ALAHADY 03 MAR 2019

image_pdfPDF

« Ianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko. Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra ». Eksodosy 19 :4-5

« RAKITRA SOA HO AHY ». Io mihitsy izany ry havana no hafatra manokana omen’ny Tompo antsika amin’izao maraina izao : isika dia ataony rakitra soa ho Azy. Amin’ny teny hebreo, ilay rakitra soa, resaka trésor, trésor précieux : SEGOULAH. Ary io trésor précieux io dia hoe an’Andriamanitra io. Izaho izany, ilay trésor précieux, ilay rakitra sarobidy ho an’Andriamanitra, eo anatrehan’Andriamanitra, fananan’Andriamanitra. Na ilay dikan-teny Segond, na ilay dikan-teny protestanta tsy tena mahalaza an’io SEGOULAH io. Fa ny DIEM no manakaikikaiky an’ilay tian’ny Fanahy Masina ambara : ianareo dia ho harena, fananana sarobidy manokana ho an’Andriamanitra. Fananana sarobidy manokana ho an’Andriamanitra, izay no dikan’io Segoulah io. Aseho antsika io satria isika Fiangonana mianatra, mba mahay ireny teny grika Agape, Eros, Filia sy ny karazany ireny : io mba hianarantsika, hoe : ianao, Segoulah an’Andriamanitra ianao ry havana o. Tadidio izay, tadidio mandrakariva izay : Segoulah an’Andriamanitra ianao, fananana sarobidy manokana ho Azy ianao.
Andao ary jerentsika ny maha-Segoulah an’Andriamanitra anao ry havana, satria izay no endrik’ilay lohahevitra volamena omen’Andriamanitra antsika indray, hoe : Manamasìna fiainana ho an’ny Tompo na ao amin’ny Tompo. Atokany ny fiainanao ho an’ny Tompo, ary raha fintinina dia hoe : ATOKANY NY FIAINANAO HO AN’NY TOMPO DIA HO SEGOULAH IANAO. Fa raha tsy manokana ny fiainanao ho an’ny Tompo ianao, tsy ho Segoulah ianao, fa ho velovelom-poana ianao.
Hoy ny and.4 : « Ianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko ». Andriamanitra nampanakaiky ireto zanak’Isiraely ireto taminy.

Fahamarinana 1 : MANKANESA EO AMIN’NY TOMPO – MANAKAIKEZA NY TOMPO
Ny vahoaka no ilazana an’izany, ny Fiangonana no ilazana an’izany ; eto amin’ny 1er banc eto ianao, tsy midika izany fa akaikin’Andriamanitra : Manakaikeza an’Andriamanitra, mankanesa amin’Andriamanitra. Dia ny fanontaniana apetraka ao an-tsainao sy ao am-ponao mandritra izao toriteny izao, mandritra izao fanompoam-pivavahana izao, dia hoe : fa amin’inona moa no analavirako an’Andriamanitra no teneniny aho hoa mankanesa ianao, manakaikeza ianao Ahy e ? Mampatsiahy ny zavatra nataon’Andriamanitra eto amin’ity Eksodosy 19 :4 ity hoe « Ianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana ». Telo volana taorian’ny nitana ny ranomasina mena no nitranga ity Eksodosy 19 ity, dia hoy Andriamanitra : « hitanareo izay nataoko tamin'ny Egyptiana nanomboka tany amin’ny loza 10 an, hatramin’ireny hoe nanenjehan’i Farao sy ny kalesiny sy ny miaramila ireo tany an’efitra ireny an, hitanareo ky nataoko. Hitanareo ny nataoko raha nanampy anareo Aho hita tamin’ny fomba mahagaga ny ranomasina mena. Hitanareo izany ». Ary rehefa miteny Aho hoe hitanareo hoy ny Tompo, fantatrareo tsara ny fampijaliana feno habibiana nampahorian’ny Egyptiana anareo tany Egypta nandritra ny 400 taona. Ary ny amin’izany fampijaliana feno habibiana izany, raha ianareo, tsy afaka nanavo-tena tamin’izany. Raha ianareo nenjehin’i Farao tany an’efitra, raha ianareo tonga teo amin’io ranomasina mena izay sakana io, tsy afaka nanavo-tena ianareo. Hitanareo izay nataoko tamin’ny Egyptiana ; adikao hoe : hitanareo ireny, Izaho no ni-contrôle an’ireny. Fantatrao ve fa te hi-contrôle ny fiainanao Andriamanitra ? Fa tsy mi-contrôle ny fiainanao Izy satria ianao manalavitra Azy ; ny olona eo ambany masony ihany no contrôlé-ny ny fiainany.
