"Jehovah o, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy". Salamo 139:1
Tohiny
"Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin'ny vavanao, na amin'ny vavan'ny taranakao, na amin'ny vavan'ny taranaky ny taranakao, hatramin'izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah". Isaia 59:21
Tohiny
"Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy". Romana 8:5
Tohiny
"Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany". Mika 3:8
Tohiny



