"Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra, ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra". — I Timoty 2 : 1 - 2
Tohiny
"Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra; fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany". — Asan'ny Apostoly 10 : 34 - 35
Tohiny
"Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala; ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana* amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika". [* Grika: fanatitra alatsa-drà] — Efesiana 5 : 1 - 2
Tohiny
"Ianao Izay nampahita ahy* fahoriana be sady mafy no hamelona ahy* indray, ka hampiakatra ahy* indray hiala amin'ny fitoerana lalina amin'ny tany".[* Na: anay] — Salamo 71 : 20
Tohiny



