"Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao? Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra". — Lioka 12 : 20 - 21
Tohiny
"Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an'Andriamanitra". — III Jaona 11
Tohiny
"Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesoa Tompo". — Asan'ny Apostoly 21 : 13
Tohiny
"Ary Jesoa sy ny mpianany dia teny an-dàlana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesoa nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin'ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona…
Tohiny



