À propos de: Mpanoratra
Messages récents par Mpanoratra
ALAHADY 18 APR 2021
Hebreo 2. Azo lazaina hoe ny fiainantsika, ary tsy ny antsika malagasy ihany, fa ny fiainana ety an-tany, noho ny valan’aretina, dia fiainana eo ambany aloky ny fahafatesana ry havana ô. Fiainana eo ambany aloky ny fahafatesana. Dia anatin’izany an, omen’ny Tompo antsika ity texte ity, ary ny hafatra dia izao : RAHA HO TONGA NY FAHAFATESANAO, AO ANATIN’IZAO CORONA IZAO, NA AFAKA 70 TAONA : FIHAONANA AMIN’ANDRIAMANITRA VE IZANY FAHAFATESANAO IZANY SA FIHAONANA AMIN’NY DEVOLY ? HO FIHAONANA AMIN’ANDRIAMANITRA VE NY FAHAFATESANAO RAHATRIZAY TONGA RY HAVANA, SA HO FIHAONANA AMIN’NY DEVOLY ? Na izay fotsiny ary no tadidinao ny toriteny androany : efa fampieritreretana anao izany amin’ny androm-piainanao rehetra ; ary sambatra ianao raha iasan’ny Fanahy Masina ka reseny lahatra hoe : « tsy tiako ho fihaonana amin’ny devoly izany hoe fahafatesako izany, fa araka ny tenin’i Isaia teo, Tompo ô, ampianaro ahy, ampianaro ahy amin’izay ny lalana tokony alehako fa tena vonona aho, tena vonona aho, tena vonona aho ampianarina sy hihaino amin’izay. Izay izany ilay hafatra, hoe : SAO DIA FIHAONANA AMIN’NY DEVOLY NY FAHAFATESANAO RAHATRIZAY TONGA ?
Ny Fahamarinana 1 omen’ny Tompo antsika ry havana, dia izao : FANTARO FA NY FAHAFATESAN’NY TENA DIA EFA NORESEN’I JESOA
Andeha jerentsika Hebreo 2 : 14-15 : « Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza (isika izany), dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin’ ny fahafatesana ilay manana ny herin’ ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana ».
Tsarovy e, fa efa noresen’i Jesoa tao amin’ny nofony sy ny ràny io fahfatesana tsy maintsy andalovan’ny nofontsika sy ny ràntsika io ry havana ô. Averina amintsika indray izay. Ny fiheverana ry havana, sy ny fahatsiarovana ny fahafatesana, dia tena hoe zavatra manahirana ny olombelona hatrizay naha-olombelona azy. Zavatra manahirana, zavatra mampatahotra azy izany momba ny fahafatesana izany ; ary izany eritreritra momba ny fahafatesnaa izany dia tena miraikitra ao amin’ny fon’ny olombelona na iza izy na iza. Ary rehefa mihaino ireny mpandinika fivavahana, historiens des religions ireny, dia mahafinaritra ny zavatra teneniny, hoe : ny fivavahana lehibe rehetra maneran-tany, hatrizay nisian’ny fivavahana, dia hoe zavatra tokana, zavatra tokana no imasoany ; n’inon’inona fomba hanononany azy, ary n’inon’inona fomba iatrehany azy, zavatra tokana no ifantohan’ny fivavahana rehetra, dia ny ota ry havana, ny ota. Ary misaotra an’Andriamanitra isika, hoe : isika ato amin’ny Baiboly, isika ato amin’ity epistily ho an’ny Hebreo ity : manana ny tenin’ny fahamarinana mikasika ny fahafatesana, mikasika ny fahotana, satria ity Boky iray manontolo ity, dia zavatra tokana : « ahoana no hamonjena ny olona amin’ny fahotana ? » Inona no ataon’i Jesoa ry havana ? Mahita Izy hoe satana manana ny herin’ny fahafatesana, hoy ny and.14. Fa maninona moa ny devoly no manana ny herin’ny fahafatesana ? Ny devoly, araka ny fantatsika no mitarika ny olona hanota. Dia rehefa manota ny olona : fahafatesana no tambin’ny ota. Raha fintinina izany, dia hoe : izay io devoly manana ny herin’ny fahafatesana io. Dia izao : tsotra be ilay izy : nahita an’izany Jesoa : tsy nandresy ny devoly avy any an-danitra Izy ry havana ô, tsy nandidy ny devoly avy any an-danitra Izy, fa no-défié-ny tety an-tany. Satria nofo sy rà no vonjena, dia nitafy nofo sy rà Izy, nanaiky sedrain’ny devoly tamin’ny alalan’ny fahafatesana Izy ry havana ô. Izay ilay izy. Ringana ny herin’ny fahafatesana ry havana. Ringana ny herin’ny fahafatesana.
