Mofonaina 06 Septambra 2024 – 1 Samoela 1:9-20

Mofonaina 06 Septambra 2024

1 Sam 1:9-20

1- NY BOKY

11 - Fandraisan’anjaran’ny tsirairay (Toko? Ny andininy tadidy? Daty nanoratana)
12 - Fanampiny

  • Mitantara ny fiainan’ny Fiangonana 1149-1055 BC izay mamarana ny vanim-potoanan’ny mpitsara teo amin’ny Israely, Nosoratana manodidina ny 1055 BC.
  • Ao amin’ny Bokin’i Samoela no filazana ny fametrahana ny lalam-panorenan’ny fanjakana (10,25).
  • Manomboka eo amin’ny fahaterahan’i Samoela ary mifarana amin’ny fahafatesan’i Saoly (1-31).
  • Mandalo kion-dalana ny tantara satria raha nanan-danja ny Mpisorona sy ny asa fisoronana dia nanjary nifanindran-dalana na latsa-danja teo anatrehan’ny Mpanjaka ny Mpisorona, Fanjakana aloha vao fisoronana. Fahefam-panjakana sy ny fahefam-pivavahana.
  • Mpanoratra: Tsy fantatra fa izay azo heverina dia misy dian-tanan’i Samoela ity boky ity, kanefa koa ny fitantarana ny fahafatesany (25,1) dia milaza fa nisy koa mpanoratra hafa.
  • Aza adinoina 1 Samoela 2,10: Mesia na voahosotra. Abigaila: Vehivavy hendry vadin’i Nabala (25ss).
  • Drafitry ny boky:
    1 - SAMOELA (1-3: Fahaterahana sy fahazazan’i Samoela + 4-7: Ny fahalovan’ny mpisorona sy ny faharavan’ny Israely teo anatrehan’ny Filistina ary ny fanarenana).
    2 - SAOLY (8-10: Fanandratana an’i Saoly + 11-12: Fanjakan’i Saoly + 13-15: Fandavana an’i Saoly).
    3 - DAVIDA (16-17: Davida, mpanjaka araka ny fon’Andriamanitra + 18-26: Ny fanenjehana an’i Davida + 27-31: Davida nialoka tany amin’ny Filistina).

2- FAMARITANA NY TEKSTA

Ao anatin’ny filazana momba an’i Samoela ny teksta. Mbola mpitsara no mpitondra ara-pivavahana sy ara-politika. Nihena ny herim-panahy satria tsy lavorary ny ankohonan’ny mpitarika.
Olana ara-pianakaviana tao amin’i Elkana sy Hana no foto-dresaka: Tsy niteraka i Hana fa i Penina vaditsindrano no niteraka. Nahatsiaro ho afa-baraka i Hana; Kivy fa nametraka ny fangatahany tamin’Andriamanitra izy. Ny fananan-janaka dia heverina ho mariky ny fitahian’Andriamanitra amin’ny fiaraha-monina.

3- IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN'NY TEKSTA

31 - Vavaka maharitra sy atao amin’ny finoana ao anatin’ny fotoan-tsarotra.
32 - Vavaka mahatoky ny sitrapon’Andriamanitra.
33 - Vavaka feno fanoloran-tena (Mangataka izy fa vonona hanome indrindra koa).
34 - Vavaka maneho fahatokiana an’Andriamanitra mihevitra ireo mijaly.
35 - Vavaka mitondra fitoniana sy fanantenana ao anatin’ny toe-javatra tsy miova.
36 - Vavaka miteraka vokatra ho an’ny hafa sy ny fiaraha-monina.
37 - Vavaka tsy miankina amin’ny fahaiza-manaon’ny olombelona (Siansa…).

4- FAMPIHARANA FITO: AOKA

41 - Aoka tsy hitsahatra hivavaka isika fa tsy hiala na ho kivy rehefa misy zava-tsarotra.
42 - Aoka hatoky isika fa Andriamanitra mifehy ny zavatra rehetra ary mahalala hamaly antsika araka ny mahasoa antsika amin’ny fombany sy ny fotoanany.
43 - Aoka ny vavaka fangatahana atao mba hikendrena izay ho an’Andriamanitra indrindra koa (Aza adinoina ny fanoloran-tena rehefa mivavaka).
44 - Aoka hatoky isika fa mahita ny fahoriantsika ary mihevitra antsika Andriamanitra.
45 - Aoka hekena fa efa valim-bavaka sahady ny fitoniana sy ny fanantenana omen’ny Tompo rehefa mivavaka na dia mbola tsy miova aza ny toe-javatra.
46 - Aoka ho heverintsika fa ny vavaka anankiray ataontsika dia misy vokany lehibe eo amin’ny tenantsika sy ny manodidina antsika.
47 - Aoka hanaiky isika fa tsy afaka hifaninana amin’Andriamanitra ny fahalalantsika olombelona.