Mofonaina 23 Aogositra 2024 – Hebreo 10.1-18

Heb 10:1-18 (10-14)

1. Tokana ny loharanon'ny fahamasinana
Jesoa Kristy voahombo teo amin'ny Hazo Fijaliana.

2. Fiainana ny fahamasinana
Tsy vonjy tavan'andro fa amin'ny androm-piainana rehetra.

3. Azo antoka ny fahamasinana
Tsy misy tokony hampisalasala ny asam-panamasinana nataon'i Jesoa Kristy.

4. Mitohy ny fahamasinana
Asa mitohy tsy hampiherika amin'ny fahalotoana sy ny fahotana taloha ny fanamasinana.

5. Mandrakizay ny fahamasinana
Sitraky ny Tompo ho masina mandrakizay ny mpino.

FEHINY

Ekeo ilay sorona tokana miantoka ny fahamasinanao mandrakizay: Jesoa Kristy!
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra.
Amena.
Manonona ny Fahasoavan'ny Tompo. (MFT)