Dia mbola manazava Andriamanitra, ary mahagaga ity fanazavana, ity sary ampiasainy ity : « Ianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ». Avy any Egypta izany izy, tonga eto an-tendrombohitra eto, dia hoe nafahan’Andriamanitra, novonjeny tamin’ny ranomasina mena, novonjeny tamin’ny tsy fisiana sakafo, tsy fisiana rano an, novonjeny tamin’ny amalekita ; fa tsy misy ao amin’ny Eksodosy ao ry havana, fitantarana hoe nanomboka teto ka hatreto Andriamanitra dia hoe nitondra azy tamin’ny elatry ny voromahery. Fa inona ilay sary tian’Andriamanitra ampiasaina ry havana o, raha hoe mitondra ahy, mitondra anao amin’ny elatry ny voromahery Izy ? Mahafinaritra ilay sary ry havana o. Ilay voromahery hono, rehefa handeha hampianatra ilay zanaka voromahery hanidina, dia alainy ilay zanaka voromahery ary miainga izy aloa eo ambonin’ilay tranom-boromahery kely, dia miainga ilay reniny dia manidina mikopakopaka elatra, asehony amin’ilay zanaka voromahery ilay fomba fanidinana. Aorian’izay dia alain’ilay renim-boromahery ilay zanany dia tereny hiala ao anatin’ilay tranom-boromahery. Ilay tranom-boronkely moa izany ery ambony ery, dia milatsaka ilay zanaka voromahery. Ary izy millatsaka iny, dia voatery mikopakopaka elatra koa izy, teren’ilay reniny hikopakopaka. Dia misy fotoana, mbola zaza moa izy, dia mikopakopaka, dia vizana, dia tsenain’ilay reniny. Izay ilay fomban’Andriamanitra tamin’ny Zanak’Isiraely : nisy fotoana ireo nahatsiaro reraka, nahatsiaro lavitra, nahatsiaro solafaka, fa eo, namonjy azy Andriamanitra. Ary ry zareo mpandinika ny fiainan’ny biby ireny, dia nisy étude tany momban’ireny voromahery ireny : tsy mbola nisy hono accident-na voromahery ka renim-boromahery tsy mahatratra ilay zanany.
Ry havana o, mi-contrôle ny fiainanao Andriamanitra ary te hi-contrôle ny fiainanao Izy ; fa mankanesa eo akaikiny , manatona Azy : aoka izay ny mankaty am-piangonana amin’ny fahazarana, mankanesa eo Aminy, manakaikeza Azy. Izany no antso ho anao amin’izao maraina izao. Jereo tsara ilay and.4, hoy Izy hoe : « Ianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko ». Ry havana o, andevo 400 taona ny zanak’Isiraely tany Egypta ary ny tanjon’Andriamanitra ho azy voalohany, tsy hoe hanafaka azy amin’izany fanandevozana izany ; ny tanjon’Andriamanitra voalohany dia hampanakaiky ny Zanak’Isiraely Azy. Efa akaiky an’Andriamanitra ve ianao ? Izany no tanjony, hoe : Mankanesa aty amiko ianao. Vaovao mahafaly izany ry havana o. Ary raha mijery ny fiainanao ianao, ianao anie no tahaka an’io zanak’Isiraely io, any an’efitra amin’izao fotoana izao. Fa izao, izao no tombontsoantsika amin’ny zanak’Isiraely tany an’efitra ry havana o : ilay tenin’i Jesoa Kristy ao amin’ny filazantsaran’i Matio, « na dia ny volon-dohanao aza, dia voaisany ». Ny dikan’izany : fantany ny momba anao ; fanisana mahagaga izany fanisana isan’ny volo eo an-tampon-dohan’ny olona anankiray izany ; fa tsy dia izany loatra no zava-dehibe, fa hoe fantany ny totalité momba anao, hatramin’ny madinika indrindra momba ny fiainanao ; fantany izany, fa ianao no tsy te hankeo Aminy mba ho raisiny an-tanana, mba ho contrôlé-ny ny fiainanao ry havana o. Fa ianao anatin’ny tsy fisiana, anatin’ny tsy fahampiana sakafo, tsy fahampiana rano ; ianao ao anatin’ny hain’andro mingaingaina – izany no nahazo an’ireto zanak’Isiraely ireto – mangatsiaka be nony alina, maamy be ny atoandro ; ny amalekita tonga koa. Ianao voadidina amalekita ry havana o, ary matetika ao amin’ny ankohonanao io amalekita manenjika anao io : te hi-contrôle ny fiainanao Andriamanitra, fa miteny aminao Izy hoe : « Mankanesa eo Amiko fa na ny volon-dohanao aza anie voaisako e, ary Izaho, omaly sy anio ary mandrakizay, te hitondra anao araka ny fanaoko, amin’ny elatry ny voromahery, te hitondra anao amin’ny elatry ny voromahery.
