MOFONAINA 20 AOGOSITRA 2024 – MARKA 12.14-23

Marc  7:14-23

Ny resaka ataon'i Jesoa eto dia mivantana amin'ireo Fariseo izay nanome lanja ny fomba ivelany sy ny lalàna momba ny fahadiovana.

Jesoa ary dia manasongadina fa ny fanamasinan-tena dia tsy fisehosehoana ivelany fa dingana miainga avy ao anatin'ny olona.

Ny fanamasinan-tena dia:

  1. Tsy fanarahana fitsipika na fandalana fomba amam-panao:
    • Tsy fanamboarana fihetsika: Famindra na fomba fitondrana zavatra.
    • Tsy fenitra manokana amin'ny fomba fiteny na fomba fitafy.
    • Tsy fanavahan-tena amin'ny loko fitondra na fampiasa (fotsy na fotsy sy manga na mena midorehitra...).
      Tsia, tsy ivelany na fombafomba fa tena anaty sy fiainana.
      Aza teren-ko masaka ny fahamasinana!
  2. Fanekena hiova amin'ny fanavaozana ny fo sy ny saina (Rom 12.2):
    Izany fiovana anaty izany no mamokatra ny fihetsika ivelany sy ny fomba fiaina miavaka eo amin'ny Mpino, na amin'izay atao na amin'izay lazaina.
    Ny faneken'ny olona hampiditra ny fiainany manontolo ao amin'i Jesoa Kristy no maha-masina azy (2 Cor 5.17).

FEHINY :

Ireo fanazavana tsotra ireo dia mitarika antsika Fiangonana handini-tena tokoa fandrao tratry ny hevi-diso ny fariseo isika ka hanava-tena ho masina amin'ny fombafomba sy ny fanarahana fitsipi-pitondran-tena volena dia manjary sarisarim-pahamasinana fotsiny izay heverintsika ho fahamasinana.

Maneke ny asam-panamasinana ataon'ny Tompo. Mianga avy any anaty fo sy miasa ao amin'ny saina.

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.
Manonona ny Fahasoavan'ny Tompo. (MFT)