Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ASABOTSY 16 OKT 2021 – TPM

Ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny Apokalypsy 2 ry havana malala no nakana ny teny faneva manokana ho an'ny jobily fisotroan-drononon'ny ray aman-dreny RAMAHOLIMIHASO Solofo Mpitandrina mivady. Ary andeha averintsika ilay and.4 amin'izany Apokalypsy 2 izany. Apokalypsy 2 :4 : Jesoa no miteny ka manao hoe : « Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao ».

Rehefa mamaky ity epistily ho an'ny Efesiana ity isika ry havana, amin'ireo taratasy 7 izay nampanoratina an'i Jaona ho an’ny Fiangonana tany Asie mineure io, dia tian’ny Tompo ny hamerina antsika an’izao hafatra 3 sosona izao :

  • Ny hafatra voalohany, dia izao, manao hoe : Avereno amin’ny tena toerany ny fitiavana
  • Ny faharoa dia izao : Tsarovy ny hahasaropadin’ny fitiavana
  • Ary ny fahatelo dia izao : ivelomy ny votoatin’ny fitiavana

Izaho moa iraka ; dia ampitaiko aminareo izany hafatra. Izay ny hafatra nanirahana ahy :

  1. AVERENO AMIN’NY TENA TOERANY NY FITIAVANA
  2. TSAROVY NY HAHASAROPADIN’NY FITIAVANA
  3. IVELOMY NY VOTOATIN’NY FITIAVANA

Nahoana moa ? Jesoa ry havana dia miteny manao hoe : « manan-teny aminao Aho ». Raha ohatra ry havana tsorina : manana zavatra anakianana anareo Aho ry Fiangonana ato Efesosy ô ». Ny antony dia izao : niala tamin’ny fitiavana voalohany ianareo. Raha mamaky amin’ny dikan-teny hafa isika, dia izao, manao hoe : ilay fitiavanao Ahy ankehitriny tsy mitovy intsony tamin’ilay fitiavanao Ahy tany amin’ny voalohany, fa rehefa nandeha ny fotoana dia nihanangatsiaka izany fitiavana izany, niova izany fitiavana izany. Ary eo ry havana ilay hafatra voalohany, hoe : AVERENO AMIN’NY TENA TOERANY NY FITIAVANA.

Rehefa mamaky ny andininy eo aloha isika, raha ohatra ka atsitokoko 3 ny zavatra izay ambaran’i Jesoa dia izao :

- Misy toko anankiray voalohany, miresaka Izy ny amin’ny hoe : fantatro ny asanao ny ny fikelezan’aina ataonao, ny hetsika ataonao ; fa tena mihetsika mihitsy ianareo Fiangonana aty Efesosy ry havana.

- Ny vondrona faharoa, dia : fantatro ny faharetanao sy ny tsy fahazakanao ny mpanao ratsy, na manao fampianaran-diso, ny Nikolaita. Izay ny vondrona faharoa. Fijoroana tsara izany : sady miaritra no maharitra.

- Ny fahatelo, dia miresaka amin’izay Izy ny amin’ny fitiavana.

Dia ireo izany ireo zavatra 3 : ilay asa sy fikelezan’aina, ilay faharetana sy fijoroana ary ny fitiavana. Raha ohatra ireo omeko laharana ry havana malala, ny fiainan’ny Fiangonana tao Efesosy, dia izao : 1. Asa sy fikelezan’aina ; 2. Faharetana sy fijoroana ; 3. Fitiavana. Izay no zavatra hitan’i Jesoa. Dia hoy Jesoa manao hoe: « Izaho tsy miombon-kevitra amin’izany aminareo ». Raha ohatra izany ka ataoko hoe bus izany no nandehanana : ny bus nandehanan’ireo kristiana tany Efesosy, bus 123. Maharaka ahy ianareo ? Izao mantsy ilay fotoana mampiesona ihany ; ilay bus 123. Hoy Jesoa hoe « Tsia : avereno amin’ny tena toerany ny fitiavana. Ny bus tokony andehananareo dia bus 312 ». Ilay fitiavana mila mandeha voalohany ; fa tsy izy no fahatelo farany ; izay mety ho lasa 0 mihitsy aza moa, raha hoe ialanao ilay izy. Ka tsy ny asa sy ny fikelezan’aina, tsy ny faharetana sy ny fijoroana hiady amin’ny secte akory no tena maika, dia ny fitiavana aty amin’ny farany, zara raha misy. Fa ny fitiavana no tokony ho voalohany. Raha ampiasaiko ny lamasinina : ny fitiavana no tokony ho locomotive ary ireto wagons manaraka. AVERENO AMIN’NY TENA TOERANY NY FITIAVANA.

Izany ry havana ny hafatra voalohany. Ary zavatra lehibe izany ry havana, rehefa mahatsiaro indray ny 1 Korintiana 13 :13 isika, ny amin’izany toeran’ny fitiavan izany, rehefa miteny Paoly hoe : « Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo. Ny dikanteny DIEM moa manao hoe : « fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo ». Ny dikanteny protestanta tsy misy « indrindra » an ; fa ny dikanteny DIEM no manao hoe : « fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo ». Izy izany no voalohany raha ohatra ka omena laharana. Ary ny antson’Andriamanitra, raha manao fampiharana an’izany eo amin’ny fiainantsika ankehitriny izany isika ry havana, hoe : miverena amin’ny fitiavanao voalohany, dia tsy maintsy mieritreritra isika : tena mbola mitàna an’izany toerana voalohany  amin’ny fiainantsika izany ve ny fitiavana ? Ao anatin’izao fiaraha-monina misy antsika izao, izay itaoman’ny rihan-dranon’ny fandrosoana sy ny volon-tsaina iraisam-pirenena ao anatin’ny fanatontoloana mitarika an’izao tontolo izao hanalavitra an’Andriamanitra amin’ny fomba mahery vaika sy mahatsiravina, ary hitantsika miaina eo amin’ny fiaraha-monina izay misy antsika : mbola voalohany eo amin’ny fiainantsika ve ny fitiavana ? Eo anivon’izao tontolo izao feno ady sy korontana, fankahalana hita any amin’ny sehatra maro samihafa, ka hahatonga ny mpiara-belona amintsika hamono olona ohatran’ny mamono akoho, na mamono moka akory aza, izay tsy misy vidiny mihitsy, ary zavatra tsy misy fotony no hamonoana olona, hiadiana, hifampitoriana any amin’ ny tribonaly, hifanaratsiana any amin’ny Facebook sy ny karazana ; ao anatin’izao tontolo izao feno fankahalana : mbola voalohany eo amin’ny fiainantsika ve ny fitiavana ? Izany ry havana malala no antson’Andriamanitra amintsika : AVERENO AMIN’NY TENA TOERANY NY FITIAVANA. MBA AVELAO IZY HO VOALOHANY AO ANATIN’NY FIAINANTSIKA.

