"Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin'i Jesoa ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin'ny fasana, izay nolavahana tamin'ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy. Ary Maria Magdalena sy Maria, renin'i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy". — Marka 15 : 46 - 47
Tohiny
"Miambena* ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza". [* Grika: miareta tory] — I Korintiana 16 : 13
Tohiny
"Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan'i Jehovah". — Genesisy 22 : 14
Tohiny
"Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny Tompo". — Asan'ny Apostoly 13 : 12
Tohiny



