"Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin'ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin'ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason'ny loholon'ny Isiraely". — Eksodosy 17 : 6
Tohiny
"Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra". — Hebreo 10 : 36
Tohiny
"Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy". — Salamo 37 : 7
Tohiny
"Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina". — Ohabolana 9 : 10
Tohiny