Izay ny voalohany.

Ny hafatra faharoa : TSAROVY NY HAHASAROPADIN’NY FITIAVANA

Raha miverina eto amin’ity Apokalypsy ity aho ry havana, dia izao : noho ny tsy nametrahanao ny fitiavana amin’ny toerana voalohany, hoy Jesoa, tamin’ny Fiangonana tao Efesosy, dia izao no izy an : raha mbola ajanonao amin’izao ihany ny toeran’ny fitiavana fa tsy averinao amin’ny toerana voalohany izy an, ho avy aminao Aho, hamindra ny fanaovan-jironao Aho hiala eo amin’ ny fitoerany raha tsy mibebaka ianao. Izany hoe : ny fitiavana ry havana malala dia saropady. Fa raha tsy mipetraka amin’ny tena toerany izy, dia mampidi-doza. Ary moa tsy mampahatsiahy antsika an’izany ve ny Apostoly Paoly rhaa mandray ny 1 Korintiana 13 ihany isika, rehefa milaza izy manao hoe : « na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. Ary na dia omeko hohanin’ ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. ».  Raha miverina amin’ny Fiangonana tany Efesosy izany isika, tena niasa ireo, tena nikely aina ireo, « tena bravo ianareo, mbola tsy nahita Fiangonana mihetsika ohatran’izany aho, tena mihetsika ianareo ». Hoy Jesoa : azafady an ; na manao asa lehibe aza ianareo ka tsy amin’ny fitiavana izany dia tsinontsinona. Tsinontsinona. Izany ny hahasaropadin’ny fitiavana ry havana malala. Ary na dia sarotiny ary ianao amin’ny fampianaram-pinoana, manana faharetana, kanefa tsy manana fitiavana dia tsy mahasoa anao akory. Izany ry havana ny fampahatsiahivana ambaran’ny tenin’Andriamanitra.

Ary raha miampita mankany amin’ny filazantsara isika, dia tsy zavatra hafa noho izany akory no ambaran’i Jesoa ry havana malala, rehefa mampahatsiaro Izy tao amin’ny toriteniny tao an-tendrombohitra ao amin’ny Matio 7 manao hoe : « Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay ? », nanao asa izahay, nanao fikelezana aina izahay ; nataonay daholo izany rehetra rehetra izany. « Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka ». Zava-doza izany ry havana malala. Rehefa tsy apetraka amin’ny tena toerany, na manao asa lehibe, kanefa tsy ataonao amin’ny fitiavana izay ilàn’i Jesoa azy, dia hoe asa mahameloka ihany izany. Saropady ange ry havana ny fitiavana amin’izany e. Tena saropady mihitsy. Ary izany no maha-maripototra ny hafatra voalohany hoe : AVERENO AMIN’NY TENA TOERANY RE NY FITIAVANA E ! Fa raha tsy apetraka eo dia mampidi-doza satria saropady.

Hamarana aho izao ry havana. Inona ilay fahatelo teo ? IVELOMY NY VOTOATIN’NY FITIAVANA

Ny voalohany : AVERENO AMIN’NY TENA TOERANY NY FITIAVANA

Ny faharoa : TSAROVY NY HAHASAROPADIN’NY FITIAVANA

Ary fahatelo : IVELOMY NY VOTOATIN’NY FITIAVANA

Ivelomana ahoana moa ry havana ? Rehefa mieritreritra isika ny tontolon’ny zavatra rehetra ambaran’i Jaona eto, sy ny tontolo izay ambaran’i Paoly koa, raha ampifandraisiko ny soratr’izy ireo, dia mamerina antsika izany manao hoe : ahoana tokoa moa izany : niala tamin’ny fitiavana voalohany dia ahoana moa izany ?

Izao ry havana malala heviteny anankiray azo omena antsika : ny fanontaniana tokony atao dia izao : « izaho ve mbola afaka miara-miteny amin’i Paoly manao hoe : ny fitiavan’i Kristy no manery anay ? ». Mbola afaka miara-miteny amin’i Paoly an’izany ve hoe : ny fitiavan’i Kristy no manery anay ? Izany hoe : ny hery manentana ahy amin’ny zavatra ataoko, ny hery manentana ahy eo amin’ny fifandraisako, ny hery manentana ahy eo amin’ny teny ambarako dia ny fitiavan’i Kristy. Ary azavain’i Paoly tsara izany. Hoy izy hoe : ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray : maty ny anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra. Ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. Ao amin’ny 2 Korintiana 5 : 14 izany ry havana. Mbola afaka miteny an’izany ve isika ? Fa ny famerenana ny fitiavana amin’ny tena toerany, sy ny fahatsapana sy fitandremana satria saropady io, dia ny fivelomana an’izany hoe : « Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay ». Ny fitiavan’i Kristy no manery.

