"Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro". Matio 13 : 30
Tohiny
"Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra; izy nahare an'i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io, dia niteny tamin'ny feo mahery hoe: Mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana". Asan'ny Apostoly 14 : 8 - 10
Tohiny
"Ary tonga fanindroany tamin'i Jona ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao". Jona 3 : 1 - 2
Tohiny
"Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra".Kolosiana 1 : 28
Tohiny