"Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny fanaon'izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay". 2 Korintiana 2:14
Tohiny
"Izao no lazain'i Jehovah: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan'ny tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak'Isiraely rehetra noho izay rehetra nataony, hoy Jehovah". Jeremia 31:37
Tohiny
" Dia napetrany tamin'ny masony indray ny tanany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra". Marka 8:25
Tohiny
"Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin'ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an'efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza". Ezekiela 34:25
Tohiny