Ka raha ny fitiavan’i Kristy no manery, dia ivelomana izay ambaran’i Paoly ao amin’ny Kolosiana 3 :23 : « ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ ny fo, tahaka ny ho an’ ny Tompo, fa tsy ho an’ olona ». Ka amin’izay rehetra atao, dia Kristy no banjinina. Satria ny fitiavana Azy no manery. Ka ilay hoe fitiavan’i Kristy dia mandray roa : sady fitiavana Azy, no fitiavana noraisina. Noraisina ilay fitiavan’i Kristy maty ho ahy teo amin’ny hazofijaliana ; ka io fitiavan’i Kristy noraisiko io no manesika ahy hanatanteraka ny zavatra rehetra ataoko, ho fitiavana Azy. Izay no izy ry havana malala. Dia ny zavatra rehetra atao, na inona na inona, hoy Paoly, dia ataovy toy ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’ny olona. Na dia mety ho an’ny olona aza no anaovana aza, ny olona no mahita azy eo, dia ataovy toy ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’ny olona. Dia hoy Paoly rehefa miaina izany raha nanoratra ho an’ny tany Galatia izy, ao amin’ny Galatiana 1 :10 ; izany izany raha naoty tena ratsy mihitsy an, 1/10, fa ny Galatiana 1 :10 tena sarobidy : « Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’ olona aho? Raha mbola mila sitraka amin’ olona aho, dia tsy mpanompon’ i Kristy ». Izany no izy. Misy anefa olona : « amboarina ny toriteny fa tafintohiny i anona ». Inona ny problemanao rehefa marina ny toriteninao ? Torio. Tsy ny hahafalifaly ny mpiangona no tadiavinao, fa ny hitory mahitsy ny tenin’Andriamanitra. Ary ny toriteny voalohany tamin’ny pentekosta, toriteny nanindrona ny fon’ny mpiangona, fa tsy nanafosafo ny mpiangona na nandrotsirotsy azy hatory teo ambony dabilio. Izao no izy ry havana : « Raha mbola mila sitraka amin’ olona aho, dia tsy mpanompon’ i Kristy ». Torioko izay tokony ho toriako satria asain’i Kristy ataoko, ary ny fitiavana Azy no anaovako izany. Ataoko izay tokony ataoko satria ny fitiavan’i Kristy no manery ahy. Teren’ny fitiavan’i Kristy aho. Raha izaho amin’ny maha-olombelona ahy, mety matahotra anareo aho, mety mila ranondranony aminareo aho ; fa tereny aho, dia ataoko ilay izy. Ary mahafinaritra io faneren’ny fitiavan’i Kristy io an. Misaora an’Andriamanitra raha voatery ianao. Ary satria rehefa teren’ny fitiavan’i Kristy mantsy ianao, afa-tsiny ianao, afa-tsiny ianao. Izaho izany afaka miteny hoe sitrapoko io ; fa ilay fitiavan’i Kristy no nanery ahy. Eto aho satria teren’ny fitiavan’i Kristy. Afa-tsiny aho, fa miasa amin’izany fitiavan’i Kristy manery ahy izany. Fahafahana ry havana malala no ateraky ny faneren’ny fitiavan’i Kristy. Ary izay indrindra ny zavatra lehibe : mba ivelomana izany votoatin’ny fitiavana izany, ka ny fitiavan’i Kristy no manery.

Dia rehefa mieritreritra an’izany hoe : ataovy ny zavatra rehetra toy ny ho an’ny Tompo izany, ny dikany ange izany ry havana malala dia izao, ny tena fanontaniana izay ilàn’Andriamanitra valiny tamin’ny Fiangonana tao Efesosy dia manao hoe : ry Kristiana Efesosy ô, inona marina no fanoitra manentana anareo amin’ny zavatra atao ? Nanana asa sy fikelezan’aina iaanreo, naahritra sy nanohitra ny secte ianareo ; fa inona no fanoitra ? Azonareo izany teny malagasy, « fanoitra » lazaiko izany ? Inona no « motivation » nanentana anareo nanao an’izany rehetra rehetra izany ? Izay ilay fanontaniana ataon’ny Tompo. Izany hoe raha ohatra ka tena idirantsika lalina io, ny zavatra tena tian’Andriamanitra ho fantatra dia tsy ny zavatra miseho akory, fa ny ao am-po miafina ao, araka ilay 1 Samoela 16 :7 rehefa nifidy an’ireo mpanjaka handimby an’i Saoly, maneho fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’i Jehovah ; fa ny olona mijery ny miseho ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. Ny fontsika no jeren’Andriamanitra. Ny olona mijery ny hita, dia io ihany no hitany ; dia io no hitsarany antsika : ny teny ataontsika, ny fihetsika ataontsika, ny asa ataontsika ; satria izy tsy mahita afa-tsy ny miseho. Fa Andriamanitra rehefa mijery antsika, ilay miseho, iny hitany tsara mihitsy ; fa lasa lalina kokoa ny fijerin’Andriamanitra : inona marina ny fanoitra tao am-poko tao nahatonga ahy hiteny an’izao ? Inona marina ny fanoitra tao am-poko tao nahatonga ahy nihevitra ohatran’izao ? Inona marina ny fanoitra tao am-poko tao nahatonga ahy nanao asa ohatran’izao ? Inona io fanoitra io ? Fa raha tsy fitiavana an’i Kristy io fanoitra io : mivoana ny zavatra rehetra ary hampidi-doza izay. Izany no izy ry havana. Ivelomy re ny votoatin’ny fitiavana e. Fa rehefa mieritreritra mantsy isika ry havana, hoe manao asa fikelezan’iana, miezaka mijoro sns… :tsy maintsy manaiky am-panetren-tena isika ry havana fa tsy voatery ho fitiavan’i Kristy akory ny fanoitra manentana antsika an. Tsy tokony hiatsaravelatsihy amin’izany isika. Indraindra ry havana malala ny fihetsika ataontsika, ny teny ataontsika, ny zavatra ataontsika dia atosiky ny fifaninanana : « ry anona manao an’izao dia izaho ve tsy mba hanao ».  Izany no toe-tsaina eto amin’ny fiaraha-monina misy antsika. Indraindray tsy ny fitiavan’i Kristy no manery antsika fa mety ho filàna sitraka amin’olona : « raha ataoko izao dia ho falifaly kokoa ry zareo ». Indraindray mety ho henatra na tahotra koa, indrindra moa rehefa misy olona lehibe : matahotra ny tanora. Izaho dia misaotra an’Andriamanitra fa filohan’ny Fjkm ary tsy mba misy olona matahotra ahy mihitsy. Izaho izany tsy mba mijoro ho biby fampitahorana mihitsy ; fa misy olona an. Izany  noizy. Fa izaho izany tena mitandrina mafy mihitsy mba tsy ho tahotra na noho ny fahefana no anaovan’ny olona anankiray zavatra eo amin’ny fiainana na eo anivon’ny Fiangonana. Fa mba ho tsaroan’ny olona mandrakariva fa ny fitiavan’i Krisy ihany no tokony manery azy fa tsy ny henatra olona na ny tahotra olona, na iza na iza. Dia ohatran’izany koa : inona marina ny fanoitra mety manentana ny olona : sao dia fitiavam-boninahitra na fahefana ? Satria izany no nitaizan’ny fiaraha-monina antsika : adalam-boninahitra, adalam-pahefana ny fiaraha-monina misy antsika ry havana malala. Ohatra, ho avy izao ny fifidianana amin’ny 2023 ; ka rehefa mandeha ny fifidianana, mandeha ny fitoriana hoe misy risoriso ohatran’izao e, misy fandikan-dalàna ohatran’izao sns… inona ny antony ? Fitadiavam-pahefana sy voninahitra daholo. Matim-boninahitra sy fahefana mahatsiravina ny mpiara-belona amintsika. Ary izany ko indraindray no mety mahazo antsika. Tsy ny fitiavan’i Kristy intsony no manery antsika fa ny fitiavana voninahitra. Fanontaniana tsy maintsy atao izany. Fa indraindray koa, mety ho tena fitiavam-bola mihitsy, sy tombontsoa. Izany koa no mety manery ny olona. Fa tsy voatery ho ny fitiavan’i Kristy no manery ny olona. Ary Paoly, ao amin’ny epistiliny, dia milaza mihitsy manao hoe : izahay an, tsy manao mihitsy ho fitadiavam-bola ny fitoriana ny filazantsara tahaka ny fanaon’ny maro. Mamaky an’izany texte izany aho, dia mahatsiaro hoe : Andriamanitra ô, efa hatramin’izany no nisy olona maro manao ny fitoriana ny filazantsara ho fitadiavam-bola. Zavatra lehibe ry havana malala ny ahatsiarovantsika fa ny fitoriana ny filazantsara, ny asa izay atao : ahazoana tombontsoa ; izany ange zavatra tsy azo afenina e. Izaho izao mandeha Fortuner, tômôbile tsy nananako mihitsy hatramin’ny 30 taona. Lasa filohan’ny Fjkm aho vao nahazo Fortuner ; fa rehefa tsy filohan’ny Fjkm intsony indray aho dia mandeha bus. Fa amin’ny maha-filohan’ny Fjkm dia mandeha Fortuner. Ohatran’izany ny fandehan’ilay izy. Ka ny toerana misy tombontsoa tokoa ry havana malala ; sao dia ilay fitiavana tombontsoa na fitiavam-bola, fa tsy ny fitiavan’i Kristy intsony no manery antsika amin’ny maha-Fiangonana, ao amin’ny sehatra samihafa ? Fanontaniana tokony atao izany. Ry havana malala, rehefa mahita an’i Paoly isika : izaho an, tsy izany rehetra izany mihitsy ny ahy ; ny ahy tokana : ny fitiavan’i Kristy no manery ahy.

