Messages récents par Mpanoratra

Tsianjery 06 Mey 2018

"Koa ataovy amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak’ Isiraely, fa noho ny anarako masina, izay nolotoinareo tany amin’ ny jentilisa izay nalehanareo". Ezekiela 36:22
Tohiny

MOFON’AINA

"Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina" Matio 12:31
Tohiny

ALAHADY 29 APRILY 2018

1 Timoty 2:1-2: "Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ ny olona rehetra, ho an’ ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra".

INONA NO PRIORITE DE PRIORITES ANAO AO AMIN'NY FIAINANAO? AOKA HO PRIORITE DES PRIORITES NY VAVAKA

ALAHADY 22 APRILY 2018

Matio 10:28-30: "Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy  trano, na rahalahy,  na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,ka tsy handray zato heny amin’ izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ ny fanenjehana-ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay".

RESAKA ANDRO HO AVY

Ny fanontaniana dia manao hoe: Aiza ny lakile an'izany fanjakan'ny lanitra izany? Aiza ny lakile an'izany fiainana mandrakizay izany?

Miantona eo amin'ny hazofijaliana io lakile io, dia ilay rà nalatsaka teo amin'ny hazo fijaliana

 

Commentaires récents par Mpanoratra

Pas de commentaires par Mpanoratra encore.