Tsy midika izany hoe tsy misy intsony ny fahafatesana. Tsy midika izany hoe tsy manao ny ataony intsony ny devoly. Fa tsy manana fahefana amintsika intsony, na ny fahafatesana, na ny devoly. Tsy manana fahefana haninona ? Hamindra antsika ho any amin’ny fahaverezana mandrakizay e. Ny fahafatesana tsy maintsy hisy foana, fa ilay baraingo dia hoe : fahafatesana ho tetezamita mankaiza io ? Mankany an-danitra sa mankany amin’ny helo ry havana ? Ary tonga Jesoa handringana ny devoly. Izay mihitsy ilay izy : handringana amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana. Tonga Izy handringana ny devoly ry havana ô. Ary tonga Izy hanafaka antsika amin’izany hoe andevozin’ny tahotry ny fahafatesana izany.
Ny devoly sady manana ny herin’ny fahafatesana ; ny devoly sady mpampatahotra. Andriamanitra tsy mpampatahotra izany ry havana. Fa devoly io mampatahotra antsika io, dia misy olona lazain’ny Epistily ho an’ny Hebreo, hoe : ny fiainany manontolo dia ao anaty tahotry ny fahafatesana : « aleo manao an’izao ka », « aleo tsy manao an’izao ka », « aza manota fady eo ka », « ny fomban-drazantsika ohatran’izao ka ». Hatramintsika kristiana, ny Alahady maraina ohatran’izao : « aza mankany am-piangonana any », « aoka izay mihitsy aloha io fivoriam-bavaka io ka ». Izany ny olona attaqué-n’ny devoly izany. Izany ny olona miaina ao anaty ny tahotry ny fahafatesana ary andevozin’ny tahotry ny fahafatesana ry havana ô. Tenin’ilay nandringana ilay manana ny herin’ny fahafatesana izany teny izany ry havana ô. Ary inona no nahatonga Azy ho faty ? Handringana ny herin’ny fahafatesana, handringana ny devoly ; hahatonga Azy ho faty Izy, ary nitsangana tamin’ny maty Izy mba hanafaka ahy amin’ny fahotako. Fa ny fahotako, araka ilay teny teo, ny fahotako no ananan’ny devoly hery amiko, no ananan’ny devoly hery amin’ny fahafatesana ka ampidirany ahy any amin’ny fahafatesana sy ny fahaverezana mandrakizay.
Ovay ny fijerinao ny fahafatesana ry havana ô. Aza matahotra fadiranovana ohatran’io intsony izany hoe fahafatesan’ny tena izany. Fa raha matahotra fadiranovana ny fahafatesan’ny tena ianao, milaza aminao aho, fa rehefa maty aterina eto ianao : manana rendez-vous amin’ny devoly ianao.
Efa ringana io. Efa ringana ilay manana ny herin’io. Rehefa tsy mino an’izany ianao : manana rendez-vous amin’ny devoly ianao amin’ny andro hahafatesanao. Fa ny atao fotsiny dia hoe : tohero ny fahotana, fa izany no nahafatesan’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana.
Izay ny Fahamarinana 1 : NY FAHAFATESANA EFA RESY – AZA MATAHOTRA NY FAHAFATESAN’NY TENA TAHAKA AN’IO INTSONY
Ny Fahamarinana 2 dia izao : MANAMBARA NY TENANY I JESOA HO MPISORONABE, MPISORONABE NANATANTERAKA TAMIN’IZANY FAHAFATESANA IZANY, FANAVOTANA HO ANTSIKA
Andeha ange vakiantsika ny and.16-17 e : « Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak’ i Abrahama no vonjeny. Koa amin’ izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’ Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona ».