Izay daholo ry havana ny zavatra tian’Andriamanitra iombonantsika tamin’ity fotoana ity. Miverena re amin’ny fitiavana voalohany e ! Dia hoya ho hoe 3 no mety ho dikan’izany :

Ny voalohany : AVERENO AMIN’NY TENA TOERANY NY FITIAVANA. Avereno amin’ny toerana voalohany.

Ny faharoa : TSAROVY NY HAHASAROPADIN’NY FITIAVANA. Fa mampidi-doza ange io e : na atao amin’ny fitiavana, na foana ny zavatra ataontsika.

Ary fahatelo : IVELOMY NY VOTOATIN’IZANY FITIAVANA IZANY. Dia ny fitiavan’i Kristy raisina, sy ny fitiavan’i Kristy enti-miaina.

Ny Fanahy Masina izay nanazava izany tamiko anie ry havana malala, hanoratra izany ao am-ponareo mba isika ireto indray, mba mivoaka avy eto, mba hanana fitiavana voaovan’izany tenin’Andriamanitra izany. Ny fiafaran’io Apokalypsy io dia manao hoe : izay rehetra miaina izany dia omena ny hazon’aina izy, hiditra amin’ny fiainana mandrakizay isika, handova ny lanita isika. Manantena hahita anareo any an-danitra aho.

Amen   

ALAHADY 03 OKT 2021

"Soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain’ Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ ny fanaovan-jiro volamena fito: Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary hianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy; ary manana faharetana hianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka. Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ ny fitiavanao voalohany hianao. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ ny fitoerany, raha tsy mibebaka hianao. Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan’ ny Nikolaita, izay halako koa. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ ny hazon’ aina, izay eo amin’ ny Paradisan’ Andriamanitra". Apokalypsy 2:1-7

ALAHADY 26 SEP 2021

Lioka 12. Ny hafatry ny tompo ho antsika ry havana androany 26 Septembre 2021 dia hoe : AOKA IANAO HO SITRAK’I JESOA. ATAOVY TANJON’NY FIAINANAO IZANY HOE HO SITRAK’I JESOA IZANY.

Mijery anareo tanora aho, inoana fa maro aminareo no ho lasa paramed, lasa dokotera, lasa ingénieur, lasa an’izao sy izao sy izao… Angamba ato amintsika ato no ipoiran’izany filoham-pirenena manaraka izany any aoriana any an ; raha programan’Andriamanitra izany : programan’Andriamanitra. Fa maty antoka ianareo raha tanteraka izany programan’asa sy fianarana izany an, nefa tsy sitrak’i Jesoa. Ataovy tanjom-piainana ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, izany hoe ho sitrak’i Jesoa izany.

Nandinika ny batisan’i Jesoa isika herinandro vitsivitsy izay, raha anomboka ny asany tety an-tany Izy. Dia ny teny avy any an-danitra hoe : «  Ity no Zanako malala Izay sitrako ». Ny version Segond dia hoe : « en qui je prends plaisir ». Rehefa jerena indray ny Segond amin’ilay any amin’ny 1 Kor.10 :5 any hoe  naringan’Andriamanitra izy satria tsy sitrany, satria tsy «agréable » amin’Andriamanitra. Izany io hoe : katsaho izay hoe ho  sitrak’Andriamanitra ianao. Firesantsika ihany, fomba fitenintsika ihany ny hoe : namonjy fivoriana tatsy, namonjy lanonana tary, dia miresaka olona eo isika, dia hoe : « i anona kosa akia mba mahafinaritra an ». Izay io. Katsaho ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, ny ho sitrak’Andriamanitra, ny hahafinaritra an’Andriamanitra, ny ho agréable amin’Andriamanitra, ny hananan’Andriamanitra plaisir rehefa mijery anao. Fa rehefa tsy izay ny tanjon’ny fiainanao : mamita-tena ianao satria faharinganana no miandry anao.

