"Fa Jesoa nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra". — Marka 10 : 27
Tohiny
"Fa Ianao, Jehovah o, mahalala ahy; Mahita ahy Ianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny* ho amin'ny andro hamonoana".[Hebreo: hamasino] — Jeremia 12 : 3
Tohiny
"Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay". — II Korintiana 1 : 3 - 4
Tohiny
"Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo". — Deoteronomia 13 : 5
Tohiny