Izay no fahamarinana 1 ry havana, miteny aminao Izy hoe : Aoka izay ny fombafomba, aoka izay ny fiatsaraham-belatsihy, mankanesa eo Aminy mba tsy ho maty antoka ianao sy ny taranakao.

« Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra ». Eksodosy 19 :5
Fahamarinana 2 : NY FANKATOAVANA AN’ANDRIAMANITRA NO AHAFANTARANAO, NO ANEHOANAO FA TENA SEGOULAH IANAO
Ilay condition ry havana, mba ho Segoulah ianao, dia ny fanekena, ny fankatoavana. « Ahy ny tany rehetra, Ahy ny firenena rehetra, Ahy ny olona rehetra hoy Andriamanitra. Andriamanitra dia fitiavana : tia ny tany rehetra Izy, tia ny firenena rehetra Izy ; fa tsy ny firenena rehetra no Segoulah. Tia ny malagasy rehetra Izy, tia ny kristiana rehetra Izy ; fa tsy ny kristiana rehetra, tahaka ny Zanak’Isiraely eto no Segoulah. Izay mankatoa ihany, izay no ataon’Andriamanitra Segoulah-ny ry havana o : fananana sarobidy manokana ho Azy. Mitomboa amin’ny fankatoavana ry havana o. Fankatoavana an’inona ? Fankatoavana an’Andriamanitra – Fankatoavana ny teniny – Fankatoavana ny fandaminam-piangonana. Atolory Azy ny manontolonao, avelao Izy no hi-contrôlé azy. Manana programa ianao eo amin’ny fiainanao ? Avelao Izy hi-contrôle ny programam-piainanao manomboka anio. Manana ny sitraponao ianao ? Avelao Izy hi-contrôle ny sitraponao e. Izany io ry havana : avelao Izy hi-contrôle anao, ary ianao, mankatoa.
Voaresaka teo ny tantaran’i Levy. I Levy nanan-karena tsy toko tsy forohana, nilomano tao anatin’ny fahafinaretana sy ny confort isan-karazany ; fa vao nandalo Jesoa hoe : Manaraha Ahy, dia nitsangana i Levy ; nitsangana i Levy satria mety efa reny ny momba an’io Jesoa io, niantefa taminy mazava ilay baiko hoe Manaraha Ahy, dia nitsangana izy ry havana o. Nitsangana Izy satria fantany fa izany fanakaikezana an’i Jesoa izany, izany no tena fiainana, izany no tena fahasambarana. Nitsangana izy satria tsy azo vidiana vola sy harena izany hoe maha-Segoulah an’Andriamanitra izany. Jiolahy izany Levy izany tamin’ny niantsoan’i Jesoa azy ; fa nankatoa izy, dia novan’i Jesoa izy, dia nanoratra ny filazantsara araka an’i Matio izy : izany ny momba ny filazantsara araka an’i Matio, satria tena nanaiky izy. Ary izay anie ilay manamasìna e : ao anaty tontolo ohatran’ny an’i Matio ianao, famorian-ketra, izay tena tsy hay intsony ny filaza ny faharatsiany ; ilay manamasìna, miongotra amin’izany, dia hoe manokan-tena ho an’Andriamanitra. Tsy mbola hoe madio ianao, tsy mbola hoe tanteraka ianao, fa miongotra ao ianao, misaraka amin’izany dia manokan-tena ho an’Andriamanitra, manakaiky Azy. Izay ilay fanamasinana.