Andao ary jerena ny Fahamarinana 1 omena an’izay olona hoe mitady an’izany ho sitrak’i Jesoa izany. Lioka 12 :49-51 : « Tonga hanipy afo etỳ ambonin’ ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan’ izany sahady ? Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany! Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana ». NY OLONA RY HAVANA, IZAY MITADY IZAY HO SITRAK’I JESOA, DIA MAHALALA VOALOHANY DIA VOALOHANY INDRINDRA FA NY NAHATONGAVAN’I JESOA TETY AN-TANY AN, DIA TONGA IZY HANIPY AFO.

TONGA IZY HANIPY AFO. Mahavariana ry havana ilay and.50. Vao teo isika no notenenina hoe : ilay nanaovana batisa an’i Jesoa dia fanamarihana ny fanombohany ny asa ny tety an-tany. Dia maninona indray no miteny eto amin’ny and.50 hoe : « Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany! » ? Satria rehefa akapoka ny Baiboly, dia ny fahafatesan’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana dia oharina amina batisa anankiray hafa, karazany hafa izany. Raha tiantsika izany, dia : natao batisa indroa Jesoa : tao amin’ny onin’ny Jordana, batisa nataon’i Jaona taminy ; teo amin’ny hazo fijaliana dia mbola natao batisa ihany koa Izy ry havana. Fa rehefa jerena ity texte ity an, ilay batisa teo amin’ny hazo fijaliana : tsy fandrombohana Azy anaty rano intsony, fa fandrombohana an’i Jesoa anaty afo. Fandrombohana an’i Jesoa anaty afo ry havana ô. Izay ilay batisa notanterahany teo amin’ny hazo fijaliana : fandrombohana Azy anaty afo. Ary izany no mahatonga Azy tena hoe : « manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany! ». Satria atao batisa anaty fahoriana Izy, atao batisa anaty afo Izy. Dia inona ny zavatra mitranga rehefa atao batisa anaty afo Izy ? Toy ny manjary lelafo mirehitra Izy. Io no lazain’ny Malakia hoe toy ny afo Izy, afon’ny mpandrendrika. Toy ny lelafo Izy. Dia iny lelafo iny manao ahoana ? Iny ilay hoe atsipiny ety ambonin’ny tany. Jesoa ilay nitondra afo, na ilay lelafo atsipy ety ambonin’ny tany ry havana ô. Ary dia izay mandray Azy dia mandray an’izany afo izany. Izay ilay izy. Fa maninona no zava-dehibe ary mampiavaka an’i Jesoa ry havana ity ilay hoe natao batisa tao amin’ny afo ? Izay ilay tadidio an, tsangan-kevitra : natao batisa teo amin’ny afo Izy teo amin’ny hazofijaliana ; dia atsipiny iny afo iny ; ary izay mandray azy, dia mazava be hoe afo manadio io. Afo manadio. Izay ange ilay hoe izaho sy ianao mpanota e. Fa mora am-pitenenana izany hevitra amin’ny ankapobeany izany. Fa mila anipazana an’io afo io isika anadiovana antsika ry havana ô, andevonana izay fatorana mbola mamatotra antsika. Ary raha tsy mandray an’io afo io ianao, ka n’inon’inona finoanao, n’inon’inona engagement-nao aty am-piangonana, nefa tsy nandray an’io afo io hanadio anao ianao : tsy sitrak’Andriamanitra ianao ry havana ô, tsy sitrak’Andriamanitra ianao ; ary dia faharinganana no miandry anao. Fa io afo io : manadio ; io afo atsipin’i Jesoa io : manadio ; io afon atsipin’i Jesoa io : mandevona an’izay maloto ; ary farany, farany tena farany : afo mampirehitra izy io. Mampirehitra ny fitiavanao Azy, afo mampiheritra ny fitiavanao ny namanao, afo mampirehitra ny fanahinao hiredaredam-pitiavana ho an’Andriamanitra, mba ho fantatrao amin’izay izany hoe « inona marina izany relation personnelle vetivetesin’i Pasitera sy ny hafa izany eny amin’ny pilopitra, izaho tsy mba manana an’izany e ?

Raiso io afo io ry havana ô, raiso io afo io dia hiresaredam-pitiavana ho an’i Jesoa amin’izay. Afo haninona ? Afo hanadio ny fonao ; ka rehefa voadio ny fonao, dia izay ianao vao mba ho hita hoe : toka-po, toka-po ho an’i Jesosy ianao ry havana ô. Dia sitrana ianao satria nandray an’izany afo izany nanadio ary nampirehitra fitiavana miredareda, mampirehitra izany hoe « fitiavanao voalohany » ho Azy izany, ary mampiverina anao amin’izany « fitiavanao voalohany » ho Azy izany.

Mariho kely ny hatsaran’ilay hira fanevan’ny Jobilin’i Pasitera : be dia be, na ny Pasitera aza tsy mahatakatra an’izany, rehefa mihaino azy mitoriteny ianao, ilay tenin’ny Apostoly Jaona ao amin’ny Aokalypsy 2 : miverena amin’ny fitiavaNAO voalohany. Tsy miteny mihitsy hoe miverena amin’ny fitiavana voalohany. Supposé isika Fiangonana fa efa mba nanana an’izany fitiavana voalohany izany, dia tenenina hoe : miverena amin’izany re ianao e.

Izay ny Fahamarinana 1 ho an’ny olona izay te ho sitrak’i Jesoa, mahafantatra momba an’i Jesoa ; mazava tsara ao an-tsainy manomboka androany, hoe: oay, hay izay izany : TONGA IZY HANIPY AFO HANADIOVANA AHY SY HAMPIREHITRA NY FITIAVAKO AZY HO FITIAVANA VOALOHANY.

Ny Fahamarinana 2 dia izao, andao iarahantsika mamaky Lioka 12 :51-53 : « Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana. Fa hatramin’ izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo. Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy ».  Inona indray ny Fahamarinana ambara amintsika te ho sitrak’i Jesoa ry havana, te ho agréable amin’i Jesoa ? FANTARO FA TONGA JESOA HANOME FAMPISARAHANA.

