, malemy ohatran’io ange ilay finoanao e, noho ny fiarahanao mihazakazaka amin’izao tontolo izao. Faible ny finoantsika ry havana rehefa hoe tsy nanapa-kevitra mazava isika fa hisaraka amin’ny fanaon’izao tontolo izao. Fa rehefa miteny an’izany ny Pasitera, dia hoe : « io indray Pasitera sy ny morale, io indray Pasitera sy ny fahateren-tsainy ». Non non non : ny finoanao no faible satria ianao tsy nisaraka amin’izao tontolo izao ry havana ô, ary higagan’izao tontolo izao ianao hoe : miara-mihazakazaka aminy amin’ny fanaon’ny jentilisa. Ary normal be izany, normal be izany satria tsy natolotrao ho an’Andriamanitra ny fonao. Izany ange e, izany ilay resaka androany e, izany ilay resaka androany.

Dia inona no mahatonga an’i Petera hiteny ilay fiadiana, hoe : « Izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota » ? Izay niaritra tsy hanota dia efa afaka. Dia jereo ange ilay naoty kely ery ambany ery e : fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka tamin’ny ota = nampitsaharina. Nampitsaharina. Izay olona hoe ninia tsy hanota, na ota kely aza aloha amin’ny voalohany, dia efa afaka, libéré, nampitsaharina tamin’ny ota. Raha mijaly ianao ry havana ô, ao amin’ny nofonao satria tsy nanaiky hanota : izany ny famantarana fa efa afaka tamin’ny fahotana ianao. Raha miaritra fahoriana ianao satria tsy nanaiky hanota : izany no signe fa efa afaka amin’ny fahotana ianao. Tsy mi-contrôle anao intsony ny fahotana. Andao haka ohatra ary e. Iza no tsy mahafantatra fa tsy mety ny manao kolikoly ? Ary iza no kristiana tsy manao kolikoly ? Ary iza no tsy manamari-tena rehefa hanao kolikoly ? Tsy fisainan’ny olona mandany ny androny tahaka ny olona ampamoahina izany ry havana ô. Fa raha io ary ianao, mahita an’izao teny izao, ary nanolotra ho an’Andriamanitra tokoa ny fonao ianao, nanolotra ho an’Andriamanitra ny fonao ianao ry havana ô, ary mijaly ianao satria io fa tsy lany visite technique ny tômôbile-nao, tsy vita ny taratasinao any amin’ny domaine, tsy mivoaka ny entanao any amin’ny douane : miaritra ao anatin’ny nofonao ianao, marary ianao, mihena ny fihinananao : tu es libéré du péché, efa afaka amin’ny fahotana ianao. Tsy midika izany fa tsy hanota intsony ianao, fa afaka amin’ilay fanandevozan’ny fahotana ianao e. Izany ny vaovao mahafaly ho antsika izay efa nanapa-kevitra, namaly ny antson’ny Tompo hoe : « Anaka, atolory ahy ny fonao ». Tsy contrôlé-n’-ny fahotana intsony fa contrôlé-n’Andriamanitra, contrôlé-n’ny Fanahy Masina ny fiainany. Izany ny vaovao mahafaly. Izay liay fiadiana raisina, izay ilay saina tian’ny Tompo hananana, hoe : « Izay niaritra tamin’ny nofo, niaritra fahoriana tamin’ny nofo dia efa afaka, efa afaka amin’ny fahotana ». Fa raha tsy nahatsiaro niaritra ohatran’izany ianao, niaritra ; tsara be ny exemple-ny kolikoly io an ; ary mahavariana ahy ry havana, fa misaotra ny Tompo ny amin’ireo mpikambana efa an’arivony, mihoatra an’izany ary ; fa mahavariana rehefa manatona olona ianao : évident be ilay kolikoly fa tsy tokony atao, évident be ilay approche-ny chaîne, tena hoe concret be mihitsy hoe : ianao tsy hanao, ianao tsy handray ; « an an an, aoka aloha Pasitera an, aoka aloha, aoka aloha ». Fa maninona no « aoka aloha » ? Sao dia sanatria « aoka aloha » an’ny olona tsy nanolotra ny fony ho an’Andriamanitra izany ? Sanatria, sao dia « aoka aloha » an’ny olona izay tsy mahazaka maharitra ao amin’ny nofo, ary tsy misy vidiny aminy izany hoe : ambara avy any an-danitra fa efa afaka amin’ny fahotana ianao ? Izany ve ny fiainanao ? Izany ve no nidiranao teto, dia izany ve no mbola ivoahanao avy eto, ry havana malala ao amin’ny Tompo ô ? Izany ilay izy. Fa rehefa afaka amin’ny ota ianao, tsy contrôlé-n’ny fahotana intsony ny fiainanao, fa contrôlé-n’Andriamanitra. Ary rehefa contrôlé-n’Andriamanitra ry havana ô, ny fiainanao, dia réalité aminao izany hoe, ilay notenenin’i Petera teo : tsy mankany amin’ny fijejojejoana intsony ianao. Ilay fijejojejoana, tsy ilay hoe coquetterie manko, fa ilay fijejojejoana : ilay dérèglement-ny fiainana. Tsy mankany amin’ilay fanirian-dratsy intsony ianao, tsy mankany amin’ny filalaovan-dratsy intsony ianao, tsy mankany amin’ny fisotroa-toaka intsony ianao sy ny fimamoana, tsy mankany amin’ny filalaovan-dratsy : ilay filalaovan-dratsy, ilay hoe orgie, ilay fomba fiainana veta, fomba fanaovana firaisana veta. Fa rehefa hoe tsy niaritra tamin’ny nofo ianao ry havana : any ianao, automatique any ange ianao e. Tsy omen-tsiny ianao, fa any ianao e. Ary very ilay valisoa ary.

AHOANA NO ANDANIANAO NY ANDRONAO SISA ?  Miraisa saina amin’i Kristy – Raiso ny fiadiana, dia ilay teny fampanantenana hoe : « Izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota ».

Ny Tompo ry havana ô, ny Tompo hameno anao amin’ny Fanahy Masina ; satria haintsika tsianjery ilay hoe : « hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo » ; mba hanomboantsiaka miaritra amin’izay faran’izay kely aloha,  mba hi-expérimenté-tsika victoire faran’izay kely aloha, dia ny Tompo, ny Tompo hampitombo izany isan’andro isan’andro satria exercice quotidien izany, fa tsy hoe androany 20 Juin tena manapa-kevitra ; exercice quotidien izany.

Ry havana ô : ATOLORY AN’ANDRIAMANITRA NY FONAO FA IZY NO MITADY AZY INDRINDRA ARY TENA TIA AZY INDRINDRA – ATOLORY AN’ANDRIAMANITRA NY FONAO FA IZY NO HAMALY NY HETAHETANY INDRINDRA ; ARY AMIN’IZAY DIA HANANA FINOANA IANAO, HAMARITRA NY ANDRONAO SISA TAHAKA NY FIAINAN’NY OLONA IZAY TENA HOE REALITE HO AZY NY ZAVATRA INVISIBLE, DIA ILAY VALISOA OMANINY HO AHY SY  HO ANAO ANY AN-DANITRA.

Amen