"Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin'izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko* izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga".[* Na: efa novokisako] — Jeremia 5 : 7
Tohiny
Aza gaga amin'izany; fa avy ny andro* izay handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony; [*Grika: ora] dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin'ny fitsanganana ho fahamelohana*. [*Grika: ho fitsarana] Jaona 5 : 28 - 29
Tohiny
"Fa ianao nanao izany tao amin'ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan'ny Isiraely rehetra sy amin'izao antoandrobenanahary izao". II Samoela 12 : 12
Tohiny
"Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy". Ohabolana 24 : 19
Tohiny



