"Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny ranom-boalobony. Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Ianao, Jehovah o, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy". — Salamo 4 : 7 - 8
Tohiny
"Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao". — Lioka 1 : 45
Tohiny
"Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema; fa hatramin'ny andron'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tany Jerosalema. Dia nitsangana ny Levita sy ny mpisorona ka nitso-drano ny olona; ary nohenoin'Andriamanitra ny feony, ka niakatra ho any an-danitra, fonenany masina, ny fivavany". — II Tantara 30 : 26 - 27
Tohiny
"Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra". — Filipiana 4 : 6
Tohiny



