1 Petera 1, ny perikopa no ho hazavaintsika ry havana, miainga amin’ny and.22 isika.
1 Petera 1 :22 : « Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo ».
Ilay tapany voalohany, hoe : « Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo ». MITADY OLONA MADIO FANAHY ANDRIAMANITRA ry havana ô. Ary mangetaheta olona madio fanahy ity firenentsika ity, izao tontolo izao misy antsika, mitady olona madio fanahy, mitady âme pure. Izay ilay hafatra ry havana ô, ho antsika amin’izao maraina izao. Maro aminareo no hita eny amin’ny tamban-jotra eny, manao réseaux sociaux, raha lazaina amin’ny teny takatrareo ilay izy, dia hoe : MANANA PROFIL- NA ÂME PURE VE IANAO ?
Dia re eny ihany moa hoe : « Rakoto na Rabe a changé sa photo de profil ». Ovay anio e, METEZA HO ÂME PURE IANAO. METEZA HO FANAHY MADIO IANAO.
Ny fahamarinana 1 ry havana, ho an’ny olona te hanana fanahy madio, na hoe te hanadio ny fanahiny, na olona te hanana antoka hoe izaho izany madio fanahy izany, ny fahamarinana 1 raisina avy eo amin’ny and.22 hoe : « Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ». Ny fahamarinana dia ny tenin’ny fahamarinana, ny tenin’ny fahamarinana dia ny tenin’Andriamanitra, izany hoe, ny Fahamarinana 1 dia hoe : NY OLONA MIDIO NA MANADIO NY FANAHINY, DIA OLONA MPANKATOA NY TENIN’ANDRIAMANITRA. Olona mpankatoa ny tenin’Andriamanitra ry havana ô. Hoy isika hoe mangetaheta olona madio fanahy, âme pure ny manodidika antsika. Ary isika rehetra ireto ry havana ô, te hiaina anatin’ny fahadiovana amin’ny lafiny rehetra.
Tany amin’ny Etat de Pennsylvanie, Etat anankiray amin’ireo Etat 50 any Etats-Unis ry havana, dia namoaka lalànà ny fanjakana tao amin’io hoe Etat de Pennsylvanie io, hoe : izay rehetra miteny ratsy an’Andriamanitra, miteny ratsy an’i Jesoa Mpamonjy, miteny ratsy ny Fanahy Masina, dia hoheloina, azo ampandoavina lamandy hatramin’ny 100US Dollars, ary mety azo gadraina hatramin’ny 3 volana. Asa moa raha mbola manan-kery izany lalànà izany. Fa mazava ilay fikendrena ry havana, fa mazava ho azy koa fa tsy ny lalànà ivelany no hanakana ilay fahalotoana avy any am-po hiseho amin’ny fitenenan-dratsy an’Andriamanitra. Ahoana no fanadiovana ny fanahy ? Ahoana ny fanadiovana ny fo ? Tsotra be, ary efa voalaza teo, hoe : amin’ny fitandremana ry havana ô, amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra. Diovy ny fonao ry havana ô. Diovy ny fonao, ka isaky ny mamaky teny ianao, aza midera an’Andriamanitra fotsiny ny amin’ny zava-mahagaga hitanao io, fa ankatoavy ; raha tsy izany, mitoetra amin’izany fahalotoan’ny fanahinao izany ianao. Ary tsy hahita an’Andriamanitra ianao, ary tsy hahasoa ka iza na iza ianao.