Ilay Fahamarinana 1 izany dia hoe : AZA MATAHOTRA NY FAHAFATESAN’NY TENA INTSONY FA EFA RESIN’I JESOA. Izay ilay izy. Ny Fahamarinana 2 ry havana, ho an’ny olona izay tsy te hanana rendez-vous amin’ny devoly amin’ny andro hahafatesany, dia mahafantatra izy, mitahiry ao an-tsainy izy hoe : JESOA MPISORONABE NANAO FANAVOTANA NOHO NY HELOKO.
Inona moa no dikan’izany ? Eo ny tahotry ny fahafatesana satria n’inon’inona ezaka nataon’ny olombelona dia hoe nanjavozavo ny momba izay ao ambadiky ny fahafatesana, ny momba izay ao ambadiky ny fasana. Ary na dia tao amin’ny Testamenta Taloha aza, olom-bitsy tahaka an’ireny hoe Abrahama ireny, tahaka an’i Davida no tena nino marina ny fisian’izany fitsanganan’ny tena amin’ny maty izany. Ho an’ny sasany an : nanjavozavo izany. Dia izay fanjavozavoana izay no manampy trotraka an’ilay tahotry ny fahafatesana. Fa efa resy iny fahafatesana iny.
Fa inona ny zavatra ambara eto ry havana ? Hoe : io Jesoa nandringana ny herin’ny devoly io, dia Mpisoronabe nanao fanavotana noho ny heloko. Izany io Jesoa io. Satria ilay tahotr’ilay fahafatesana : tahotr’izay ao ambadika manjavozavo araka izay notenenina teo ; fa tahotra ihany koa hifanojo amin’izany fahatezeran’Andriamanitra izany. Izany no ambaran’ny Baiboly ry havana. Ary Jesoa tao anatin’ilay asa nanirahan’Andriamanitra Azy, nanao asa-na Mpisoronabe nanao fanavotana noho ny heloky ny olona.
Zavatra 2 ry havana no tondron’ilay teny hoe « fanavotana » io ao amin’ny Soratra Masina :
- Ilay hoe « fanavotana » dia hoe « fanefànà vidin-keloka », mi- « expier » izy amin’ny teny frantsay. Nanefa vidin-keloka : izany no nataon’i Jesoa. Ary amin’ny fomban-drazana koa ange misy an’izany hoe sorona ho fanefànà vidin-keloka izany e. Misy an’izany daholo hatraiza hatraiza. Fa izay no nataon’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana : nanefa vidin-keloka Izy.
- Ary faharoa, Izy miteny hoe nanao fanavotana noho ny heloko io, dia hoe : nanao « sorona fampiononam-pahatezerana », fampiononana ny fahatezeran’Andriamanitra. Azonareo an-tsaina moa izany ry havana ireny hoe système religieux ireny e ? Tena mino andriamanitra izy, mino an’izao sy izao sy izao izy ; fa tsy mahafantatra izy hoe mila manefa vidin-keloka ary ny ràn’i Jesoa ihany no fanefànà vidin-keloka eken’Andriamanitra, mila mampionona ny fahatezeran’Andriamanitra ary ny rà nalatsaka teo amin’ny hazo fijaliana ihany, izay ihany, tsy ràn’olombelona, tsy rà-na biby ; izay ihany no mampitony ny fahatezeran’Andriamanitra.
Misaotra an’Andriamanitra ry havana ô, ny amin’ny ahazoantsika mifampahatsiahy an’izany amin’izao maraina izao.
Ary izao : Izy izay nankeo amin’ny hazo fijaliana teo ry havana, nanefa vidin-keloka, nampionona fahatezerana ; ho an’ny olona izay manaiky an’izany, ho an’ny olona izay midera an’Andriamanitra noho izany, fa tsy mianatra katekisma an’izany fotsiny, dia avaozin’Andriamanitra izy, omeny toetra vaovao handavana amin’izay ny fahotana sy ny heloka ry havana ô.