FANTARO FA TONGA JESOA HANOME FAMPISARAHANA. Averintsika indray fa sao misy manao hoe : «  odry, inona ary izany toritenin’i Pasitera izany ? » And.51 : «Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana ». Ahoana moa ry havana no mahatonga an’izany ? Rehefa tonga Jesoa, ka nitoriteny Izy, iny toriteny iny an, manolotra ho anao safidy, dia tsy maintsy misafidy ianao. Dia ilay safidy io an : mampisaraka. Izay ilay izy. Tsotra be ohatran’izany ilay izy.

Misy izany izao eto an, manapa-kevitra hoe : « tena marina tokoa izany ary tena misaotra ny Tompo aho ny amin’izany teny hoe mila mandray an’io afo io aho. Misy indray eto, tsy mampihontsina azy izany teny izany. Automatiquement misaraka ireo olona ireo. Misaraka ireo e. Ara-panahy : karazana olona samihafa ireo ry havana. Ilay mandray ny afon’i Jesoa hanadio sy hanafaka azy sy  ilay hoe : « an an an, izaho efa mpiandry, izaho efa diakona, izaho efa loholona sy ny karazany ». Faharinganana no miandry ireo ry havana. Faharinganana no miandy anao an. Mazava ilay teny. Ary izao : tsy vitan’ny hoe misaraka, sahala amin’ny hoe misaraka sokajy ; fa ilay sokajy faharoa, ilay tsy nisafidy ny ho diovina : manenjika, fatra-panakina an’ilay nanao safidy hanaraka ny Tompo sy hitondra ny hazo fijaliana. Automatiquement misaraka e. Fa rehefa miteny ny Soratra Masina : « mifankatiava ianareo tahaka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy » : tsy mi-concerne azy roa izany an. Fa ilay ato (ireo nisafidy ny ho diovina) kosa teneniny hoe : « mifankatiava ianareo ireo ». Ireto (ireo tsy nisafidy ny ho diovina) de toute façon efa hankahala anareo : ao ireo. Fa efa misaraka ianareo : fa ianareo ato no afarako tsara hoe : mifankatiava.

Ary mba hampahazava tsara an’ilay fampisarahana, dia hoe : na ao amin’ny ankohonana anankiray aza hoy Jesoa eo amin’ny and.53 io e, raha misy olona 5 : Papa, Maman dia zanaka 3 ; ao ange dia efa hita izany e. Marina iray reny ireo zanaka, iray ray, marina fa manana fihavanana ; fa Jesoa miteraka fisarahana ao amin’ny ankohonana. Tena hoe halan’izao tontolo izao ry havana ô, izany hoe mandroso lalina ao amin’i Jesoa izany. Halan’izao tontolo izao izany hoe mandroso ho disciple, ho mpianany izany. Halany izany. Ary dia soa fa Jesoa no manome exemple hoe : ny ray, hoy Izy, hanohitra ny zanany, ny zanany hanohitra ny rainy ; ny reny hanohitra ny zanany vavy, ny zanany vavy hanohitra ny reniny ; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinanto vavy, ny vinanto vavy hanohitra. Izay ilay fampisarahana. Aza gaga amin’izany ry havana. Aza gaga amin’izany. Fa zavatra tsy azo ialana izany. Tsy azo ialana izany.

Nahafinaritra ry havana, fandinihan’ny teolojiana sy mpandinika tantaram-piangonana : isaky ny tonga any amin’ny toerana iray Paoly Apostoly, mikorontana ilay Fiangonana. Isaky ny tonga any amin’ny Fiangonana iray Paoly Apostoly, mikorontana ilay Fiangonana. Satria mitory teny amin’ny jiosy eo izy, dia misy manaraka, misy tsy manaraka ; ary matetika ireo tsy manaraka mandeha mitora-bato azy, mampikorontana an’ilay Fiangonana. Fa rehefa lasa i Paoly, izay vao milamina ilay Fiangonana. Fa izay ilay toriteny : mampisaraka ilay toriteny ry havana ô.

TONGA HITONDRA FAMPISARAHANA. Fa ny irariana ho antsika dia ato amin’ilay nandray Azy, fa tsy ato amin’ilay mialangalana na misozy.

Io ange ry havana, rehefa dinihina ilay fiainana kristiana e : raha vao tsy ao amin’i Kristy ianao e : aza manantena fihavanana marina izany ; na eo amin’ny mpivady ary. Porofon’izany : mpivady mifampitaritarika any amin’ny tribonaly :tonga ho azy ilay fampisarahana na ilay fisarahana, na dia tsy antony ara-pivavahana aza : tonga foana ilay fisarahana.

Nahafinaritra ilay ohatra nomena mpanompon’Andriamanitra anankiray izay. Ohatran’ny triangle hoy izy, ohatran’ny triangle ny fifandraisan’ny olombelona sy Andriamanitra ; ilay triangle : aty amin’ny lohan’ilay triangle, ao ambony ao Jesoa ; dia eo ireo côtés-ny triangle, dia eo ilay base-ny. Raha resaka fanambadiana : Jesoa ery amin’ny lohan’ilay triangle, ny lehilahy eo amin’ny côté iray ary ny vehivavy eo amin’ny côté iray. Ianao mieritreritra hoe ny fifandraisana akaiky indrindra dia ilay lehilahy-vehivavy ; mety ho marina izany : io no lalana akaiky indrindra, io no fifandraisana akaiky indrindra ; mety ho marina izany ; fa misy fotoana io an : goragora. Fantatsika izany. Misy fotoana io an : mikorontana. Misy fotoana io an : tapaka tsotra izao. Izay ilay divorce. Fa ny fifandraisana tena matotra, ny fihavanana tena mafy orina, dia ao amin’i Jesoa. Inona no dikan’izany ry havana ? Raha tena hoe te hihavana marina, fa tsy mikorontana (tsy miady), raha tena te hanana fihavanana marina sy mateza tsy mety ho rava ny lehilahy anankiray sy vehivavy anankiray, na meilleurs amis izany ohatra ; fa fanambadiana no resahina: tsy maintsy samy manatona an’i Jesoa, na miara-manatona an’i Jesoa, peu importe. Fa ilay lehilahy manatona an’i Jesoa, ilay vehivavy manatona an’i Jesoa, dia ao amin’i Jesoa izy no tena miray ry havana ô. Izany io. Fa amnofy atoandro ianao raha hoe : tsy mila an’i Jesoa ianao, fa hoe : an an an, izahay tena mifankatia sy ny karazany.