Tao Etats-Unis tao ihany ry havana, indray maka, nisy mpianatra izay hono, ny Président des Etats-Unis mihitsy , noho ny fahafantarany ny fianakaviany, no nanome bourse d’étude an’ilay tovolahy io, tao amina Université tao Washington DC. Dia nampamirapiratra tamin’io tovolahy io izy hoe carrière professionnelle tsy manam-paharoa any amin’ny Département d’Etat izany, ao amin’ny Ministère des affaires étrangères. Fa alohan’ny anomezana azy an’izany asa izany, dia hoe omena bourse izy, ary assurén’ny Président des Etats-Unis ny protection an’io tovolahy boursier io. Ary any am-pianarana, hanamarihina fa hoe protégén’ilay Président des Etats-Unis io tovolohay io : escorté-na motard. Mpianatra ve ry havana dia escorté-na motard ? Fa izao no indro kely : fantatr’ilay Président tsara ilay fianakaviana, sy ny nitaizana an’io tovolahy io tao amin’ny Sekoly Alahady sy ny Katekomena. Fa izao no nolazain’ilay Président : ianao hoy izy, mipetraka ato amin’ny Maison blanche ianao mandritra ny étude-nao, be dia be ny vahiny tsy mivavaka ato, be dia be ny hafa fivavahana ato : tsy mahazo ianao mandeha mankany am-piangonana ny Alahady, na ny amin’ny andaban’androm-piainanao mandritra ny fianaranao. Teo vao gina, teo vao kepoka ilay tovolahy ; satria ny zavatra nampianarina azy ry havana ô, dia hoe izany Alahady maraina izany, tsisy discussion, tsisy hésitation : aty an-tranon’Andriamanitra, amin’ny androm-piainanao rehetra. Kepoka izy, kepoka izy nahazo an’izay condition izay. Raha ianao ry havana no teo amin’ny toeran’io tovolahy io, dia ahoana ny ataonao ? Hankatoa an’i Jesoa ve ianao, izay efa manana ny programany hanorina Fiangonana, ary ny Fiangonana ny Alahady maraina no mamory ny mpiangona, sa hanakatoa ny filoham-pirenena ianao e ? Ary na hiteny ary : « eny e, mazava ilay tenin’Andriamanitra Pasitera an, fa ny fiainana koa anie tsy vitan’izany e, jereo ilay boursen’ilay zanako, impiry hahita bourse ohatran’izany, impiry hiasa any amin’ny ministère, département sy ny karazany ? Dia ahoana, dia ahoana ? ». Inona no mba finoana rahatrizay raim-pianakaviana ianao, inona no karaana finoana hampitainao amin’ny zanakao sy ny taranakao raha manambany ny tenin’Andriamanitra, tsy mankatoa ? Ary inona ny vokatra antenainao ho entina ry havana ô, rahatrizay olona ambony ianao ao amin’ny fitondrana ? Inona ny vokatra antenainao ho entina nefa ianao tsy mankatoa ny tenin’Andriamanitra ? Ary eo anatrehan’ny fakam-panahy mahazo anao eo amin’ny andraikitrao, na eo amin’ny orinasanao na eo amin’ny firenenao ry havana ô, tsy sûr ianao ho hita fidèle sy mahatoky eo anatrehan’ny fakam-panahy amin’ny zava-dratsy rehetra, satria tsy mitandrina, tsy mitandrina, tsy mitandrina ny tenin’Andriamanitra. Fa manafatra antsika hoe : te hijery anao Izy, te hijery anao Izy ry havana ô, ary te hahita âme pure. Tena te hahita fanahy midio isan’andro isan’andro, isan’ora amin’ny alalan’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra.
Andao anie jerentsika ilay Salamo 19 teo e : ianao rehefa tsy hankatoa ny tenin’Andriamanitra ry havana ô, tsy hahita ny hamamin’io tenin’Andriamanitra io. Salamo 19 :8 : « Mahitsy ny fandidian’ i Jehovah, mahafaly ny fo » ; and.10 : « Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ ny tohotra ». Ry Fiangonana ô, ry Fiangonana ô, raha hihaino toriteny fotsiny ianao fa tsy hankatoa, jamais ianao, jamais ianao hahita fifaliana izany amin’ny famakiana tenin’Andriamanitra. Raha tsy mankatoa ianao, jamais ianao hahita hoe tena sarobidy noho ny volamena, sarobidy noho ny tena volamena betsaka io tenin’Andriamanitra tazominao eo amin’ny tananao io, jamais ; jamais ianao hanamarina an’izany ary jamais ianao hanamarina hoe mamy toy ny tantely ny tenin’Andriamanitra ry havana ô, raha tsy mankatoa ny teny ianao. Isika rehetra dia itady fifaliana avokoa, isika rehetra dia samy tia volamena avokoa, isika rehetra dia samy mitady zavatra mamy, ary sakanana indray ary isika indraindray hoe aoka izy, aoka izay. Fa izay ilay tenin’Andriamanitra rehefa ankatoavina ry havana ô. Ary arakaraky ny ankatoavantsika ny tenin’Andriamanitra no anomezan’Andriamanitra antsika ny Fanahy Masina ry havana ô. Ny Fanahy Masina dia izao : io tsy miasa io fa midongy io rehefa hoe mitoetra ao amina mpino izay tsy mpankatoa ny tenin’Andriamanitra. Ary izany no mahatonga ny kristiana ohatran’izao sy ohatran’izao : tsy manana ny Fanahy Masina, ary tsy manana ny Fanahy Masina satria hitan’ny Fanahy Masina hoe :ity indray, mpihaino tsy mpankatoa ny tenin’Andriamanitra.
