"Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin'ny faravodilanitra ka mahazava hatramin'ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak'olona amin'ny androny, Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin'ity taranaka ity". Lioka 17 : 24 - 25
Tohiny
"Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao. Ary amin'izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao". Lioka 11 : 35 - 36
Tohiny
"Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran'ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao". Isaia 60 : 19
Tohiny
"Ny haren'ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory. Ny fahazavan'ny marina dia tsara firehitra*; Fa ny jiron'ny ratsy fanahy ho faty". [*Hebreo: mifaly] Ohabolana 13 : 8 - 9
Tohiny