ALAHADY 29 DES 2019

image_pdfPDF

« Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin'i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak'Isiraely: Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao; Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao; Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana. Dia hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy ». Nomery 6 :22-27

Ilay hoe : « hametraka ny anarako amin’ny Zanak’Isiraely izy », ilay mpisorona izany, i Arona sy ny zanany izay didian’Andriamanitra hitso-drano ny isiraelita, dia hoe : isaky ny mametra-tanana izy mametraka tso-drano, dia mametraka ny anaran’i Jehovah eo amin’ny Zanak’Isiraely, ary Jehovah hitahy azy.
Izao ry havana no azo amintinana ny hafatra ho antsika Fiangonana amin’izao Alahady farany amin’ny taona izao, dia ny hoe : KRISTIANA VE IANAO, SA MODY KRISTIANA ? Tsotra be izany. KRISTIANA VE IANAO, SA MODY KRISTIANA ? Ilay tena kristiana manko an, araka io teny io, manana ny anaran’i Kristy ry havana ô, voasoratra, voasikotra ao amin’ny fony, ao amin’ny sainy, ao amin’ny fanahiny, ary izany no mamaritra ny fiainany. Fa ilay mody kristiana, miala tsiny aho milaza an’izany, izaho manana namana mody pasitera, ary misy ny mody kristiana : tsy manana an’izay anarana izay izy ao aminy, fa hainy ny fomba ivelany, hainy ny manaty rakitra sy ny karazany. Ry havana ô, manontany anao ny Tompo hoe : KRISTIANA VE IANAO, SA MODY KRISTIANA ? Ary izay no tombon’io tso-drano io. Tsy dia hoe akory hoe tokony io no atao isan’Alahady, tahaka an’i Jesoa niteny hoe rehefa mivavaka ianareo dia izao dia izao no vavaka atao hoe : « Rainay izay any an-danitra… ». Azo atao nny manao vavaka hafa, tonom-bavaka hafa araka izay hitarihin’ny Fanahy, fa modely- na tso-drano ity. Ary isaky ny manonona an’io Arona, isaky ny manonona an’io ny mpitondra fivavahana, amin’iny fotoana iny izy, hoy Jehovah, dia manoratra amin’ny Fiangonana, ary manoratra amin’ny mpiangona tsirairay ny anaran’i Jesoa ry havana ô. Henonao ve izany e ? Ary manao parenthèse kely ihany aho an, ezahina fintinina ny fotoana moa izany ry havana, fa indraindray misy raharaha tsy azo anoharana ihany, dia somary lava ; fa ianao izay mandeha alohan’ny tso-drano io izany, somary maty antoka ianao an. Tsy voasoratra ao aminao, noho ilay fandehananao handeha hamonjy adidy iny ry havana ô, ny anaran’i Jesoa, ary dia ny risque rehefa ohatran’izany, rehefa manamaivana ny tso-drano ianao, dia mody kristiana ianao. Fantatra ianao fa mpivavaka ato Isotry Fitiavana, na any an-kafa e, fa tsy kristiana ianao ry havana ô, tsy kristiana. Ary ny tenin’i Jehovah dia hoe : « hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy ». Tsy misaraka ireo, mifamatotra ireo. Ilay mpitondra fivavahana mametra-tanana, manome tso-drano, ary Jehovah mandrotsaka ny fitahiany amin’iny fotoana iny. Ry havana ô : kristiana ianao, sa mody kristiana ?
Ilay hira teo efa nilaza, namaritra ny tena olona, ny tena olon’Andriamanitra, hoe kristiana ka mpanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra e. Ary izany, efa haintsika tsianjery izany ry havana ô, izany efa haintsika tsianjery. Ilay hoe : « hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy », sahala amin’ny hoe : Andriamanitra miteny hoe io, dia ahy io, propriété privée-ko ity, ity, ity. Izany ny fikasan’Andriamanitra ry havana isaky ny hoe ilay mpitondra fivavahana mametraka anarana : propriété privée-ko io hoy Andriamanitra, ahy io. Fa tsy izay no tena problema ry havana, fa ianao ve mahatsiaro hoe an’Andriamanitra ? Azy ve ianao ? Ny mpivady moa izao afaka miteny hoe : izaho an’ny vadiko ; ohatran’izay mantsy ilay izy. An’Andriamanitra ve ianao e ? Mahatsiaro hoe an’Andriamanitra ve ianao e ? Mahatsiaro tena hoe an’Andriamanitra tanteraka ve ianao e ? Sa an’Andriamanitra amin’ny ampahany ianao ? Izay no ahafantarana hoe kristiana ianao na mody kristiana. Tsy misy olona mahatsiaro tena hoe : eny e, an’Andriamanitra aho, na an’Andriamanitra amin’ny ampahany aho, ka afaka lazaina hoe kristiana ry havana ô. Ary rehefa tena hoe an’Andriamanitra tanteraka ianao : ny faniriany, ny sitrapony, izany no antom-pisianao sy antoky ny fiainanao, antoky ny fiadanana, antoky ny fahasambarana ry havana ô. KRISTIANA VE IANAO, SA MODY KRISTIANA ? An’Andriamanitra tanteraka ve ianao ka ny sitrapony amin’ny ambongadiny sy amin’ny antsipirihany, izany no ataonao ? Dia sambatra ianao, dia miaina fiadanana ianao, dia hitahy anao Jehovah.