Ny olona ry havana, rehefa mihaino toriteny mazava be ohatran’izao dia miteny izy hoe : « ty izany anie Pasitera fa mba te hankatoa ihany e, fa ilay tenin’Andriamanitra mihitsy anie no sarotra ary fomba maro no andraisana azy e ! ». Tena marina amin’ny tapany izany ry havana ô. Ary marina kely izany raha ny marina. Mitodika aminareo tanora aho, mitodika aminareo ankizy aho : rehefa miteny aminareo dadanareo : « mandehana ialahy manary fako », mazava izany sa tsy mazava ? – Mazava. – Ok. - Mankatoa ianareo sa tsy mankatoa ? – Mankatoa. – Izay. Ohatran’izany io tenin’Andriamanitra io, ary amin’ny maha-Pasitera ahy premièrement, amin’ny maha-bibliste ahy, ataoko hoe 2% no tsy mazava ohatran’izany amin’ny tenin’Andriamanitra ry havana ô. Fa izao : diovy ny fanahintsika Fiangonana ry havana ô, ary ankatoavy ny teny ary aza mangataka andro, ohatran’ilay dada miresaka amin’ilay zanany teo : rehefa mankatoa ny ankizy, tsy mangatak’andro hoe : « eny, reko dada izany hoe hanary fako ho, fa izaho mbola izao, izaho mbola izao, izaho mbola sahirana miaraka amin’ny namako». Miteny ilay dada : obéissance instantanée. Izany ny laklen’ny fahasambarana, izany ny laklen’ny fitahiana ary izany ny laklen’ny fahadiovana.
Izay ilay fahamarinana 1, hoe : mitady profil-na âme pure, fanahy madio Andriamanitra. Meteza hanadio ny fanahinao ry havana. Mitomboa amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra.
Miverina any amin’ny 1 Petera 1 isika ry havana, dia mbola eo amin’ny and.22 ihany : « Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo ». Dia misy naoty kely angamba eo amin’ny Baibolintsika eo, misy hoe 1, dia hoe : « amin’ny fo madio ». Ny fahamarinana 1 izany teo, dia hoe : ilay fanahy madio satria mpankatoa ny tenin’Andriamanitra.
Ny fahamarinana 2 ry havana dia izao : NY MADIO FANAHY DIA AFAKA MITIA AMIN’NY FO MADIO – NY AME PURE DIA AFAKA MITIA AMIN’NY FO MADIO. Ary hoy koa Petera hoe : afaka mitia fatratra. Ilay « fatratra », hoe : « avec ardeur ». NY FANAHY MADIO DIA AFAKA MITIA AMIN’NY FO MADIO ARY FATRATRA ry havana ô.