Ahoana moa izany ny amin’ity fahamarinana 2 ity raha hoe ampiarina amin’ny olona izay tena hoe tsy te hanana rendez-vous amin’ny devoly rahatrizay aterina eto? Ny fiainako, ny fiainako dia hoe : efa nalamin’io Mpisoronabe io momba ny fifandraisako amin’Andriamanitra. Tsy misy fahatezerana mihatra amiko intsony avy amin’Andriamanitra noho ny heloko. Ary tsaroako izany ao amin’ny fiainako andavan’andro ; ary atomboko ao amin’ny ankohonako ry havana : rehefa misy zavatra hoe tenenin’ny vadiko na tenenin’ny zanako, na tenenin’ny mpiara-monina amiko tena hoe faran’izay manafintohina, faran’izay maha-tezitra, satria nanao ny tsy fiteny, nanao ny tsy fanao izy, mahatsiaro hoe : izaho koa teo amin’Andriamanitra iharana fahatezerana tsy azo ivalozana tahak’izany, nefa nirahany i Jesoa Mpisoronabe ho fanavotana, vidin-keloka, fampiononam-pahatezerana ho ahy teo amin’ny hazo fijaliana. Izany ry havana ô, occasion ny zavatra rehetra manafintohina anao ahatsiarovanao hoe ianao indrindra ilay nanafintohina an’Andriamanitra iny, ka voatery nandefasany an’i Jesoa Mpisoronabe hanao fanavotana anao noho ny helokao. Rehefa avotra aho noho ny heloko ry havana, rehefa aterina eto aho, na afaka adiny iray, na afaka 100 taona : rendez-vous amin’Andriamanitra izany fa tsy rendez-vous amin’ny devoly.
Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : Jesoa ry havana, Mpisoronabe, araka ny nolazaina tery amin’ny and.17 tery. Nanao fanavotana Izy, nolazaina teo hoe : nanefa vidin-keloka, nampionona fahatezerana ary nanome toetra vaovao. Dia fahatelo farany : JESOA MPISORONABE MAMONJY AHY AMIN’NY FAKAM-PANAHIKO REHETRA.
Andeha ange vakiantsika ny and.18 e : « Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy ». Mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy.
Satria izaho mitafy nofo sy rà, dia Izy koa mitafy nofo sy rà ry havana : fantany tsara izay momba ahy, fantany e, fantany ny fiainako, fantany ny fisainako, fantany ny eritreritro, fantany ny adim-panahiko, fantany ny fahalemeko. Satria mitafy nofo aman-drà Izy. Fa maninona Izy no lazaina hoe Mpisoronabe ? Ilay Mpisoronabe dia ilay maha-Andriamanitra Azy ry havana. Ilay maha-Andriamanitra Azy nanao fanavotana ny heloko, izay voalaza teo. Tsy voalaza androany, fa nataon’i Jesoa koa, amin’ny maha-Mpisoronabe Azy, amin’ny maha-Mpamonjy Azy : ankehitriny Izy dia eo an-kavanan’Andriamanitra miaro ahy, mifona ho ahy. Fa tsy ampy izay ry havana, tsy ampy izay filazana an’i Jesoa izay. Ilay Mpisoronabe io, ankehitriny, mbola te hoe hanampy ahy, hamonjy ahy amin’ny fakam-panahiko rehetra. Izany, izany no maha tsy manam-paharoa an’i Jesoa ry havana ô. Ny maha-Andriamanitra Mpisoronabe Azy dia hoe : afaka manatrika ahy Izy na aiza na aiza misy ahy. Ny hoe maha mitafy nofo sy rà Azy dia hoe : mahafantatry ahy nofo sy rà Izy ry havana ô. Hany ka hoe, rehefa tojo amiko ny fakam-panahy, Izy tonga dia mahita koa ry havana ô. Ary tsy hoe mahita fe mahita Izy, fa mahita Izy dia miara-ory amiko ; tsy hoe mahita fe mahita Izy, fa mahita Izy dia miomana hamonjy ahy raha miantso vonjy aho ry havana ô. Fa izaho no tsy miantso vonjy, ianao no tsy miantso vonjy, dia tahak’izany ny finoantsika ry havana.
