Messages récents par Mpanoratra

"Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy". — I Korintiana 11 : 27
Tohiny

"Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha". — Habakoka 3 : 19
Tohiny

"Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho". — Lioka 22 : 15
Tohiny

ALAHADY 03 OKT 2021

"Soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain’ Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ ny fanaovan-jiro volamena fito: Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary hianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy; ary manana faharetana hianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka. Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ ny fitiavanao voalohany hianao. Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ ny fitoerany, raha tsy mibebaka hianao. Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan’ ny Nikolaita, izay halako koa. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ ny hazon’ aina, izay eo amin’ ny Paradisan’ Andriamanitra". Apokalypsy 2:1-7

Commentaires récents par Mpanoratra

Pas de commentaires par Mpanoratra encore.