"Ary tamin'izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesoa mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina Izy. Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin'ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly".Lioka 6 : 12 - 13
Tohiny
À propos de: Mpanoratra
Messages récents par Mpanoratra
"Ary Jesoa Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana, no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra". II Tesaloniana 2 : 16 - 17
Tohiny
"Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy. Ary hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandra-kariva izy tahaka ny amin'izao anio izao". I Tantara 28 : 6 - 7
Tohiny
"Ary raha tsy nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany". Marka 13 : 20
Tohiny
Commentaires récents par Mpanoratra
Pas de commentaires par Mpanoratra encore.