Fa ny zavatra tadiavin’io Mpisoronabe io ry havana, satria velona mandrakizay Izy, ary manatrika antsika Izy, dia izao : ao anatin’ny fakam-panahy, araraoty io fakam-panahy io ho occasion itenenanao amin’i Jesoa Mpisoronabe hoe : « Jesoa an, eo moa ianao e, manatrika ahy moa Ianao e ». Izany ry havana, izany ny commencement du commencement : « eo moa Ianao e ». Ary faharoa : « Eo Ianao, tovy amiko ny teninao, tovy amiko ny teninao hoe : vonjeo aho fa lehibe lavitra noho io fakam-panahy izay ampandalovanao ahy io Ianao Jesoa an ». Raha lavo ianao, raha lavo tsy nahy ianao, io Mpisoronabe izay nandatsaka ny ràny io hamindra fo aminao, hamela ny helokao, hanangana anao ary hampandeha anao indray amin’ny fanarahana Azy. Izany ny fiainana andrasany amintsika ry havana ô. Ary rehefa izany ny finoantsika, hoe : voalohany, efa resy teo amin’ny hazo fijaliana ilay devoly manana ny herin’ny fahafatesan’ny tena ; faharoa, Mpisoronabe nanatanteraka fanavotana noho ny helotsika Izy ; ary fahatelo, Mpisoronabe velona mandrakizay any an-danitra Izy, mifona ho antsika, fa any an-danitra Izy manatrika antsika ety an-tany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Azo antoka tanteraka, fa n’inon’inona circonstance-piainana, na rahoviana na rahoviana hitrangan’izany : ny fahafatesan’ny tenantsika ry havana ô, dia rendez-vous amin’Andriamanitra fa tsy rendez-vous amin’ny devoly.
Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Safidinao manokana izany. Amena
ALAHADY 11 APR 2021
Efesiana 5 :2 : « Ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika »
Ny hafatra ho antsika Fiangonana ry havana dia ny hoe : MANDEHANA AMIN’NY FITIAVANA.
Raha anontaniana isika izao, hoe : « ianao ve efa mandeha amin’ny fitiavana » ? 100% milaza hoe : « Eny ». Raha anontaniana ianao, hoe : « raha mijery anao ny olona, ka te hianatra an’izany atao hoe fitiavana izany, satria izy mba te handeha amin’ny fitiavana : azonao antoka ve fa fakan-tahaka izany fandehananao amin’ny fitiavana izany ? Fakan-tahaka ve ? ». Ho fampieritreretana ry havana, dia tononina tahaka izao ny hafatra : tsy atao hoe « Mandehana amin’ny fitiavana » ; tsy izay no itondrantsika azy an, fa hoe : FITIAVAN’NY OLOM-BOAVONJY VE NY FITIAVANAO ? Ianao milaza tia io : FITIAVAN’NY OLOM-BOAVONJY VE IZANY FITIAVANAO IZANY ?
Raha jerena ny hafatry ny Apostoly Paoly an, Ok : « Mandehana amin’ny fitiavana ». Fa io, tsy ho manao izay danin’ny saina, fa « mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo ». Izay izany : ilay référence, ilay modely : izay nataon’i Kristy, « dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika ». Kristy tia ; ary ny tanjon’ilay fitiavany : ny hamonjy ahy sy ny hamonjy anao. Ka raha te hilaza ianao fa hoe tia na mandeha amin’ny fitiavana, tsy possible ry havana ô, tsy ho fitiavan’ny olom-boavonjy izany. Ny olona mahatsiaro voavonjy ihany no afaka hitia an’Andriamanitra, hitia an’i Jesoa, hitia namana, hitia vady aman-janaka ; ny olom-boavonjy ihany. Izay ihany. Ary izay no anontaniana anao amin’izao maraina izao, hoe : FITIAVAN’NY OLOM-BOAVONJY VE NY FITIAVANAO ?
Ahoana izany fitiavan’ny olom-boavonjy izany ?
Fahamarinana 1 : VOAVONJY IZY TAMIN’NY FAHAFATESANA TAMBIN’NY OTA
Novonjen’i Jesoa izy tamin’ny fahafatesana tambin’ny ota. Izay aloa ilay famonjena. Fa ny adinonay Pasitera, dia manjary tsy mahay ianareo, adinonay ny milaza hoe : voavonjy tamin’ny fahafatesana isika tambin’ny ota ; fa iny famonjena iny dia mitondra en même temps fanavaozana antsika. Ary iny fanavaozana iny : manafaka antsika amin’ny herin’ny fahotana.
Voavonjy amin’ny fahafatesana izay nahazo ahy, satria mpanota ; fa avaozin’Andriamanitra aho, dia hoe ilay fanavaozany iny manafaka ahy amin’ny herin’ny fahotana. Dia faly aho midera an’Andriamanitra, satria hoe ny vidin’izany famonjena izany dia ilay rà nalatsaka teo amin’ny hazo fijaliana. Dia midera Azy aho, tena mankalaza Azy aho noho io rà io. Ary midera Azy aho, mankalaza Azy aho : nomeny hery aho handavana ny fahotana. Izaho anie tsy hahatohitra an’io e. Izany no maha ohatran’izao ny fiainam-piangonana ry havana ; fa adinontsika hoe efa navaozina isika, efa olom-baovao isika : afkaa amin’ny fanandevozan’ny fahotana. Izay izany ny vaovao mahafaly. Izay ny vaovao mahafaly : voavonjy aho, voavonjy aho.
