MOFONAINA 01 OKTOBRA 2024 – Efesiana 2:1-10

image_pdfPDF

Mofonaina 01 Oktobra 2024

Efe 2:1-10

1 - NY BOKY

11 - Fandraisan’anjaran’ny tsirairay:
Toko 6, nosoratana tamin’ny taona 60-62 AD, Paoly no nanoratra. Epistilin'ny Fifatorana. Foto-kevitra lehibe: Fihavanana.

12 - Fanampiny:
(Jereo ny FMSM 240924)

13 - Drafitry ny boky:
(Jereo FMSM 240924)


2 - FAMARITANA NY TEKSTA SY RAKI-BOLANA

21 - Ity teksta ity dia ao amin’ny fizarana milaza ny famonjen’Andriamanitra ny mpino tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Voasaraka eo amin’i Hazo Fijalian’i Kristy ny Fahinintsika mpino sy ny ankehitriny. Ny maha-mpanota sy ny maha-voavela heloka, ny fahafatesana sy ny fahavelomana, dia misongadina eto. Nilaina ny fampianarana ho fampahatsiarovana ny kristianina fa tsy mitovy amin’ireo mpiara-monina taminy intsony izy ireo.

22 - RAKIBOLANA
221 - Fahadisoana (Efe 2:1):
"Paraptomasiv" midika hoe fialana amin’ny fahamarinana, fialana amin’ny làlana, fianjerana, tsiny, tsy fahombiazana.

222 - Fahotana (Efe 2:1):
"Hamartia" midika hoe fahadisoana koa, fandikana ny sitrapon’Andriamanitra.

3 - IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN’NY TEKSTA

31 - Mpanota ny olona rehetra ary maty ara-panahy avokoa talohan’ny nahatongavany ho olona voavonjy (Efe 2:1-3 + Rom 3:23 + Rom 6:23 + Kol 2:13).

32 - Asa efa tao am-pon’Andriamanitra ary tena nataony am-pitiavana ny famonjena (Efe 2:4-5 + Tit 3:5 + Rom 5:8 + Sal 103:8).

33 - Manome ny mpino fiainana sy fahavelomana feno fanantenana amin’ny ho avy ny asam-pamonjen’i Kristy (Efe 2:6-7 + Kol 3:1 + Rom 6:4-5).

34 - Tsy azo vidina (Tandremo fa tsy azo amidy koa) ny famonjena, fa tena fanomezana avy amin’Andriamanitra (Tena tsy voavidy) (Efe 2:8-9 + Rom 11:6 + Gal 2:16 + 2 Tim 1:9).

35 - Tsy fanafahana amin’ny fahotana fotsiny ny famonjena, fa tena fananganana olona vaovao tompon’andraikitra tsy manao kitoatoa (Efe 2:10 + 2 Kor 5:17 + Jak 2:17 + Fil 2:13).

4 - FAMPIHARANA : AOKA

41 - Aoka ho fantatsika fa mpanota ny olona rehetra ka mila mibebaka, isan’izany na dia ny zazakely aza. (Afoizo ny zavatra manalavitra anao amin’Andriamanitra).

42 - Aoka hatoky tanteraka ny fitiavan’Andriamanitra isika. Ivelomy amin’ny finoana ny famonjena. Efa voavela heloka ianao. Tiavo sy avelao heloka koa ny hafa.

43 - Aoka hatoky koa isika fa efa tsara toerana miaraka amin’i Kristy ao amin’ny fanjakany, ary miara-misitraka aminy ny haren’ny lanitra sy ny harem-pahasoavan’Andriamanitra. Asehoy amin’ny fiainana andavanandro fa olon’ny fanantenana ianao.

44 - Aoka tsy hiantehitra amin’izay asa sy ezaka ataontsika isika mba ho voavonjy. Mahaiza mankasitraka ny maimaim-poana nomen’Andriamanitra. Ny maimaim-poana mantsy no tena lafo.

45 - Aoka ataontsika ho laharam-pahamehana ny asa fanompoana ary ataovy mendrika sy maneho ny fahatsaran’Andriamanitra izany.

image_pdfPDF