LAHATENY FANENTANANA
“Ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan' i Kristy”. Efes.4,13b
Izany teny faneva entina ankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-30 taonan’ny SLK eto amin’ny Isotry Fitiavana no entina miarahaba antsika ry Havana amin’ny anaran’I Jesoa Kristy Tompo; Ny herin’ny fahendren’ny Tompo, izay nampanantenainy hitoetra mandrakariva amintsika anie, hahatonga antsika rehetra ho tahaka ny lehilahy lehibe tokoa.
Tsy ny lehilahy ihany arak’izany no entina am-bavaka fa ny fiangonana manontolo, ny fiaraha-monina manontolo ary ny firenena manontolo mihitsy. Entina milaza fahamatorana ny hoe lehilahy lehibe, koa ny rehetra izany no tokony ho matotra eo amin’ny fanompoana sy fanaovana ny asa fa tsy ny lehilahy ihany.