Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo o, hankany amin'iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin'Andriamanitra". — Jaona 6 : 68 - 69
Tohiny

"Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra; fa amin'ny firenena rehetra, izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany". — Asan'ny Apostoly 10 : 34 - 35
Tohiny

"Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany". [*Grika: ora] — Jaona 4 : 23
Tohiny

"Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona". — Jaona 1 : 51
Tohiny