FIARAHA-MANDINIKA SORATRA MASINA NY MOFONAINA VOALAHATRA NY TALATA 18 JONA 2024
SALAMO 91:1-13
NY BOKY
Salamo dia tonon-kira ampiarahina amin'ny zavamaneno. Voasoratra araka ny trangan-javatra niseho tamin'ny fiainan'ny Fiangonana na fiainan'ny mpanompon'Andriamanitra. Voaangona tamin'ny taonjato faha-3 talohan'i Jesoa Kristy.
Misy toko 150 izay mizara ho boky 5 (tahaka ny hoe boky 5 ao amin'ny Pentateoka):
- Boky voalohany: Salamo 1-41
- Boky faharoa: Salamo 42-72
- Boky fahatelo: Salamo 73-89
- Boky fahefatra: Salamo 90-106
- Boky fahadimy: Salamo 107-150
Antony:
- Fitovitoviany ara-potokevitra na gadona
- Fampiasana azy ao amin'ny fanompoam-pivavahana
- Tantara mifamatotra aminy (Fiangonana na olona)
Boky fahefatra:
Mampivoitra ny fahalehibiazan'Andriamanitra, ny maha-voafetra sy malemy ny olona, ny maha Andriamanitra fialofana sy mpiaro, Andriamanitra Mpitsara, ary manao ho zava-dehibe ny fanekena.
Salamo 91:
Mpanoratra: ???
Tantara lafika dia ny 2 Samoela 24:15, sazy vokatry ny fanisana tsy nankasitrahan'ny Tompo. Ara-tantara koa, tamin'ny taona 1870, ireo mpitsabo mihitsy no nivoy ity salamo ity ho fiarovana amin'ny aretina mandringana (kolera). Tamin'ny taona 2019 (COVID-19), Romana 8:31 « Raha Andriamanitra no momba antsika... »
Ireto no hevitra azo raisina ho fiainana:
- Fiarovan'Andriamanitra: Voaaro izay ao amin'Andriamanitra (and. 1,2)
- Azo antoka ny fiarovan'Andriamanitra (and. 2,3,4,7,8)
- Manafaka amin'ny tahotra Andriamanitra (and. 5,6)
- Anjely mpiambina (and. 11,12,13)
Ity Salamo ity dia manampy antsika mpino izay mitady fampaherezana sy fiarovana avy amin'Andriamanitra manoloana ny tahotra sy ny loza.
VOAMBOLANA:
Anaran'Andriamanitra 4 (and. 1,2):
- Avo Indrindra (Elyon): Manjakazaka sy ambony, tsy voafetra sy tsy takatra, mahasehaka ny rehetra, Andriamanitra tsy misy sisitany.
- Tsitoha: Manana ny fahefana tsy azo songonana, mpamorona sady tompony ary mitondra ny voariny araka ny sitrapony nefa amin'ny fitiavana. Hainy ny zavatra rehetra. Ao aminy ny rariny sy ny fitsarana. (Eo ambany fanaraha-mason'Andriamanitra ny zavatra rehetra).
- Jehovah / YHWH: Mandrakizay, tsy miova, akaikin'ny vahoakany.
- Andriamanitra: Ambony, mpahary tokana, mahery, manerana, mihazona ny zava-boariny (tia sy marina ary mpamindra fo).
Fiarovana:
- Fierena (and. 1)
- Aloka (and. 1)
- Fialofako (and. 2)
- Batery fiarovana (and. 2)
- Volon'elany (and. 4)
- Elany (and. 4)
- Ampinga kely sy lehibe (and. 4)
- Tanany (and. 12)