Ary ahatanteraka izany famonjena izany : Kristy tsy maintsy nanolotra ny tenany. Tsy nanolotra ny fanahiny Izy ; nanolotra ny tenany Izy teo amin’ny hazo fijaliana. Izany ny dikan’io rà io. Misy tena nandeha rà teo, ary io rà io dia midika hoe tena maty Izy ary nitsangana tamin’ny maty Izy anatanterahana an’izany fanamarinana ahy sy ianao izany.
Izay ry havana ô, izay fahatsiarovan-tena hoe voavonjy izay, no mahatonga ahy andeha amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, andeha amin’ny fitiavana an’i Kristy. Fa ianao mpandala fombam-pivavahana io, tsy tia ianao e ! Tia ny fombam-pivavahana ianao, tia ny position-nao ao amin’ny Fiangonanao ianao, fa tsy tia an’Andriamanitra ianao, tsy tia an’i Jesosy ianao.
Misaotra ny Tompo ny amin’ny ampatsiahivany antsika izany fahamarinana volamena izany. Ary ny amin’ny famonjena :
- Voavonjy aho amin’ny fahafatesana tambin’ny ota
- Voavonjy aho amin’ny herin’ny fahotana. Tsy manan-kery amiko intsony ny fahotana
- Ary voavonjy aho satria triatra ilay efitra lamba : mivoha indray ho ahy ny varavaran’ny lanitra
Dia ny teny mipololotra avy ao am-po, hoe : « Tena midera Anao aho, mankalaza Anao Andriamanitra ô, noho ny famonjena izay nataonao tao amin’i Jesoa Kristy ».
Ny Fahamarinana manaraka izany dia izao : INONA NO ANDRASANAO AMIKO JESOA ? Novonjenao aho, notiavinao aho ; inona no andrasanao amiko satria tsy tiako ho votsitra ny famonjena, tsy tiako hikatona indray ho ahy ny lanitra ? Inona ary no andrasanao amiko, satria ny anjaranao efa vita, ny ahy indray izao.
Mazava ry havana ny modely apetrak’i Jesoa. Andao ange averintsika vakiana ilay and.2 amin’ilay Efesiana teo e : « Ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra ». Inona no nataon’i Jesoa raha nitia antsika Izy ? Nanolotra ny tenany.
Dia mety ahoana ary ny zavatra andrasan’Andriamanitra amintsika ? TIANY KOA ISIKA MBA HANOLOTRA NY TENANTSIKA.
Ny Apostoly Paoly manoratra ato amin’ny Efesiana ; ny Apostoly Paoly mbola manoratra ao amin’ny Romana 12, teny malaza be, Romana 12 :1 : « Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany ». Manan-karena be ilay texte, sao dia very ilay hevitra ; fa hoy ny Apostoly Paoly hoe : « Atolory ny tenanareo ho fanatitra velona ». Tahaka ny nanoloran’i Kristy antsika ny tenany, ho fanavotana antsika, ho fanatitra ho fanavotana antsika, izay ilay Fahamarinana 1 teo, ny Fahamarinana 2, raha azonao izany ; fa raha tsy azonao izany, tsy concerné amin’ity Fahamarinana 2 ity ianao ; raha azonao izany : mangataka aminao aho, hoy ny Apostoly Paoly, mba hatolory koa ny tenanao ho fanatitra velona. ATOLORY NY TENANAO HO FANATITRA HO AN’I JESOA. Izay ilay izy ry havana.
Izy tsy miteny hoe, eto amin’ny Efesiana 5 :2 sy Romana 12 :1 ; tsy miteny izy hoe : « atolory Ahy ny fanahinao », tsy miteny izy hoe : « atolory Ahy ny fonao », tsy miteny izy hoe : « atolory Ahy ny volanao » ; tsy izany ny resaka androany. « ATOLORY AHY NY TENANAO ». Izany ilay teny androany ry havana. « ATOLORY AHY NY TENANAO ».
