"Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin'ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah". Ezekiela 36:11
Tohiny
"Ary nony nahare izany Jesoa, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza". Lioka 7:9
Tohiny
"Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin'ity mandrakariva ny masoko sy ny foko". 1 Mpanjaka 9:3
Tohiny
"Jehovah o, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy". Salamo 139:1
Tohiny



