MOFONAINA ALAROBIA 25 SEPTAMBRA 2024 – Marka 5:25-34

Mc 5:33
Ilay vehivavy narary 12 taona nandray fahasitranana avy amin'i Jesoa.
Finoana fanasitranana tonga finoana nahavonjy.

Miorina amin'ny finoana

1- Tompon'andraikitra

(nankeo Aminy)
Nankeo: valin'ny antson'ny Tompo ho amin'ny famonjena "Mankanesa aty amiko..." (Mt 11:28). Voambolana mampifamatotra ny Mpamonjy sy ireo mila famonjena.
Ny olona miorina amin'ny finoana dia mijoro ho tompon'andraikitra amin'ny tenany, tompon'andraikitra miseho fa tsy miafina.
Sahy mamaly ny antson'ny Tompo eo imason'ny olona.

FAMPIHARANA
Mpino miafina any anaty vahoaka. Mpino mbola any an-damosin'i Jesoa.

ANTSO
Aoka ho tompon'andraikitra, sahia mijoro.
Misehoa fa mitady anao ny Tompo.

2- Manetry tena

(niankohoka teo anatrehany)
Nilatsaka teo anoloany.
Fakena ny herin'i Jesoa.
Fanehoam-panajana.
Fihetsika milaza fibebahana.
Ilay avy ao an-damosina tonga eo anoloana: fiovana fitodika izany.

FAMPIHARANA
Mpino tsy mivavaka, tsy miditra am-piangonana. Mbola misalasala.
Tsy misy olona hoe miresaka ka any an-damosina fa tsy maintsy mifanatrika amin'izay iresahana.
Tsy misy hoe mihaona fa any an-tokotany. "Mandrosoa dia hoe aoka aloha ho eto ihany!"

ANTSO
Miankohofa eo anatrehan'ny Tompo.
Manatona azy amin'ny fanetren-tena.

3- Mazava

(nilaza ny marina rehetra)
Tsy ampy ny miseho sy manetry tena fa ilaina ny fiainana mazava tsy misy an-takotakona. Izany no fibebahana marina.

FAMPIHARANA
Mpino mbola miafina ao ambadiky ny lainga.
Mpino miaina amin'ny ampahan'ny fahamarinana.

ANTSO
Aza anafenana ny Tompo.
Efa fantany rahateo ny momba anao.

FEHINY

Mpino miorina amin'ny finoana:

Tompon'andraikitra amin'ny famaliana ny antson'ny Tompo amin'ny fo feno fanetren-tena sy amin'ny fibebahana marina.