Andao ary tetezintsika vitsivitsy ry havana, fampiarana fohy an’izany hoe : ahoana izany fanolorako ny tenako ho an’i Jesoa izany ?
- Romana 6 :12. Jesoa ry havana, araka ny nankalazaina tamin’ny louange teo : Mpanjaka, Mpanjakan’ny mpanjaka. Izaho, ianao : ataovy ao an-tsainao fa taranaka Mpanjaka ianao, taranaky ny Mpanjaka avo razana indrindra ianao, na iza ianao na iza. Ity ny hafatra ho anao izay manolotra ny tenanao ho an’i Kristy : Romana 6 :12 : « Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany ». Resaka tena io. Ny olona manolo-tena ho an’i Jesoa ry havana, dia tena hoe combat, ady mangotraka ny tsy hamela ny fahotana, tsy avelako hanjaka amin’ny tenako ny fahotana. Izany no anehoako fa taranaka Mpanjaka aho. Fa rehefa resin’ny fahotana aho, dia andevon’ny fahotana, andevo ambany indrindra aho e, ambany noho ny ambany aho e. Fa taranaky ny Mpanjaka avo razana sy avo indrindra aho, satria tsy avelako ny ota hanjaka amin’ny tenako maty. Ny tenako hoy aho ny resahina eto ry havana ô, ny tenantsika no resahina eto. Izay, izay ilay fanolorana ny tena. Ary normalement ange, tsy mila voa tsy ary Andriamanitra e. Efa nazavaina tamin’ny Fahamarinana 1 teo, hoe : afaka amin’ny herin’ ny fahotana ianao. Afaka amin’ny herin’ny fahotana ianao e. Izany no dikan’ilay famonjena.
- Fa raha ohatra koa ry havana mandinika ahoe ahoana no anolorako ny tenako ho an’i Jesoa ho fanatitra, dia tandremako ny akanjo atafiko an’io tenako io. Concret be izany ry havana an. Tsisy morale izany. Tandremako. Izay ny fahamarinana faharoa ; ny anankiray : tsy avelako ny ota hanjaka. Faharoa : tandremako ny akanjo atafiko an’io tenako io : ataoko fitafin’ny olom-boavonjy, ataoko fitafin’ny olona manantena ny lanitra, ataoko fitafy mety azoko anaovana any an-danitra.
Raha vehivavy aho, raha tovovavy aho, na tsara bika toa inona aza aho e, tsy hanao akanjo mampitanjaka ny tenako handrehitra filan’ny lehilahy. Avy eo ange rehefa aholana na rehefa kitikitihina dia malaky tafintohina, malaky mitaraina : ianao mandrehitra ko ! ianao mandrehitra. Izany ny olona manolotra ny tenany ho fanatitra e, satria hoe voavonjy ka manantena ny lanitra. Tsisy resaka morale na fahateren-tsaina izany. Ny Ohabolana 7 :10 dia manao hoe ialao ny fitafin’ny janga ; ialao ny fitafin’ny mpivaro-tena. Ialao izany fitafy-na vehivavy janga izany ry havana ô, raha mba mahatsiaro voavonjy ianao ka manantena ny lanitra e. Izay, izay ange ilay izy e.
Ary raha lehilahy indray aho, hajaiko ny maha-lehilahy ahy. Hajaiko ny maha-lehilahy voavonjy ahy. Tsy hanao fombam-behivavy aho, tsy hanao lava volo aho, tsy hanao mirandram-bolo aho, tsy hikavina aho ; satria lehilahy, tovolahy voavonjy aho.
Mety nataoko izany tamin’ny andron’ny tsy fahalalana, dia ovaiko ilay izy. Fa rehefa mahazo hafatra aho hoe : « ny fitiavanao ve fitiavan’ny olom-boavonjy ? », dia rebelle ianao raha mbola tsy manapaka an’io volonao io. Ary jereo sao dia hanao ohatran’ny tamin’ny tantaran’i Esao sy Jakoba. Noana i Esao avy any, dia nangatahin’i Esao voanemba i Jakoba, amidio amiko aloa ny fizokiana. Sao dia io volonao io, ny patalohanao io, mifinjifinjy, manara-pe sy ny karazany io, no karazana voanemba tsy hidiranao any an-danitra. Voanemba tsy hidiranao any an-danitra izany e.
Aza manao akanjo manara-tena koa mampiseho ny bikanao, mamelona fitsiriritana amin’ny tovovavy namanao.
