"Jesoa namaly hoe: Tsy roa ambin'ny folo va ny ora amin'ny indray andro? Raha misy mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao tontolo izao. Fa raha misy kosa mandeha amin'ny alina, dia ho tafintohina izy, satria tsy misy mazava ao aminy". Jaona 11 : 9 - 10
Tohiny
"Nefa Jesoa kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra". Matio 19 : 14
Tohiny
"Ary nomban'Andriamanitra ny zaza. dia nitombo izy; ary nonina tany an'efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipïka". Genesisy 21 : 20
Tohiny
"Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy". Hebreo 12 : 11
Tohiny