Tantaraina mpitoriteny anankiray, ilay President- ny Etats-Unis anankiray antsoina hoe Abraham Lincoln ry havana : nisy ady tao Etats-Unis, guerre civile, dia izy filoham-pirenena. Dia hoe miara misakafo maraina amina Pasitera vitsivitsy izy, dia hoy ilay Pasitera iray : « Président o, andao isika mba hivavaka mba hoe hiandany amintsika Andriamanitra » - Ny dikan’izany hoe miandany amintsika iizany, ohatrany hoe ho amin’ny côté antsika Andriamanitra – « Non, non, non » hoy Abrahama Lincoln, « Andao isika hivavaka mba isika no hiandany amin’Andriamanitra, mba ho isika no ho any amin’ny côté an’Andriamanitra ». Izay ry havana ilay olona manaiky ho contrôlé- n’Andriamanitra, manaiky ny fitantanany, manaiky ny programany, manaiky ny fombany, ny programam-piainany ho azy, ny programam-piangonana ho azy, manaiky tanteraka hoe izay sitraponao Andriamanitra o, dia sitrapoko.
Io fankatoavana an’Andriamanitra io ry havana ankoatry ny hoe anehoana fa Segoulah an’Andriamanitra aho, io fankatoavana io no lakle an’ny fitomboana ara-panahy. Manolo-tena ho an’Andriamanitra ianao, toa ireny nateraka indray ara-panahy ianao ry havana. Fa izao : rehefa tsy mankatoa ianao dia tsy mitombo. Ny zazakely rehetra araka ilay fiteny eto, ny zazakely rehetra na lahy na vavy, na zanak’iza, na zanak’iza, mahafatifaty kely daholo ; fa rehefa mamangy an’iny zazakely iny ianao afaka enim-bolana, afaka herintaona ka tsy nitombo ilay izy, tsy misy zazakely mahafatifaty kely intsony eo. Mivoaka ny trano avy mamangy ilay zazakely ianao dia mifampiresaka hoe ohatrany sampona ihany ilay zaza iny an, iny ve tsy efa herintaona izao, jereo fa efa maniry nify. Ie, ohatran’izany ianao ara-panahy : efa maniry nify ianao fa sampona ianao satria tsy ampy fankatoavana. Sampona ara-panahy ianao satria tsy ampy fankatoavana. Ary izany no mbola hoe nankasitrahan’Andriamanitra tao amin’i Jesoa ry havana : raha natao batisa Izy ka nilazany hoe : « Inty ny zanako malalako izay sitrako », satria ny fiainan’i Jesoa iray manontolo dia fiainam-pankatoavana. Miteny aminao ny Tompo anio, miteny aminao ny Tompo amin’izao maraina izao, mandidy anao izy, Deoteronomia 30 :19-20 : « Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy ». Asainy misafidy ianao, ary raha misafidy ianao ny ho rakitra soa, dia hoy Izy hoe : tiavo Jehovah, henoy ny teniny, tandremo ny teniny. Ary araka ny tenin’i Pasitera Rabemanahaka, averintsika foana iny : ao amin’ny fandaminam-piangonana manan-kery, ao koa Andriamanitra no manambara ny sitrapony ; dia ho velona, ho voatahy ianao sy ny taranakao, fa tsy ho maty ary voaozona ianao sy ny taranakao. Ho ao am-bavantsika mandrakariva anie ity tenin’i Jesoa ao amin’ny Lioka 22 :42 : « Raiko o, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao ». Ilay tapany faharoa : « nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao ». Ho teny ao am-bavantsika mandrakariva anie izany.

Fahamarinana 3 : NA VELONA, NA MATY ISIKA, DIA AN’ANDRIAMANITRA IHANY
Ilay Segoulah mantsy dia hoe fananana sarobidy manokana ho an’Andriamanitra. Ny Darby, ny Segond dia miteny hoe : « Vous m’appartiendrez en propre ». Hoe an’Andriamanitra isika.