Izay izany ilay Fahamarinana 2 ry havana, hoe : FANTARO FA JESOA TONGA HANOME FAMPISARAHANA – MAMPISARAKA IZAY MANDRAY AN’ILAY AFO SY IZAY TSY MANDRAY AN’ILAY AFO. Tena misaraka ireo. Ary faharoa manarakarak’izay : FANTARO FA RAHA TE HANORINA FIHAVANANA MARINA IANAO, MARI-POTOTRA IANAO, TSY MISY AFA-TSY NY HANORENANA AN’IZANY FIHAVANANA IZANY AO AMIN’I JESOA KRISTY.

1 Korintiana 10 : « Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin’ ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina, ary izy rehetra dia natao batisa ho amin’ i Mosesy tao amin’ ny rahona sy ny ranomasina, ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany, ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin’ ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany. Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak’ Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra ».

Ilay Fahamarinana 3 ho anao izay mitady izany hoe fiainana, toetra sitrak’i Jesoa izany, dia : FANTARO MAZAVA MANOMBOKA ANIO FA MANARAKA ANAO HATRAIZA HATRAIZA JESOA.

Manaraka anao. Aza tafintohina ry havana, fa izay no lazain’ny Soratra hoe : manaraka Izy, manaraka. Mi-suivre Izy. Zatra isika hoe : meteza ho tarihin’i Jesoa ; eny e, izany no izy. Fa eto izany, mba misy hoe endrika anankiray anazavana amintsika izany hoe fiarahan-dalana amin’i Jesoa izany : FANTARO FA MANARAKA ANAO MANDRAKARIVA JESOA ry havana ô. Fantaro fa manaraka anao mandrakariva Izy.

Ilay Fahamarinana 1 dia hoe : JESOA TONGA HANIPY AFO.  Faharoa : JESOA TONGA HANOME FAMPISARAHANA. Ary Fahamarinana 3 : JESOA MANARAKA ANTSIKA HATRAIZA HATRAIZA.

Manova fiainana ry havana ny fahafantarana hoe : manaraka, miaraka amiko izany Izy e. Tsy foiny aho izany e. Tsy irery mihitsy aho izany na inona na inona circonstance. Ary izay no lazain’ny Apostoly Paoly eto amin’ny and. 4, hoe : « ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin’ ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany ». Maninona ary ry havana, maninona no mba hoe niaraka taminy ihany Kristy hatramin’izany hatramin’izany, nefa mbola ny niafaran’ireto : ringana ihany ? Naninona ireto zanak’Isiraely ireto no toloran’Andriamanitra fitahiana tsy manam-paharoa hatramin’izay nanafahany azy avy tany Egypta ? Maninona no ringana tamin’ny fandringanana goavam-be ? Nahoana ? Ary izany no tian’ny Tompo atao ho fananarana antsika ry havana, mba tsy hifaly fotsiny isika isan’andro hoe : « misaotra Anao izahay Jehovah an, ary tsy manadino ny fitahianao anay rehetra izahay », nefa faharinganana, faharinganana no iafarana.

Ireto zanak’Isiraely ireto an, araka ny nolazain’ny Soratra Masina teo, dia hoe : nafahan’Andriamanitra avy tany Egypta ; izy afaka tany Egypta : teo ambanin’ny rahona izy. Ny rahona ry havana ô, milaza hoe : « io Izaho Andriamanitra momba anareo ». Isika angamba hoe tsy mahafantatra an’izany, fa izay ilay toriteny teto e : isaky ny mahita rahona ianao manombok’izao, tsarovy ilay fomban’Andriamanitra tamin’ny Zanak’Isiraely : io rahona io milaza ny fanatrehan’Andriamanitra e. Izy rehetra dia natao batisa tamin’izany, natao batisa ho an’i Mosesy. Inona no natao batisa tamin’i Mosesy ? Tena hoe nampiraisina fo, nampiraisina fanahy tamin’i Mosesy, izay nomen’Andriamanitra hitarika azy avy any Egypta ho any Kanana, ary nametraka an’i Mosesy ho mpitarika. Ary izany rehetra izany dia mamboly confiance avy amin’ny zanak’Isiraely ho an’i Mosesy. Izay no dikan’ny hoe natao batisa ho an’i Mosesy. Azo adinoina io.

Dia, any an’efitra, and.3 hoe : izy rehetra ; izy rehetra an ; nihinana ny fihinam-panahy. Raha appliqué-na amintsika izany dia hoe izy rehetra samy nandray ny fanasan’ny Tompo ; ilay fihinam-panahy ilay mofo avy any an-danitra ry havana ô. Izay ilay izy. Fa manao parenthèses kely aho : ianao rehefa tsy mihinana ny mofo avy any an-danitra an, ianao tsy mihinana ny mana isan’andro an, tsy mihinana voa tsara nafafy an, tsy mihinana mofon’aina an : an an an, vizana ara-panahy ianao. Efa mankany amin’ny fandringanana ry havana. « Ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany, ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany » : ilay vatolampy mamoaka rano tany an’efitra io izany an : tandindon’i Kristy io ry havana ô. « Izy rehetra ». And.5 : «Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak’ Andriamanitra ». Sanatria an’izany ve ry havana ô, mijery antsika ny Tompo amin’izao maraina izao, hoe : « izy rehetra ao Isotry Fitiavana dia efa vita batisa ary mpandray ny fanasan’ny Tompo nefa ny ankabeazany dia tsy sitrak’Andriamanitra fa naringana tany an’efitra ». Anjarantsika ny mieritreritra ry havana ô. Sambatra ianao raha mandinika momba ny tenanao, hoe : raha misy tsy sitrak’Andriamanitra izany amin’izao maraina izao, sûr aho fa tsy ny tenako izany ; satria izaho izao sy izao sy izao… Efa nandray an’ilay afo aho, ary izaho amin’ilay fampisarahana : ato amin’ilay catégorie ato aho, fa tsy ato amin’ilay catégorie ato. Sambatra ianao ry havana ô. Sambatra ianao.

