"Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay". Deoteronomia 4 : 40
Tohiny
"Na dia handeha eo amin'ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Ianao; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran'ny fahavaloko Ianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana". Salamo 138 : 7
Tohiny
"Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany? Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana". Romana 8 : 24 - 25
Tohiny
"Hoy Jesoa taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?" — Jaona 11 : 40
Tohiny