"Koa ankehitriny, ry Andriamanitray o, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin'ny andron'ireo mpanjakan'i Asyria ka…
Tohiny
"Mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo"— Efesiana 3 : 17
Tohiny
"Ary tamin'izany ora izany dia ravoravo tamin'ny Fanahy Masina Jesoa ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko o, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao". — Lioka 10 : 21
Tohiny
"Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana". — Asan'ny Apostoly 4 : 31
Tohiny