Romana 14 :8 : « Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany ».

Ilay hoe : « An’ny Tompo ihany ». Ry havana o, raha manakaiky Azy ianao amin’izao fahavelomanao izao, raha manana fiainam-pankatoavana Azy ianao, na maty aza ianao, dia mbola Azy ihany. Izany hoe Segoulah izany, izany hoe fananana sarobidy manokana izany, Andriamanitra amin’izay lafiny izay dia ohatrantsika : tiana tazomina eo akaiky eo. Ny zavatra sarobidy amintsika, tiana ho eo akaikintsika eo : izay ilay fananana sarobidy. Ary dia izao : eo akaikiny isika araka ny toriteny rehetra teo ; fa eo akaikiny manokana isika rahatrizay modimandry ao Aminy, mifanatri-tava Aminy, ary mahita hoe Azy tokoa ary Azy mandrakizay isika. Fa izao no problème ry havana : tsy tsapantsika fa Segoulah isika, tsy tsapantsika fa Azy isika satria isika rehetra dia mitovy daholo : ny fahotantsika no efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra, dia lavitra isika, tsy mahafantatra hoe mi-contrôle ny fiainantsika Izy ary Azy isika. Io ota tsy nibebahana io, io ry havana o, io no tsy maha Segoulah antsika. Eo ny ota be ; fa isika rehetra ry havana o, dia samy manana ota madinidinika, manana esprit de rébellion madinidinika na lehibe, izay efa hoe mahazatra antsika, tsy mahataitra antsika, ary hoy ilay mpitoriteny iray hoe tsy raisintsika ho sérieux intsony, ary dia tsy Segoulah ianao. Tsy mahatsiaro akaiky an’Andriamanitra ianao ary dia matahotra, matahotra, matahotra ny fahafatesana ianao. Ary halan’ny devoly ry havana io olona mahatsiaro hoe Segoulah an’Andriamanitra io. Tiany ianao ho Segoulah-ny fa tsy tiany ianao ho Segoulah an’Andriamanitra ry havana o. Fa izay no antson’ny Tompo : mandinia tena anio, aoka izay ny fahazaram-pivavahana, aoka izay ny mody izao, mody izao. Anontanio ny Tompo hoe ampahafantaro ahy anio ary Tompo o, inona ireo ota efa tena mahazatra ahy ireo ary tsy mahataitra ahy intsony. Fa rehefa ho avy ny andro, rehefa akaiky ny fotoana ialako eto amin’ity fiainana ity, dia te ho any Aminao aho, tahaka ny fananana sarobidy manokana eo anatrehanao ka alainao amin’izay, hody eo amin’y fanatrehanao.

Tamin’ny Alarobia teo ry havana, nisy mpivavaka tato Isotry Fitiavana niantso anay : « Pasitera o, misy iray tampo aminay anatin’ny tsy fahasalamana, cancer izy io, ary efa elaela ihany izy io no notezain’ilay cancer ; fa nanao chimio farany izy tamin’ny herinandro teo, Asabotsy io chimio io, dia taorian’io chimio io, tena hoe vizana be izy. Dia izao izy, non seulement tsy tafidina any ambany rihana intsony ao an-trano ao, fa any ambony rihana ary tsy tafala ao am-pandriana. Dia mba afaka mamangy azy ve ianao Pasitera ? ». Dia hoy aho, Alarobia ilay resaka : izaho tena tototra be fa andao, mankany aminareo aho mamangy azy zoma maraina amin’ny 6h30. Ary aleo hoy aho maraina fa ny embouteillage mahatsiravina, lany andro any amin’ny embouteillage, marina fa maraina be izany amin’ny 6h30 izany. Dia namangy aho ry havana tamin’ny zoma maraina tamin’ny 6h30. Dia natao ny dinika hoe eto izany isika dia hivavaka ho azy, hivavaka ho an’ny fahasalamana. Izany no fanao amin’ny fotoana tahaka an’io. Fa izao hoy aho, teo ny vadiny, teo ny rafozam-baviny, teo