ALAHADY 24 OKT 2021
Sokafantsika ny Baibolintsika ao amin'ny Romana 15 ry havana ; Romana 15. Ny lohatenin’ny hafatra androany ry havana dia tahaka izao : TE HIALA AMIN'NY FITIAVAM-BOLA VE IANAO ?
Ny Baiboly manontolo ry havana dia mampitandrina ny amin'ny haharatsin'izany hoe fitiavam-bola izany. Izay no mahatonga an'ilay toriteny androany manao hoe : TE HIALA AMIN’NY FITIAVAM-BOLA VE IANAO ?
Andeha ange jerentsika, tazomina ihany ny Romana 15 ; fa Mpitoriteny 5 e, Mpitoriteny 5 :9 : « Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena ». Tia vola ianao, tia vola ianao : tsy hety ho voky vola ianao. Tia harena ianao : mitombo harena ianao, mitombo harena ianao, tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena ianao. Farany ianao : vaky sambo ara-pinoana ry havana ô, dia any amin’ny fahaverezana ianao noho ny fitiavam-bola. Izany no mahatonga ny Tompo hanontany antsika amin’izao maraina izao hoe : TE HIALA AMIN’NY FITIAVAM-BOLA VE IANAO ?
Ary ho anao ry havana, izay te hiala amin’ny fitiavam-bola, dia izao no hafatry ny Tompo aminao, hoe : MITOMBOA AMIN’NY FAHAFOIZANA VOLA DIA TSY HO VOAFATOTRY NY FITIAVAM-BOLA INTSONY IANAO.
NY Fahamarinana 1 dia izao : MAHAFOIZA VOLA HO AN’NY MPIRAY FINOANA AMINAO ARY FANTARO IZAY MPIRAY FINOANA AMINAO HANANANAO TROSA ARA-PANAHY.
Andao ange jerentsika ny Romana 15 e. Fiangonana any Akaia, Fiangonana any Makedonia nanao famoriam-bola ho an’ny Kristiana tao Jerosalema. Inona ny motivation-ny ? And.27 : « Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy ». Jereo ato amin’ity Fiangonana ity, jereo ny kristiana izay ahatsiarovanao tena hoe mpitrosa aminy ianao noho ny soa nataony taminao. Quelque part, mpitrosa amina kristiana ianao e. Quelque part, misy olona any : mpitrosa aminy ianao : mahafoiza vola ho azy ry havana.
Ny kristiana ao Jerosalema eto no tao anaty fahasahiranana, ka nila nampiana ry havana. Tao anaty fahasahiranana izy an, tsy fantatra loatra izay naha sahirana azy an ; ny mpandinika sasany miteny hoe nisy mosary maneran-tany, fa nidona mafimafy kokoa ilay mosary tao Jerosalema. Iza antony anankiray. Ny mpandinika sasany koa, ary tena mitombona mihitsy ilay izy, hoe : tena mivaivay ny fanenjehana nataon’ireo jiosy tsy nety nino an’i Jesoa hatramin’ny farany, tamin’ireo kristiana vao niova fo, ilay kristiana mpanaraka an’i Jesoa ; dia tena hoe navaivay ny fanenjehana. Ary Hebreo 10 :34 ary dia milaza hoe : ny fananan’ireo fantatra fa kristiana dia norobaina. Izay izany ilay situation tao Jerosalema ry havana.
Dia ny Fiangonana tany Akaia, ny Fiangonana tany Makedonia dia nahatsiaro an-ndry zareo tany Jerosalema. Ilay Fiangonana tany Akaia, ny malaza indrindra amin’ny Fiangonana tany Akaia izany : Fiangonana tao Korinto. Ny Fiangonana nalaza indrindra tany Makedonia : Fiangonana tany Filipia. Ireo izany ireo Fiangonana notorian’i Paoly : vao mifoha, miredareda, dia tena nafana fo mihitsy amin’ilay fahafoizana. Vao nampahafantarina azy hoe sahirana ny olomasina, izay ilay kristiana tany Jerosalema : nihazakazaka izy nandray anjara tamin’ny famoriam-bola. Izany Korinto izany : Jerosalema : à 1400km izany, ary amin’ny dezaka ary izany. Fa tsaroany na dia à distance aza no nisy an’ilay olona masina ry havana ô.
