Messages récents par Mpanoratra

ALAHADY 07 JON 2020

Ao amin’ny Filazantsara an’i Jaona ry havana, Jaona 13 :34-35 : « Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia ».

Tsy misy tsy mahafantatra io andinin-tsoratra Masina io ry havana. Raha ny marina angamba, io no sarotra toriana indrindra ao amin’ny Baiboly. Fa ny tsindrim-peo dia ho apetratsika eo amin’ilay hoe : FITIAVANA SY FIFANKATIAVAN’NY MPIANATRA. FITIAVANA SY FIFANKATIAVAN’NY DISCIPLE. Tsy fifankatiavana na fitiavan’ny mpino ; tsy izany no resahin’i Jesoa eto. Tsy fitiavana na fifankatiavan’ny kristiana ; FITIAVANA SY FIFANKATIAVAN’NY DISCIPLE.

Jaona 13 : ao anatin’ny hariva alina Jesoa sy ny mpianany ; manao veloma azy Jesoa ry havana ô. Jaona 13 manomboka, hatramin’ny Jaona 17. Ary ao amin’ny Jaona 14 ilay teny malaza be manao hoe, hoy Jesoa : « Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ». Lalana mankany an-danitra. « Izaho ange handeha e ; aza malahelo ny fonareo fa Izaho handeha, ary raha handeha Aho dia hamboatra fitoerana ho anareo, ary rehefa izay, dia ho avy Aho haka anareo, ary any amin’izay misy Ahy no hisy anareo ». Izany ity ry havana ô. Izany hoe : teny, toriteny amin’ny Fiangonana mahafantatra fa nomanina ho lovany ny lanitra. Ary ny Fiangonana miomana amin’izany dia mandinin-tena hoe : disciple ve ianao sa tsy disciple ? Raha tsy disciple ianao ry havana, araka ny teny teo, hoe : mandinia tena. Mety Pasitera ianao, mpitendry orgue ianao, chorale ianao, diakona ianao : DISCIPLE VE IANAO ?

Ny disciple ry havana rehefa mandre tenin’Andriamanitra dia mankatoa tsisy fepetra ; mankatoa tsisy hatak’andro. Izany no ahafantarana hoe : « ô, ilay ranamana iny tena an-dalana ho any an-danitra » ; « ô, ilay ranamana iny mety mahantra, mety nianatra, mety tanora, mety zokiolona : iny disciple ary tena tia tahaka ny disciple ». Izay izany ilay izy, hoe : NY FITIAVANAO VE DIA FITIAVAN’NY DISCIPLE ? ry havana ô. Izay ihany ny fitiavana andrasan’ny Tompo amintsika.

Tsy mora ry havana ny toriteny momba ny fitiavana, tsy mora ny manazava momba ny fitiavana. Nisy mpanompon’Andriamanitra anankiray izay hono, tia boky, dia tany amin’ny librairie izy, dia mijery boky eo dia, eo amin’ny rayon-ny fitiavana, dia mahita boky anankiray izy hoe : « ahoana ny fifanorohana ? » ; izay ilay oroka masina moa izany. Dia hoe : « ahoana ny fifanorohana ? ». Dia gaga be izy. Ilay hoe : « ahoana ny fifanorohana ? » : volume anankiray tamina 7 volumes momba ny fitiavana. Ianao ve dia mieritreritra hoe inona no ho azonao amin’izany 7 volumes izany. Volume anankiray momba ny fifanorohana. Indray maka indray, mijery encyclopédie ry havana, dia hoe misy définition-ny fitiavana ao : 4 pages. Misy définition-ny atao hoe « atome » ao : 4 lignes. Tsy mora ilay fitiavana e. Ka isika tsy hiresaka 4 pages, tsy hiresaka 4 lignes, fa hiresaka 4 mots amin’ny fitiavana ry havana ; 4 mots. Ny 3 amin’ireo, efa hainareo.