Fa naninona ary, naninona no tsy sitrak’Andriamanitra ? Faran’izay tsotra ny valiny ry havana ô, anankiroa ny valiny :

- Ny valiny voalohany dia izao, ary izay ilay fo tsy voadio izay, izay ilay fanahy tsy mireha-pitiavana, maniry fifandraisana velona amin’Andriamanitra : tsy nahay nisaotra, tsy nahay nankasitraka tamin’ny fitahiana rehetra narotsak’Andriamanitra taminy ny Zanak’Isiraely. Ohatran’ny enfants gâtés, ohatran’ny enfants pourris. Be dia be ny kristiana ohatran’izany ry havana ô. Tamin’ny 5mn teo hoe : mba mianara Sekoly Alahady, manaova katekomena, mamakia Baiboly. Aty : « eny tompoko, eny tompoko ». Après tonga amin’ilay tenin’ny gasy hoe : « allez voir ». Izany e, izany ry havana. Ny lesona amin’io : mahaiza misaotra, mahaiza misaotra amin’ny fitahiana ; misy izany e. Ary ny fisaoranao mameno ny fonao sy ny vavanao hanaisotra izay mety ho fimonomononana amin’ny tsy araka ny sitraponao sy anampoizanao azy sy ny fahoriana mety réel. Satria Jesosy miteny hoe : eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana. Mianara misaotra. Mianara mitombo amin’ny fisaorana e. Izany ny hafatra. Ho anao izany. Ho anao izany. Mianara mitombo amin’ny fisaorana. Izay ny valin-teny anankiray ny amin’ny hoe fa maninona ireto no ringana, tsy sitrak’Andriamanitra ? Zaza ratsy taiza tsy mahay misaotra. Izany ireto Zanak’Isiraely ireto. Ary natao ao ambany masontsika ireo anio maraina atao hoe fananarana ho antsika ry havana ô.

- Ny antony faharoa, sady famaranana, ao amin’ny 1Cor 10 ihany. Inona ny zavatra nitranga and.7 ? « Ary aoka tsy ho mpanompo sampy hianareo tahaka ny sasany tamin’ ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao ». Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao. Ianao ry havana ô, rehefa tsy mampiseho amin’Andriamanitra na amin’i Jesoa hoe : 1. Fantatrao Izy ; 2. Ary fantatrao Izy fa velona, nanipy afo Izy dia mandray an’ilay afo ; tonga Izy hitondra fampisarahana dia hoe ianao atsy ; 3. Dia misaotra ianao ny amin’ny fitahiany. Rehefa tsy manao an’izany fahamarinana 3 izany ianao : automatiquement ianao lasa mpanompo sampy. Automatiquement ianao lasa mpanompo sampy ry havana ô. Inona ilay sampy eto ? Tsy ny mankary amin’ilay doany ohatran’izao an, tsy ny mankary amin’i Dadarabe ; tsy izay no resahina eto. Inona no resahina eto ? Ilay vahoaka lasa nipetraka hihinana sy hisotro dia nitsangana hilalao. Atakalonao ny revinao Andriamanitra. Ary latsaka any amin’ny revy ianao. Mifona aho miteny an’izany, fa tiako hazava ilay izy : lasa mpanompo sampy ianao : ny mameno ny fiainanao tsy ilay Andriamanitra velona nanome anao fitahiana hatrany Egypta ry havana ô, fa revy, revy, revy, revy. Mahafatra-po aty ianao, fa hitan’ny olona ary ianao mirevy. Mpiandry ohatran’izao ianao fa tsy mahala an’i Jesoa velona ianao : hitana’ny olona ary ianao ohatran’izao. Mpanompo sampy ianao ; Izay atakalonao an’ilay Andriamanitra velona = sampy. Lalao, ary lalao ratsy satria ao anatin’ny tontolon’ny fihinanana sy ny fisotroana, fimamoana. Ary automatiquement, automatiquement ve, efa tsy lavitra ao ny fijangajangana. Izany no nahatonga an’ireto Zanak’Isiraeky ireto ho ringana ny ankabiazany.

Ilay lalao eto ry havana, ilay hoe : « Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao ». Efa nolazaiko teto ity zavatra ity : ilay lalao eto, dia hoe : « se divertir ». Tsisy maharatsy an’ilay « divertir », hoe : « divertissement », rehefa tsy ao anatin’ny tontolon’ny fimamoana ilay izy. Izay anankiray izay. Ary na izaho na ianareo namaky ihany, entre parenthèses an, fa rehefa ao anatin’izany tontolon’ny lalao ratsy izany : mihinana sy misotro ; ao ihany koa ny teny ratsy variraraka. Tena mahavarina : miteny zavatra tsotra, tsy maintsy asiana teny ratsy, teny vetaveta. Mahavariana. Izay io.

Dia ilay hoe : « pour se divertir » ; nahafinaritra ny teny-na teolojiana anankiray izay : ilay divertir, hoy izy, nanome an’ilay « divertissement » ary tena ilaina ilay hoe indraindray miasa be ianao, mianatra be ianao dia ilaina « divertissement ». Fa ilay divertir, hoy izy, dia nanome ihany koa ilay voambolana teny frantsay hoe : « diversion ». Izany hoe manao « diversion » izany an : mahatonga aano hanadino zavatra tena izy. Dia hoy ilay mpanompon’Andriamanitra io : ilay « divertissement » izany lasa indraindray, rehefa tafahoatra ilay izy, anaty tontolo ratsy, mahatonga anao hanadino an’Andriamanitra velona, mahatonga anao hanadino fa ao aloha ao misy fahafatesana, mahatonga anao hanadino, manao diversion hoe ao ambadiky ny fahafatesana ange ka misy fitsarana e.

Izay ry havana ny hafatra ho antsika, izay ny hafatra ho antsika : KATSAHO IZANY HOE HO SITRAK’ANDRIAMANITRA IZANY. KATSAHO IZANY HOE HO AGREABLE, HO MAHAFINARITRA AN’ANDRIAMANITRA IZANY E. Izany ny hafatra ho antsika. Ary ho anareo izay mikatsaka an’izany, satria araka izany teny izany, tsy 100% amintsika no hikatsaka an’izany amin’izao maraina izao ; fa ho anareo izay mikatsaka an’izany : ny Tompo Malala hiasa ao aminareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka an’izany sitrapony izany ka ho voninahitr’Andriamanitra Raintsika ny fisiantsika.

Amen.