ny zanany anaky telo ary mbola nisy havany anankiroa koa nanatrika tao amin’ilay efitrano tao. Fa izao hoy aho, cancer no mahazo azy, ary rehefa hoe miresaka cancer, tsy maintsy mananotanona ao an-tsaina ao foana ny eritreritry ny fahafatesana. Dia nanazava taminy aho ilay fombantsika Isotry Fitiavana . Izao hoy aho : ilay Salamo 31 :5 iny milaza hoe : « eo an-tananao no atolotro ny fanahiko » ; iny hoy aho vavaka fanaon’ny jiosy isan-kariva, na salama na tsy salama satria tsy fantatra raha hoe hisy hodimandry ao anatin’ny torimaso amin’ny alina eo dia hoe « atolotro ho eo an-tananao ny fanahiko » ; maika hoy aho fa olona ao anaty cancer ohatran’izao, anaty havizanana ohatran’izao. Miera aminareo aho, andao hanolotra ny fanahiny eo an-tanan’Andriamanitra isika. Fa raha tonga ny fahafatesana, ny fanahinao tsy mety maty, fa na iny lasa any an-danitra ny am-paradisa, any amin’ny Tompo, na lasa any amin’ny fahaverezana mandrakizay. In-5, in-6 na in-7 aho nanontany tsara tao anatin’ny antsasak’adiny hoe manaiky ve ianareo tompoko. Ataovy Pasitera an, ataovy Pasitera an, ataovy Pasitera an. Dia nandeha nipetraka teo akaikin’ilay rangahy marary aho ry havana, mipetraka eo amin’ny bord-ilay fandriana eo fa vizana izy ; dia izy misokatra ny masony, maheno anay miresaka eo. Dia nipetraka aho dia napetrako teo amin’ny sorony ny tanako dia hoy aho hoe hivavaka isika, dia rehefa miato izaho, rehefa miato Pasitera, averinao ilay vavaka ataoko. Eny hoy izy. Miantso aho, Jesoa o : tsy mahavoaka feo ny vavany ; avereno hoy aho hoe Jesoa o – efa nanomboka feno rehoka koa hono tao anatiny tao dia sahirana be izy miteny. Izao ary no anaovantsika azy hoy aho : rehefa miteny aho dia mihatokatoka ianao manaiky izay teneniko. Eny hoy izy. Mamerina indray aho : tsy nihatokatoka izy ry havana o. Dia hoy aho hoe rahaharaha ity. Dia izao no noteneniko : izao, rehefa miteny aho hoe Jesoa , ka miteny hoe manaiky ve ianao, dia mihatoka ianao . Dia izay no natao : Jesoa o, manaiky ianao ? Dia hoe misaotra Anao ny amin’ny fitiavanao ; dia izay moa izany ilay vavaka, manolotra ny fanahiko eo an-tananao : eny tompoko. Raha velona aho, dia velona ho Anao : manaiky ianao ? Eny tompoko ; raha maty aho dia maty ho anao : manaiky an’izany ve hoy aho ianao ? Ry havana o, maninona aho no mitantara an’izany zavatra izany ? Mitantara an’izany zavatra izany aho satria hoe vita ilay vavaka, dia nihiratra ny mason’ilay rangaha, nazava be ny tarehiny, dia possible mihitsy hoe faly be izy afaka nanolotra ny fanahiny ho an’Andriamanitra. Nefa izao koa no lazaiko aminareo : ilay vavaka teo, combat tamin’ny devoly hanongotana ny fanahin’iny rangaha iny avy amin’izany hoe vahoan’ny devoly izany. C’est un combat : an’Andriamanitra io, Segoulah an’Andriamanitra io ary tsy navela norambahin’ny devoly. Ny vaovao mahafaly : adiny 1 avy eo, niantso ahy ilay vadiny : maty izy Pasitera. Aiza izy ? Any amin’ilay Tompony : Segoulah.
Ry havana o, tia anao ny Tompo. Araka ilay hira 354 teo, manambitamby anao Izy e : mankanesa eo Aminy, mangataha ny fanahin’ny fankatoavanna ; hitombo amin’ny fankatoavana dia ho Segoulah-ny ianao, ho Segoulah mandrakizay.
Amena.

image_pdfPDF