  • Ilay voambolana grika ampiasaina amin’ny hoe fitiavana dia hoe : STORGE ; STORGE : teny grika. Io indray dia milaza ny fifankatiavan’ny ankohonana. Ary andao ampiarina ao amin’ny ankohonana, andao ampiarina ao amin’ny tokantrano ity e ; amin’izay hitantsika ny atao hoe fitiavana ô, fitiavana iainana. Izay izany ilay filazan’ny grika ny fitiavana : STORGE : fifankatiavan’ny ankohonana. Fitiavan’ny reny ny zanaka nateraky ny kibony.
  • Ilay voambolana faharoa indray dia ilay hoe : EROS. Ilay EROS indray, io fantatsika tsara : ilay fitiavana sensuel, ilay fitiavana charnel, ilay haitraitra vokatry ny bika aman-tarehy, ilay coup de foudre. Izay ilay EROS.
  • Dia misy indray ilay PHILIA : fifankatiavan’ny mpirahalahy na fifankatiavan’ny mpinamana ; satria hoe : miara-miasa, miara-mianatra, niara-nanao service militaire, miara-manao basket dia tena misy fifankatiavana lalina mihitsy ao volena.
  • Fa ilay tenin’i Jesoa eto, dia ilay AGAPE. Ilay AGAPE ry havana, tena azo fintinina amin’ny teny tsotra, hoe : FITIAVANA VOADIO TANTERAKA AMIN’NY FITIAVAN-TENA. Izay ilay AGAPE izay. Fitiavana voadio tanteraka amin’ny fitiavan-tena. Ary voadio tanteraka amin’ny fitiavan-tena ilay izy ka afaka mitia an’Andriamanitra ; voadio tanteraka amin’ny fitiavan-tena izy ka afaka mitia tanteraka ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny Tompo. Izany io ry havana. Ary izay no handidiana antsika. Didiana isika satria tsy naturel amintsika izany fitiavana.

Ny mety naturel, dia ilay STORGE ; ny mety naturel, dia ilay EROS ; ny mety naturel, dia ilay PHILIA. Fa ilay AGAPE : mila didiana izaho sy ianao. Ary io AGAPE io ihany anefa no ahafantarana hoe mpianatra ianao, an-dalana ho any an-danitra ianao. Ary raha ny marina, rehefa hoe tia amin’ilay AGAPE ianao, tia an’Andriamanitra ianao, tia ny hafa amin’ny AGAPE ianao : tanteraka ilay STORGE, tena mifankatia ilay ankohonana ; tanteraka ilay EROS eo anivon’ny mpivady. Ilay EROS io mantsy rehefa hoe tsy miorina amin’ilay AGAPE ilay EROS, dia tonga amin’ilay fitenenana hoe lasa PORNEIA : lasa fitiavana miaro fahavetavetana, na eo amin’ny mpivady aza. Ary io EROS io koa no manimba ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy possible, raha tsy hoe ao amin’ny Tompo, izany hoe fifankatiavana amin’ny maha-mpinamana izany, fa eo foana ilay EROS. Ary na ny meilleur-ami, ilay PHILIA aza, afaka mifamitaka. Ilay mpirahalahy afaka tsy mifampiditra an-trano. Fa rehefa ao ilay AGAPE, dia ao izy 3 ry havana ô. Izay ilay izy. Tena sarotra ilay izy. Tena sarotra ry havana.

Dia ahoana ary, ahoana no atao mba hoe iainana an’izany AGAPE izany ?