Andeha ary ho jerentsika ireo karazana fitahiana tononina ao amin’ilay tso-drano ry havana. Voalohany indrindra, eo amin’ny and.24 : « Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao ». Marihina fa tononina amin’ny Fiangonana ny tso-drano, fa ny tsirairay no voakasika manokana amin’izany tso-drano izany. Izany no anaovan’ny Soratra Masina azy hoe : « Ianao ». Tany amin’ny tatitra carreau tany ry havana, rehefa mamangy anareo ny diakona, dia misy olona vitsivitsy nisy fotoana, olona vitsivitsy niteny hoe : Pasitera hoy izy, rehefa mitoriteny, aoka jo esoriny avy ao am-bavany io hoe « ianao » io, fa aleo izy hiteny hoe : « isika ». Azoko tsara ilay eritreritra e ! Mahitsy loatra ilay hoe « ianao » e. Fa eto, hoe : « hitahy anao Izy, ka hiaro anao ». Izany io ry havana ô. Ilay tenin’Andriamanitra natao handona fo, hanindrona. Hitahy anao Izy an, ka hiaro anao. Io moa izany dia hoe fitahiana amin’ny ankapobeany, amin’ny endriny anankiroa mahazatra : mitahy Izy, izany hoe mandrotsaka fitahiana, mandrotsaka soa ho anao avy any an-danitra. Zavatra positif izany : manisy soa anao Izy. Ary ilay endriky ny fitahiana iray dia fiarovana : hiaro anao amin’ny ratsy rehetra Izy. Mifaka amin’io daholo ry havana izay hoe firariantsoa ifanaovantsika rehefa amin’ny 01 Janvier. Mifamatotra amin’io daholo, hoe maniry soa ho an’ilay olona, ary ny Tompo hiaro amin’ny ratsy. Fa izao ry havana, fa izao : ny zavatra ampianarin’ny Tompo antsika dia hoe : ny loharanon’ny soa, ary ny tena mpiaro, dia Jehovah, na Jesoa. Ka ho an’ny olona ary ry havana, ho an’ny olona manantena an’izany fiarovana izany, dia inona no ataony ? Andeha anie jerentsika ao amin’ny Filipiana 4 e, Filipiana 4 :6 : « Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra ». Inona moa izany no atao ? Inona no andrasan’Andriamanitra amintsika ry havana, satria avy Aminy ny fitahiana rehetra ? Ary Izy manome toky antsika fa vonona hiaro antsika manomboka amin’ny 01 Janvier ka hatramin’ny 31 Decembre 2020, hoy izy hoe : mivavaha – mifonà – misaora. Izay ry havana ny lakle mamaha an’ilay fitahiana. Mivavaha – Mifonà – Misaora.
Izay ny fahamarinana 1 ho an’ny olona hoe tahian’i Jesoa ary arovany : mivavaha – mifonà – misaora.