Misy an’ilay mpitory filazantsara amerikana malaza be, hoe : DL Moody, fantatsika Isotry Fitiavana ny momba an’io Moody io ; dia nitantara izy tao amin’ilay Fiangonana nisy azy hoe nisy fianakaviana nandeha nifindra monina tany ambanivohitr’i Chicago, ary dia izy nifindra monina io, dia natao veloma hoe nifindra Fiangonana. Kanjo inona ny zavatra nitranga hoy Moody ? Ny zavatra nitranga : ilay tovolahy kely izay mpianatra Sekoly Alahady tao amin’ilay Fiangonana tao Chicago, bien sûr nandeha nifindra monina niaraka tamin’ny ray aman-dreniny, fa izao : raha ny ray maan-dreniny nitady Fiangonana teo akaikin’ny tranony teo, ilay tovolahy kely, tena tsy nety mihitsy raha tsy niverina nanohy Sekoly Alahady tany Chicago. Dia nahitana an’izany ilay namany tary ambanivohitra tary dia nanontany hoe : « fa maninona leity an, inona no tena ankanesan’ialahy any Chicago ? Fiangonana firy no tetezin’ialahy ary misy Sekoly Alahady mahafinaritra koa ao, fa maninona no tsy mankao ? ». Dia hoy ilay tovolahy kely hoe : « an an an, tsy foiko ilay tany Chicago fa hoe tsy mbola nahita Sekoly Alahady nifankatia tahak’izany aho, ary izany no mamelombelona ny finoako amin’ny maha-mpianatra Sekoly Alahady ahy ». Mamaky an’izany tantara tantarain’i DL Moody izany ianao : manao ahoana ny Sekoly Alahadintsika ry havana ô ? Manao ahoana ny chorale ato amintsika ? Manao ahoana ny Sampana ato amintsika ? Feno âmes pures tena mifankatia amin’ny fo madio ve ? Feno fanahy nodiovin’ny tenin’Andriamanitra isan’andro ve noho ny hoe fankatoavana ny tenin’Andriamanitra izany? Sa ilay contraire-n’izany no hita ao : fifampiandaniana, rivalité, clans sy ny karazany, fifaminganana ? Miteny aminao ny Tompo amin’izao maraina izao hoe : Diovy re, diovy, diovy ny fanahinao ary dia afaka hitia ianao, afaka hitia ny rahalahinao aty am-piangonana ianao amin’ny fo madio, ary hitia fatratra e. Tsy mora izany, tsy mora ry havana ilay mifankatia, tsy mora ilay mitia. Ary raha ilay toetrantsika mpanota ry havana, ilay fo feno fahotana, na ilay fo feno fahalotoana io, rehefa mifandray isika, normal be mihitsy ho an’ilay fo maloto io no hoe : olona fantatrao izao fa tsy tianao, fa tsy mampaninona annao ery amin’ny ravinala ery miresadresaka, mifananihany, mifampizara blagy ; kanefa ianao rehefa mieritreritra an’io olona io, olona sous-estimé-nao, mety olona hankahalainao aza fa eo ianao miresadresaka, mihatsaravelatsihy, tsy tia amin’ny fo madio ry havana ô. Amin’ny resaka fianakaviana, matetika tsy misy fitiavana amin’ny fo madio izany e. Tantara be izany hoe tsy mi-pointe any amin’ny fivoriam-pianakaviana izany ianao, nefa tonga any ianao, adilahy sy fifampialonana sy fifampiderana zavatra no hita any. Tsy fomban’ny âme pure izany ry havana ô. Tsy fomban’ny olona manadio ny fanahiny amin’ny tenin’Andriamanitra mandrakariva izany e. Nefa izany, izany no mahasoa ahy, satria io foko io natao hitia ary io foko io natao hotiavina, fa hitia amin’ny fo madio, ary hitia fatratra ry havana ô. Fa izany no test anafaran’i Petera, rehefa hoe manana âme pure ianao, dia tia ny rahalahinao amin’ny fo madio, ary tia azy fatratra. Fa izao, ary indrindra ho antsika Isotry Fitiavana ry havana : ny rahalahintsika voalohany, ampatsiahivina fa ny rahalahintsika voalohany dia ny vady sy ny zanatsika ry havana ô. Ary na dia hitia ny vady aza, hitia ny zanaka, hitaiza ny zanaka, amin’ny fomba madio, indraindray tantara be ry havana. Ary sarotra ny mitaiza azy amin’ny fo madio : ny résultat : kamo isika hitaiza azy, satria tsy haintsika ny mitaiza azy. Ary rehefa hoe tonga saina fa tafahoatra kosa ilay ataon’ilay zaza, fa tonga avy any am-pianarana any, exclusion, tonga avy any am-pianarana any, naoty ratsy, tonga avy any ny mpampianatra Sekoly Alahady miteny hoe somary turbulent ity zaza ity : eo isika vao taitra, eo isika vao taitra ry havana dia te hihetsika. Rehefa te hihetsika isika anefa, manaonao foana, tsy mahay mitia, tsy mahay mitaiza amin’ny fo tia amin’ny fo madio ry havana ô. Dia mibetroka ilay zaza, mibedy an’ilay zaza isika. Izao no mba zaraina amintsika ray aman-dreny, izao no zaraina