MOFONAINA 09 OKTOBRA 2024 – KOLOSIANA 1:1-8

image_pdfPDF

Mofonaina 09 Oktobra 2024 -

Kolosiana 1:1-8


1. KRISTY LOHARANON'NY FIHAVAOZANA

Kol 1:1-2

Paoly mpanenjika Kristianina no tonga Apostolin'i Kristy.
Kolosianina jentilisa mpanompo sampy no tonga olona masina sy mahatojy ao amin'i Kristy.

FMHRN
Ny lalana taloha ihany no izorana.
Ny fanao hatrizay notohizana.

ANTSO
Mba hiverina sy iorina tsara ao amin'i Kristy anie ny fiainanao ka hihavao tokoa ianao.


2. NY FILAZANTSARA NO HERY MANAVAO 

Kol 1:3-6

Tsy vaovao mahafaly fotsiny fa hafatra mitondra fihavaozana mahafaly. Hafatra manavao mitondra fifaliana.

FMPHRN
Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara manova ny tantara.

ANTSO
Ho faly isika raha mahita fiovana eo amin'ny ankohonana sy ny fiaraha-monina vokatry ny filazantsara notorina.
Mba ho hafatra mitondra fihavaozana anie ny filazantsara torintsika Fiangonana.


3. NY FANANANA FINOANA SY FITIAVANA ARY FANANTENANA NO FAMANTARANA NY FIHAVAOZANA 

Kol 1:4-5

Araka ny I Korintiana 13:13 dia ireo no mitoetra.

FMPHRN
Eto isika O.K (Ondry Kely katrakatraka), Mivoaka eto isika K.O (Karazana Osy).

ANTSO
Mba ho hita eo amintsika ny finoana sy ny fitiavana ary ny fanantenana: ho fantatra fa mpino mihavao isika.


4. EPAFRA: Vavolombelon'ny Fihavaozana

Kol 1:7-8

Epafra, jentilisa nandray ny filazantsara, mpitory ary mpanompo, namana, mahatoky.

FMPHRN
Misy mpino nanao dingan-dava teo amin'ny fihavaozana.
Misy mandeha miadana toy ny sokatra.
Misy tafahitsoka ao amin'ny Adama ela.

ANTSO
Mba ho tsapan'ny mpiara-belona aminao fa vavolombelon'ny fihavaozana ianao: mpanompon'Andriamanitra, namana mahatoky. Mila izany ny fiaraha-monina.


FEHINY

  • Kristy no loharanon'ny fihavaozana.
  • Ny Filazantsara no hery manavao.
  • Ny Finoana, ny Fanantenana, ary ny Fitiavana no famantarana ny fihavaozana.
  • Ianao no Epafra vavolombelon'ny fihavaozana.
image_pdfPDF