Iainana an’izany AGAPE izany, izany hoe : rehefa mijery ny vadinao ianao, mijery ny zanakao ianao, mijery ny ray aman-dreninao ianao, mijery ny iray tampo aminao ; ao amin’ny ankohonana io ; miaina an’ilay AGAPE ianao : mijery azy ianao dia hoe : « n’inon’inona hitako amin’ity vadiko ity : tena hoe mandefitra aho, mandefitra aho ». Mandefitra amin’ny zavatra rehetra atao. Mandainga ry havana izay milaza hoe mahavita an’izany : mandefitra ny zavatra rehetra. Nahafinarita ny teny-na mpanompon’Andriamanitra anankiray izay. Hoy izy hoe (ataoko amin’ny teny frantsay fa sao dia manalasa ilay teny malagasy): misy olona tsy tianao eo : COMPORTE-TOI AVEC LUI, COMPORTE-TOI AVEC ELLE COMME SI TU L’AIMAIS. « Comme si tu l’aimais ». PARCE QUE SI TU TE COMPORTES AVEC LUI, SI TU TE COMPORTES AVEC ELLE EN LE/LA DETESTANT, DIA HI DETESTE AZY IANAO. « Comporte-toi avec lui, avec elle, comme si tu l’aimais et l’amour viendra ». Inona moa izany ? Hoe : amin’ilay fifandraisaina : ny fihetsikao, ataovy hoe ohatran’ny fihetsik’olona tia azy. Nataoko tamin’ny teny frantsay ilay izy satria raha amin’ny teny gasy ilay izy, hoe : ataovy ohatrany fihetsika olonatia, fa aza ho mody tia. Ilay « mody tia » tena mipetraka amin’ilay hypocrisie. Fa hoe : manorina fifankatiavana. Asain’ny Tompo aho amin’ity volana ity, hoe : mihavana amin’ny vadiko, mihavana amin’ny zanako, mihavana amin’ny iray tampo amiko ao amin’ny Tompo. Ny commencement du commencement : aza anehoana tsy fitiavana izy : « fais comme si tu l’aimes ». Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra hoe : rehefa zatra an’izany ianao, rehefa zatra an’izany ianao, dia io hoy izy, ohatrany mianatra mitaingina bisikileta ny « mianatra mitia comme si ». Une fois ianao hoy izy mahay mitaingina bisikileta, tsy adinonao intsony io, dia tonga ho azy ilay fitiavana, tonga ho azy ilay fitiavana. Izay ny toe-tsaina, izay ny toe-po voalohany ry havana.

Faharoa dia izao : MITOMBOA AMIN’NY VAVAKA. Mitomboa amin’ny vavaka. Rehefa miteny, mampianatra ny Soratra Masina, misy perikopantsika, dia miteny izy hoe : ampifanoheriny ny asan’ny nofo sy ny vokatry ny Fanahy. Mety asan’ny nofo ilay fitiavana ry havana raha tsy vokatry ny Fanahy, œuvre atao. Fa ilay asan’ny nofo moa izany dia hoe mifanditra sy ny karazany, tena hoe asa ataoko mihitsy izany. Fa izy tsy miteny hoe izao ny asan’ny nofo an ; ary tsy miteny izy hoe izao ny asan’ny Fanahy an ; ilay Fanahy tsy miasa : ny Fanahy ao aminao dia miteraka vokatra « Fitiavana ». Ary izay ry havana ô, izay no ilàna vavaka hoe : « Jesoa an, Jesoa an, vonjeo aho, ampio aho amin’ny tsy fahaizako mitia. Ampio aho, vonjeo aho amin’ny tsy fahaizako mitia ny vadiko io, ary mamindrà fo amiko, mamelà ny heloko, izaho raim-pianakaviana, amin’izao fête des mères izao, ny amin’ny tsy fahaizako mitia ny vadiko io ; na izaho zanako, ny tsy fahaizako mitia ny reniko ; mamindrà fo amiko ». Ary marina ilay tenin’i Augustin manao hoe : « Dieu donne ce qu’Il ordonne ». « Omeo ahy izany fitiavana AGAPE izany. Ianao mandidy ; fa omeo ahy izany, omeo ahy izany ». Dia anio fête des mères 2020 ry havana ô, hitombo amin’izay ianao e, rehefa ela ny ela, amin’izany fitiavana AGAPE izany.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.                               

"Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina". Salamo 133:1
Tohiny

Commentaires récents par Mpanoratra

Pas de commentaires par Mpanoratra encore.