amintsika raibe sy bebe ry havana ô : fantaro tsara mihitsy fa tsy mora ny mitaiza zaza, tsy mora ny mitaiza zafikely ry havana ô, tsy mora. Satria maninona ? Satria io zaza io, zafikely io, dia mpanota io zaza io, mpanota io zafikely io.Ary maninona izy io no mpanota ? Mpanota io satria ny otany dia ota nolovainy taminao dadany na nolovainy taminao dadabe-ny sy bebe-ny. Aza adino izany, ary aza sorena intsony rehefa mahita ny fahotan’ny zanakao, sy ny zafikelinao ry havana ô. Ary tena fahadisoan-kevitra lehibe, nefa fahadisoan-kevitra mpahazo ry havana, ny amin’ny hoe mahita manao zavatra tsy mety ilay zaza, dia tenenina izy hoe : « tena tezitra aminao Jesosy, tena bedin’i Jesosy ianao anio an » : tsy izany no fomba fitaizana zaza ry havana. Ny fomba fitaizana zaza : tahaka izay efa notenenina teny am-piandohan’izao toriteny izao, taomy izy ho mpankatoa ny tenin’Andriamanitra. Ary aoka ianao ho modely amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra, dia hankatoa ho azy io, tsy ilaina tenenina, tsy ilaina bedesina. Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra izay rehefa atsipy na atsipitsipy ohatran’izany ny tenin’Andriamanitra hoe : « e, tezitra aminao izao Jesosy an » ; io hoy izy tahaka an’ireny voiture électrique radiocommandée ireny isika dia mandeha pile. Dia eny an-tanantsika ilay pile, dia io ilay tômôbile fa tsy mandeha. Dia ahoana ny ataontsika ? Izay ilay nolazaina teo hoe mahakely saina antsika ry havana : alaintsika ilay pile dia atsipitsipy amin’ilay tômôbile ; dia raha tena hoe lehibe moa ilay tômôbile dia mandroso kely ilay tômôbile, fa tsy mandeha anie ilay tômôbile e. Aza atsipitsipy ilay pile fa ataovy ao anatin’ilay zaza ilay pile ry havana ô. Ataovy ao anatin’ilay zaza ilay tenin’Andriamanitra mba hifaka amin’ilay tenin’Andriamanitra, ary ho mpankatoa ny tenin’Andriamanitra ilay zaza. Dia ho ambinina izy, ary ho lava andro izy ety ambonin’ny tany. Ary tsy ho tongatonganao amin’izao izany, fa araka ilay toriteny efa rentsika, hoe : rehefa misy zavatra tiana, rehefa misy olona tiana, dia anokanana fotoana e. Ry havana ô, ry havana ô, izay te hanana âme pure, izay tena te hanadio fanahy : ampitomboy, voleho raha mbola tsisy ; ampitomboy ny fotoana atokanao ho an’ny zanakao hanokatra Baiboly, ary mba hoe hiara-hivavaka aminy. Atomboy izany na dia hoe minitra vitsy ary ry havana ô. Ary dia ianao ho faly. Tsy faly ianao aminilay vokatr’ilay fitaizana ilay zaza, fa faly enao hoe : « waouh, tena âme pure za, tena fanahy madio za, afaka itia ny zanako sy ny zafikeliko, na dia hatreto ary tompon’ny ditra izy, afaka nitia azy fatratra aho ary afaka nitia azy amin’ny fo madio ».
Ny Fahamarinana 3 farany ato amin’ity 1 Petera 1 dia eo amin’ny and.23-25 : « Fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin’ ny voa mety ho lò, fa tamin’ ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay velona sady maharitra. Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay. Ary izany no tenin’ ny filazantsara izay notorina taminareo ».
Ny Fahamarinana 3 farany ry havana dia izao : NY OLONA MADIO FANAHY DIA MAHARITRA MANDRAKIZAY
Ohatran’ny olona rehetra, handalo fahafatesan’ny vatana izy, fa iny fahafatesan’ny vatana iny tetezamita ho any amin’ny mandrakizay izay sitrahina amin’ny fahafenoana. Fa ny madio fanahy, ary ny madio fanahy ihany no haharitra mandrakizay. Hoy ilay and.23 momba ahy sy ianao izay te hadio fanahy, mampatsiahy kely izy ny hoe situation-tsika. Hoy izy hoe : « Fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin’ ny voa mety ho lò, fa tamin’ ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’ Andriamanitra ». Isika rehetra ireto dia efa teraka tamin’ny voa an’olombelona ary io ilay lazaina hoe tamin’ny voa mety ho lò, satria semence an’olombelona ry havana ô. Dia mazava be hoe misy voa tao, izay no niteraka antsika amin’ny maha-olombelona. Fa ny zavatra lazain’i Petera eto dia hoe : ianareo ireo ange e, raha te hoe hanana fanahy madio, tsarovy aloa ny privilège-nareo fa ianareo ireo efa nateraka indray tamin’ny voa tsy mety ho lò, fa tsy tamin’ny voa mety ho lò.