Atolory ho an’i Jesoa ny tenanao : aoka izay io tatouage io. Teneno Jesoa : ajanoko amin’izay ny tatouage. Andao ange sokafantsika ny Levitikosy 19 :28 e : « Aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin’ny tenanareo : Izaho no Jehovah ». Fampianaran’i Jehovah, didiny : aoka izay ny tatouage e !
Averina indray : izay natao tamin’ny andron’ny tsy fahalalana hifony ; fa aoka izay ny tatouage.
Aza avela ota hanjaka amin’ny tenanao mety maty – Tandremo ny tenanao ka tandremo izay atafinao ny tenanao – Aoka izay ny tatouage.
- Ahoana izany manolotra ny tena izany ? Atolory ho an’Andriamanitra ny masonao. Atolory Azy ny masonao. Joba 31 :1 : « Efa nampanekeko ny masoko ». Tahaka an’i Joba ry havana, teneno Andriamanitra hoe : « Atolotro anao ny masoko ka hanao fanekena Aminao aho amin’ny masoko ; hanao pacte Aminao aho amin’ny masoko, tsy hijery zavatra tsy tokony ho jerena ny masoko ». Ary tsy maninona koa ianao ry havana ô, isika rehetra, manao pacte amin’i Jesoa, satria hoe « atolory Azy ny masonao », andao hanao pacte hoe hahena ny fijerentsika io télé io e, sao dia izay ilay voanemba tsy hidirana any an-danitra ry havana ô, nefa mba efa nisy rà nalatsaka ihany teto amin’ny hazo fijaliana teto anokafana an’io vavahadin’ny lanitra io.
Atolory an’Andriamanitra ny sofinao. Jereo ange ilay Isaia 50 :4b DIEM : « Isa-maraina Izy dia manabe ahy hatrany hihaino araka izay tokony hataon’ny mpianatra ». Manomboka izao, hoe : « Jesoa an, atolotro anao ny sofiko, izaho rehefa mihaino ny toriteninao, ohatran’ny fihainon’ny mpianatra ». Hoy ny Segond hoe : « Il éveille chaque matin mon oreille pour que j’écoute à la manière des disciples ». Aza mihainohaino toriteny fotsiny, aza mihaino fe mihaino toriteny fotsiny : lany andro ianao e. Aleo ho an’olon-kafa ny toerana aty rehefa kamo hihaino toriteny ianao e ! Fa tonga eto ianao : « Ecoute à la manière d’un disciple ». Izany ilay izy ry havana ô. Izany ilay izy : « Ecoute à la manière d’un disciple ».
Ary manaova koa pacte amin’i Jesoa amin’io sofinao io, hoe « aoka aho Jesoa tsy hampandry sofina intsony amin’ny fosafosa ». Izay. Izany ny fitiavan’ny olom-boavonjy izay manantena ny lanitra ry havana ô.
Atao ohatra farany, hoe : miaraka amin’ny molotra. Atolory Azy koa ny molotrao. Miverina ao amin’ny Efesiana isika. Efesiana 4 :29 : « Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana ». Manaova pacte amin’Andriamanitra : « ampio aho Jesoa an, mba hanana molotra sy lela mizara fahasoavana. Ary atomboko ao amin’ny ankohonako izany e. Ampio aho hizara fahasoavana. Ampio aho hanao teny mampandroso : mampandroso ny vadiko, mampandroso ny zanako, mampandroso ny ray aman-dreniko ». Izany ny olona manolotra ny tenany ho fanatitra ho an’Andriamanitra ry havana ô.
Ary arovy ny lela, araka ny tenin’i Jakoba, mba tsy ho lela mpampirehitra afo, satria arehitry ny helo.
Mbola azo tohizana, mbola azo tohizana ry havana ô.
Fa izao : tia anao ny Tompo e, tia anao ; ary noporofoiny teo amin’ny hazo fijaliana izany. Ary dia ankehitriny Izy manontany anao : MOA TIA AHY VE IANAO ? Ny olona tia an’i Jesoa ihany no hiditra any an-danitra. ARY RAHA TIA AHY IANAO : FITIAVAN’NY OLOM-BOAVONJY VE NY FITIAVANAO AHY ?
Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena
Commentaires récents par Mpanoratra
Pas de commentaires par Mpanoratra encore.