"Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora". Matio 2 : 11
Tohiny
"Tafatoetra ny foko, Andriamanitra o, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho". Salamo 57 : 7
Tohiny
"Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo* koa ho voninahitr'Andriamanitra". [*Na: (antsika)] Romana 15 : 7
Tohiny
"Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny fiavonavonana dia hainy aetry". Daniela 4 : 34
Tohiny