Inona ilay voa tsy mety ho lò io ? Dia hoe : ny tenin’Andriamanitra. Io ilay hoe : LOGOS. Eto amin’ny and.23 izany dia hoe tsy nateraka tamin’ny mety ho lò isika fa nateraka tamin’ny tsy mety ho lò, dia ny LOGOS-n’Andriamanitra. Ny LOGOS ry havana ô, dia ity Baiboly ity. Io no atao hoe LOGOS. Ary io logos io ry havana no nanambara taminao tamin’ny fotoan’andro hoe olona matin’ny fahadisoanao ianao, sy matin’ny fahotanao ianao. Ka rehefa nanaiky marina an’izany ianao, dia nafindran’Andriamanitra avy amin’izany fahafatesana ara-panahy izany, avy amin’ny fanjakan’ny devoly nisy anao izany, ho amin’ny fiainana be dia be, ary ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Izay izany no misy antsika : olona efa nateraky ny logos-n’Andriamanitra. Ho hitantsika eo hoe maninona moa no avahana ilay logos ry havana. Fa izao no problementsika ry havana : mba efa nateraka ohatran’izany, ary tsarovy ao an-tsaina hoa ilay sary hoe isika rehetra samy nateraka tamin’ny voa an’olombelona, samy mety ho lò, fa ny privilège-tsika amin’ny maha-kristiana, dia nateraky ny logos ilay voa tsy mety ho lò. Samy nateraka indray isika. Fa ny problemantsika, dia nitady voninahitra, nitady voninahitra. Nanadino an’izany privilège izany. Ary nitady voninahitra isika amin’ny vonin’ny ahitra. Andao anie jerena, mampieritreritra ity and.24 ity : « Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ ny ahitra ». Ka rehefa miteny isika ry havana hoe : an an an, mba efa nateraka indray, efa nandalo an’izany fahateraham-baovao izany ianao fa variana ianao, na tsy ampy formation ianao, dia ilaozanao mitady voninahitra. Io ilay voninahitra mihelina daholo ry havana ô, ilay voninahitra tsy maharitra. Tsisy zavatra maharitra e ety ambonin’ny tany. Tsisy zavatra maharitra e ety ambonin’ny tany. Manomboka amin’ny zavatr madinika ohatran’ny hoe : akanjo tiantsika, hoe misy blue jean tena tianao ; misy kiraro na poketra tena tianao ; tsy maharitra iny e. Atsy ho atsy iny dia tsy maintsy ho soloina e. Raha mijery antsika rehetra ireto, jereo e, rehefa tsika mitovitovy taona, 30 taona, 40 taona lasa, nanao ahoana ny hatsaran-tarehintsika, nanao ahoana ny herintsika ; fa mandalo izany ry havana etc… Tsy misy zavatra maharitra ety ambonin’ny tany. Raha mijery ny fitondrana isika, omaly ianao an, eo an-tampon’ny fitondrana, anio ianao an, mety any am-pigadrana na any an-dalam-pigadrana. Tsisy zavatra maharitra eto e. Mandinika ny fiainan’ny ry Heroda sy ny tahak’izany ianao, dia hoy ny mpandinika : mba nokarohina ihany hoy izy ny taranak’i Heroda tao Roma tao na tany Italie tany, sy ny harenany : tsy nahita an. Tsisy zavatra maharitra e. Nefa izany isika izay efa nateraka indray, mitadey an’izany voninahitra izany izay lazaina hoe « vonin’ny ahitra ». Izany no mahafatifaty antsika mianakavy. Ka aiza moa isika no hanana fanahy madio e ? Aiza moa isika no hanana âme pure ry havana ô? Ary tsy misy olona tsy manana âme pure ka manantena hiditra any an-danitra raha ny marina. Madio am-po, sambatra ny madio am-po fa izy no hahita an’Andriamanitra ry havana ô. Dia io vonin’ny ahitra io no imatimatesantsika ry havana ô.
