"Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pihavin'ny andro hisotroako izay vaovao any amin'ny fanjakan'Andriamanitra". — Marka 14 : 25
Tohiny
"Andriamanitro Ianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho". — Salamo 118 : 28
Tohiny
"Koa amin'izany asehoy aminy eo imason'ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo". — II Korintiana 8 : 24
Tohiny
"Dia nahita an'Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin'ny tongony dia toy ny fanganohanon'ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan'ny lanitra ny famirapirany". — Eksodosy 24 : 10
Tohiny