Fa maninona no lazain’i Paoly hoe ireto Filipiana sy ireto Korintiana ireto mpitrosa tamin-dry zareo any Jerosalema ry havana ? Satria avy ao Jerosalema tao ange e, avy ao Israël tao ange e, no nipoiran’i Kristy. Avy ao Israël tao ange e, no nipoitra ny mpaminany, no mipoitra ny Apostoly, nipoitra ny mpitory filazantsara voalohany. Izany no nahatonga an’i Paoly hiteny hoe ry zarep avy any Akaia sy avy any Makedonia mpitrosa amin-dry zareo olomasina avy any Jerosalema. Isika izao an, mpitrosa isika amin’ny taranak’i Thomas Bevan, isika izao mpitrosa amin’izany taranak’i David Jones sy ny karazany izany. Mpitrosa aminy isika ry havana. Izay ilay izy. Ary dia satria tao anaty fahasahiranana ny kristiana tao Jerosalema, dia noraisin-dry zareo avy any Akaia, noraisin-dry zareo avy any Makedonia izany hoe fanomezana vola, fandraisana anjara tamin’ny famoriam-bola.
Ary mahafinaritra ry havana, dia tsy tamin-dry zareo vao nifoha ihany izy no nanome ; matetika mantsy ny olona rehefa mifoha dia tena hoe malalaka be ilay poketrany ; fa tena naharitra tamin’izany fahafoizam-bola, taon’i Paoly modely ireto kristiana tany Makedonia ireto.
Izay izany ny Fahamarinana 1, hoe : TSAROVY IZAY OLONA AHATSIAROVANAO TENA HOE MPITROSA AMINY IANAO, DIA AMPIO IZY, INDRINDRA RAHA ANATY FAHORIANA IZY.
Ny Fahamarinana 2 ry havana dia izao, ho anao izay te hiala amin’ny fitiavam-bola : MAHAFOIZA VOLA NOHO NY FIOMBONAM-PO AMIN’NY KRISTIANA NAMANAO.
Ilay anankiray izany, hoe mpitrosa ianao an ; ity, ilay fahatsiarovana hoe « communion », ilay fiombonam-po, ilay fiombonan’aina amin’ny kristiana namanao. Romana 15 :27 : « Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy ». Ny jentilisa niombona ny zava-panahy, araka ilay nolazaina teo, tamin’i Jerosalema. Dia hoe : mila miombina aminy koa izy amin’ny fahafoizana vola. Ilay fiombonana izany, tsy hoe fiombonana miara-mivavaka ato fotsiny isika ; aiza ianao no mivavaka ? Izahay ao Isotry Fitiavana ; dia hoe fiombonana amin’ny fiaraha-mivavaka fotsiny. Fa fiombonana mipaka hatramin’ny firaisan-kina ara-bola ry havana. Ilay voalohany : mpitrosa ianao ; zavatra anankiray izany. Ity, hoe mampiseho fiombonana, mampiseho firaisan-kina.