Rehefa jerenao ilay hoe vonin’ny ahitra io ry havana, dia hoy ilay mpandinika anankiray izay : ilay teny grika amin’ilay hoe ahitra io, dia raha adika ara-bakiteny, dia ahitra fihinan’ny biby fiompy. Ianao mifikitra amin’ilay voninahitra io izany, amin’ny niveau-na biby anie ianao izany ry havana ô, nefa ianao mba nateraka indray : amin’ny niveau-na biby ianao e, amin’ny niveau-na biby isika e, mifikitra amin’io voninahitra io. Satria araka ilay teny teo, hoe kely saina satria tsy maha-hendry antsika ny tenin’Andriamanitra satria tsy mpankatoa an’izany tenin’Andriamanitra izany isika, dia mitoetra amin’izany fahadalana, dia mirehareha amin’izay tsy tokony hireharehana. Fihinan’ny biby ny voninahitsika ary mitovy niveau amin’ny tontolon’ny biby ny fiainantsika ry havana ô, satria tsy mpankatoa ny tenin’Andriamanitra isika nefa mba olona nateraky ny logos ihany.
Ny fanazavana farany amin’izao fahamarinana farany izao, dia hoe : eo amin’ny and.25 : « Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay ». Raha ilay LOGOS ilay tery amin’ny and.23 tery hoe niterahana antsika ; eto indray ry havana malala, eto amin’ny and.25 eto hoe : « Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay » : ilay RHEMA io. Samy adika amin’ny teny malagasy an : tenin’Andriamanitra. Ny anankiray LOGOS manazava amintsika hoe very ianao, mila Mpamonjy. Ilay RHEMA indray dia mbola hoe tenin’Andriamanitra ihany ; fa io ilay tenin’Andriamanitra isakafoananao isan’andro isan’andro raha ankatoavinao. Faly aho mampatsiahy ry havana, fa haintsika tsianjery ilay hoe, hoy Jesoa hoe : « tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona ; fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra », ny rhema rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra ry havana ô. Ka rehefa tsy manokatra Logos ianao, tsy hahazo Rhema ianao. Ilay rhema, averina eto ilay famaritana azy tsotra sady fohy, hoe : ny rhema dia rehefa manokatra Baiboly aho, manokatra Mana isan’andro, manokatra Voa tsara nafafy, sy ny karazany, dia hoe omen’Andriamanitra teny manokana izaho Solofo par rapport amin’ny fahafantarany ny fiainako, par rapport amin’ny zavatra andalovako amin’ilay journée androany sy ilay journée rapitso. Omeny teny tandrify aho, teny fampanantenana, teny fampaherezana, teny fampitandremana ry havana ô. Ary ny olona misakafo rhema isan’andro ohatran’izany, mankatoa ilay rhema isan’andro ohatran’izany, izany no haharitra mandrakizay.
Izay izany ilay séquence-ny fiainantsika : mba nateraka inray tamin’ilay logos, nefa dia variana tany amin’ilay ahitra sy ilay voninahitra. Fa miteny aminao ny Tompo androany e, manome antsika Fiangonana rhema ; ho antsika tsirairay izany teny izany : fantaro fa io manome anao ilay fiainana mandrakizay. Izany ilay rhema io. Raha miteny aminareo aho izao hoe « corona », tonga dia fantatrareo na tsy dokotera aza hoe « corona » : zava-doza, mitondra fahafatesana, manana hery hitondra fahafatesana ; ary isan’andro izao dia matahotra hoe rahoviana no tonga aty Madagasikara izany sanatria an’izany. Fa tsy « corona » no resahina, fa RHEMA, RHEMA. Tadidio io ry havana ô ary angataho isan’andro amin’ny Tomponao io rhema io, dia ankatoavy, dia haharitra mandrakizay ianao. Tia anao ny Tompo ry havana ô, tia anao ny Tompo. Ary izany no anomezany anao izao hafatra tsotra sy mazava izao, hoe : Mandinika ahy Izy, mandinika anao Izy, dia te hahita âme pure.
Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.