Ny fahamarinana 2 ry havana dia eo amin’ny and.25 : « Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao ». Nahafinaritra ahy ny teny-na mpitoriteny anankiray izay, ilay hoe : « mampamirapiratra », hoe azo adika hoe : « hitsikitsiky lalandava aminao anie Jehovah ». Ary io hoe fampamirapiratan’ny tavany amintsika, amin’ny olona io ry havana, efa tena hoe fanirian’ny mpino hatry ny ela mihitsy. Jerentsika anie ny Salamo 119 :135 e : « Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao ». Tena efa hetaheta hita mandrakariva ao amin’ny tena olon’Andriamanitra ny hoe : «Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao ». Dia hoy isika hoe azo adika hoe mitsikitsiky, mampitsikitsiky an’Andriamanitra. Ny hafatra izany ry havana dia izao : ataovy antom-bavaka izany hoe hampitsikitsiky an’Andriamanitra aminao isan’andro izany, manomboka amin’ny 01 Janvier ka hatramin’ny 31 Decembre. Dia hoy ilay mpanompon’Andriamanitra izay hoe : raha atao anton-draharaha izany, dia hoy izy hoe : « mitodika aminao aho : hainao ve hoe inona izany mampitsikitsiky an’Andriamanitra izany ? Hainao ve hoe inona no mampitsikitsiky an’Andriamanitra ? Anontanio kely ilay voisin-nao hoe : « Fantatrao ve hoe inona no mampitsikitsiky an’Andriamanitra ? ». Be dia be ilay valin-teny amin’izany hoe « fantatrao ve ny mampitsikitsiky an’Andriamanitra izany ? », fa jerentsika ilay Salamo 119 :135 teo an, hoe : « Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao ». Rehefa manao ny didin’Andriamanitra isika, dia mampitsikitsiky an’Andriamanitra ry havana ô. Inona ary ny didy omen’Andriamanitra antsika amin’izao 29 Decembre izao ? Jerentsika indray ilay Filipiana 4 ry havana, Filipiana 4 :8, misy didin’Andriamanitra ihany koa ho antsika manokana : « Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany ». Raha lazaina amin’ny teny tsotra ry havana, amin’ny fomba hafa, dia hoe : « Tandremo ny fisainanao, tandremo ny eritreritrao, tandremo izay hoe fiheveranao ». Tandremo izany dia hampitsikitsiky an’Andriamanitra ianao. Tandremo ny fisainanao, tandremo izay fihevitrao, tandremo ny eritreritrao dia hampitsika an’Andriamanitra ianao. Misy sivana eo ry havana omen’ny Apostoly Paoly momba ny zavatra eritreretina, dia io izany, araka ny tenin’i Paoly, tsy mieritreritra zavatra ohatran’ireo intsony aho. Tsy tokony hihaino hira aho misy an’ireo zavatra ireo, tsy tokony hijery video aho misy an’ireo zavatra ireo. Dia rehefa mitandrina ohatran’izany aho, dia mitsikitsiky amiko Andriamanitra, mampamirapiratra ny tavany amiko Andriamanitra, dia mamindra fo amiko Izy, Ilay indra-fo ry havana mahazo roa : tsy maintsy ho tojo problema ianao amin’iny 2020 iny, fa mamindra fo aminao Izy ary hamonjy anao amin’iny problema iny. Hamindra fo aminao Izy faharoa, tena hoe hamela ny helokao. Hitany fa tena tia ianao, hitany fa tena zanaka ianao e, hitany fa manana ny anaran’i Jesoa voasikotra ao amin’ny fonao ianao, dia mamindra fo Izy ry havana ô.
Izay izany ny fahamarinana 2, hoe : Andriamanitra mampamirapiratra ny tavany amintsika ka mamindra fo amintsika raha mitandrina ny fihevitsika, ny fisainantsika, sy ny eritreritsika. Izay ilay izy ry havana.