Mahavariana ny tantaran’ireto kristiana ato Jerosalema ireto ry havana, izay lazaina eto amin’ny perikopa eto fa latsaka anaty fahasahiranana lalina. Mahavariana, satria izao : tany am-boalohany, taoriana kelin’ny Pentekosta, nanomboka tamin’ny Pentekosta : tena faran’izay nalala-tanana ireto kristiana tao Jerosalema ireto. Tsaroantsika tsara fa maro tamin’ireo no nanana fananana, nanana tany, dia namidy. Dia ilay vidy-na tany an, ilay vidy-na fananana naterina tety an-tongotry ny Apostoly. Tena hoe nalala-tanana ireo, tena hoe sensible amin’izany hoe fahantran’ny mpiara-belona sy mpiray fiangonana aminy izany izy. Tsaroantsika ny Asan’ny Apostoly 6 ry havana ; fa naninona moa no niteny ny Apostoly hoe : an an an, tsy lasa intsony ity fa tsy maintsy manendry diakona isika ? Satria ilay mpitondra tena grika, ilay mpitondra tena jentilisa diso anjara tamin’ny sosialy tao amin’ny Fiangonana tao Jerosalema. Izany ireto kristiana tao Jerosalema ireto : tena nalala-tanana izy. Dia inona no mahatonga an’ilay ry zareo jentilisa taloha, avy any Akaia sy avy any Makedonia mamory vola ho azy ? Noho ilay fiombonana, noho ilay fiombonana ry havana ô. Ary Andriamanitra no miantso an’io fiombonana io. Ary Andriamanitra no manome ahy sy anao occasion hanehoana an’izany fiombonana izany. Fa izao : rehefa niteny isika hoe malala-tanana ireo kristiana tao Jerosalema, misy làlàna ara-panahy eto ry havana izay tsara ho tadidintsika. Hoy Jesoa ao amin’ny Matio 5 :7 hoe : « Sambatra ny miantsa fa izy no hiantrana ». Niantsa ireto kristiana ao Jerosalema ireto tao anatin’ny fananana ry havana ô, niantra izy ; dia izao indray izy iatadiavana olona hiantra azy.
Ry havana ô, mitodika aminareo manan-karena aho amin’izao fotoana izao, mitodika aminareo manam-bola aho amin’izao fotoana izao : aza matoky an’io vola io e. Efa tenenina hoe : aza fatra-pitia vola. Aza matoky an’io vola io e. Tsy fantatrao izay ho afitsoky ny ampitso, tsy fantatrao izay ho afitsoky ny ampitso ry havana. Fa mianara miantra, mianara miala amin’izany fitiavam-bola izany. Mianara miantra, ary rehefa tonga ny andron’ny fahoriana, ny vodiandro merika : handefasan’ny Tompo ianao hiantra anao ry havana ô. Tsy mandainga izany tenin’Andriamanitra izany, tsy mandainga izany tenin’Andriamanitra izany.
Ary andao ange sokafantsika ny Baibolintsika ao amin’ny Salamo 112 :9 e : « Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo ». Ianao miantra, ianao manome ho an’ny malahelo : tsy vola very iny, fa mamafy ; ary ho jinjainao iny amin’ny androm-pahoriana ry havana ô.
Izay ny Fahamarinana 2 : MAHAFOIZA HO AN’NY MAHANTRA KRISTIANA, IREO MPIRAY FINOANA, NOHO NY FIOMBONANA AO AMIN’NY TOMPO.
Ny Fahamarinana 3 dia izao : NY OLONA MINO DIA MANOMPO
Andao ange jerentsika ilay eo amin’ny and.27 eo ihany : « Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin’ ny zavatra momba ny nofo izy. ». Izany hoe : lazain’ Paoly eto ry havana, lazain’i Paoly eto, fa ilay fahafoizana ho an’ny malahelo io, dia hoe : fanompoana an’Andriamanitra. Fanompoana. Haintsika tsara ny hoe : ny asa tsy arahina finoana dia maty. Izay ilay izy. Fanompoana io ry havana ; fanompoana io. Ny finoana tsy arahina asa, ny finoana tsy arahina fanompoana dia maty. Fa ity, karazana fanompoana tena hoe andosirantsika, ity fahafoizana vola ity ry havana ô.
