Mofonaina 16 Oktobra 2024
FANDAHARANA
- Sal 19,1-4
- Hira 24
- Vavaka
- Hira 177/1
- Soratra Masina Asa 2.5-13
- Hira 190/1
- HAFATRA
- Vavaka + RZA
- Fanakem-Pinoana 1
- Hira 545/3
- Tsodrano
Asa 2:5-13
Asa 2:5-13
Konteksta
Niakatra ao Jerosalema ny jiosy rehetra hatrany am-pielezana hankalaza an'Aa noho ny fetim-piangonana pentekosta. Izany dia ny 50 andro taorin'ny paska (nivoahana tany Egypta) ka hahatsiarovana ny nanomezana ny lalàna FIHAVAOZAN'NY TANTARAM-PAMONJENA.
1- ASA'NY FANAHY MASINA
2- ASAN'NY TENY
3- ASAN'ANDRIAMANITRA
1- ASA'NY FANAHY MASINA
- Gen 1: Fahariana: Aa nanavao ny endriky ny tany + Fanahy Masina.
- Lioka 1: Jesoa Kristy: Aa nanavao ny asam-fahariana + Fanahy Masina.
- Asa 2: Fanahy Masina: Aa manohy ny fanavaozana + Fanahy Masina.
Fampiharana
Olona mihavao tokoa rehefa niasan'ny Fanahy Masina.
Olona tsy miova satria nandalovan'ny Fanahy Masina.
Antso
Fantaro fa isaky ny manaiky ny asan'ny Fanahy Masina ianao dia hihavao.
Aza misalasala mangataka ny Fanahy Masina hanavao anao.
2- ASAN'NY TENY
"Nandre araka ny fiteniny avy."
Misy akony lehibe ny teny:
- Ny teny mety manova ny fisainana.
- Ny teny manova ny fiainana.
- Ny teny manova fifandraisana.
Eto ny Teny dia nanavao ny fisainan'ireo nandre ny Apostoly niteny tamin'ny fiteniny avy.
Mpino Jiosy novangin'ny Teny dia nisaina zavatra vaovao.
Fampiharana
Arakaraky ny handrenesana no ihavaozana (Fianarana, Fiaraha-monina, Fiangonana).
Antso
Fantaro fa isaky ny manaiky hihaino sy iasan'ny Tenin'Aa ianao dia hihavao.
Aza misalasala mangataka ny Tenin'Aa hanavao anao.
3- ASAN'ANDRIAMANITRA
Fitenin'Andriamanitra ny hoe "vaovao" ary asan'Andriamanitra ny fihavaozana.
- Fanahy vaovao, fo vaovao, tany vaovao, lanitra vaovao, olom-baovao.
- "Indro havaoziko ny zavatra rehetra."
Amin'ity Soratra Masina ity dia voalaza fa ny asa lehibe nataon'Andriamanitra no nampahafantarina.
Vanim-potoana vaovao no sokafan'Andriamanitra eo amin'ny tantara.
Fampiharana
Ny fisehoan'Andriamanitra amin'ny asany mahagaga dia fisokafana amin'ny zavatra vaovao (Taona vaovao, Volana vaovao, Andro vaovao, Famindram-po vaovao, Fahavelomana vaovao...).
Antso
Fantaro fa isaky ny manaiky iasan'Andriamanitra dia hihavao.
Aza misalasala mangataka ny asan'Andriamanitra hanavao anao.
FEHINY
Mpino mihavao:
- Manaiky iasan'ny Fanahy Masina.
- Manaiky iasan'ny Tenin'Andriamanitra.
- Manaiky iasan'Andriamanitra.