Ny fahamarinana 3 farany, miverina ary amin’ny Nomery isika, eo amin’ny and.26 : « Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana ». Ilay « manandratra », amin’ny Segond dia hoe : « Il lèvera sa face » ; nefa tenenina hoe : « Hanandratra ny tavany aminao ». Izaho anie ety an-tany e, dia ahoana ? Raha hanandratra ny tavany amiko Izy izany, angaha izaho mbola any an-danitra ? Mahalasa fisainana tokoa ilay izy ry havana. Fa ilay « manandratra », mahazo 2 : sady manandratra tarehy no mitodika any amin’ny olona anankiray. Nahafinaritra ny teny-na mpitoriteny anankiray ry havana nanazava an’io. Ity Nomery 6 ity mantsy, any an’efitra ny Zanak’Isiraely, any an’efitra. Ary raha ny marina, isika rehetra tokony ahatsiaro any an’efitra. Ilay efitra dia milaza hoe an-dalana ho any amin’ny tena fitodiana isika, an-dalana ho any Jerosalema Vaovao isika. Dia olona any an’efitra, olona anaty fizahan-toetra sy anaty fahanginana no omena an’ity tso-drano ity ry havana ô. Ary maninona ny maha zava-dehibe ilay hoe : « Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah » ? Dia hoy ilay mpitoriteny anankiray izay : ny ohatra tsara mahalaza an’io hoy izy, dia hoe ilay olona mibaby olona anankiray. Jehovah no mibaby, ary ianao no babena. Inona tokoa ny zavatra mitranga raha mibaby olona aho, raha mibaby zazakely aho ? Tsy marina izany. Fa raha mibaby olon-dehibe aho, raha Pasteur Fabien izao no babeko, sady izy lava ranjanana io, aty ny lohany ; dia raha hiresaka aminy aho, dia izao no ataoko. Izay no ataon’i Jehovah amintsika ry havana ô : any an’efitra isika. Ary aza mieritreritra ianao mahavita tena e. Aza mieritreritra ianao hoe izaho izao, izaho izao, mahavita tena aho. Tsarovy fa any an’efitra ianao, dia hoe baben’Andriamanitra ianao, ary raha tsy babeny ianao, tsy tonga any amin’izay fitodiana kasainao, na irianao ianao ry havana ô. Ary rehefa manandratra ny tavany ohatran’izany Andriamanitra ka mitodika aminao, dia tena hoe fifanatrehan-tava amin’Andriamanitra ny fiainanao isan’andro, isan’andro. Ary izany no irariana ho antsika ry havana ô, hanana an’izany fifanatrehan-tava amin’i Jesoa izany isan’andro isan’andro amin’iny 2020 iny, ary hatramin’ny fotoana izay anaterana antsika eto ry havana ô. Dia hoy ihany ilay mpanompon’Andriamanitra izay : izaho hoy izy indray mandeha nisakafo tao Paris tao, tao amina hôtel faran’izay lafo be, Crillon izay. Dia tena mahavariana hoy izy ilay serveur ao. Any amin’ny restaurant sasany ianao an, efa miantso in-polo hoe azafady, azafady, azafady, mbola tsisy olona ihany eo ; ao ianao, vao mitodika fotsiny hoy izy, dia efa mifanena amin’ny maso-na serveur, ary izy miandry anao hitodika. Izay ilay izy. Indray mandehz izahay hoy izy eo amin’ny latabatra eo, dia feno tableau des maîtres ireny teo. Dia eo hoy izy, izaho sy ny zanako mifampiresaka ohatran’izao mijery an’ilay tableau, tonga avy any ilay serveur manazava : « io tableau an’i anona, izao no nanaovana an’io, izao no dikan’io ». Mahafinaritra ahy ry havana izay fanoharana izay. Izay ilay Jehovah hoe manandratra ny tavany ka mitodika aminao. Tsy misy zavatra momba anao tsy hitany. Ary miandry anao Izy mba hitodika any Aminy koa e, hifanatri-tava Aminy ry havana ô. Ary rehefa mifanatri-tava amin’i Jehovah tahak’izany ianao, dia miaina fiadanana.
Ny hamaranana azy dia izao ry havana : ahoana moa ny amin’ity fahamarinana 3 ity no ahazoako, no ahafahako, satria tsy haiko izany hoe tokony hifanatri-tava amin’i Jesoa izany aho e ? Mahafinaritra ny teny-na mpitoriteny izay : ity hoy izy modely-na tso-drano. Fa rehefa jerena hoy izy ny ivon’ny tso-drano dia hitantsika ao amin’ny 2 Korintiana 13 :14. Misy fahamarinana telo mantsy ilay Nomery 6, dia hoy ny mpitoriteny hoe mampahatsiaro ny trinité io, ilay fitahiana in-telo io, ilay tso-drano anankitelo io. Dia ato amin’y 2 Korintiana 13 :14 tena hitanao izany hoe trinité tso-drano izany. Andeha anie hiarahantsika mamaky e : « Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina ». Ilay tapany fahatelo, firaisana amin’ny Fanahy Masina ry havana ô, ny firaisana amin’ny Fanahy Masina no hampifanatri-tava, no ampahatsiaro anao hoe : oay, izaho izany toa tsy mahatsiaro tena mifanatri-tava, toa tsy mitady fifanatrehana tava amin’i Jesoa ; fa rehefa mangataka ny Fanahy Masina ianao hitoetra amin’ny firaisana amin’ny Fanahy Masina, io no hampitodika anao isan’andro isan’andro amin’izany fifanatrehana tava amin’i Jesoa izany. Dia hiadana, hiadana, hiadana ianao ry havana ô.

Misaotra an’Andriamanitra isika ry havana ny amin’ity tso-dranon’i Arona izay rentsika isan’Alahady, isan’Alahady, efa ho 15 taona izao. Misaotra ny Tompo ny amin’izay e, misaotra ny Tompo ny amin’izay. Ary dia enga anie ka hitondra fanovàna, fanitsiana, fanavaozana ao amintsika izany teny izany, mba hihena ny isan’ny mody kristiana ato amin’ity fitandremana ity, ary dia hoe ho tahian’i Jesoa ny maro ary rehefa tahian’i Jesoa ny maro ry havana, dia ho fitahiana ho an’ny hafa. Tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izy, tsy velona ho an’ny tenany irery izy, fa ho marina aminy ilay teny fikasana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama hoe : ianao koa dia ataoko fitahiana ho an’ny hafa. Amena

image_pdfPDF