Intéressant be ilay teny grika eo amin’io fanompoana io. Eo amin’ilay teny gasy manao hoe : « Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy ». Ilay voambolana ampiasain’i Paoly eo hoe : « tokony hanao litorjia ». Ilay fahafoizana ho an’ny kristiana malahelo izany an, ohatrany hoe litorjia. Fantatsika tsara ny atao hoe « litorjia ». Ny litorjia dia asa fankalazana sy fiderana an’Andriamanitra. Asa ilay litorjia. Izao izao isika manao fanompoam-pivavahana hiderana an’Andriamanitra ; dia haintsika tsara isaky ny Alahady hoe : araka ny litorjia voalohany, araka ny litorjia fahatelo ; misy fandaminana eo, misy logique-ny eo. Dia toa miteny amintsika ny Tompo androany : Ataovy litorjia ny fiainanao e. Tadidio fotsiny ilay voambolana, fa ny Tompo ry havana, ny Tompo no hitarika anao amin’izany hoe ho tena litorjia, ho tena hoe fanompoana ny Tompo ny fiainanao, ary fanandratana ny voninahitry ny Tompo ny fiainanao. Aoka ho litorjia ny fiainanao. Ka raha mitantara ianao hoe : izany no nianaranay tany, hoe : « ataovy litorjia ny fiainanao », dia gaga be ilay olona hoe : litorjia ??? Dia hoe : « mahafoiza ho an’ny malahelo » hoe. Izay ilay zavatra.
Fa maninona no hoe « Ataovy litorjia ny fiainanao, mahafoiza ianao » ? Andao ange jerentsika ny Ohabolana 22 :2 e, Ohabolana 22 :2 ; mampieritreritra izy ity, miresaka ny manankarena sy ny mahantra ry havana ; mahavariana mihitsy : « Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta ». Jehovah no Mpanao azy roa tonta. Ianao mahantra io izany : nataon’i Jehovah ohatran’izao ; ianao manankarena io izany : nataon’i Jehovah manankarena. Fa tsy niteny mihitsy hoe : aoka ianao hianina amin’izao ; fa raha niantra ianao an, tamin’ny fotoan’andro, dia iantrana ; ary ianao manankarena : ataovy litorjia ny fiainanao satria hoe fanandratana ny voninahitr’Andriamanitra ny fahafoizana ho an’ireo mahantra ireo ry havana ô. Ataovy litorjia ny fiainanao. Ataovy asa fanompoana an’Andriamanitra ny fiainanao, ataovy asa fankalazana an’Andriamanitra ny fiainanao amin’ny fahafoizana vola. Io kristiana mahantra io izany an, ampifanenan’Andriamanitra aminao hanananao occasion hanaovana litorjia ny fiainanao amin’ny fahafoizanao ho azy ry havana ô.
Ny kristiana tany Akaia sy tany Makedonia ry havana dia nahatsiaro an’izany. Ary satria nataony litorjia ny fiainany, dia tamin’ny fifaliana izy no nanatanteraka an’izany litorjia famoriam-bola ho an’ny olona masina tao anaty fahantrana tany Jerosalema izany e. Izany ny lesona ho antsika eto. Tsy ozona ry havana ny fahantrana, tsy ozona ; rhaa tsy izany tsy nataony nahantra ny kristiana tao Jerosalema. Ary tsy avy hatrany dia fitahiana ho azy izany fananana harena izany. Hitantsika teo hoe raha tia harena ianao, fa tsy mahita an’Andriamanitra ao ambadik’ilay harena : tsy hety ho vokin’ny fitomboana harena ianao. Dia ozona ilay izy. Ozona ilay harena amin’izay fotoana izay.
Fa izay, izay ny modely apetrak’ireto kristiana ao Akaia sy ao Makedonia ao ry havana. Ary dia ny Tompo ry havana, izay nanome antsika an’izany hafatra izany, ny Tompo izay miantsoa antsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay eo anilany any an-danitra, no hanafaka antsika tsirairay izay vonona amin’izany ; izay vonona ihany no afahana ; hanafaka antsika amin’izany fitiavam-bola izany.
Ho Azy ny voninahitra, ho antsika ny fahasoavana. Amen.