MOFONAINA 16 SEPTAMBRA 2024 – Fil 2:12-18

Ph 2:12-13

1 - Miasa tsy misy mpitarika

Any am-pifatorana i Paoly no manoratra: tsy afaka miara-misotra sy hitarika ny Fiangonana izy. Mamporisika ny mpino izy hanohy ny fankatoavana sady hampitombo ny risi-po sy ny fanoloran-tenany (Ph 1:27).

Zava-misy :

  • Rehefa tsy eo ny mpitarika dia tsy mihetsika ny tarihina. Lefy ny fankatoavana.
  • Rehefa tsy tonga ny lehibe dia miraviravy tanana ny rehetra.
  • Rehefa midaraboka ny hazo dia simba ny bozaka manodidina.

Antso:

  • Miasà, ialao ny filazana hoe "biby tsy manan-doha tsy mandeha".
  • Ampitomboy avo roa heny ny fankatoavana sy ny risi-pontsika rehefa tsy eo ny mpitarika.

2 - Miasa sy manantena famonjena

Raha ny fiainan'ny Fiangonana dia tena feno horohoro noho ny fanenjehana.
Omena baiko hiasa ao anatin'ny horohoro ny Fiangonana ary hanao izay hahatanteraka ny famonjena azy.

  • Miseseha hiditra amin'ny vavahady ety.
  • Miova amin'ny fanavaozana ny saina.
  • Tehirizo ilay zavatra tsara natolotro anao.

Tena mitaky ny ezaka avy aminao ny fahatanterahana. Efa vita ny an'ny Tompo, anao ny sisa.
Efa voavonjy fa miandry ny fahatanterahany. Ny ataonao no antony.

Zava-misy :

  • Misy mitsotsotra rehefa vita fanekena ny mpandray dia mihinana sy misotro sisa.
  • Misy mihevitra efa voavonjy ka tsy ilaina intsony ny fikelezana aina.
  • Misy mampianatra fa efa voavonjy ka afaka manao izay tiana atao.

Antso:

  • Ao amin'ny asa fanompoana ataonao indrindra no iorenan'ny finoanao sy itomboany na dia anatin'ny sarotra aza. Miasà ary antenao tsara ny famonjena.

3 - Miasa miaraka amin'ny Tompo

Ny mpino rehefa miasa dia ny Tompo no miaraka aminy (ao anatiny mihitsy). Tsy afaka miala amin'Andriamanitra izy.
Manomboka eo amin'ny fikasana hatramin'ny fanaovana. Ny sitrapony hatrany no manapaka amin'izany.

Zava-misy :

  • Fiainana tsy misy fandaharam-potoana.
  • Fiainana mipetrapetraka.
  • Fiainana miaraka amin'ny "tampotampoka eo".
  • Fiainana mandeha irery.
  • Fiainana tsy mila an'Andriamanitra.

Antso:

  • Miasà, aza miala amin'Andriamanitra amin'izay rehetra atao.

Fehiny

Miorina amin'ny finoana ny mpino.
Mahay miasa tsy misy mpitarika izy, sady miezaka amin'ny fanantenam-pamonjena ary indrindra miasa miaraka amin'Ilay Andriamanitra ao anatiny.