Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany. Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy". Jaona 1 : 6 - 8
Tohiny

"Iza aminareo no matahotra an'i Jehovah ka mihaino ny feon'ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin'ny maizina ka tsy manana fahazavana*, aoka izy hatoky ny anaran'i Jehovah sy hiankina amin'Andriamaniny. [*Na: Na dia mandeha amin'ny maizina aza izy ka tsy misy famirapiratana]". Isaia 50 : 10
Tohiny

"Dia tanteraka ny Soratra Masina izay manao hoe: Ary natao ho isan'ny mpanota Izy (Isaia 53:12)". Marka 15 : 28
Tohiny

"Ary raha mbola nihinana izy, Jesoa nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako. Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan'izy rehetra izany". Marka 14 : 22 - 23
Tohiny