Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Dia tahaka izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina, dia hatsipiny any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify". — Matio 13 : 49 - 50
Tohiny

"Ary nitsangana teo amin'ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'i Jehovah Andriamaniny tamin'ny ampahefatry ny andro; ary tamin'ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy". — Nehemia 9 : 3
Tohiny

"Fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana, fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina"— I Petera 1 : 18 - 19
Tohiny

"Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olona, fa araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa". — I Tesaloniana 2 : 13
Tohiny