I Korintiana 6:1-11 (11)
Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika. — I Korintiana 6 : 11
Manamasina ny Tenany ny Mpino
Misy teny anankitelo milaza ny fanamasinana eto :
"Voadio", "Nohamasinina", ary "Nohamarinina".
- Voamarika fa asan'Andriamanitra ao amin'i Jesoa Kristy ny fanamasinana, ary manana anjara amin'izany ny Fanahy Masina.
- Tsy zavatra mandalo na indray mandeha tsy miverina ny fanamasinana, fa asan'Andriamanitra mitohy ao amin'ny olony.
- Miseho amin'ny fiainantsika andavan'andro izany fahamasinana izany.
- Efa voadio ve ianao?
- Efa voamasina ve ianao?
- Efa voamarina ve ianao?
Fehiny
Manamasina ny tenany ny mpino.
Aoka hahavatra hanatona an'Andriamanitra ao amin'i Jesoa Kristy eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina mandrakariva isika mba ho dioviny, hoamasininy ary hohamarininy.
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.
Manonona ny Fahasoavan'ny Tompo. (MFT)