Archives de la catégorie: Mofonaina

Référence Mofonaina du jour

"Fa ianareo efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy, dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny". — Filipiana 1 : 29 - 30
Tohiny

"Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy". — Eksodosy 2 : 9
Tohiny

"Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio". — II Timoty 2 : 22
Tohiny

"Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason'ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa". — Josoa 3 : 7
Tohiny