Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo". — Lioka 16 : 13
Tohiny

"Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesoa nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra, dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo ankavanan'Andriamanitra". — Asan'ny Apostoly 7 : 55 - 56
Tohiny

"Ary Izy niteny mafy azy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin'olona ka nanao hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana". — Lioka 9 : 21 - 22
Tohiny

"Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika". — Romana 8 : 38 -…
Tohiny